Lesona 12
Matio 7
Fampidirana
Nanohy ny Toriteny teo An-tendrombohitra tamin’ny fampianarana ny mpianany mba hitsara araka ny fahamarinana i Jesoa Kristy. Nampianatra koa Izy momba ny fandraisana fanambarana manokana sy ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 7:1–5
Tao anatin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra no nampianaran’i Jesoa Kristy ny mpianany mikasika ny fitsarana amim-pahamarinana.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana: Tokony hitsara sa tsy tokony hitsara ny hafa ve isika? Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io ny fotoam-pianarana.
Toriteny teo An-tendrombohitra, nataon’i Carl Heinrich Bloch. Nampiasaina tamin’ny alalan’ny fahazoan-dalana tany amin’ny National Historic Museum (Tranom-bakoky ny firenena) any Frederiksborg any Hillerød, Danemark Tsy azo adika.
Asehoy ilay sary Toriteny teo An-tendrombohitra (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 39; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa raha nanohy ny Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesoa dia nampianatra ny mpianany momba ny fitsarana Izy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:1. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fitsarana. Mariho fa diso fihevitra isika matetika mikasika ny andininy 1 rehefa milaza fa tsy tokony hitsara na oviana na oviana isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 7:1, “Ankehitriny dia ireto ny teny izay nampianarin’i Jesoa ny mpianany ka tokony holazain’izy ireo ny olona. Aza mitsara mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.”
-
Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny fitsarana?
-
Inona aminao no dikan’ny hoe mitsara araka ny fitsarana marina?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:2. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga amintsika avy amin’ny fomba hitsarantsika ny hafa. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no hitranga raha mitsara ny hafa araka ny fitsarana marina isika? (Mety hanome valinteny samy hafa ireo mpianatra, fa ampio anefa izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mitsara ny hafa araka ny fitsarana marina isika dia hanome famindrampo sy rariny mitovy amin’izany ho antsika Izy.
Raha azo atao dia zarao amin’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka avy amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asao ny antsasaky ny kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny karazana fitsarana tsy tokony ataontsika ary ny karazana fitsarana tokony ataontsika. Asao ny antsasany iray hafa amin’ny mpianatra hikaroka ny fomba ahafahantsika mitsara araka ny fahamarinana.
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 12
“Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara ny hafa amin’ny endriny rehetra. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa na hitsara azy ireo tsy ara-drariny ianao dia mila ianao mandanjalanja mikasika ireo hevitra sy toe-javatra ary olona mandritra ny fiainanao manontolo. …
“Ny fitsarana dia fomba fampiasana manan-danja ny fahafahana misafidy ary mitaky fitandremana tanteraka izany, indrindra rehefa maneho ny hevitrao mikasika ny olona hafa ianao. Tokony ho tarihan’ny fitsipika mifono fahamarinana ny fitsaranao rehetra. Tsarovy fa Andriamanitra irery ihany, izay mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay, no afaka mitsara farany ny olona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 20:12; 3 Nefia 27:14; F&F 137:9). …
“… Tsarao arak’izay vitanao araka ny toe-javatra iainany ny olona fa aza tsaraina amin’ny maha-izy azy. Raha mbola azo atao dia ajanony ny fitsaratsarana mandra-pahafantatrao marina ilay toe-javatra. Aoka ianao hihaino foana ny Fanahy Masina, izay afaka ny hitarika anao amin’ny fanapahan-kevitrao” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 90–91).
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
-
Inona avy no karazana fitsarana tokony ataontsika?
-
Ahoana no hahafahantsika mitsara araka ny fahamarinana?
Asehoy ny tapakazo kely iray ary ny vongan-kazo lava sy matevina iray. Hazavao fa raha nampianatra ny mpianany momba ny fitsarana ny Mpamonjy dia niantso ny tapakazo kely hoe sombin-kazo Izy ary ny vongan-kazo lehibe dia nantsoiny hoe andry. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:3 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fitsarana ny hafa.
-
Inona no mety hambaran’ny sombin-kazo sy ny andry ao amin’ilay fanoharana?
