Tahirim-pitaovana
Lesona 149: 2 Jaona–3 Jaona


Lesona 149

2 Jaona3 Jaona

Fampidirana

Nampitandrina ireo Olomasina i Jaona ny amin’ireo olona izay mamitaka sy mitory fa tsy tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy. Nidera an’i Gaio noho ny fahatokiany koa izy.

Fanamarihana: Ity lesona ity dia ahitana soso-kevitra hoenti-mampianatra ho an’ny 3 Jaona izay ahitana ny fahazoan’ireo mpianatra taratasy avy amin’ireo ray aman-dreny na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Raha misafidy ny hampiasa io soso-kevitra enti-mampianatra io ianao dia mila miomana andro maromaro mialoha. Asao ireo ray aman-dreny, na raha ilaina, dia asao ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana an’ny mpianatra tsirairay mba hanoratra taratasy fohy amin’ilay mpianatra. Taratasy milaza ny fifaliana tsapan’izy ireo rehefa nahita ny ezaka nataon’ilay mpianatra mba hiaina ny filazantsara. Makà antoka fa manana taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay avy amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ianao amin’ny andro ampianaranao ity lesona ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Jaona

Mampitandrina ny amin’ireo olona mampianatra fotopampianarana diso i Jaona

Milazà anarana mpanao fanatanjahantena fanta-daza izay fantatry ny ankamaroan’ireo mpianatra.

  • Inona no mety ataon’io mpanao fanatanjahantena io mba hanana toe-pahasalamana faran’izay tsara mba hahafahany manana zava-bita tsara?

  • Inona no mety ho nitranga raha toa io mpanao fanatanjahantena io, rehefa avy niasa mafy mba ho salama tsara, ka tsy nandeha tany amin’ny toerana fanazaran-tena ary nanomboka nihinana sakafo tsy ara-pahasalamana, nijery maharitra ny fahitalavitra, nilalao jeux video, ary nandray na nihinana zavatra manimba ny vatana?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba azo ampitahana ny asa tsy maintsy ataon’ireo mpanao fanatanjahantena mahomby mba hitazonana ny toe-pahasalamana faran’izay tsara ananan’izy ireo amin’ny asa tsy maintsy ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hihazonana ireo fitahiana izay azon’izy ireo amin’ny alalan’ny filazantsara. Asao izy ireo hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hihazona ireo fitahiana efa azony amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy rehefa mandalina ny 2 Jaona.

Fintino ny 2 Jaona 1:1–4 amin’ny fanazavana fa ny Apôstôly Jaona dia nanomboka ny epistiliny tamin’ny firesahana tamin’ “itompokovavy voafidy sy ny zanany,” izay mety ho firesahana mivantana tamin’ny vehivavy iray mpikamban’ny Fiangonana sy ny zanany na fiteny an’ohatra hamaritana ireo mpivavaka ao amin’ny Fiangonana iray.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Jaona 1:5–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny didy izay nampahatsiahivin’i Jaona an’ireo Olomasina.

  • Inona no didy nampahatsiahivin’i Jaona an’ireo Olomasina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Jaona 1:7. Angataho ny iray kilasy hitady ny antony nanoroan’i Jaona hevitra an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba “[handeha] araka” (2 Jaona 1:6) ny didy, na hankatò ny didy.

  • Nahoana i Jaona no nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hankatò ny didy?

  • Inona no nampianarin’ireo “mpamitaka” (andininy 7)?

Hazavao fa rehefa nanoratra ity epistily ity i Jaona dia nisy filôzôfia iray fantatra tamin’ny hoe Dôsetisma izay niha nahazo vahana teo anivon’ny olona. Ny Dôsetista dia nino fa efa ambony be ny fisandratan’ Andriamanitra ka tafahoatra lavitra ny fahoriana, na ny fahafatesana, na izay mety ho zavatra hafa iainan’ny olona ety an-tany Izy. Noho izany dia nanapa-kevitra izy ireo fa i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy dia tsy tonga tamin’ny alalan’ny nofo raha ny tena marina fa ny fanahiny ihany no toa nanao ireo zavatra izay ho ataon’ny olombelona iray na hiainany.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fampianaran-diso amin’izao androntsika izao izay mifanohitra amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara?

  • Nahoana ireo fampianarana ireo no mampidi-doza ara-panahy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Jaona 1:8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra natoron’i Jaona an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hataony noho ireo fampianaran-diso ireo. Hazavao fa ny hoe “mitandrema ianareo” dia midika hoe mitandrina mba tsy hanaraka fampianaran-diso ary ny hoe namonoana tena dia mety midika hoe notanterahana.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Jaona ao amin’ny andininy 6–8 mikasika ny fomba ahafahantsika manohy migoka ireo fitahian’ny filazantsara izay efa voaraintsika? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra na dia mampiasa ny teniny manokana aza: Rehefa mitandrina ny didy sy mitandrina tsara isika dia afaka manohy migoka ireo fitahian’ny filazantsara izay efa voaraintsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina lisitra iray misy ireo fitahian’ny filazantsara izay efa azony na antenainy ho azo. Asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny iray kilasy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Ahoana no mety hanakanan’ny fanarahana ireo fampianaran-diso antsika tsy hahazo sy tsy hanohy higoka ireo fitahian’ny filazantsara ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Jaona 1:9. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny mba hitady ny zavatra nampianarin’i Jaona fa hitranga amin’ireo izay mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, na mijanona akaikin’ny filazantsara sy maharitra ao anatin’izany.

