Lesona 33
Matio 27:51–28:20
Fampidirana
Nisaraka roa ny voalin’ny tempoly tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy. Ireo mpitarika Jiosy dia nangataka tamin’i Pilato ny hiambenana ny fasana nisy ny vatan’i Jesoa. I Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’ny olona maro, ka anisan’izany ireo Apôstôliny. Nandidy ireo Apôstôly mba hitondra ny filazantsara maneran-tany Izy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 27:51–56
Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia rovitra ny voalin’ny tempoly ary nihovotra ny tany.
Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo efa niatrika ny fahafatesan’ny olona akaiky anankiray. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Nahoana ny fahalasan’ny olon-tiana iray no mety ho sarotra?
Asaivo mitady fahamarinana ny mpianatra rehefa mandalina ny Matio 27:51–28:20 izay hanampy azy ireo hahita fampiononana rehefa mandao ity fiainana ity ny olon-tiana anankiray. Mba hanomezana sahan-kevitra ny lesona androany dia azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hamintina fohifohy ny zavatra niainan’i Jesoa Kristy teo anelanelan’ny fotoana nisamborana Azy sy ny fotoana nitsanganany tamin’ny maty.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 27:51. Asaivo manaraka ny rehetra ka hikaroka ny zava-nitranga tao amin’ny tempoly rehefa maty i Jesoa.
-
Inona no nitranga rehefa maty i Jesoa? (Asao ny mpianatra mba hijery ny Matio 27:51 ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF mba hahatakatra fa ny hoe “nisaraka roa” dia midika hoe “nitritra ka nizaraza.”)
Hevero ny fandikana ity kisary nampiarahina eto ity izay mikasika ny ao anatin’ny tempoly.
Hazavao fa nandritra ny vanim-potoan’i Jesoa dia nahitana efitra anankiroa tao anatin’ny tempoly: ny Toerana Masina ary ny Toerana Masina Indrindra. Ny Toerana Masina Indrindra dia maneho ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ireo efitra anankiroa ireo dia nosarahin’ny voaly iray na lamba fanasarahana iray. In-dray mandeha isan-taona, mandritra ny Andro Fanavotana dia miala avy ao amin’ny Toerana Masina ny mpisorona avo ka mandalo ny voalin’ny tempoly mba hidirana ao amin’ny Toerana Masina Indrindra, dia hafafiny ao ny ràn’ny fanatitra ho an’ny fahotana mba hanavotana ny fahotan’ny vahoakan’i Isiraely rehetra (jereo ny Levitikosy 16). Rehefa rovitra nizara roa ny voalin’ny tempoly tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia tandindona mahavariana izany fa i Jesoa Kristy, ilay Mpisorona Avo Lehibe dia niampita ny voalin’ny fahafatesana ary hiditra tsy ho ela eo anatrehan’ Andriamanitra Ray.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny fisarahan’ny voaly dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.
“Ny Toerana Masina Indrindra dia misokatra ho an’ny rehetra ankehitriny, ary amin’ny alalan’ny ràn’ny sorompanavotan’ny Zanakondry dia afaka miditra ao amin’ny toerana avo sy masina indrindra amin’ny toerana rehetra ny olon-drehetra ankehitriny, izay fanjakana ahitana ny fiainana mandrakizay. … Ireo ôrdônansy notanterahina tamin’ny alalan’ny voalin’ny tempoly fahiny dia mitovy amin’izay zavatra ho tanterahin’i Kristy, ary satria efa nahavita izany Izy dia afaka ny ho lasa mendrika ny handalo ny voaly mba ho eo anatrehan’ny Tompo ka handova ny fisandratana feno ny olombelona rehetra” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:830).
-
Inona no fahamarinana manan-danja azontsika ianarana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy avy tamin’ny fisarahan’ilay voaly? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra daholo isika rehetra raha mibebaka sy mitandrina ireo fanekempihavanantsika.)
-
Amin’ny fomba ahoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra?
Mariho fa na dia manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra aza ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy manao ny anjarantsika isika mba ho mendrika ny hitoetra miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra mandrakizay.
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho mendrika ny hitoetra miaraka amin’ny Ray any An-danitra mandrakizay?
Fintino ny Matio 27:52-56 amin’ny fanazavana fa taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia olo-marina maro efa maty no nitsangana tamin’ny maty ihany koa ary niseho tamin’ny olona maro tao Jerosalema. Ireo andininy ireo dia mitantara ihany koa fa anisan’ireo vavolombelon’ny fahafatesan’i Jesoa ny kapiteny Romana iray sy ny vehivavy maro.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 27:54 . Asaivo fantarin’ny mpianatra hoe ahoana no fihetsik’ilay kapiteny Romana sy ireo izay niaraka taminy rehefa nanatri-maso ireo zava-nitranga taorian’ny fanombohana ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana ireo izy ireo.
-
Inona no fihetsik’ilay kapiteny sy ireo izay niaraka taminy?
-
Inona no zavatra hitan’izy ireo izay mety nahatonga azy ireo hilaza fa “marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra i [Jesoa]”?