-
Ahoana no hilazanao indray amin’ny fombanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 3?
Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray hitazona ny andry eo ambonin’ny masony. Anontanio ilay mpianatra faharoa hoe:
-
Tianao ve raha manala pitika hazo avy amin’ny masonao ilay mpiara-mianatra mitazona ny andry? Nahoana?
Anontanio ilay mpianatra mitazona ny andry hoe:
-
Mila mahita inona ianao vao afaka hanala pitika hazo eo amin’ny mason’ny mpiara-mianatra aminao?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Ity tantara mikasika ny andry sy sombin-kazo ity dia misy ifandraisany akaiky amin’ny tsy fahaizantsika mahita mazava tsara ny tenantsika. Tsy azoko hoe ahoana no ahaizantsika mamantatra tsara ny olan’ny olona hafa sy manolotra vahaolana ho an’izany nefa matetika isika sahirana vao mahafantatra ny olan’ny tenantsika manokana” (“Moa Izaho va izany?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 56).
Asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra roa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:4-5 ary asao ny iray kilasy hitady ny fahadisoana nolazain’ny Tompo fa tokony hampiahiahy antsika.
-
Tokony hifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa ve ny ahiahy sy fanitsiana tiantsika atao sa tokony hifantoka amin’ny an’ny antsika manokana? Nahoana?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy antsika hisoroka amin’ny fitsarana ny hafa tsy araka ny fahamarinana? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mifantoka amin’ny fanesorana ny fahotantsika sy ny fahalementsika isika dia ho sarotra amintsika avy eo ny hitsara ny hafa tsy araka ny fahamarinana.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ity fitsipika ity antsika rehefa mahatsikaritra ny fahalemen’ny hafa isika?
Azonao atao ny manome ny mpianatra tapakazo kely mba hampahatsiahivana azy ireo ity fitsipika ity. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fahotana na fahalemena izay azony esorina eo amin’ny fiainany manokana. Entano izy ireo mba hangataka fanampiana amin’ny Tompo amin’ny fanesorana ny fahalemeny manokana fa tsy hitsara ny hafa araka ny tsy fahamarinana.
Matio 7:6-14
Nampianatra mikasika ny fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana ny Mpamonjy
Fintino ny Matio 7:6 amin’ny fanazavana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ity andininy ity dia manampy antsika hahatakatra fa i Jesoa Kristy dia niantso ny mpianany handeha hitory any amin’izao tontolo izao. Natao hitory fibebahana izy ireo kanefa hitazona ho azy ireo manokana kosa ireo misterin’ny fanjakana. Izany hoe tsy nahazo niresaka momba ireo zava-masina tamin’ny olona izay mbola tsy vonona handray izany izy ireo. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:9–11 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina].)
Hazavao fa araka ny Dikantenin’i Joseph Smith, dia manomboka amin’ny andian-teny hoe “Lazao amin’izy ireo hoe, Manontania an’ Andriamanitra” ny Matio 7:7 ( ). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy 7. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tokony ampianarin’ny mpianany.
-
Inona no tokony nolazain’ny mpianatra tamin’ny olona izay naniry handray fahalalana avy amin’ Andriamanitra?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 7, momba ny fomba ahafahantsika mahatakatra ny fahalalana masina avy amin’ Andriamanitra? (Mety hanome valinteny samy hafa ireo mpianatra, fa ampio anefa izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mangataka, mitady ary mandondona manoloana ny fikatsahantsika fahamarinana isika dia hamaly sy hitahy antsika amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Ray any An-danitra.)
-
Inona no hambaran’ny teny hoe mangataha, katsaho, ary dondony fa tsy maintsy ataontsika mba hahafahantsika mandray fanambarana manokana?
Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny hafa ny fotoana iray izay nangatahany sy nikatsahany ary nandondonany ka nanasa ny fanambarana ho an’ny tena manokana izany.
Fintino ny Matio 7:9–11 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa ny Ray any An-danitra dia tsy handà ny fanomezana fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’ny zanany izay mangataka izany, toy ny hoe ny ray be fitia dia tsy hanome vato na menarana raha mangataka mofo na hazandrano aminy ny zanany.
