Lesona 64
Jaona 5
Fampidirana
Nanatrika andro firavoravoana iray (mety ny Paska angamba) tany Jerosalema ny Mpamonjy ka nanasitrana lehilahy iray izay efa osa teo amin’ny farihin’i Betesda. Nampianatra i Jesoa Kristy fa misolo tena ny Ray any An-danitra Izy ary nohazavainy ny antony ilan’ny olona manaja ny Zanak’ Andriamanitra. Namariparitra ireo vavolombelona hafa izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy koa Izy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Jaona 5:1–30
Nanasitrana lehilahy iray efa osa tamin’ny andro Sabata i Jesoa ary nampianatra mikasika ny fifandraisany amin’ny Ray
Manehoa sarina vakina vazy na lovia (na azonao atao ny manao sarina lovia vaky eo amin’ny solaitrabe).
Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toy izy ireo ka efa namaky zavatra iray manan-danja na lafo vidy. Hazavao fa amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra dia manan-danja sy sarobidy isika. Kanefa, noho ny safidy ataontsika na ireo olana izay atrehantsika dia mety hahatsapa ho ketraka isika na tsy manan-danja.
-
Toy ny ahoana avy ireo fomba mety hahatsapan’ny olona iray fa ketraka ara-panahy, na ara-batana, na ara-pihetseham-po izy? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Jaona 5:1–9 mba hitady fahamarinana iray izay afaka mampahery antsika sy manome antsika fanantenana rehefa mahatsiaro ho ketraka isika.
Fintino ny Jaona 5:1 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy nanompo tao Galilia i Jesoa Kristy dia nankany Jerosalema Izy mba hitandrina ny andro firavoravoan’ny Jiosy, izay azo antoka fa ny Paska izany. Raha mbola tao Jerosalema Izy dia nandeha teo amin’ny farihy iray akaikin’ny tempoly.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 5:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo olona nivory manodidina ilay farihy.
-
Karazan’olona toy ny ahoana no nivory teo amin’ny farihin’i Betesda? (Hazavao fa ny teny hoe jamba, mandringa, ary maty-ila [andininy 3] dia mamaritra olona narary, na osa, na tsy afaka nihetsika.)
-
Inona no nandrasan’ireo olona nijaly ireo? (Hazavao fa mety nisy loharano izay nikoriana tsindraindray nankao amin’ilay farihy ka mety nampandroandroatra ny tampon’ny rano, izay mety nanamaivana ny fijalian’ireo olona ireo [jereo ny Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF, “Bethesda”].)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Tsy isalasalana fa loharano mineraly ny farihin’i Betesda ary nanana toetra nanasitrana ny rano tao amin’izany. Fa izay mety ho filazana fa nisy anjely nidina nanetsika ny rano, mba ho sitrana avy hatrany ny olona voalohany izay niroboka tao, dia finoanoam-poana tsotra izao. Tsy avy amin’ny fomba toy izany no hiavian’ny fanasitranana amin’ny fomba mahagaga” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965–73], 1:188).
-
Inona no nampianarin’ny Loholona McConckie mikasika ny finoana fa anjely iray no nampihetsika ny rano mba hanasitrana ny olona niroboka voalohany tao?
-
Araka ny eritreritrareo dia mety ho toy ny ahoana ny toe-javatra niseho teo amin’ilay farihy, izay feno olona maro nanantena ny ho sitrana raha izy no tafaroboka voalohany tao?
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 5:5–7. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny olona izay hitan’ny Mpamonjy nandry teo akaikin’ilay farihy.
Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe I Kristy Manasitrana ilay Marary tao Betesda (Boky mirakitra Sary momba ny filazantsara, [2009], lah. 42; jereo koa ny LDS.org).
-
Amin’ny fomba ahoana no hanoritsoritan’ireo andininy ireo ilay lehilahy hitan’ny Mpamonjy?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 5:8–9, ka hitady ny teny navalin’ny Mpamonjy an’ilay lehilahy. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Asao izy ireo hanisy marika ny andian-teny hoe “sitrana ilay lehilahy” (andininy 9).
Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe Betesda. Hazavao fa ny hoe Betesda dia azo adika hoe “tranon’ny famindram-po” (Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF, “Bethesda”). Soraty eo akaikin’ny hoe Betesda eo amin’ny solaitrabe io famaritana io. Hazavao fa ny famindram-po dia fangorahana na hatsaram-panahy. Ny asa feno famindram-po lehibe indrindra izay natao dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
-
Nahoana no anarana mety tsara hiantsoana io toerana io ny hoe Betesda, indrindra fa taorian’ny nanasitranan’ny Mpamonjy io lehilahy io?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hitoviantsika rehetra amin’io lehilahy teo amoron’ny farihin’i Betesda io?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fanasitranan’ny Mpamonjy io lehilahy io? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia ataovy izay hanamafisana fa afaka ny ho sitrana isika amin’ny alalan’ny hery sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Merrill J. Bateman ity, izay nanome ity hevi-baovao ity fony izy tao amin’ny Eveka Mpiahy. Asao ireo mpianatra hihaino ireo fomba azon’ny Mpamonjy hanasitranana antsika:
“Tahaka ny nilàn’ilay lehilahy nalemy teo akaikin’ny farihin’i Betesda olona iray matanjaka kokoa noho izy mba hahasitrana azy (jereo ny Jaona 5:1–9), no hianteherantsika koa amin’ireo fahagagana avy amin’ny sorompanavotan’i Kristy raha tiantsika ho sitrana amin’ny alahelo sy ny fahotana ny fanahintsika. … Amin’ny alalan’i Kristy dia sitrana ireo fo maratra ary misolo toerana ny fitaintainana sy ny alahelo ny fiadanana” (“The Power to Heal from Within,” Ensign, mey 1995, 13).
-
Ahoana avy ireo fomba ahafahantsika ho sitrana amin’ny alalan’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? (Azonao atao ny manazava fa azo sitranina isika na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy.)
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny famindram-po sy fanasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ireo fotoana izay nahitan’izy ireo na nahatsapany ny hery, na ny famindram-po, na ny fangorahan’i Jesoa Kristy nanampy azy ireo na ny olona hafa izay nahatsapa ho ketraka, na ara-panahy izany, na ara-batana, na ara-pihetseham-po. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Fantatro fa be indrafo sy feno fangorahana ny Mpamonjy satria …
Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamenoany io fehezanteny io. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valinteniny.
Fintino ny Jaona 5:10–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nahita ilay lehilahy tao amin’ny tempoly i Jesoa taoriana kelin’izay ka dia nanoro hevitra azy Izy hoe “aza manota intsony” (Jaona 5:14). Rehefa nahafantatra ireo mpitarika Jiosy fa nositranin’i Jesoa tamin’ny andro Sabata ilay lehilahy dia nanenjika sy niezaka ny hamono ny Mpamonjy izy ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 5:17–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady antony hafa nahatezitra ireo mpitarika Jiosy tamin’i Jesoa.
Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny andininy 17 dia nampianatra ireo mpitarika Jiosy ny Mpamonjy fa nanao ny asan’ny Ray any An-danitra izy tamin’ny nanasitranany ilay lehilahy. Nampianatra momba ny fifandraisany amin’ny Ray ny Mpamonjy avy eo.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 18, inona koa ny antony iray hafa nahatonga ireo mpitarika Jiosy ho tezitra tamin’i Jesoa? (Nihevitra izy ireo fa meloka tamin’ny faniratsirana i Jesoa satria nilaza Izy fa Rainy Andriamanitra ka noho izany dia nilaza ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra Izy.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fifandraisany amin’ny Raintsika any An-danitra? Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsirairay hiara-hamaky mafy ny Jaona 5:19–22, 26–27, 30. Asao izy ireo hitady ny valin’io fanontaniana io.
Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany. Fintino ny valim-panontaniana hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana ity fahamarinana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Misolo tena ny Ray any An-danitra amin’ny zavatra ataony rehetra i Jesoa Kristy ary mikatsaka ny hankatò ny sitrapony. Hazavao fa manasa antsika hanao toy izany koa ny Mpamonjy.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa i Jesoa Kristy dia manana anjara asa ny hisolo tena ny Raintsika any An-danitra amin’ny zavatra rehetra ataony?
Jaona 5:31–47
Nampianatra mikasika ireo vavolombelona maro izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa.
Mitondrà pitipoa mbola ao anaty hodiny. Tazony eny an-tananao ilay pitipoa anaty hodiny mba tsy hahitan’ny mpianatra izany. Hazavao fa mitazona zavatra izay tsy mbola hitan’ny mason’olombelona ianao. Asao hanangana ny tanany ny mpianatra raha mino anao izy ireo. Asao ny mpianatra iray tsy mahatoky raha toa ka marina izany na tsia mba hisafidy mpiara-mianatra vitsivitsy hijery ilay zavatra. Asehoy an’ireo mpianatra ireo ilay zavatra, ary asao izy ireo mba hilaza amin’ireo mpianatra raha toa ka milaza ny marina ianao.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanamafisana ny fahamarinan’ny filazana zavatra iray amin’ny alalan’ny fananana vavolombelona mihoatra ny iray?
