Lesona 40
Marka 9:30–50
Fampidirana
Nilaza tamin’ireo mpianany momba ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty izay nanakaiky hatrany i Jesoa ary nampianatra azy ireo ny amin’ izay ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampitandrina ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny fitarihana ny hafa hanota Izy sy nanome toromarika ireo mpianany mba hanasaraka ny tenan’izy ireo amin’ny zavatra izay mety hitaona amin’ny fahotana.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Marka 9:30–37
Nilaza mialoha momba ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty ary nampianatra ny amin’ izay ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa
Mitondra zavatra iray manana hanitra mamerovero ao amin’ilay kilasy, izay ho tsikaritr’ireo mpianatra (toy ny voasary vao avy notapatapahina na tongolo na mofo vao avy namboarina). Alohan’ny kilasy, dia apetraho ao amin’ilay efitrano fianarana amin’ny toerana izay tsy hitan’ireo mpianatra io zavatra io.
Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fanontaniana ireo mpianatra raha toa izy ireo ka nahatsikaritra fofon-javatra iray mamerovero rehefa niditra ny efitrano fianarana.
-
Inona, raha toa ka nisy izany, ny zavatra nisarihin’io hanitra mamerovero io anao ho eritreretina na hatao raha vao nahatsikaritra izany ianao?
Tsindrio manokana fa tahaka ny fomba ahafahan’ny hanitra mamerovero misarika antsika, no ahafahantsika misarika ny eritreritry ny hafa sy ny fitondrantenan’izy ireo. Asao ireo mpianatra hikaroka ireo fahamarinana ao amin’ny Marka 9:30–50 izay hanampy azy ireo hisaintsaina ny fiantraikan’ny fitaomana ataon’izy ireo eo amin’ny ezaka ataon’ny hafa ny hanara-dia ny Mpamonjy tahaka ny fiantraikan’ny fitaomana izay ataon’ny hafa amin’izy ireo ihany koa.
Hazavao fa taorian’ny nandroahan’ny Mpamonjy fanahy maloto iray izay nitoetra tao amin’ny zazalahy iray (jereo ny Marka 9:17–29), dia nanao dia namakivaky an’i Galilia Izy niaraka tamin’ireo mpianany. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:31–32. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo trangan-javatra izay naminanian’ny Mpamonjy.
-
Inona ireo trangan-javatra izay naminanian’ny Mpamonjy?
Fintino ny Marka 9:33–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa tonga tao kapernaomy i Jesoa dia nampianatra ireo mpianany ny amin’ izay ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nanome toromarika azy ireo ihany koa Izy ny handray ao amin’ny fiangonana ireo olona izay manetry ny tenany tahaka ny ankizy sy mandray Azy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:34–35 [ao amin’ny Marka 9:37, fanoroana ireo soratra masina mifandraika a etsy amin’ny farany ambanin’ny pejy]). (Fanamarihana: Ireo fampianarana ireo dia hodinihina lalindalina kokoa ao amin’ny lesona ho an’ny Marka 10.)
Marka 9:38–50
Nampitandrina ny amin’ny fitaomana ny hafa hanota sy ny amin’ny tsy fanasarahana ny tena hiala amin’ireo fitaoman-dratsy i Jesoa.
Manasà mpianatra iray hamaky ny Marka 9:38. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny trangan-javatra izay nolazain’ny Apôstôly Jaona tamin’ny Mpamonjy.
-
Inona no zavatra nanaovan’i Jaona tatitra tamin’ny Mpamonjy?
Hazavao fa ireo Apôstôly dia nandrara io lehilahy io tamin’ny fandroahana demonia satria izy dia tsy niaraka tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo ireo. kanefa ny Mpamonjy dia nilaza tamin’izy ireo tsy handrara azy (izay maneho fa izy dia lehilahy marina izay nanana fahefana) sy nampianatra fa ny olona manampy ireo izay misolotena Azy dia handray ny valisoany (jereo ny Marka 9:39–41).
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:42. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fampitandremana nataon’ny Mpamonjy. Hazavao fa eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe manafintohina dia midika ho fanaovana izay hahasolafaka ny hafa, fitarihana azy ireo amin’ny lalan-diso, na ny fanaovana izay hanotan’izy ireo na ny handaozany ny finoany.
