Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Apokalypsy 12–22 (Fizarana 32)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Apokalypsy 12–22 (fizarana 32). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Apokalypsy 12–13)
Rehefa nandalina ny fahitan’i Jaona ilay dragona sy ilay vehivavy miaraka amin’ny zaza ny mpianatra dia nianatra fa i Satana, izay nasehon’ilay dragona, dia nikatsaka ny hamotika ny Fiangonana sy ny fanjakan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanomboka tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany io ady io. Ny mpianatra dia nianatra fa afaka mandresy ny fitaoman’i Satana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara isika.
Andro 2 (Apokalypsy 14–16)
Avy amin’ny fahitan’i Jaona anjely iray miverina eto an-tany amin’ny andro farany dia nianatra ireo mpianatra fa antony iray namerenan’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny hanomana ireo mponin’ny tany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nianatra izao manaraka izao ihany koa izy ireo: Raha miaina amim-pahamarinana isika dia hotahiana noho ny asantsika ary hitsahatra amin’ireo asa nisasarantsika aorian’ny hahafatesantsika. Raha miambina sy vonona ara-panahy isika dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Andro 3 (Apokalypsy 17–19)
Ny mpianatra dia nianatra fa amin’ny andro farany dia handresy ny faharatsian’izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny fampisarahantsika ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao dia afaka manampy antsika hiala amin’ny fahotana sy ny fitsarana izay ho tonga amin’ny ratsy fanahy amin’ny andro farany. Rehefa nampitaha ny fanambadiana tamin’ny Fiaviana Fanindroany ny mpianatra dia nianatra fa raha madio sy marina isika dia ho vonona amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompo.
Andro 4 (Apokalypsy 20–22)
Ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto avy amin’ny toko mamarana ny fahitana hitan’i Jaona: Hitsara antsika avy amin’ireo boky izay nosoratana araka ny asantsika Andriamanitra. Hiara-hitoetra amin’ny olony sy hampionona azy ireo Andriamanitra ka tsy hiaritra fahafatesana, na alahelo, na fanaintainana intsony izy ireo. Raha mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia afaka ny hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehetra ka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy.
Fampidirana
Hitan’ny Apôstôly Jaona tamin’ny fahitana ireo trangan-javatra izay hiseho avy hatrany mialoha sy mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny arivo taona. Hitany ihany koa ilay ady farany eo amin’i Satana sy ireo tafik’ Andriamanitra amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ary hitany ny Fitsarana Farany, ka mandritra izany no hitsaran’ Andriamanitra ny olona rehetra avy amin’ireo boky izay nosoratana.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 20:1–6
Hitan’i Jaona tamin’ny fahitana ny zavatra hitranga avy hatrany mialoha sy mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny arivo taona
Asao ny mpianatra hieritreritra fifaninanana (toy ny seho ara-javakanto na ara-panatanjahantena) izay nandraisan’izy ireo anjara na dia nino aza izy ireo fa ho resy. Dia angataho izy ireo avy eo hieritreritra fotoana iray izay nandraisan’izy ireo anjara tao anatin’ny fifaninanana iray izay ninoan’izy ireo fa handreseny.
-
Mety hanova ny fomba hanatanterahanareo fifaninanana iray amin’ny fomba ahoana ny zavatra andrasanareo mikasika ny vokatra ho azo avy amin’izany?
-
Nahoana ny olona no mety hilavo lefona rehefa mihevitra fa ho resy? Oviana ianareo no nieritreritra fa ho resy kanefa nandresy ihany avy eo?
Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Apokalypsy 20 izy ireo dia hahalala bebe kokoa mikasika ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy sy ny vokatra farany ho azo avy amin’ilay ady. Asao izy ireo rehefa mandalina ny Apokalypsy 20 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka handrisika azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy mandritra io ady io.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:1–3 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga amin’i Satana mandritra ny Arivotaona.
-
Inona no hitranga amin’i Satana mandritra ny Arivotaona?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia tsy afaka ny hanao inona i Satana satria mifatotra izy?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:4–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny olona izay hitan’i Jaona notsaraina.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 4, dia iza no hitan’i Jaona notsaraina?
-
Inona no valisoa azon’ireo olona ireo noho ny fahatokian’izy ireo?
-
Handray anjara amin’ny inona izy ireo mandritra ny Arivotaona? (Ny Fitsanganana Voalohany.)
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Apokalypsy 20:4–6 mikasika ireo fitahiana afaka ny ho azontsika raha mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Raha mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika dia ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ka hanjaka miaraka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona.)