Matio 27:57-66
Ireo mpitarika Jiosy dia nikononkonona niaraka tamin’i Pilato mba hiambina ny fasan’i Jesoa
Fintino ny Matio 27:57–61 amin’ny fanazavana fa taorian’ny fahafatesan’i Jesoa dia “nangataka ny fatin’i Jesosy” ny mpianatry ny Tompo manan-karena iray nantsoina hoe Josefa avy any Arimatia (andininy 58). Nanarona ny vatana mangatsiakan’i Jesoa tao anatina lamba madio izy ary napetrany tao amina fasana iray izay izy tenany ihany no tompony izany, ary nametrahany vato lehibe mba handrakotra ny fidiran’ny fasana ilay fasana avy eo.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 27:62–66. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hamantatra ny fangatahan’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo tamin’i Pilato.
-
Inona no nangatahan’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo tamin’i Pilato?
-
Nahoana izy ireo no naniry izany?
Matio 28:1-20
Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary niseho tamin’ny olona maro
Hazavao fa vao maraina ny andro voalohan’ny herinandro, na ny alahady dia nankeo amin’ny fasana mba hanosotra ny vatan’i Jesoa ho fanehoana fitiavana sy fitsahoana ho Azy i Maria Magdalena sy ny vehivavy iray hafa natsoina hoe Maria. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 28:1–6.
-
Inona no hitan’ireo vehivavy raha nanatona ny fasana izy ireo? (Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa ireo vehivavy dia nahita anjely anankiroa fa tsy anankiray .)
-
Inona no mety ho fihetsikao raha nahita anjely roa ianao? Inona no fihetsik’ireo mpiambina?
-
Araka ny andininy 5–6, inona no nolazain’ny anjely tamin’ireo vehivavy?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo teny ireo? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny Maty dia zarao ho vondrona ahitana mpianatra roa na telo izy ireo ary asao izy ireo hameno izao taratasy zaraina manaraka izao ao anatin’ny vondrona misy azy ireo:
“Efa nitsangana [Izy]” (Matio 28:6)
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 33
Halalino ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Resurrection” ao amin’ny Bible Dictionary. Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana eto ambany ireto avy eo ary soraty eo amin’ny toerana natokana ho amin’izany ny valinteninao.
Inona no tsy mampitovy ny hoe naverina ho velona avy tamin’ny fahafatesana sy ny hoe nitsangana tamin’ny maty? | |
Inona no hitranga amin’ny olombelona rehetra noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? | |
Amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty no mitondra fampiononana ho an’ireo izay manana olon-tiana nodimandry? |
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany rehefa nameno ny taratasy zaraina.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:
“Ny fahagagana tamin’io maraina nitsanganana tamin’ny maty io, ny alahadin’ny Paska voalohany dia fahagagana ho an’ny olombelona rehetra. Fahagagana ny amin’ny herin’ Andriamanitra izany, izay nanomezan’ny Zanakalahiny Malala ny ainy ho sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny rehetra, ho sorona feno fitiavana ho an’ny zavakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tsirairay avy. Ny nanaovana izany dia nandrava ireo fehin’ny fahafatesana. …
“Ary tahaka ny nandraisany ny vatany ary nivoahany tamin’ny fasana no hiainantsika rehetra ny fihaonan’ny vatana sy fanahintsika indray mba ho lasa olona velona amin’ny fotoan’ny fitsanganantsika amin’ny maty manokana.
“Noho izany dia miravoravo isika tahaka ny olona maro ary tahaka ny tokony ataon’ny olombelona rehetra, rehefa mahatsiaro ny zava-nitranga feno voninahitra sy fampiononana ary fanomezan-toky indrindra tamin’ireo zava-nitranga rehetra tamin’ny tantaran’ny olombelona—dia ny fandresena ny fahafatesana” (“The Victory over Death,” Ensign, apr. 1997, 4).
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 28:7–10 .
-
Araka ny andininy 7, inona no nodidian’ny ireo anjely an’ireo vehivavy?
-
Nahoana araka ny eritreritrao ireo vehivavy no “sady natahotra no faly indrindra” rehefa nandeha?
-
Inona no nitranga tamin’ireo vehivavy rehefa nandeha nilaza tamin’ireo mpianatra momba ny zavatra niainany izy ireo?
Fintino ny Matio 28:11-15 amin’ny fanazavana fa nandritra ny fotoana naha-maika an’ireo vehivavy hilaza ny vaovao tamin’ireo mpianatra momba ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nahare ny zava-nitranga avy tamin’ny miaramila niambina ny fasana ireo lohan’ny mpisorona. Ireo mpitarika Jiosy dia natahotra ny handrenesan’ny vahoaka ny fahamarinana, noho izany izy ireo dia nanome vola an’ireo mpiambina mba hanaparitaka lainga fa ireo mpianatry ny Mpamonjy dia naka ny vatany tao am-pasana raha mbola natory ireo mpiambina.
Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 28:16–18 . Asaivo manaraka izany ny iray kilasy ary hikaroka ny fitahiana tonga tamin’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo rehefa nankatò ny tenin’ireo vehivavy mba handeha any Galilia izy ireo.
-
Inona no fitahiana azon’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo noho ny fankatoavan’izy ireo ny tenin’ireo vehivavy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 28:19-20. Asaivo manaraka izany ny rehetra ary hitady ny zavatra nodidian’ny Mpamonjy ny Apôstôliny taorian’ny nahitan’izy ireo Azy.
-
Inona no nasaina nataon’ireo Apôstôly taorian’ny nahitan’izy ireo ny Mpamonjy?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo mikasika ny andraikitsika rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy isika dia manana andraikitra ny hijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny hafa.)
Asao ireo mpianatra handroso eo amin’ny solaitrabe ary hanao lisitra ireo fomba hahafahany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hanazava na hanome ohatra mikasika ny hevitra nosoratany. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Araka ny andininy 20, inona no fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ny Apôstôliny?
-
Tamin’ny fomba ahoana ny Tompo no “momba [antsika],” na nanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika hizara ny filazantsara?
Entano ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia asao ireo mpianatra hampiasa ny iray amin’ireo hevitra notanisaina teo amin’ny solaitrabe mba hametrahana tanjona manokana amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany amin’ny mpikamban’ny fianakaviana, namana, na olon-kafa. Asao ny mpianatra mba hanoratra ireo tanjona napetrany ao amin’ny kahienyna ao amin’ny diary fandalinana soratra masina.
Soratra Masina Fehezina—Matio 28:19–20
Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ity andinin-tsoratra masina fehezina ity dia zarao hiara-miasa tsiroaroa izy ireo ary asao ny iray amin’ireo mpiara-miasa tsiroaroa mba hanoratra ilay andalan-tsoratra masina eo amin’ny taratasy iray. Asao ireo mpianatra hanety lavalava sy mitsivalana ny taratasy ka tsy tapahana ireo andian-teny ao amin’ilay soratra masina. Asaivo hafangaron’ny mpianatra ireo tapa-taratasy ary asaivo haverin’izy ireo araka ny filaharany izany avy eo (azony atao ny mijery ny soratra masina raha ilaina izany). Omeo fanamby ny mpianatra mba hamerina izany fanazaran-tena izany mandra-pahatonga azy ireo ho tsy mila mampiasa ny soratra masina intsony. Amporisiho ny mpianatra hanaisotra ny tapa-taratasy anankiray ary hanonona ny andian-teny banga tsianjery. Rehefa avy nitadidy andian-teny iray ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hanaisotra andian-teny iray hafa ary hamerina ireo andian-teny anankiroa tsianjery. Avelao izy ireo hanohy izany dingana hoenti-mitadidy izany mandra-pahaizany tsianjery ilay andalan-tsoratra masina manontolo.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 28:6. “Efa nitsangana [Izy]”
Nanambara ny Filoha Ezra Taft Benson fa tsy misy zava-nitranga hafa manan-danja kokoa noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty:
“Ireo zava-nitranga manan-danja indrindra amin’ny tantara dia ireo izay miantefa amin’ny olona betsaka indrindra mandritra ny fotoana ela indrindra. Noho izany fenitra izany dia tsy misy zava-nitranga manan-danja kokoa ho an’ny olon-tokana na ho an’ny firenena manontolo mihoatra ny Fitsanganan’ny Mpampianatra tamin’ny maty. Ny hitsanganan’ny fanahy tsirairay niaina sy maty teto an-tany amin’ny maty dia azo antoka ao amin’ny soratra masina, ary marina tokoa fa izany no zavatra hitranga izay tena tokony hiomanan’ny olona anankiray indrindra. Azo antoka fa tsy misy zavatra hafa miantefa sy manerana an’izao rehetra izao ankoatra ny fitsanganana amin’ny maty. Ny olon-drehetra dia hitsangana amin’ny maty” (“The Greatest Event in History,” New Era, apr. 2004, 45).
Matio 28:19. “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mampiasa ny tambazotra ifaneraserana mba hizarana ny filazantsara:
“Ny Tompo dia manafaingana ny asany, ary tsy mahagaga araka izany ny hipoiran’ireo fitaovam-piseraserana vaovao sy fitaovana maoderina ireo amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. Ireo tambazotra ifaneraserana dia fitaovana azo ampiasana amin’ny ankapobeny izay afaka miantraika amin’ny fomba manokana sy tsara amina olona sy fianakaviana marobe. Ary mino aho fa tonga ny fotoana ho antsika mpianatr’i Kristy hampiasana ireo fitaovana nentanim-panahy ireo araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba mahomby kokoa mba hijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy ny drafitry ny fahasambarana ho an’ny zanany ary momba an’ny Zanany, Jesoa Kristy, amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy; mba hitoriana ny maha tena misy ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany; ary hanatanterahana ny asan’ny Tompo” (“To Sweep the Earth as with a Flood” [lahateny natao nandritra ny Herinandron’ny Fanabeazana an’ny BYU Campus, aôg. 19, 2014], LDS.org).