Lesona 118
Galatiana 1–4
Fampidirana
Nobedesin’ny Apôstôly Paoly ny Olomasina Galatiana noho ny fanarahana ireo fampianaran-diso ary nampianariny fa afaka ny ho tonga mpandova an’ Andriamanitra izy ireo amin’ny alalan’ny fananana finoana sy fanarahana an’i Jesoa Kristy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Galatiana 1–2
Nobedesin’i Paoly ny Olomasina noho ny fanarahana ireo mpampianatra sandoka ary namporisihany izy ireo mba hiverina amin’ny filazantsara.
Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina fa nilaza ny iray tampo taminy na ny iray tamin’ireo namany fa tsy azony antoka intsony hoe marina ireo fampianaran’ny Fiangonana. Vokatr’izany dia nitsahatra tsy niangona intsony ary tsy miaina ny filazantsara intsony izany olona izany. Asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra holazainy amin’izany iray tampo na namany izany mba hanampiana azy hahafantatra fa marina ireo fampianaran’ny Fiangonana.
Asao ny mpianatra mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba hamantarana ireo fampianarana marina rehefa mandalina ny Galatiana 1.
Hazavao fa i Galatia dia faritra iray tao avaratra afovoan’i Asie Mineure izay nahitana ny ankamaroan’ireo tanàna notsidihin’i Paoly nandritra ireo dia fitoriana faharoa sy fahatelo nataony (jereo ny Asan’ny Apôstôly 16:6; 18:23). (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hitady ny toerana misy amin’i Galatia ao amin’ny Sarintanin’ny Baiboly, laha. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.”) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 1:6–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady olana iray izay nisy teo anivon’ireo Olomasina Galatiana.
-
Nahoana no niala tamin’ny filazantsara marina ny ankamaroan’ireo Olomasina Galatiana?
Hazavao fa ireo izay nampitabataba ny Galatiana ka namadika ny fampianaran’ny filazantsara dia nanangana ahiahy (jereo ny Galatiana 1:7,) momba ny fampianaran’i Paoly fa ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia Jiosy Kristiana izay nilaza fa tokony hoforaina (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Famorana”) sy hitandrina ireo fomba amam-panao ao amin’ny lalàn’i Mosesy ireo Olomasina Galatiana mba ho voavonjy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 1:8–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Paoly momba ireo izay nitory filazantsara mifanohitra amin’ilay notorian’ny Apôstôlin’ny Tompo. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 1:10–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady hoe iza no loharanon’ny fampianaran’i Paoly.
-
Araka ny andininy 12 dia iza no loharanon’ny fampianaran’i Paoly?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny andininy 10–12 momba ny fotopampianarana marina? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Manambara fotopampianarana marina amin’ny mpaminaniny i Jesoa Kristy.)
-
Afaka manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana izany fahamarinana izany rehefa manana fanontaniana momba ny fampianaran’ireo mpaminany isika?
Hazavao fa satria manambara fotopampianarana marina amin’ny mpaminaniny i Jesoa Kristy dia afaka manambara amintsika ny fahamarinan’ny fampianaran’ny mpaminany iray koa Izy.
-
Inona no azontsika atao hahazoana fanambarana avy amin’ny Tompo mba hahafahantsika mahafantatra amin’ny tenantsika fa marina ireo fampianaran’ireo mpaminany?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay zava-miseho nampahafantarinao tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Manasà mpianatra vitsivitsy hanazava amin’ny iray kilasy ny fomba hampiasan’izy ireo ilay fahamarinana izay vao hitany momba ny fanambarana mba hiresahana amin’ilay olona izay miahiahy ny amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana.
Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahafantatra fotopampianarana marina isika rehefa mandalina ireo fampianaran’ireo mpaminany sy mikatsaka fanambarana avy amin’ny Tompo.
Fintino ny Galatiana 1:13–2:21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitantara indray ny fiovam-pony sy ireo diany voalohany tamin’ny naha-misiônera azy i Paoly. Nanazava ihany koa izy fa tsy tao amin’ny lalàn’i Mosesy ny famonjena fa voavela na voamarina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy kosa isika.