Hazavao fa ny Fitsanganana Voalohany dia nanomboka tamin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ka tafiditra ao anatin’izany ireo olo-marina izay maty talohan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny Môsià 15:21–25; Almà 40:16–20). Ny ankamaroan’ireo olo-marina izay maty taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (jereo ny Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 639; James E. Talmage, The Articles of Faith, ed. faha 12 [1924], 385). Ireo izay hivoaka amin’ny Fitsanganana Voalohany dia ahitana ireo “mpaminany rehetra … sy ireo rehetra izay nino ny tenin’izy ireo” (Môsià 15:22), ireo izay maty tao anatin’ny tsy fahalalana ka tsy nanana ny “famonjena nambara taminy” (Môsià 15:24; jereo koa ny F&F 45:54), ary ireo zaza madinika izay maty talohan’ny naha-tompon’andraikitra azy ireo (jereo ny Môsià 15:25; Môrônia 8:4–24). Ny olona ratsy fanahy sy tsy mibebaka dia tsy hitsangana amin’ny maty mandra-pahatongan’ny Fitsanganana Faharoa izay hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona (jereo ny F&F 76:85).
-
Afaka manampy anareo ho mahatoky amin’izao fotoana izao ao anatin’ny ady amin’ny ratsy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa afaka ny ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ianareo ary hiara-hanjaka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona?
Mijoroa ho vavolombelona fa ireo izay mijanona ho mahatoky dia ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ka hiara-hanjaka amin’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona.
Apokalypsy 20:7–11
Nahita ny ady farany teo amin’i Satana sy ny tafik’ Andriamanitra tamin’ny fiafaran’ny Arivotaona i Jaona
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Amin’ny fiafaran’ny Arivotaona …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:7–10 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo trangan-javatra izay nofariparitan’i Jaona fa hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona.
Asao ny mpianatra vitsivitsy ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ny zavatra hitany. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Inona ireo zava-mitranga nofariparitan’i Jaona? (Hazavao fa ny anarana hoe Goga sy Magoga ao amin’ny andininy 8 dia entina iantsoana ireo miaramila izay ho ampiasain’i Satana amin’ny fiafaran’ny Arivotaona mba hiady farany amin’ireo vahoakan’ny Tompo [jereo ny F&F 88:110-114].)
-
Inona no hitranga amin’ny devoly sy ireo mpanaradia azy aorian’io ady io? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba ho lasa hivaky toy izao: Amin’ny fiafaran’ny Arivotaona dia handresy an’i Satana sy ireo mpanaradia azy ireo tafik’ Andriamanitra.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarantsika ny vokatra farany azo avy amin’io ady eo amin’ Andriamanitra sy i Satana io?
Apokalypsy 20:12–15
Nahita ny Fitsarana Farany i Jaona
Hazavao fa ny olona rehetra izay niaina teto amin’ity tany ity dia hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina satria ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izany. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe ho toy ny ahoana izany Fitsarana Farany izany araka ny eritreriny.
-
Inona no antenainao mba ho tsapa rehefa mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:12–13 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba hitsaran’ Andriamanitra antsika.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 12 mikasika ny fomba hitsarana antsika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity: Hitsara antsika avy amin’ireo boky izay nosoratana araka ny asantsika Andriamanitra.)
-
Inona ireo boky hitan’i Jaona? (Ny soratra masina, ireo rakitsoratry ny Fiangonana izay mirakitra ireo ôrdônansin’ny famonjena ary angamba ireo asa hafa, ary ny bokin’ny fiainana [jereo ny 2 Nefia 29:10–11; F&F 128:6–7; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana”].)
-
Inona koa no nianaranao momba ny Fitsarana Farany? (Fanamarihana: Ao amin’ny Fizarana 32: Andro 4, asa nampanaovina 3, dia nahita soratra masina fanampiny ny mpianatra, izay nampianatra mikasika ny Fitsarana Farany.)
Hazavao fa ny Tompo dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ankoatra ny asantsika dia hotsaraina araka ny fanirian’ny fontsika isika (jereo ny F&F 137:9; jereo koa ny Almà 41:3–5).
-
Misy fiantraikany eo amin’ny zavatra tianao atao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa hotsaraina araka ny fanirian’ny fontsika isika?
Mijoroa ho vavolombelona momba io fotopampianarana io sy ny fiatraikan’izany eo amin’ny safidy ataonao.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 22:14. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitadidy ny fitsipika nianaran’izy ireo avy amin’io andininy io ao anatin’ny fandalinan’izy ireo any an-trano.
-
Inona no fitsipika nianaranao avy amin’io andininy io? (Raha mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia afaka ny hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehetra ka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Nahoana izy io no fahamarinana mety tsara hamaranana ny fandalinantsika ny Testamenta Vaovao?
Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo fahamarinana izay nisy fiatraikany teo amin’izy ireo nandritra ny fandalinany ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity. Asao izay maniry ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ireo fahamarinana ireo sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo.
Amporisiho ny mpianatra hanohy handalina ny soratra masina isan’andro. Raha manao seminera izy ireo amin’ny taona manaraka na raha miomana ny hanao asa fitoriana dia asao izy ireo hanomboka hamaky ny Bokin’i Môrmôna androany.