Asehoy ny mpianatra ilay pitipoa anaty hodiny, dia hazavao ny antony tsy mbola nahitan’ny mason’olombelona mihitsy ny ao anatin’izany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 5:31. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.
Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny andininy 31 sy 32: “Raha Izaho no manambara ny tenako, dia marina ihany ny fanambarako. Satria tsy irery Aho” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 5:32–33). Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampianatra ny Jiosy fa manana vavolombelona maro hafa izy ireo ankoatra ny Azy.
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 5:32–35; Jaona 5:36; Jaona 5:37–38; Jaona 5:39; Jaona 5:45–47. Omeo an’ny mpianatra iray na mihoatra izay ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao izy ireo hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo dia hitady ireo vavolombelona hafa manambara ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa. Ampio ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo vavolombelona ireo amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe, eo akaikin’ny toko sy andininy nomena azy ireo.
Hazavao fa na dia nanana vavolombelona maro ny amin’i Jesoa Kristy aza izy ireo dia tsy nino ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy. Hazavao ao amin’ny andininy 39 fa rehefa niresaka momba ny soratra masina i Jesoa dia hoy Izy: “Satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay.”
-
Inona no finoana diso nolazain’i Jesoa tamin’ny Jiosy? (Hazavao fa maro ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa no nino fa ny fandalinana soratra masina fotsiny ihany dia hamela azy ireo hahazo ny fiainana mandrakizay. Tsy takatr’izy ireo fa ny tanjon’ny soratra masina dia ny hampitodika azy ireo any amin’i Jesoa Kristy. Raha ny marina dia hoy Izy: “Mihevitra ianareo fa manana ny fiainana mandrakizay, saingy diniho ny soratra masina, satria mijoro ho vavolombelona ny Amiko izany.”)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 5:40. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nilain’ny Jiosy natao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.
-
Na dia nandalina ny soratra masina aza ny Jiosy dia inona no tsy neken’izy ireo hatao kanefa mety ho nanampy azy ireo ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay?
-
Araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 39 sy 40, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Amin’ny alalan’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny fiainana mandrakizay ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy ny fiainana eo anatrehany miaraka amin’ireo olona mendrika ao amin’ny fianakaviantsika.
-
Inona no dikan’ny hoe manatona an’i Jesoa Kristy? (Ny manatona an’i Kristy dia ny mampihatra ny finoana Azy, mibebaka amin’ny fahotantsika, ary mankatò ny didiny.)
-
Nahoana ny fanatonana an’i Jesoa Kristy no ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?
Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fomba ahafahan’ireo vavolombelona voatanisa eo amin’ny solaitrabe manampy olona hankany amin’ny Mpamonjy.
-
Oviana no nanampy anao hankany amin’i Jesoa Kristy ny iray amin’ireo vavolombelony ireo?
Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra hataon’izy ireo mba hankanesana bebe kokoa any amin’ny Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo mahazo ny fiainana mandrakizay.
Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny Jaona 5.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jaona 5:17–47. “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa”
Araka ny voalazan’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia ny valinteny nomen’ny Mpamonjy ireo mpitarika Jiosy izay voarakitra ao amin’ny Jaona 5:17–47 no “toy ny toriteny mahafaoka zavatra betsaka indrindra ao amin’ny soratra masina mikasika ny zavatra tena manan-danja momba ny fifandraisana misy eo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany” (Jésus le Christ, ed. faha 3 [1916], 208).
Ao amin’ny fanambarana iray mikasika ny fotopampianarana izay navoaka tamin’ny 30 Jona 1916 dia nampianatra ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Niteny sy nanao asa fanompoana tamin’ny anaran’ny Ray any An-danitra sy tamin’ny alalan’ny anaran’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy; ary raha ny mahakasika ny hery sy ny fahefana ary ny toetra maha-andriamanitra no resahina, ny teniny sy ny asany dia ny an’ny Ray” (“The Father and the Son: A Doctrinal Exposition by the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” Ensign, apr. 2002, 17).
Jaona 5:29. Ny Fitsanganan’ ny olona amin’ny maty
Raha nisaintsaina ny Jaona 5:29 ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nahita ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 izy ireo. Io fahitana io dia nanome azy ireo fahatakarana fanampiny mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny drafitry ny famonjena (jereo ny F&F 76:11–19).
Jaona 5:39 “Diniho ny Soratra Masina; … ireny no manambara Ahy”
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny Jesoa Kristy—finoana fa misy Izy ireo, finoana an’ilay drafitry ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, finoana an’ilay Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izay mamelona ity drafitry ny fahasambarana ity, finoana entina hanaovana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho lasa fomba fiainantsika, ary finoana ahafahana mahafantatra ‘ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahi[ny]’ (Jaona 17:3)” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 34).