Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny soratra masina fehezina


Fampahafantarana ny soratra masina fehezina

Ny Seminera sy Institiota Fianarana ny filazantsara dia nifantina andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 ho an’ny taranjam-pianarana efatra ao amin’ny seminera. Manome fototra iorenana manan-danja ara-tsoratra masina mba hahatakarana sy hizarana ny filazantsara sy hampatanjahana finoana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Toy izao manaraka izao ny toko sy andinin-tsoratra masina fehezina mikasika ny Testamenta Vaovao:

  • Matio 5:14–16

  • Matio 11:28–30

  • Matio 16:15–19

  • Matio 22:36–39

  • Matio 28:19–20

  • Lioka 24:36–39

  • Jaona 3:5

  • Jaona 14:6

  • Jaona 14:15

  • Jaona 17:3

  • Asan’ny Apostoly 2:36–38

  • Asan’ny Apostoly 3:19–21

  • 1 Korintiana 6:19–20

  • 1 Korintiana 15:20–22

  • 1 Korintiana 15:40–42

  • Galatiana 5:22–23

  • Efesiana 4:11–14

  • Filipiana 4:13

  • 2 Tesaloniana 2:1–3

  • 2 Timoty 3:15–17

  • Hebreo 12:9

  • Jakoba 1:5–6

  • Jakoba 2:17–18

  • 1 Petera 4:6

  • Apokalypsy 20:12

Entanina ireo mpianatra seminera mba hianatra “hifehy” ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo. Hanampy ireo mpianatra tsara kokoa ianao raha toa ka mahafehy ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo ihany koa. Ahitana ireto zavatra manaraka ireto ny fifehezana ny andinin-tsoratra masina:

  • Fitadiavana ny toerana misy ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fahafantarana ny toko sy andininy mifanaraka amin’izany

  • Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andinin-tsoratra masina

  • Fampiharana ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina

  • Fitadidiana an’ireo andinin-tsoratra masina

Tsy fiovaovana sy zavatra takina ary fomba fiasa

Rehefa manao drafitra ianao hanampiana ireo mpianatra hifehy andinin-tsoratra masina dia hahomby kokoa raha toa tsy miovaova, sy mitaky zavatra araka ny tokony ho izy, ary mampiasa fomba fiasa izay mitondra any amin’ny endrika fianarana maro samihafa rehefa miresaka ireo soratra masina fehezina.

Ny tsy fiovaovana sy ny famerimberenana eo amin’ny fampianarana ny soratra masina fehezina dia hanampy ireo mpianatra hametraka fahamarinana maro ao amin’ny fitadidian’izy ireo maharitra mba ho ampisaina any aoriana. Mety hanampy ny fanoritsoritana ny fandaharam-pianarana mandritra ny taona sy ny famolavolana drafitra mba hahafahana manome fahafahana tsy tapaka ireo mpianatra hifehy andinin-tsoratra masina ao an-dakilasy. Aoka hanam-pahendrena ianao rehefa mamaritra hoe isaky ny inona no manokana fotoana ary manao ahoana ny halavan’ny fotoana laniana hanampiana ireo mpianatra hianatra ny andinin-tsoratra masina fehezina. Ataovy izay tsy hahatonga ny asa atao mikasika ny soratra masina fehezina hanamaivan-danja ny fandalinana ny soratra masina mahazatra fanao isan’andro. Azonao atao ny manapa-kevitra handany minitra vitsivitsy isan’andro miaraka amin’ireo mpianatrao mba hamerenana hijerena ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Na mety hanapa-kevitra ianao hanome asa atao fohy iray indray na indroa isan-kerinandro manditra ny 10 na 15 minitra eo hifehezana soratra masina. Na manao ahoana na manao ahoana ny fomba eritreretinao hanampiana ireo mpianatra hianatra ny andinin-tsoratra masina fehezina, dia aoka ianao tsy hiovaova ary hanao ezaka araka ny tokony ho izy.