-
Iza ireo vondron’ olona izay nanaovan’ny Mpamonjy fampitandremana mba tsy ho tarihina amin’ny fahotana? (Mety ilainao ny manazava fa izany dia ireo “madinika mino an’i [Jesoa]” tafiditra ao anatin’izany ireo izay tsy dia mbola matanjaka tsara amin’ny finoana, toy ny zatovo sy ireo mpikambana vaovao, ary ihany koa ireo mpianatra manetry tena sy mahatoky izay tsy anavahana taona.)
-
Inona no fampitandremana nataon’i Jesoa izay manohitra ny fitaomana ireo mpianany ho amin’ny fahotana? (Nilaza Izy fa tsaratsara kokoa ny maty toy izay ny hiaina ny fijaliana goavana sy ny fisarahana amin’ Andriamanitra izay hiainantsika raha toa isika ka manao izay hanotan’ny hafa.)
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampitandremana izay nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 42? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka manao izay hahatonga ireo olona mino an’i Jesoa Kristy hanota, dia ho tazonina ho tompon’ andraikitra isika eo anoloan’ Andriamanitra.)
-
Inona avy ireo fomba mety hitaoman’ny olona iray ireo izay mino an’i Jesoa Kristy mba hanota?
Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay hanitra mamerovero ao amin’ilay efitrano fianarana sy ny vokatra hita mazava fa tahaka ilay hanitra mamerovero, isika dia mametraka fitaomana izay hampisy fiantraikany tsara na ratsy amin’ny hafa. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fitaomana avy amin’izy ireo izay miantraika any amin’ireo olona izay mino an’i Jesoa Kristy.
Mba hanomanana ireo mpianatra hahita fitsipika hafa ihany koa izay nampianarin’ny Mpamonjy, dia mangataha mpianatra iray manao kiraro misy tadiny mba hanolotena handeha ho eny aloha. Teneno ilay mpianatra hamaha sy hamerina hamatotra ny iray amin’ireo tady kirarony amin’ny fampiasana tanana iray ihany. Mandritra ny fotoana hanandraman’ilay mpianatra izany, dia anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Inona no fahasarotana mety hiainanao raha toa ka tsy eo intsony ny iray amin’ireo tananao?
-
Inona, raha misy izany, no zavatra mety ho mendrika ny hanarianao ny tananao?
Hazavao fa ny fieritreretana ny hanala ny faritra iray amin’ny vatana dia fantatra amin’ny hoe fandidiana ny ratsam-batana hiala, izay mety tanterahana raha toa ka misy faritra amin’ny vatana ahitana fahasimbana goavana, tratran’ny loto na aretina. Na dia mety ho feno fanaintainana sy mampivarahontsana aza ny fandidiana ny ratsam-batana hiala sy ny fanarenana izay atao amin’izany, io dingana io dia afaka manakana ny fiparitahan’ilay aretina amin’ny faritra sisa amin’ny vatana ka hahatonga fahasimbana bebe kokoa na fahafatesana.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:43. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fotoana izay mahatsara kokoa ny hahavery ny tanana iray toy izay ny hanana izy roroa.
-
Fotoana manao ahoana no mahatsara kokoa ny hahavery ny tanana iray to izay ny hanana izy roroa?
-
Raha araka ny hevitrao, tokony handray ara-bakiteny ity fampianarana ity ve isika ka hanapaka ny tanana izay “nanafintohina” antsika, na izay nahatonga antsika nanota? (Azonao atao ny manazava fa ny Mpamonjy dia tsy nilaza fa tokony hanapaka ara-bakiteny ny tanany ny olona. Fa Izy kosa dia nampiasa sarin-teny mba hanamafisana ny lanjan’ny zavatra izay nampianariny.)