Amporisiho ny mpianatra hampihatra finoana amin’ny alalan’ny hoe mangataka, mitady ary mandondona mba hanasana fanambarana manokana ary mba hahatakarana ny filazantsara. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izany amim-pinoana sy amim-paharetana izy ireo dia hamaly ny Ray any An-danitra.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:12–14. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fahamarinana fanampiny nolazain’ny Mpamonjy fa tokony ampianarin’ny mpianany amin’ny hafa. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
Matio 7:15–27
Mampanantena famonjena ho an’ireo izay manao ny sitrapon’ny Ray ny Mpamonjy
Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo hevitra sasantsasany izay eken’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny nefa mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Nahoana no zava-dehibe ny fahafahana mahafantatra fa ny olona iray na ny vondrona iray dia mampiely hevitra mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:15. Manontania avy eo hoe:
-
Inona no zavatra nampitandreman’ny Tompo an’ireo mpianany? Amin’ny fomba ahoana ireo mpaminany sandoka ireo no nolazainy fa hankeo amintsika?
Hazavao fa ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina mikasika ireo mpaminany sandoka amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ka anisan’izany “ny lehilahy sy ny vehivavy izay manendry ny tenany ho mpanambara ireo fotopampianaran’ny Fiangonana” ary koa “ireo izay miresaka sy mampahafantatra zavatra manohitra ireo mpaminanin’ Andriamanitra marina ary mitory amim-pahavitrihana amin’ny hafa nefa tsy miraharaha velively ny fiainana mandrakizain’ireo izay sarihany” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 63).
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:16-20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba iray ahafahantsika mamantatra raha mpaminany sandoka na mpampianatra diso ny olona iray.
-
Inona no fomba iray ahafahantsika mamantatra raha toa mpaminany sandoka na mpampianatra diso ny olona iray? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mamantatra ny mpaminany sandoka isika amin’ny alalan’ny voany.)
Asehoy ny mpianatra ny karazana voankazo roa. Anontanio amin’ny mpianatra hoe karazana zava-maniry inona no mamokatra ny voankazo tsirairay. Hazavao fa tahaka ny famantarana ny zava-maniry amin’ny alalan’ny voany dia afaka mamantatra ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra diso amin’ny alalan’ny fampianarana, fihetsika sy hevitra isika.
-
Araka izany fahamarinana izany, ahoana no ahafahantsika mamantatra olona na vondrona izay tokony hotandremantsika?
-
Ahoana no fomba ifandraisan’ireo hevitra natao lisitra teo amin’ny solaitrabe amin’izany fahamarinana izany?
Fintino ny Matio 7:21–23 amin’ny fanazavana fa tsy izay rehetra manambara ny finoany an’i Jesoa Kristy no hiditra ao amin’ny fanjakany, fa ireo izay manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy mahafantatra Azy no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Asehoy ny vato iray sy ny lovia feno fasika. Anontanio ny mpianatra raha tiany kokoa ny manorina ny tranony eo amin’ny vato na eo amin’ny fasika. Asao izy ireo hanazava ny anton’izany.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 7:24–27.
-
Araka ny andininy 24, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa zavatra ataon’ny olona iray izay hitovizany amin’ny olona manan-tsaina manorina eo ambonin’ny vatolampy?
-
Araka ny andininy 26, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa zavatra ataon’ny olona iray izay hitovizany amin’ny olona adala manorina eo ambonin’ny fasika?
-
Manambara inona aminao ny ranonorana, ny riaka be sy ny rivotra ao amin’ireo fanoharana ireo (jereo ny andininy 27; jereo koa ny Helamana 5:12)?
-
Inona no fitsipika mikasika ny tokony hampiharana ny fampianaran’ny Tompo izay azontsika ianarana avy amin’ireo fanoharana ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ireto fitsipika manaraka ireto: Raha mihaino sy mampihatra ireo fampianaran’ny Tompo isika dia hankahery antsika mba haharetantsika ireo fizahan-toetra Izy avy eo. Raha mihaino ireo fampianaran’ny Tompo isika fa tsy manaraka izany dia tsy hahazo ny fanampiana izay ilaintsika isika rehefa mitranga ny fizahan-toetra.)