Galatiana 3–4
Nanasa ny Galatiana mba hahazo ireo fitahiana rehetra nampanantenaina an’i Abrahama amin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Paoly
Vakio mafy ireto tranga mety hiseho manaraka ireto. Rehefa voavaky ny tsirairay amin’izany dia angataho ny mpianatra mba hanazava ny antony mety hahatsapan’ny olona iray ao amin’ilay tranga mety hiseho ho tsy mahazo tombony amin’ny fahazoana ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Tompo raha ampitahaina amin’ny hafa ato amin’ny Fiangonana izay nahatoky tamin’ny filazantsara hatramin’ny fahazaza.
-
Nitombo tao anatin’ny fianakaviana malaindaina ny zatovolahy iray ary tsy nampianarina ny filazantsara izy tamin’ny fahazazany. Miverina ho mazoto ato amin’ny Fiangonana ny fianakaviany ankehitriny ary manomboka mianatra sy miaina ny filazantsara izy.
-
Nitsikera ny Fiangonana nandritra ny taona maro ny vehivavy iray. Niaina fiovam-po sy natao batisa vao tsy ela akory izy.
Rehefa mandalina ny Galatiana 3–4 ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hahatakatra ireo fitahiana izay afaka ho azon’ny rehetra, na inona na inona toe-javatra iainany sy ireo safidy nataony taloha.
Hazavao fa maro tamin’ireo Olomasina Galatiana no Jentilisa niova fo nanjary ho Kristiana koa, noho izany dia tsy taranaka ara-bakitenin’i Abrahama, izay nampanantenaina ireo fitahian’ Andriamanitra rehetra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 3:7–9. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ireo izay “amin’ny finoana” (andininy 7), na izay nino, an’i Jesoa Kristy.
-
Inona no nampianarin’i Paoly momba ireo izay mino an’i Jesoa Kristy?
-
Araka ny andininy 8, dia inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Abrahama?
-
Araka ny andininy 9, dia inona no hitranga amin’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy?
Hazavao fa ny hoe “notahiana mbamin’i Abrahama mpino” dia milaza ny hoe mpandova ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama mba hahafahan’ny olona rehetra mahazo ireo fitahian’ny filazantsara amin’ny alalany (jereo ny Abrahama 2:11).
Fintino ny Galatiana 3:10–25 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa ny lalàn’i Mosesy dia natao mba hanampiana ny Isiraelita hanatona an’i Jesoa Kristy ka hohamarinana amin’ny finoana Azy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 3:26–27. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina tamin’i Abrahama.
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina tamin’i Abrahama?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Ireo rehetra izay mampihatra finoana amin’i Jesoa Kristy sy miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanjary …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 3:28–29. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ireo teny na andian-teny izay azo ampiasaina hamenoana ilay filazana ampahana fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
-
Araka ny andininy 28, dia tonga inona ireo olona samy hafa rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara izy ireo?
-
Araka ny andininy 29, dia tonga inona ihany koa ireo izay voaisa ho anisan’ny taranak’i Abrahama amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Hazavao fa ny mpandova iray dia olona iray izay voalazan’ny lalàna fa handray ny fananan’ny olona iray hafa.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 4:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe afaka ny ho tonga mpandova an’iza isika.
-
Afaka ny ho tonga mpandova an’iza isika? (Fenoy amin’ny alalan’ny teny nampiasain’ny mpianatra ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe mba hampita ity fahamarinana manaraka ity: Ireo rehetra izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara dia ho tonga iray ao amin’i Kristy sy ho mpandova an’ Andriamanitra.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa mampanantena ireo fitahiana ireo ho an’ny olona rehetra izay miditra ao amin’ny fanekempihavanana Andriamanitra, na inona na inona toe-javatra iainan’ilay olona?
Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra dia ho an’ireo rehetra izay miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Ankaherezo ny mpianatra mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo.
Fintino ny Galatiana 4:8–31 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nasain’i Paoly hiverina amin’i Kristy sy hiala amin’ny fangejana izay tonga avy amin’ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy ireo Olomasina Galatiana.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Galatiana 1:8–10. “Anjely iray avy any an-danitra”
Matetika ireo fampianaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny Galatiana 1:8–10 no ampiasaina amin’ny fomba diso mba hifandirana momba ny fahitana anjely sy fitoriana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy nampianatra anefa i Paoly fa tokony holavina avokoa ireo fisehoan’anjely rehetra, satria ny soratra masina dia mampiseho fa ho avy tokoa ny anjely amin’ny andro farany mba hitory ny filazantsara vaovao (jereo ny Apôkalypsy 14:6). Nampianatra kosa i Paoly fa raha toa ka ho tonga handrebireby ny olona hiala amin’ny filazantsara marina ny anjely iray dia tokony holavina izany anjely izany (jereo ihany koa ny Almà 30:53). Ny filazantsara marina ankehitriny, tahaka ny tamin’ny andron’i Paoly, dia tantanan’ireo mpampinany sy apôstôly nahazo fahefana (jereo ny Efesiana 2:19–20; 4:11–14) ary mifototra ao amin’ny “fahasoavan’i Kristy” (Galatiana 1:6; jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:8; 10:24).
