Tahirim-pitaovana
Lesona 65: Jaona 6


Lesona 65

Jaona 6

Fampidirana

Ny ampitson’ny andro namahanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga ny vahoaka nahitana olona maherin’ny 5.000 dia nampianatra Izy fa Izy no mofon’aina. Nandà ny fampianarany ny sasany tamin’ireo mpanara-dia Azy ka nivadika Taminy. Tetsy an-kilan’izay dia nijoro ho vavolombelona i Petera fa nampianatra ny tenin’ny fiainana mandrakizay i Jesoa ary Zanak’ Andriamanitra Izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 6:1–21

Namahana olona maherin’ny 5.000 tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa dia nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina.

Hazavao fa rehefa avy nijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy tao Jerosalema ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 5), dia niverina tany Galilia Izy, ka nampianatra ny filazantsara sy nanasitrana olona maro tao Izy sy ireo Apôstôliny (jereo ny Matio 5–13). Dia niampita ny ranomasin’i Galilia niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa avy eo ka namahana vahoaka nahitana olona maherin’ny 5.000 tamin’ny fomba mahagaga (jereo ny Jaona 6:1–13).

Manehoa mofo dipaina iray. Asao ny mpianatra iray hamintina ny tantara momba ny famahanan’ny Mpamonjy olona tsy omby 5.000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano kely roa.

  • Inona no mety ho eritreritrareo raha nanatrika io fahagagana io ianareo ary nahafantatra fa nanana fahafahana hamatsy sakafo tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa?

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:14–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra nirian’ny olona hatao rehefa avy namahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa.

  • Inona no nirian’ny vahoaka hatao?

Hazavao fa ny fomban-drazana iray teo anivon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa dia nilaza fa rehefa tonga ilay Mesia na Mpanjakan’ny Isiraely dia hamahana ny olona amin’ny mofo avy any an-danitra Izy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15 dia naleon’i Jesoa naninona toy izay namela ny vahoaka nanosotra Azy ho mpanjakan’izy ireo?

  • Nahoana i Jesoa no tsy te ho fantatra amin’ny hoe mpanjakan’ny Jiosy?

Fintino ny Jaona 6:16–21 amin’ny fampahatsiahivana ny mpianatra fa naniraka ny mpianany hita ny Ranomasin’i Galilia ny Mpamonjy, ary taorian’izay rehefa maizina be ny andro, raha mbola sahirana mafy nivoy ny sambokely nanohitra ny onja sy ny rivotra ireo mpianatra, dia nandehandeha tambonin’ny ranomasina i Jesoa mba ho eny amin’izy ireo. Hazavao fa ny fitantaran’i Jaona io zava-nitranga io dia manantitrantitra fa rehefa “vonona” ny handray an’i Jesoa ho ao an-tsambokelin’izy ireo ny mpianatra dia tonga “niaraka tamin’izay” (andininy 21) tany amin’ny tany nandehanany izy ireo. Hazavao fa rehefa vonona ny handray ny Mpamonjy sy ny fampianarany isika dia afaka mitarika antsika soa aman-tsara mandritra ireo ady sarotra eo amin’ny fiainana an-tany Izy.

Jaona 6:22–59

Nampianatra i Jesoa fa Izy Mofon’aina

Hazavao fa ny Jaona 6:22–25 dia milaza fa maro tamin’ireo olona izay nofahanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga no nandeha tany Kapernaomy mba hitady Azy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:26–27, ary hamaky koa ny Dikantenin’i Joseph Smith andininy 26, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a: “Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny fanirianareo hitandrina izay nolazaiko, na noho ny nahitanareo ireo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.” Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny vahoaka. Hazavao fa ny teny hoe hanina ao amin’ny andininy 27 dia entina ilazana ny sakafo.

  • Araka ny voalazan’ny Mpamonjy dia nahoana ireo olona ireo no nitady Azy? (Ny tenin’ny Mpamonjy dia milaza fa nanaraka Azy ireo olona ireo mba hahazo sakafo bebe kokoa avy Aminy.)

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hotadiavin’izy ireo?

Hazavao fa ilay “hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” (andininy 27) dia mety entina hilazana ireo fahamarinana mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny antony tsy namelan’i Jesoa io andian’olona io hanosotra Azy ho mpanjakan’izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:28–31 dia asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nirian’ny olona ho ataon’i Jesoa mba hanaporofoana amin’izy ireo bebe kokoa fa Izy no ilay Mesia.

  • Inona no nirian’ny vahoaka ho ataon’i Jesoa ho azy ireo? (Hazavao fa ny mana dia “mofo avy any an-danitra” [andininy 31] izay nomen’ Andriamanitra ny Zanak’Isiraely rehefa nirenireny tany an-tany foana izy ireo.)

  • Raha eritreretina ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny andro mialoha an’io dia mety maneho inona momba ireo vahoaka io fangatahana io?

  • Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao dia amin’ny inona avy no mety hahatonga antsika ho alaim-panahy haneho fihetsika tahaka ny an’ilay vahoaka?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 6:32–35 ary asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny olona mba hamaliana ny fangatahan’izy ireo famantarana.

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy momba ny Tenany rehefa niresaka ny mana na ny mofo avy any an-danitra Izy?

Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Izaho no mofon’aina” ao amin’ny andininy 35.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampitaha ny Mpamonjy sy ny fampianarany amin’ny mofo?

  • Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe ireo izay manatona an’i Jesoa Kristy dia “tsy mba ho noana”? (andininy 35).

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 35? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hamahana antsika ara-panahy Izy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Jaona 6:35.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny misy banga ireto:

Manatona an’i Kristy isika amin’ny alalan’ny …

Hamahana antsika amin’ny … Izy.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo miara-miasa izy ireo mba hitanisa ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra azontsika atao mba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy ireo fomba hamahanany antsika ara-panahy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Mba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ilay fitsipika hitan’izy ireo ao amin’ny andininy 35 dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany rehefa nahazo sakafo ara-panahy noho izy ireo nanatona ny Mpamonjy.

Fintino ny Jaona 6:36–47 amin’ny fanazavana fa nimonomonona tamin’ny Mpamonjy ny olona sasany satria nampianatra Izy fa Izy ilay mofo izay nidina avy any an-danitra.

Mba hanomanana ny mpianatra hitady fitsipika iray fanampiny izay nampianarin’ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra vitsivitsy ho eny aloha ary omeo sombi-mofo izy tsirairay avy. Asao izy ireo hanimbolo ilay mofo sy haka sary an-tsaina ny mety ho tsiron’izany.

  • Raha nofofoninareo fotsiny io mofo io, sy nalainareo sary an-tsaina fotsiny izay mety ho tsirony, ary nentinareo niaraka taminareo isan’andro, dia mety ho nahavoky anareo toy ny ahoana izany?

  • Inona no tsy maintsy ataonareo mba hahazoanareo tombony avy amin’ny zavatra entin’ilay mofo?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 6:49–54. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra mampifandray ny zavatra niainan’ireo mpiara-mianatra aminy tamin’ilay mofo amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no tsy mampitovy ny Mofon’aina amin’ny mofo mahazatra? (I Jesoa Kristy dia manome antsika fitahiana izay haharitra mandrakizay fa tsy mitovy amin’ilay mofo izay manome fahafaham-po antsika ao anatin’ny fotoana fohy monja.)

Resaho ity andian-teny manaraka ao amin’ny andininy 51 ity: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny Mpamonjy ny nofony sy ny rany mba ho fiainan’izao tontolo izao?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 53–54, inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny olona mba ho ataon’izy ireo?

Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampiasa ireo teny hoe mihinana sy misotro tamin’ny endrika tandindona. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fampianaran’ny Mpamonjy dia asao izay mpianatra te hanolo-tena hihinana ilay mofo. Dia asao hiverina eny amin’ny toerany izy ireo avy eo.

  • Inona no mitranga amin’ilay mofo sy ny hani-mahavelona ao anatiny rehefa ohanina? (Lasa ao anaty vatana ireo otrikaina sy ireo hani-mahavelona, ka manome hery sy fahasalamana ny vatana.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mihinana ny nofo sy misotro ny ran’i Jesoa Kristy? (Mety midika izany hoe miaina ny fampianarany sy ny Sorompanavotany. Mety maneho ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo koa izany, izay naorin’ny Mpamonjy taty aoriana.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 54, inona no fitahiana afaka ho azontsika raha miaina na mampihatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha miaina na mampihatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ary aorian’izay dia manasà maromaro amin’izy ireo hizara ny valinteniny:

  • Amin’ny fomba ahoana no hiainantsika ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Mety ho isan’ny valinteny ny fanekena an’i Jesoa Kristy ho Zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ny fitandremana ny didy, ary ny faharetana hatramin’ny farany amin-pahamarinana [jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. (1965–73), 1:358].)

Hazavao fa ny atao hoe fiainana mandrakizay dia miaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary tonga tahaka Azy ireo. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 6:56–57 ary asao ireo mpianatra hitady ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka Azy ireo rehefa mampihatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa tsy hipetraka ao anatintsika ny vatan’ny Mpamonjy, fa ny fitaomana masina avy Aminy kosa no hijanona miaraka amintsika mba hanampiana antsika ho lasa tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra bebe kokoa.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanoratra tanjona iray ao anaty kahieny na ao anaty diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba hiainany bebe kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy na ny iray amin’ireo fampianarany.

Jaona 6:60-71

Mijoro ho vavolombelona i Petera fa manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay i Jesoa

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Hanohy sa hitsoaka an-daharana?

Angataho ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay tsy maintsy nisafidianan’izy ireo ny hanohy hanao zavatra sarotra iray na hijanona. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra niainany.