Manasà mpianatra iray hanao sarin’ olona iray eny amin’ny solaitrabe. Mandritra ny fanaovan’ilay mpianatra izany, dia hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Marka 9:43–48 dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’io andinin-tsoratra masina io. Ao amin’ireo andininy ireo, dia mianatra isika fa ny Mpamonjy dia nampiasa ny tanana, ny tongotra, ary ny maso izay nentiny hanoharana ireo fitaomana misy eo amin’ny fiainantsika izay afaka hitarika antsika hanota. Omeo toromarika ilay mpianatra izay manao ny sary eny amin’ny solaitrabe hanisy boribory ny iray avy amin’ireo tanana sy tongotra ary maso eo amin’ilay sary izay ataony. Ary avy eo dia asao hiverina eny amin’ny toerany ilay mpianatra.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:40–48 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra izay noharin’ny Mpamonjy tamin’ny tanana sy ny tongotra ary ny maso izay “nanafintohina” olona iray, na nitaona azy hanota. (Mety ilainao ny manazava fa ilay teny hoe fiainana ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:40–41, 43 dia entina hilazana ny fiainana mandrakizay.
-
Araka io fandikana io, inona no soloin’ny tanana sy ny tongotra ary ny maso tena izay lazaina fa manafintohina eto? (Ny tanana dia misolotena ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana sy ireo namantsika, ny tongotra dia misolotena ireo olona izay raisintsika ho tahaka ny ohatra amin’ny fomba fisainana sy fomba fihetsika, ary ny maso dia misolotena ireo mpitarika antsika.)
Soraty ny mombamomba ny tsirairay avy amin’ireo faritra amin’ny vatana ireo miaraka amin’ny fomba izay namaritana azy avy, eny amin’ilay sary izay nataon’ilay mpianatra eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona no nampianarin’ny Mpamonjy antsika mba hatao manoloana ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina, na ireo fitaomana izay mitarika antsika any amin’ny fahotana?
-
Ahoana no mety hitovitovian’ny fanasarahantsika ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina amin’ny fanapahana ny tanana na ny tongotra?
-
Inona no mety hitranga raha toa isika ka tsy manasaraka ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina? Nahoana?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ireo andininy ireo? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana iray mitovitovy amin’izao manaraka izao: Tsaratsara kokoa ny manasaraka ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina toy izay hiafara amin’ny fisarahana amin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny fanambarana izay nataon’ny Loholona Walter F. González ao amin’ny Fitopololahy: Asao ny iray kilasy hihaino ireo fitaomana hafa izay tokony hanesorantsika ny tenantsika.
“Koa ny fanasarahana toy izany dia tsy manondro ireo namana fotsiny ihany fa ihany koa ireo fitaomana amin’ny ratsy rehetra izay misy, toy ireo fandaharana tsy mendrika amin’ny fahitalavitra, internet, sarimihetsika, asa-soratra, kilalao namozika. Ny firaketana ity fitsipika ity ho tafalatsaka ao amin’ny fanahintsika dia hanampy antsika hanohitra ny fakam-panahy aterak’ireo fitaoman-dratsy” (“Today Is the Time,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 55).
-
Inona ireo olana mety hatrehintsika amin’ny fanasarahana ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina?
-
Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fomba mety sy azo atao mba hanasarahantsika ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina?
Hazavao fa ny fanasarahantsika ny tenantsika amin’ireo fitaomana amin’ny zavatra tsy marina dia tsy midika hoe fanehoana tsy fahalalam-pomba amin’ny hafa sy fanamelohana ny hafa na fandavana ny fifangaroana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tsy mahatoky. Fa kosa, tokony hanasaraka ny tenantsika na misoroka ny fifandraisana akaiky amin’ireo olona izay hitarika antsika amin’ny fahotana isika. Na dia tsy afaka ny hanaisotra na hisoroka ny fitaomana rehetra izay mety hitarika antsika amin’ny fahotana aza isika, dia hitahy antsika ny Tompo rehefa miezaka araka izay azo atao isika ny manasaraka ny tenantsika amin’ny fitaoman-dratsy rehetra sy rehefa miezaka ny hanatsara ny lalàna mifehy ny tena manokana mba hisorohana ireo fitaomana izay tsy azontsika esorina tanteraka.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra misimisy kokoa io fahamarinana io, dia manasà mpianatra roa handeha ho eny aloha. Omeo toromarika ny mpianatra tsirairay hamaky iray avy amin’ireto trangan-javatra manaraka ireto amin’ny feo avo, ary apetraho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana mifandraika amin’izany ireto. Asao ny iray kilasy hamaly ireo fanontaniana ireo araka ny fahamarinana izay hitan’izy ireo ao amin’ny Marka 9:43–48.
