Tahirim-pitaovana
Lesona 98: Asan’ny Apostoly 27–28


Lesona 98

Asan’ny Apostoly 27–28

Fampidirana

Raha nandeha tany Roma i Paoly tamin’ny naha-gadra azy dia rendrika tao amin’ny nosy iray ny sambo nitondra azy. Nokaikerin’ny bibilava izy teo amin’ilay nosy fa tsy naninona, ary nanasitrana olona maro narary izy. Nentina tany Roma ihany i Paoly taty aoriana, dia nohidiana tao anaty tranomaizina nandritra ny roa taona izy tao ary nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny Apostoly 27

Rendrika ny sambo nitondra an’i Paoly rehefa nandeha nankany Roma izy.

Soraty eo amin’ny solaitrabe mialoha ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana ireto fehezanteny ireto: (Ireto fehezanteny ireto dia hita ao amin’ny Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 41116.)

“Aza mampiaraka matetika amin’ny olona iray.”

“Aza manatrika, na mijery, na mandray anjara amin’izay zavatra ambany, na tsy mendrika, na feno herisetra, na mahakasika ny pôrnôgrafia na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”

“Raha manentana anao hanao zavatra ratsy ireo namanao dia aoka ianao mba ho ilay iray izay mijoro amin’ny tsara, na dia mijoro irery aza ianao.”

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo fehezanteny voasoratra eo amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana ny zatovo sasany no mety hisafidy ny tsy hanaraka ireo fehezanteny mampitandrina sy manoro hevitra ireo?

Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 27 mba hitady ireo fahamarinana izay hanamafy orina ny finoany hanaraka ireo fampitandremana sy torohevitra avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa noampangaina tsy ara-drariny ho mpamadika i Paoly ka nogadraina. Nangataka ny hitondrana ny raharahany teo anatrehan’i Kaisara tany Roma i Paoly, izay zony amin’ny maha-olom-pirenena Romana azy. Fintino ny Asan’ny Apostoly 27:1–8 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia nandeha sambo niaraka tamin’ny gadra hafa nankany Roma teo ambany fiambenan’ny kapiteny Romana iray (manamboninahitra miaramila Romana izay nibaiko lehilahy 50 ka hatramin’ny 100). Rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro izy ireo dia nijanona teo amin’ny seranana iray teo amin’ny nosy Kreta. Rehefa nandao ilay seranana izy ireo dia nampitandrina an’ireo olona tao anatin’ilay sambo i Paoly fa tsy tokony hanohy ny diany izy ireo.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:9–10 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra fantatr’i Paoly fa hitranga raha manohy ny dian’izy ireo mankany Roma izy sy ireo olona hafa tao anatin’ilay sambo. Azonao atao ny manazava fa ilay teny hoe fifadiana amin’ity sahan-kevitra ity dia midika hoe tsy mihinan-kanina an-tsitrapo. Eto angamba “ny fifadian-kanina” dia manondro ilay andro masina Jiosy nantsoina hoe andro Fanavotana, izay nanamarika ny fiantombohan’ny vanim-potoana izay noheverina fa nampidi-doza ny nandeha teny amin’ny Ranomasina Mediteraneana nandritra izany noho ireo oram-baratra mahery vaika.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 10, inona no fampitandremana sy faminaniana nomen’i Paoly mikasika izay zavatra hitranga raha nanohy ny diany izy ireo?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:11–12 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba namalian’ilay kapiteny Romana sy ireo olona hafa tao anatin’ilay sambo ny fampitandremana nataon’i Paoly.

  • Raha tokony hihaino ny fampitandremana nataon’i Paoly ilay kapiteny dia iza indray no nitokisany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hoe mora kokoa ho an’ilay kapiteny ny nino ny tompon’ilay sambo toy izay nino an’i Paoly?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12, dia nahoana ny ankamaroan’ireo olona tao anatin’ilay sambo no tsy niraharaha ny fampitandreman’i Paoly? (Hazavao fa ilay teny hoe fitodian-tsambo dia entina ilazana seranana iray ary ilay hoe tsara hitoerana dia midika hoe hahazoana aina na mety.

Asao hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:13–21 ny mpianatra vitsivitsy. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga rehefa nanohy ny diany nankany Roma ilay sambo.

  • Inona no nitranga rehefa nanohy ny diany nankany Roma ilay sambo?