Afotory tsara amin’ny fahatakaran’ireo mpianatra tsirairay ny zavatra takinao aminy mikasika ny soratra masina fehezina. Ny fifehezana ny andinin-tsoratra masina dia mitaky ezaka avy amin’ilay mpianatra. Ampahafantaro an’ireo mpianatra fa ny fahombiazan’izy ireo eo amin’ny fifehezana ny soratra masina dia miankina betsaka amin’ny fihetsik’izy ireo sy ny fahavononan’izy ireo hiasa. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona izay manosika ny fahaizan’izy ireo ho amin’ny ambonimbony kokoa. Aoka ianao hijery akaiky an’ireo mpianatra izay manana fahasahiranana amin’ny fitadidiana, ary ho vonona hampifanaraka ny zavatra takinao sy ny fomba entinao mampianatra amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Mba hahafahana mahafaoka karazana toetran’olona maro kokoa sy fomba fianarana maro kokoa dia ovaovao ny fomba ampiasainao hanampiana ireo mpianatra hifehy andinin-tsoratra masina. Toy ny amin’ny fampianarana sy fianarana rehetra miompana amin’ny filazantsara, dia aoka ianao hanam-pahendrena eo amin’ny fisafidianana ny asa atao mba hahafahan’ny Fanahy Masina hanohana ny fifehezan’ireo mpianatra ny soratra masina sy ny fotopampianarana. Hahita fomba maro hampianarana soratra masina fehezina ianao ao amin’ireo lesona ato amin’ity boky ity. Mba hahitana ireo fomba fanampiny hampianarana ny soratra masina fehezina dia jereo ny fizarana antsoina hoe “Asa atao mikasika ny Soratra Masina Fehezina” ato amin’ity tovana ity.

Soratra masina fehezina ao amin’ny fandaharam-pianarana

Ny soratra masina fehezina dia nosoratana amin’ny fomba maro ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Ny sary famantarana ny soratra masina fehezina sary famantarana ny soratra masina fehezina dia maneho ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina fehezina ao anatin’ilay lesona. Ireo soratra masina fehezina dia atolotra sy resahina ao amin’ny sahan-kevitra manodidina ireo toko izay ahitana azy ireo. Ny hevitra fanampiny enti-mampianatra ho an’ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia hita any amin’ny faran’ny lesona izay misy azy ireo. Ireo hevitra fanampiny enti-mampianatra ireo dia manampy amin’ny fandanjalanjana ireo lafiny efatra ao anatin’ny fifehezana ny soratra masina (ny fahitana ny toerana misy azy, ny fahatakarana, ny fampiharana, ary ny fitadidiana) raha ny mikasika ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Ohatra, raha toa ilay lesona ka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra ilay andinin-tsoratra masina fehezina, ny hevitra fanampiny enti-mampianatra kosa dia hanampy azy ireo amin’ny fahitana ny toerana misy azy na ny fitadidiana ilay soratra masina.

Ny fandaharam-pianarana ihany koa dia manome tsy tapaka asa atao ho famerenana ny soratra masina fehezina izay azo ampiasaina raha ampy ny fotoana sy mifanaraka amin’ny tanjon’ny kilasinao amin’ny soratra masina fehezina. Ireo famerenana ireo dia azo anampiana ireo asa atao mikasika ny soratra masina fehezina voatanisa ato amin’ity tovana ity. Azonao atao ny mampiasa fotoana fanampiny mialoha na aorian’ny lesona iray fohifohy mba hanatanterahana ireo asa fanaovana famerenana ireo.

Sosokevitra amin’ny fomba entina hifehezana soratra masina

Mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny fahaizana mamantatra ny toerana misy ny soratra masina fehezina, dia afaka manao drafitra ianao hanolorana ireo andinin-tsoratra masina fehezina 25 any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ary avy eo miezaka manatevina ny fifehezana mandritra ny taom-pianarana manontolo. Na afaka mampahafantatra andinin-tsoratra masina vitsivitsy ianao isam-bolana ary mifantoka amin’ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina ireo mandritra io volana io. Ny fampahafantarana toy izany dia azo anolorana sosokevitra ny mba handokoan’ireo mpianatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny boky soratra masin’izy ireo manokana, sy ny hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ireo fomba hitadidiavan’izy ireo ireo teny manan-danja sy ny toko sy andininy, ary ny hanazavana ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny andininy tsirairay. Azonao atao ihany koa ny mampandray anjara ireo mpianatra amin’ny fampahafantarana ireo andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny alalan’ny fanendrena azy ireo mba hampiasa izany amin’ny fampaherezam-panahy ataon’izy ireo na amin’ny fanasana azy ireo hifampianatra ny fomba hitadidiana ireo soratra masina sy hahitana ny toko sy andininy misy azy. Manomeza andraikitra amin’ny fitadidiana ny andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny alalan’ny fanaovana matetitetika ankamantatra sy hitadidiana ny toko sy andininy (jereo ny asa atao mikasika ny soratra masina fehezina ato amin’ity tovana ity raha mila ohatra). Misy lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 ho an’ity fandaharam-pianarana ity hita eo amin’ny fanamariham-pejy sy ny karatra misy ny soratra masina fehezina an’ireo mpianatra.