Hazavao fa rehefa avy nanao ilay toriteny voarakitra ao amin’ny Jaona 6 i Jesoa dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra nitovy tamin’izany ireo mpianany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:60, 66. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny valinteny nasetrin’ny maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa ny fampianarana nomeny.

  • Nahoana ny maro tamin’ireo mpianatr’i Jesoa no nisafidy ny tsy hanaraka Azy intsony? (Hazavao fa ilay andian-teny hoe “sarotra izany teny izany” [andininy 60] dia midika hoe tsapan’izy ireo fa tena sarotra arahana ny fampianaran’i Jesoa.)

  • Nahoana ny olona sasany no mahita fa sarotra ny mitandrina ny didin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:67 ary angataho ny mpianatra rehetra hitady ny fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’ireo Apôstôliny.

  • Inona no nanontanian’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:68–69 ary angataho ireo mpianatra hitady ny teny navalin’i Petera ny Mpamonjy. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’i Petera, izay afaka hanampy antsika hijanona ho mahatoky mandritra ireo fotoana izay mety hahatsapana fa sarotra ny manaraka ny Mpamonjy na sarotra ny miaina ny fampianarany? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba an’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hijanona ho mahatoky mandritra ireo fotoana izay mety hahatsapana fa sarotra ny manaraka ny Mpamonjy na sarotra ny miaina ireo fampianarany.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampiana anao na ny olona iray fantatrao hijanona ho mahatoky tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny Mpamonjy, na dia tamin’ny fotoana izay toa nahasarotra ny fanarahana ny fampianaran’ny filazantsara aza?

Amporisiho ny mpianatra hiantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy rehefa sarotra ho azy ireo ny miaina ny fampianaran’ny filazantsara. Asao ireo mpianatra izay mety mahatsapa fa tsy manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba an’i Jesoa Kristy mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hampihatra ny fampianarany sy ny Sorompanavotany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 6:33–35. Ilay tena Mofon’Aina

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa i Jesoa Kristy no Mofon’aina:

“Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahaveloman’ny Mofon’aina aho, dia i Jesoa Kristy, ary ny hery sy ny halehiben’ny Sorompanavotany tsy manam-petra. Raha ny tena marina dia ny Sorompanavotany sy ny fahasoavany no hanina sahaza antsika isan’andro” (“Recognizing God’s Hand in Our Daily Blessings,” Ensign, jan. 2012, 23).

Mba hahalalana bebe kokoa mikasika ny fomba nampiasan’i Jesoa Kristy ireo tandindona sy ny tantaran’ny fivavahana Jiosy, ary ny toerana nisy ireo mpihaino Azy mba hampianarana ny lahateny nataony mikasika ny Mofon’aina (Jaona 6), dia jereo ny Thomas R. Valetta, “The True Bread of Life,” Ensign, mar. 1999, 6–13; jereo koa ny “Jaona 6:32–35, 48–51. ‘Ilay tena Mofo avy any an-danitra,’” ao amin’ny Testamenta Vaovao : Boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014],  221–22.

Nampianatra ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny mana dia sakafo avy any an-danitra; raha toa kosa ka mofo vita tamin’ny zavatra avy eto an-tany ny mofo nomeny azy ireo, ary mofo tsotra vita tamin’ny varim-bazaha fotsiny tamin’izany. Tsy maintsy maneho famantarana lehibe kokoa amin’izy ireo Izy, ary manome azy ireo sakafo tsaratsara kokoa, izay izy ireo vao hanaiky Azy ho ilay Olona izay niheveran’izy ireo Azy voalohany sy hanaiky Azy ho ilay nambarany fa Izy tamin’izay fotoana izay” (Jésus le Christ, ed. faha 3 [1916], 339–40).

Jaona 6:53. “Mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany”

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ny Zanak’ Andriamanitra, voalohany indrindra, dia ny manaiky Azy ara-bakiteny tanteraka, tsy misy fisalasalana na inona izany na inona, ho ilay taranaky ny Ray any An-danitra manokana ao amin’ny nofo; ary faharoa, dia ny mitandrina ny didin’ny Zanaka amin’ny alalan’ny fanekena ny filazantsarany sy ny fidirana ao amin’ny Fiangonany ary ny faharetana hatramin’ny farany ao anatin’ny fankatoavana sy ny fahamarinana. Ireo izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany amin’io fomba io dia hahazo ny fiainana mandrakizay, izany hoe ny fisandratana any amin’ny lanitra ambony indrindra ao amin’ny tontolo selestialy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:358).

Jaona 6:56. “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny andian-teny hoe “mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy”:

“Koa satria ireo olona izay mitambatra ho iray dia mitovy fisainana sy finoana ary zavatra atao, dia manana toetoetra mitovy izy ireo noho izany. … Noho izany, raha amin’ny hevi-teny itarina dia ao anatin’ny iray ny iray ary toy izany koa ny iray hafa, na mitoetra amin’ny iray ny iray ary toy izany koa ilay iray hafa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:766).