Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano
Matio 26:31–Marka 3:35 (Fizarana 7)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Ity famintinana ireo trangan-javatra sy fotopampianarana ary fitsipika manaraka ity izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Matio 26:31–Marka 3 (fizarana 7) dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Matio 26:31–75)
Rehefa nandalina momba ny fijaliana nihatra tamin’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane ireo mpianatra, dia nianatra fa i Jesoa Kristy dia nampifanaraka ny sitrapony tamin’ny sitrapon’ny Rainy mba hanatanterahana ny Sorompanavotana sy mba hanarahantsika ny ohatra nasehony rehefa misafidy ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra isika. Nianatra avy amin’ireo fampianarana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôly tao Getsemane ireo mpianatra fa raha toa isika ka miambina sy mivavaka mandrakariva, dia hanana hery hanoherana ireo fakam-panahy.
Andro 2 (Matio 27–28)
Nianatra avy amin’ny tantara mikasika ny fanomboana ny Mpamonjy tamin’ny hazo fijaliana ireo mpianatra fa tamin’ny ampahan’ny Sorompanavotana izay nataony dia nahatsapa ny fisintahan’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra taminy i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa i Jesoa Kristy dia nijaly mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra, araka ny efa nampanantenainy ao amin’ny Matio 26. Ary raha nandalina ny tantara mikasika ilay voalin’ny tempoly izay triatra nizara roa tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpamonjy ireo mpianatra, dia nianatra fa izany dia tandindon’ny fahamarinana fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra isika rehetra raha toa ka mibebaka sy mitandrina ireo fanekempihavanana.
Andro 3 (Marka 1)
Nianatra avy amin’ny tantaran’i Jesoa nandroaka ilay fanahy maloto ireo mpianatra fa ny Mpamonjy dia manana hery hifehezana ny devoly sy ireo mpanara-dia azy. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa mampihatra finoana sy manatona ny Mpamonjy isika, dia hanana fangorahana amintsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotana Izy tahaka ny nananany fangorahana sy ny nanadiovany ilay boka.
Andro 4 (Marka 2–3)
Rehefa nandalina mikasika ny fanasitranana sy ny famelana ny fahotan’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa ireo mpianatra dia nianatra fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hanasitranana antsika ara-panahy sy ara-batana. Rehefa nandalina mikasika ny fiarahan’i Jesoa nihinana tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota ireo mpianatra, dia nianatra fa ny Mpamonjy dia maniry ny hanampy antsika hibebaka amin’ny fahotantsika sy mba ho sitrana. Rehefa namaky mikasika ny fanamelohana nataon’ireo Fariseo tamin’i Jesoa sy ireo mpianany noho ny fandikana ny andro Sabata ireo mpianatra, dia nianatra fa afaka mitandrina ny andro Sabata ho masina isika amin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ny fanaovana asa soa.
Fampidirana
Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa Kristy ary niseho tamin’ny olona maro, tafiditra tao anatin’izany ireo Apôstôliny. Nandidy ireo Apôstôliny Izy mba hitondra ny filazantsara manerana ny firenen-drehetra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 28
Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa Kristy ary niseho tamin’ny olona maro
Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo na ny olona fantatr’izy ireo ka efa namoy olona tena akaiky. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Nahoana no mety ho sarotra ho antsika ny fahafatesan’ny olona iray izay akaiky antsika?
Rehefa mandalina ny Matio 28 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay hanampy azy ireo hahita fampiononana rehefa maty ny olona iray akaiky azy ireo.
Hazavao fa voa mangiran-dratsy tamin’ny andro voalohan’ny herinandro—Alahady—dia nandeha teny amin’ny fasana izay nandevenana an’i Jesoa i Maria Magdalena sy vehivavy iray hafa nantsoina hoe Maria.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Matio 28:1–6. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra hitan’ireo vehivavy ireo rehefa nanatona ilay fasana izy ireo.
-
Inona no zavatra hitan’ireo vehivavy ireo rehefa nanatona ilay fasana? (Hazavao fa ny dikantenin’i Joseph Smith mikasika ireo andininy ireo dia manazava tsara fa ireo vehivavy ireo dia nahita anjely roa, fa tsy iray [jereo ny Matio 28:2, fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy a; jereo ihany koa ny Jaona 20:12].)
-
Araka ny hevitrao, inona no fihetsika mety nasehonao raha toa ka nahita anjely roa ianao?
-
Araka ny ao amin’ny andininy 4, inona no fihetsika nasehon’ireo mpiambina?
-
Araka ny ao amin’ny andininy 5–6, inona no zavatra nolazain’ireo anjely ireo tamin’ireo vehivavy?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo teny ireo? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa Kristy.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty, dia zarao ho vondrona ahitana mpianatra roa na telo izy ireo, ary asao izy ireo hameno ilay taratasy kely nozaraina ao amin’ny vondrona misy azy avy.
“Efa nitsangana Izy” (Matio 28:6)
Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra, Seminera momba ny Testamenta Vaovao —Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano (Fizarana 7)
Halalino ilay fitantarana fohy mitondra ny lohateny hoe “Resurrection” ao amin’ny Bible Dictionary. Ary avy eo dia hifanakalozy hevitra ireo fanontaniana eo ambany ireo, ary raketo eo amin’ny ireo toerana natokana ho an’izany ny valinteninareo.
|
Inona no mahasamihafa ny hoe naverina hanana fofon’ aina ka ho velona indray sy ny hoe nitsangana tamin’ny Maty? | |
|
Inona no zavatra hitranga amin’ny zanak’olombelona vokatry ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty? | |
|
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty hanome fampiononana ireo izay namoy olona akaiky azy. |
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Mangataha mpianatra vitsivitsy hanao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny famenoana ilay taratasy nozaraina.