  • Manana inona ireo izay mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hiaraka amintsika ny Ray sy ny Zanaka.)

Hazavao fa fomba iray hiarahan’ny Ray sy ny Zanaka amintsika ny fananana ny Fanahy Masina miaraka amintsika.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo mba hitandrina ny didy, hitandrina tsara, ary hitoetra ao amin’ny filazantsara. Asao izy ireo hanoratra hoe nahoana izy ireo no maniry ny hitazona ireo fitahiana efa noraisin’izy ireo tamin’ny alalan’ny filazantsara sy ny zavatra iray izay hataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hahatoky kokoa sy tsy hihozongozona amin’ny fitandremana ny didy.

Fintino ny 2 Jaona 1:10–13 amin’ny fanazavana fa namporisika ny Olomasina tsy hiaraka amin’ireo olona manaparitaka fotopampianarana diso i Jaona. Nilaza ny faniriany hitsidika manokana ny Olomasina izay nanoratany ihany koa izy.

3 Jaona

Nidera an’i Gaio noho ny fahatokiany i Jaona

Mitondrà vatokely sy lovia baolina lehibe iray feno rano. Angataho ny mpianatra iray handatsaka ilay vato ao amin’ilay rano kanefa tsy hamela ilay rano hitopatopa.

  • Nahoana no tsy azo heverina ny tsy hiovan’ilay rano mihitsy amin’ny alalan’ilay vato?

  • Misy fiantraikany amin’iza ihany koa ankoatra ny tenanao ny safidinao mba hiaina ny filazantsara?

Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Jaona dia niresaka tamin’ny mpikambana mahatoky iray tao amin’ny Fiangonana nantsoina hoe Gaio i Jaona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Jaona 1:1–4 . Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady hoe toy ny ahoana ny fiantraikan’ny fahamarinan’i Gaio teo amin’i Jaona tamin’ny fiainany ny filazantsara. Hazavao fa ny hoe zanako ao amin’ny andininy 4 dia mety entina ilazana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nampian’i Jaona mba hiova fo ho an’ny filazantsara.

  • Toy ny ahoana ny fiantraikan’ny fahamarinan’i Gaio teo amin’i Jaona tamin’ny fiainany ny filazantsara?

  • Ahoana no hamintinanao fahamarinana iray avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba mety hiatraikan’ny fiainana ny filazantsara eo amin’ny tenantsika sy ny hafa? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mitondra fifaliana tsy ho an’ny tenantsika fotsiny ihany fa ho an’ny hafa koa ny fiainana ny filazantsara.)

  • Oviana ianao no nahatsapa fifaliana noho ny fiainan’ny olona iray hafa tamim-pahatokiana ny filazantsara?

Mba hanehoana bebe kokoa io fahamarinana io, raha toa ianao ka nisafidy ny hampanoratra taratasy an’ireo ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho an’ny mpianatra, dia atolory amin’ity fotoana ity ireo taratasy ireo. Makà antoka fa manana taratasy avy amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ny mpianatra tsirairay avy ary omeo fotoana ireo mpianatra hamakiana ireo taratasy.

Fintino ny 3 Jaona 1:5–14 amin’ny fanazavana fa nidera an’i Gaio noho ny fahavononany handray ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana na ireo misiônera nandehandeha i Jaona ary nanakiana ny mpitarika iray teo an-toerana izay nantsoina hoe Diotrefa, izay tsy nandray an’i Jaona sy ireo mpiara-mitory taminy.

Ivereno ireo fahamarinana hita tao amin’ity lesona ity. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo dia asao ny mpianatra hampihatra izany eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Jaona 1:1–5. “Itompokovavy voafidy”

“I Jaona dia namaritra ny tenany ho ‘loholona’. ‘Itompokovavy voafidy’ izay nanoratany (jereo ny 2 Jaona 1:1) dia anarana iantsoana amin’ny endriny sarin-teny ny sampana iray ao amin’ny Fiangonana na anarana iantsoana ara-bakiteny ny vehivavy mpikambana iray, mety ho ny vadiny mihitsy aza. Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao, i Emma Smith, izay vadin’ny Mpaminany Joseph Smith dia nantsoina hoe ‘vehivavy nofinidy’ (F&F 25:3). Faly i Jaona fa nahita ny zanak’ilay vehivavy voafidy nandeha tamin’ny fahamarinana sy nanaraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 519).

3 Jaona 1:9–10. “Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe iza moa i Diotrefa ary inona no nataony:

“I Diotrefa izay mpitarika nanana toerana ambony sy nanam-pahefana tao amin’ny fiangonana teo an-toerana, dia: (1) Olona izay tsy nanaiky ny hanome lalana ny hamakiana ny fotopampianarana sy ny fampianaran’ny mpikambana iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana tao amin’ny vondron’ny mpiara-mivavaka taminy; (2) Olona izay nitory nanohitra ireo apôstôly mpitarika ny Fiangonana; (3) Olona izay tsy nanaiky handray ireo solontenan’ny fiangonana izay nirahina ho any aminy; (4) Olona izay tsy nanaiky ny hamela ireo olona hafa tao amin’ny vondron’ny mpiara-mivavaka hikarakara na hihaino ireo manampahefana tao amin’ny fiangonana; ary (5) Olona izay nandroaka (hita nibaribary fa nanala tsy ho mpikambana) ireo mpikambana mendrika tao amin’ny Fiangonana” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:413–14).