Asao ny mpianatra handinika ny zavatra nampianarin’ny Tompo nandritra ny Toriteny teo An-tendrombohitra (jereo ny Matio 5–7). Asao izy ireo mba hitovy amin’ilay olona manan-tsaina amin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra mba hampihatra ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra mba hanoratany ny fomba hampiharany ny fitsipika iray na fitsipika maro avy amin’ny lesona na avy amin’ny lesona telo farany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 7:1–2. Manao fitsarana araka ny fahamarinana
Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ireo fitsipika izay manampy antsika hanao fitsarana araka ny fahamarinana fa tsy fitsarana farany:
“Misy fitsarana karazany roa: ny fitsarana farany, izay andraràna antsika ny fanaovana azy, ary ny fitsarana antenantenany, izay asaina ataontsika, saingy atao araka ny fitsipika marina. …
“… Nahoana ny Mpamonjy no nandidy antsika mba tsy hanao fitsarana farany? Mino aho fa nomena io didy io satria sahy manao fitsarana farany isika isaky ny milaza fa mankany amin’ny helo (na any an-danitra) ny olona iray noho ny zavatra iray nataony na noho ny fotoana iray niainany. …
“Isika rehetra dia mitsara rehefa misafidy ireo namantsika, rehefa misafidy ny fomba andaniantsika ny fotoana sy ny volantsika, ary, mazava ho azy, rehefa misafidy ny vadintsika mandrakizay. Ny sasany amin’ireo fitsarana antenantenany ireo dia tena tafiditra ao amin’izay nolazain’ny Mpamonjy rehefa nampianatra Izy fa ny fitsarana dia anisan’‘izay lehibe ao amin’ny lalàna’ (Mat. 23:23). …
“Manoloana ny fitsarana antenantenany tsy maintsy ataontsika dia tokony hitandrina mba hanao izany araka ny fahamarinana isika. Tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika rehefa mandray fanapahan-kevitra. Tokony ho ferantsika fitantanan-draharahantsika ny fitsarana ataontsika. Raha mbola azo atao dia tokony ajanontsika ny fitsaratsarana mandra-pahafantatsika marina ilay toe-javatra. Raha azo atao indrindra dia tokony hitsara ny toe-javatra mitranga fa tsy ny olona isika. Tokony hampihatra ireo fitsipika marina isika ao amin’ireo fitsarana rehetra ataontsika. Ary ao amin’izany rehetra izany dia tsy maintsy mahatsiaro ilay didy mba hamela heloka isika” (“‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, aôg. 1999, 7, 9, 13).
Matio 7:15–20. “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ ny ondry”
Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nilaza fa:
“Rehefa mieritreritra momba ny mpaminany sandoka sy ny mpampianatra diso isika dia mazàna mieritreritra an’ireo izay mandray fotopampianarana diso miharihary na mihevitra fa manana fahefana hampianatra ny filazantsaran’i Kristy marina araka ny fahatakarany izany. Matetika isika dia mihevitra fa ireo olona ireo dia mivondrona amin’ny antoko kely izay tena efa lasa lavitra amin’ny foto-kevitra ijoroany ary tsy eken’ny fiaraha-monina. Manambara indray aho anefa fa: misy ireo mpaminany sandoka sy mpampianatra diso izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana na milaza fa mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Misy ireo izay milaza, nefa tsy nahazo lalana fa ny zavatra sy fombafomba ataon’izy ireo dia eken’ny Fiangonana sy tohanan’ny Fiangonana. Mitandrema amin’ireo. …
“… Mitandrema amin’ireo izay miresaka sy mampahafantatra zavatra manohitra ireo mpaminanin’ Andriamanitra marina ary mitory amim-pahavitrihana amin’ny hafa nefa tsy miraharaha velively ny fiainana mandrakizain’ireo izay sarihany” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 62–63).