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:
“Ny fahagagan’ny fitsanganana tamin’ny Maty tamin’io marainan’ny alahady voalohan’ny Paska io, dia fahagagana ho an’ny olombelona rehetra. Izany dia fahagagana avy amin’ny herin’ Andriamanitra, izay nanomezan’ny Zanaka Malalany ny ainy mba hanonitra ny fahotan’ny rehetra, dia sorona vokatry ny fitiavana ho an’ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Tamin’izany no namahany ny fatotry ny fahafatesana. …
“Ary tahaka ny nangalany indray ny vatany sy ny nivoahany avy tao am-pasana, dia toy izany koa no hifaliantsika rehetra ao amin’ny fitambaran’ny vatana amin’ny fanahy indray, sy ho tonga fanahy velona amin’ny andron’ny fitsanganantsika amin’ny maty.
“Noho izany dia ho feno fifaliana isika, tahaka ny maro, ary tokony ho toy izany koa ny olombelona rehetra, rehefa mahatsiaro ilay trangan-javatra iray izay feno voninahitra sy fampiononana ary ahazoana antoka indrindra amin’ireo trangan-javatra rehetra efa nisy teo amin’ny tantaran’ny olombelona—ny fandresena ny fahafatesana” (“The Victory over Death,” Ensign, aprily 1997, 4).
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Matio 28:7–10. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nasaina nataon’ireo vehivavy izay nandeha teny amin’ny fasan’i Jesoa ireo.
-
Araka ny ao amin’ny andininy 7, inona no zavatra nandidian’ireo anjely mba hataon’ireo vehivavy ireo?
-
Araka ny eritreritrao, nahoana ireo vehivavy ireo no niala tao amin’ilay fasana tamin’ny “tahotra sy fifaliana lehibe”? (Matio 28:8).
-
Inona no zava-nitranga tamin’ireo vehivavy ireo rehefa nandeha nilaza tamin’ireo mpianatra mikasika ny zavatra hitany izy ireo?
Fintino ny Matio 28:11–15 amin’ny fanazavana fa rehefa niolomay ireo vehivavy ireo hitondra ny vaovao momba ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny Maty tamin’ireo mpianatra, dia ren’ny lohan’ny mpisorona tamin’ireo miaramila niambina ny fasana ny zava-nitranga. Natahotra ireo mpitarika Jiosy sao fantatry ny vahoaka izany fahamarinana izany, koa dia nomen’izy ireo vola ireo mpiambina mba hamafy lainga fa ny mpianatry ny Mpamonjy no naka ilay faty tao am-pasana nandritra ny fotoana natorian’ireo mpiambina.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Matio 28:16–18. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fitahiana tonga tamin’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo rehefa nankatoa ny hafatra izay nomen’ireo vehivavy izy ireo ary nandeha tany Galilia.
-
Inona no fitahiana tonga tamin’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo ireo noho ny fankatoavan’izy ireo ilay hafatra mba handeha any Galilia? (Nahita ny Tompo tafatsangana tamin’ny Maty izy ireo.)
Asao ireo mpianatra hitsangana sy hiara-hamaky amin’ny feo avo ny Matiio 28:19–20. Ampahatsiahivo izy ireo fa ity dia andinin-tsoratra masina fehezina.
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ao amin’ny andininy 19–20 sy hikaroka ny zavatra nandidian’ny Mpamonjy ireo mpianany mba hatao taorian’ny nahitan’izy ireo Azy.
-
Inona no zavatra nandidiana ireo mpianatra mba hatao taorian’ny nahitan’izy ireo ny Mpamonjy?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo mikasika ny andraikitra ananantsika rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika, dia manana andraikitra ny hijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny hafa.)
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa amin’ny maha-ampahan’ny lesona ho an’ny mpianatra manao fandalinana any an-trano ny ao amin’ny Matio 27–28, dia nitanisa an-tsoratra ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa izy ireo (asa nampanaovina 3 ao amin’ny Fizarana 7: Andro 2 lesona). Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nosoratany sy hanazava ary hanome ohatra mikasika ny hevitr’izy ireo. Azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny hevitra avy amin’izy ireo.
-
Araka ny ao amin’ny Matio 28:20, inona no fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo mpianany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no efa “nomba[n’ny Tompo] anao,” na nanampy anao, tamin’ireo ezaka izay nataonao mba hizara ny filazantsara?
Diniho ny hanasana ireo mpianatra mba hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao an-dakilasy na ao anatin’ny vondrona kely na vondron’olon-droa izay mety hizarana azy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny iray kilasy. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo ihany koa dia nanoratra tanjona iray tao amin’ny diary fandalinany soratra masina ho an’ireo asa nampanaovina mikasika ny fomba hoentiny hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny tanjon’izy ireo amin’ny kilasy.
Fizarana Manaraka (Marka 4–9)
Hazavao amin’ireo mpianatra fa ao amin’ny fizarana manaraka dia hianatra bebe kokoa mikasika ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy izy ireo, toy ny fandehanana tambonin’ny rano, fandroahana ireo demonia tao amin’ny lehilahy iray, sy ny fananganana tamin’ny Maty ny zazavavy iray. Anontanio ireo mpianatra raha toa ka efa nisedra tafio-drivotra mahery vaika, sy ny fahatsapana izay nananan’izy ireo nandritra izany. Asao izy ireo hieritreritra raha toa ka efa nahatsiaro tena ho tafalatsaka tao anatin’ny tafio-drivotra na olana teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hikaroka fomba ahafahany hahita fiadanana mandritra ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainany rehefa mandalina ny Marka 4–9 mandritra ny herinandro ho avy.