  • Rehefa hitan’ireo olona tao anaty sambo fa “nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo” (andininy 13), inona no mety ho neritreretin’izy ireo mikasika an’i Paoly sy ny fampitandremana nataony?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 20, dia toy ny ahoana ny fihetseham-pon’ireo olona tao anatin’ilay sambo nandritra ilay tafio-drivotra?

  • Araka ny asehon’ny teny nambaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny andininy 27 dia Inona no fitsipika azontsika ianarana mikasika ny zavatra mety mitranga raha tsy miraharaha ny fampitandremana sy ny torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao: Raha tsy miraharaha ireo fampitandremana sy torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo isika dia mampidi-doza ny tenantsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Hazavao fa mety ho tafiditra ao amin’ilay loza ny tsy fahazoana ireo fitahiana izay tokony ho azontsika.)

Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny antony tsy niraharahian’ilay kapiteny sy ireo olona hafa tao anatin’ilay sambo ny fampitandremana sy ny torohevitra nomen’i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:11–12).

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanaovan’ny olona amin’izao fotoana izao fialan-tsiny toy izany amin’ny tsy firaharahiana ireo fampitandremana sy torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo?

Ny fampiasana ny Jeunes, soyez forts na ireo lahateny vao haingana tamin’ny fihaonambe dia manome ohatra fanampiny amin’ireo fampitandremana sy torohevitra izay tsapanao fa mety amin’ireo mpianatrao.

  • Loza inona no mety ampidirin’ny olona amin’ny tenany rehefa tsy miraharaha ny fampitandremana sy ny torohevitra toy izany avy amin’ireo mpaminany?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:22–26 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Paoly tamin’ireo olona tao anaty sambo.

  • Raha tao anatin’ilay sambo ianareo ka teny afovoan’ilay tafio-drivotra mahatahotra, dia teny inona avy amin’i Paoly no mety nampahery anareo?

  • Inona no nolazain’i Paoly tamin’ny faminaniana fa hitranga tamin’ireo olona sy ilay sambo?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 27:27–30 amin’ny fanazavana fa tamin’ny alina faha 14 tao anatin’ilay tafio-drivotra dia nandatsaka vatofantsika efatra tao anaty ranomasina ireo matilo mba hanakanana ilay sambo tsy hidona amin’ireo vato. Dia nankeo an-doha-sambo ireo matilo ary mody toy ny hoe handatsaka vatofantsika maromaro fanampiny. Kanefa izy ireo raha ny marina dia nikasa ny handao ilay sambo ka hitsoaka tamin’ny salopy satria natahotra izy ireo hoe hilentika ilay sambo.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:31–32 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fampitandremana nomen’i Paoly an’ilay kapiteny sy ireo miaramila. Hazavao fa ny teny hoe ireo ao amin’ny andininy 31 dia manondro ireo matilo izay niezaka nitsoaka.

  • Inona no fampitandremana nomen’i Paoly an’ilay kapiteny sy ireo miaramila?

  • Inona no navalin’ireo miaramila ny fampitandremana sy ny torohevitra nomen’i Paoly? (Nihaino ny fampitandremany izy ireo ka nanakana ireo matilo tsy hitsoaka tamin’ny alalan’ny fanapahana ireo tady tamin’ilay salopy ka navelany nilatsaka tsy nisy na inona na inona ilay izy.)

Hazavao fa ny ampitso marainan’io i Paoly dia niangavy an’ireo matilo izay nifady hanina mba hihinan-kanina (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:33–34). Nanome toky azy ireo indray izy fa tsy hisy ho faty izy ireo.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 27:35–36 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra.

  • Inona no navalin’ireo matilo ny torohevitra nomen’i Paoly?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 27:37–41 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nidona ilay sambo rehefa nitodi-doha nankany amin’ny nosy Malta. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 27:42–44 ka hitady ny zavatra nitranga tamin’ireo olona tao anatin’ilay sambo.