Mba hanampiana ireo mpianatra eo amin’ny fahatakaran’izy ireo ny andinin-tsoratra masina fehezina dia antitrantero ireo andininy ireo rehefa misy azy ireo ny lesona isan’andro ataonao. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny asa atao mikasika ny soratra masina fehezina ato amin’ity tovana ity mba hampitomboana ny fahalalan’ireo mpianatra ireo fahamarinana voarakitra ao anatin’izany andininy izany sy ny fahaizan’izy ireo manazava izany. Omeo fahafahana ireo mpianatra mandritra ireo fampaherezam-panahy na mandritra ny kilasy mba hanazava ny fomba nanampian’ny soratra masina fehezina azy ireo mba hahatakatra bebe kokoa ireo Fotopampianarana Fototra.

Mba hanohanana ireo mpianatra amin’ny fampiharan’ izy ireo ny fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina, dia entano izy ireo hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hahatakarana ny fomba hampiharana ny fahamarinana ao amin’ilay andininy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny fahamarinana nianaran’izy ireo, dia azonao atao tsindraindray ny mametraka fanamby mikasika ny andinin-tsoratra masina fehezina iray eo amin’ny solaitrabe fametraham-baovao. Na azonao atao ny manome fahafahana an’ireo mpianatra ao an-dakilasy mba hampihatra ny fampianarana fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina fehezina (jereo ny asa atao mikasika ny soratra masina fehezina ato amin’ity tovana ity mba hahitana hevitra). Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hampihatra ny fitsipika izay nianaran’izy ireo tamin’ny lesona izay ahitana ny soratra masina fehezina. Omeo fahafahana ny mpianatra—mandritra ny fampaherezam-panahy na mandritra ny fotoana hafa—mba hizara ny zavatra niainany. Hanampy azy ireo izany hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fahamarinana izay nianarany avy tamin’ny andinin-tsoratra masina fehezina.

Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina 25, dia azonao atao ny manao drafitra mba hanoloran-tena hitadidy andinin-tsoratra masina roa na telo isam-bolana ao an-dakilasy. Azonao atao ihany koa ny manome fanamby ireo mpianatra mba hitadidy ny andinin-tsoratra masina sasantsasany any an-trano (azon’izy ireo atao ny manao izany miaraka amin’ny fianakaviany, na ny mamerina andinin-tsoratra masina amin’ny ray aman-dreniny na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana). Azonao atao ny manao ny fitadidiana ho ao anatin’ny fampaherezam-panahy isan’andro amin’ny fangatahana ireo mpianatra hamerina andininy iray, na amin’ny fanomezana fotoana azy ireo hitadidiana izany tsiroaroa. Ny fanomezana ireo mpianatra fotoana hamerenana ny soratra masina fehezina tsiroaroa na miaraka vitsivitsy na eo anatrehan’ireo mpianatra rehetra dia afaka manampy azy ireo ho tompon’andraikitra amin’izay ezaka ataony. Ireo asa atao mikasika ny soratra masina fehezina ato amin’ity tovana ity dia ahitana fomba fitadidiana isan-karazany. Tandremo mba hifanaraka tsara amin’ny fahaizan’ireo mpianatra tsirairay sy ny toe-javatra iainany ny zavatra takinao ho tadidiany. Tsy tokony hatao izay hahatsapan’ireo mpianatra fahamenarana na hakiviana raha toa ka tsy mahavita mitadidy soratra masina izy ireo.