Galatiana 2:11–16. Ny fifandirana teo amin’i Paoly sy i Petera
Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny tsy fitovian-kevitra teo amin’i Paoly sy i Petera raha nitsidika ny Olomasina tany Antiokia i Petera, dia jereo ny Testamenta Vaovao Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014),413.
Galatiana 3:10–14. “Ny ozon’ny lalàna”
Araka ny voasoratra ao amin’ny Galatiana 3:10, i Paoly dia nampianatra fa ireo izay mikatsaka ny hohamarinina amin’ny alalan’ny lalàn’i Mosesy dia voatery hankatò azy rehetra. “Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna,” hoy i Paoly. Izany fitakiana izay tsy azo tanterahina velively izany dia hamela ny rehetra izay mikatsaka fanamarinana amin’ny alalan’ny lalàna ho eo ambanin’ny “ozon’ny lalàna” ihany koa (Galatiana 3:13). Nohazavain’i Paoly bebe kokoa fa i Jesoa Kristy dia nijaly ho an’ny “ozon’ny lalàna” rehefa “tonga voaozona hamonjy [antsika]” tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany (Galatiana 3:13). Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny rehetra dia afaka hahazo ireo fitahiana an’i Abrahama amin’ny fampiasana finoana an’i Jesoa Kristy sy fidirana ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.
Galatiana 3:24. “Ny lalàna dia mpitaiza antsika”
Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava fa olona maro tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao no tsy nahatakatra araka ny tokony ho izy ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy:
“Jiosy maro, eny na ireo Jiosy Kristiana aza, … no nanadino ny tanjona sy ny tena toeran’ny lalàna. Anisan’ny anton’izany ny fanampiana fitakiana sy fombafomba tsy nahazoana lalana teo amin’ny lalàna izay nahatonga ny fikasana marin’izany ho maizina. Ireo fanampiana sy fombafomba ireo dia tsy ‘mpitaiza … ho amin’i Kristy’ (Galatiana 3:24), ka ‘mampitodika ny fanahintsika Aminy’ (Jakôba 4:5 (ao amin’ny Bokin’i Môrmôna)) intsony, fa nampavesatra sy nampandany be kosa ka Jiosy maro no nibanjina ‘any ivelan’ny tanjona’ (Jakôba 4:14) sy nametraka ilay lalàna novaina ho amin’ny toeran’Ilay Mpanome Lalàna mihitsy” (“Responding Appropriately to Change” [lahateny ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 8 feb. 2013], 1, si.lds.org).
Galatiana 3:28. “Iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy”
Indraindray ny olona dia misalasala hatao batisa na handray anjara feno ao amin’ny Fiangonana satria miahiahy izy ireo fa mety hanary ny kolontsainy na satria mety hahatsapa izy ireo fa tsy mifanaraka aminy ny ao. Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny maha-mpikambana ato amin’ny Fiangonana dia mety ho sady samy hafa no iray:
“Tsy manary ny maha-izy antsika isika rehefa lasa mpikamban’ity fiangonana ity. Lasa mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra isika, rehefa niditra tao amin’ny vatan’i Kristy sy namela ara-panahy ny sasany amin’ireo fahasamihafana eo amintsika manokana mba ho iray ao amin’ny tanjona ara-panahy lehibe kokoa. Lazaintsika amin’ireo rehetra izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny hoe: tazomy izay mendri-kaja sy tsara ary manentana ny fanahy ao amin’ny kolontsaina sy maha-izy anareo manokana. Eo ambanin’ny fahefana sy herin’ny fanalahidin’ny fisoronana anefa dia lefy ny fahasamihafana rehetra rehefa mikatsaka ny ho tonga mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra isika” (“Heirs to the Kingdom of God,” Ensign, mey 1995, 62).