  • Inona no nitranga tamin’ireo olona tao anatin’ilay sambo?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny faminanian’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:22–26 izay milaza fa tsy hisy olona ho faty na dia ho very aza ilay sambo.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny zavatra mety hitranga raha manaraka ny torohevitra sy ny fampitandremana avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo isika? (Mety hahita fitsipika maromaro toy izao manaraka izao ireo mpianatra : Raha manaraka ireo fampitandremana sy torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo isika dia hanatanteraka ny fampanantenana nomeny antsika ny Tompo. Raha manaraka ireo fampitandremana sy torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo isika dia ho afaka ny handresy ireo loza izay manambana antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireo fitsipika ireo.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitsipika hitan’izy ireo tao amin’ny Asan’ny Apostoly 27 dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Henry B. Eyring

“Isak’izay nisafidy ny hanemotra ny fanarahako ireo torohevitra nentanim-panahy teo amin’ny fiainako aho, na nanapa-kevitra fa niavaka tamin’ny rehetra ny tenako, dia fantatro fa nampidi-doza ny tenako aho. Isaky ny avy nihaino ny torohevitr’ireo mpaminany aho, ka nahazo fanamafisana izany avy amin’ny vavaka, ary avy eo dia nanaraka izany, dia hitako hoe nandroso nankany amin’ny fahazoana fiarovana ny tenako”(“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampiana anao handresy ireo loza izay nanambana anao ara-panahy sy ara-batana tamin’ny alalan’ny fihainoana ireo fampitandremana sy torohevitra nentanim-panahy avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo? (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa afaka mandalina ny torohevitr’ireo mpaminany maoderin’ny Tompo ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana sy ao amin’ny Jeunes, soyez forts ihany koa izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo ka manao tsinontsinona izay mety ho fampitandremana na torohevitra avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo na hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo manaraka tsara kokoa ireo fampitandremana sy torohevitra voarain’izy ireo. Asao ireo mpianatra hanoratra tanjona iray mikasika ny fomba hanarahan’izy ireo bebe kokoa izany torohevitra izany.

Asan’ny Apostoly 28

Nentina tany Roma i Paoly, ary nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy tany

Manehoa sarina rambon-danitra lehibe na tadio amin’ny mpianatra (na manaova sarin’izany iray eo amin’ny solaitrabe).

rambondanitra

Hazavao fa ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka ireo olana sy fitsapana eo amin’ny Fiainana toy ny “tadio ara-panahy” (jereo ny “Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 18–21).

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fitsapana na olana izay azo ampitahaina amin’ny tadio?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 28 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hiaritra amim-pahatokiana ireo “tadio ara-panahy” atrehin’izy ireo.

Hazavao fa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 28 isika dia mamaky mikasika ireo zavatra niainan’i Paoly ‘tao amin’ilay nosy sy ny fitohizan’ny diany nakany Roma ary ny fanagadrana azy tany Roma.

Zarao ho vondrona telo na mihoatra izany ireo mpianatra, miankina amin’ny isan’ireo mpianatrao. Omeo ny iray amin’ireto ampahan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Asan’ny Apostoly 28:1–6; Asan’ny Apostoly 28:7–14; ary Asan’ny Apostoly 28:16–24, ka omeo ampahan-tsoratra masina mitovy ny vondrona maromaro raha ilaina. Asao ny vondrona tsirairay handalina ny ampahan-tsoratra masina nomena azy ireo ary avy eo dia hanao izao manaraka izao (Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto torolalana ireto):

  1. Manaova sary iray ao amin’ny diary fandalinanareo soratra masina na manorata lohatenina gazety iray izay mamintina ireo tranga voasoritra ao amin’ny tsirairay amin’ny ampahan-tsoratra masina nomena anareo.

  2. Asehoy ny mpianatra rehetra ny sary nataonareo na vakio ilay lohateny nosoratanareo, ka fintino ireo zavatra nitranga voafaritra ao amin’ny ampahan-tsoratra masina nomena anareo.

Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny vondrona tsirairay hilaza ny zavatra hitany amin’ny mpianatra rehetra. (Raha misy vondrona mihoatra ny telo dia asao ireo vondrona manana ampahan-tsoratra masina mitovy mba hizara ny sary na ny lohateny nataon’izy ireo sy izay hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo avy amin’ny famakiany ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo.)

  • Inona avy ireo fitsapana nolalovan’i Paoly rehefa nandeha nankany Roma sy nijanona tao izy?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 28:30–31 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra azon’i Paoly natao tany Roma na dia nidina tao am-ponja aza izy. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no nataon’i Paoly ka naneho fa mbola nijanona ho mahatoky tamin’ Andriamanitra izy na dia teo aza ny fitsapana niainany?

  • Inona no zavatra tsara azo avy amin’ny fitsapana niainan’i Paoly teny ambonin’ny ranomasina sy rehefa rendrika ary rehefa nogadraina tany Roma? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mahatoky isika dia afaka manampy antsika hanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa Andriamanitra.)

  • Inona avy ireo ohatra amin’ireo fomba ahafahan’ Andriamanitra manampy ny olona hanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenany manokana sy ho an’ny hafa?

  • Oviana Andriamanitra no efa nanampy anareo na ny olona iray izay fantatrareo nanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenanareo manokana na ho an’ny hafa? (Mizarà zavatra niainanao manokana.)

Amporisiho ny mpianatra hanaraka ny ohatr’i Paoly ka hisafidy ny hijanona ho mahatoky rehefa mandalo fitsapana mba hahafahan’ Andriamanitra manampy azy ireo hanova ireo fitsapana ireo ho fitahiana ho an’ny tenan’izy ireo manokana sy ny hafa.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 28:17–31. Nitory ny filazantsara tao Roma i Paoly

“Araka ny fahalalàna ananantsika hatreto aloha dia i Paoly no misiônera voalohany nitory ny filazantsara tany Roma. Tahaka izay nataony tany amin’ireo tanàna hafa dia nitory tamin’ny Jiosy aloha i Paoly, ka nino azy ny sasany tamin’izy ireo, ary avy eo dia nampitodika ny sainy tany amin’izay ‘rehetra nankeo aminy’ (Asan’ny Apostoly 28:30), ka maro tamin’izy ireo no azo antoka fa Jentilisa. Raha mbola tao am-ponja i Paoly dia nanoratra izay antsoin’ny olona sasany hoe ‘ireo epistiliny tao am-ponja’—Kolosiana, Efesiana, Filemona, ary Filipiana. Taorian’ny nijanonany roa taona tao am-ponja tao Roma dia toa hoe notsaraina i Paoly dia navotsotra ary taorian’izay izy dia nandeha nanompo tany Azia, Gresy, ary angamba tany Espaina talohan’ny nanagadrana azy indray tao Roma. Araka ny lovan-tsofina dia novonoina nandritra ireo fanenjehana teo ambany fanapahan’i Nero izy, teo ho eo anelanelan’ny 64 sy 68 taorian’i Jesoa Kristy. Niresaka momba ny fahafatesany ho avy i Paoly (2 Timoty 4:6–8),” (Testamenta Vaovao : Boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 330).

Asan’ny Apostoly 28. Raha mahatoky isika dia afaka manampy antsika hanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa Andriamanitra

Ny Filoha John Taylor dia nampianatra fa rehefa mijanona ho mahatoky sy mankatò ny Tompo isika dia afaka ny ho tombontsoa sy fitahiana ho antsika ireo fitsapana antsika:

“Tsy hitanareo ve ny ilàna ireo fitsapana sy fahoriana ary toe-javatra tsy maintsy lalovantsika ireo? Ny Tompo no mametraka antsika amin’ireo toerana izay efa natao ho antsika manokana ireo mba ho tonga zava-mahasoa indrindra ho an’ireo vahoakany. Ny hevitro dia hoe, raha tokony ho fahavoazana ho antsika sy ny fanjakan’ Andriamanitra ireo fanenjehana sy fitsapana manodidina antsika ireo, dia hitondra ny tombontsoa tsara indrindra tsy mbola azon’ny fanjakan’ Andriamanitra izany, ary tsara sy ho tsara avokoa ny zavatra rehetra raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika. Inona ary izany ny toerana tokony hotanantsika—lehilahy sy vehivavy ary ankizy rehetra? Manao ny andraikitsika eo anatrehan’ Andriamanitra, manaja Azy, dia ho tsara ny zavatra rehetra. Ary mahakasika ireo zavatra izay tsy mbola nitranga, dia tokony hatoky isika fa horaisin’ Andriamanitra an-tanana izy ireo, ary hahatsapa fa na inona na inona no miseho dia tsara, ary Andriamanitra dia hifehy ny zavatra rehetra mba ho tombontsoa tsara indrindra ho antsika sy tombontsoa ho an’ny Fiangonany sy ny fanjakany eto an-tany” (Teachings of Presidents of the Church: John Taylor [2011], 206–7).