Trangan-javatra 1. Izaho dia manana namana izay mamporisika ahy matetika ny handray anjara amin’ireo fiaraha-mientana izay mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra. Kanefa heveriko fa afaka ny hitarika azy ireo amin’ny tsara aho raha toa ka manohy miaraka amin’izy ireo.
-
Mety ho very ve ny fahaizako mitaona ireo namako ireo amin’ny tsara raha toa aho ka manasaraka ny tenako amin’izy ireo? Karazam-pifandraisana toy ny ahoana no tokony hananako amin’izy ireo?
-
Inona no tokony holazaiko na hataoko mba hanasarahako ny tenako amin’ireo namana ireo amin’ny fomba maontina sy tsara?
Trangan-javatra 2. Nandritra ny taona maro aho no efa mpankafy tarika malaza iray. Ny sasany tamin’ireo mozika sy resadresaka izay nataon’izy ireo tamin’ny faramparany teo dia namporisika amin’ireo fitondrantena sy foto-kevitra izay manohitra ny fitsipiky ny Tompo sy ny fampianarany.
-
Mozika sy teny fotsiny ihany izany, sa tsy izany? Koa inona no loza avy amin’ny fanohizana mihaino ny mozik’izy ireo sy ny fanarahana azy ireo ao amin’ny tambazotra ifaneraserana?
Isaory ireo izay nandray anjara tamin’ny fanampian’izy ireo, ary asao izy ireo hiverina eny amin’ny toerany. Anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Na dia mety ho sarotra aza indraindray ny manasaraka ny tenantsika amin’ireo fitaomana izay mitarika antsika amin’ny fahotana, inona no mety ho azontsika amin’ny alalan’izany fahafoizan-tena izany? (Fitahiana maro, anisan’izany ny fiainana mandrakizay.) Nahoana io valisoa io no mendrika hanaovana na inona na inona fahafoizan-tena?
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nisafidy hiala amin’ireo fitaomana tsy marina? (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana na tsiambaratelo izy ireo.) Inona no naha-sarotra ny fialana tamin’izany fitaomana izany? Inona avy ireo fitahiana tonga tamin’ny fanaovana izany?
Angataho ireo mpianatra hisaintsaina raha toa eo amin’ny fiainany ka misy fitaomana izay mety hitarika azy ireo amin’ny fahotana. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hanasarahany ny tenany amin’ireo fitaomana ireo.
Fintino ny Marka 9:49–50 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo mpianany ny hanana fifandraisana feno filaminana eo amin’ny tsirairay.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hampihatra ireo fitaomam-panahy rehetra izay azony nandritra ity lesona ity.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Marka 9:31. “Ny Zanak’ olona”
Ny hoe “Zanak’ olona” dia anarana iray izay nampiasain’i Jesoa Kristy rehefa milaza ny tenana Izy (Lioka 9:22; 21:36). Izany dia midika hoe ny Zanaky ny Lehilahin’ny Fahamasinana. Ny hoe Lehilahin’ny Fahamasinana dia iray amin’ireo anaran’ Andriamanitra Ray. Rehefa niantso ny tenany i Jesoa hoe ny Zanak’ olona, izany dia fanambarana misokatra mikasika ny fifandraisany masina amin’ny Ray. Io anarana io dia hita matetika ao amin’ny Filazantsara. Ny fanambaran’ny Andro Farany dia manamafy ny hevitra manokana sy ny maha-masina io anaran’ny Mpamonjy io (F&F 45:39; 49:6, 22; 58:65; Mosesy 6:57)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Zanak’ Olona” scriptures.lds.org).
Marka 9:38–40. Ilay lehilahy nandroaka demonia tamin’ny anaran’ny Mpamonjy
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nanazava fa ny Apôstôly Jaona dia niahiahy momba ilay lehilahy nandroaka demonia tamin’ny anaran’ny Mpamonjy, angamba mety noho io lehilahy io “tsy iray tao amin’ny faribolan’ireo mpianatra izay niara-nandeha, nihinana, natory sy niresaka mandrakariva tamin’ilay Tompo. Ny ao amin’i Lioka dia manao hoe: ‘Tsy nanaraka antsika’; izany hoe, io lehilahy io dia tsy iray tamin’ireo mpiara-dia amintsika. Kanefa araka ny valintenin’ny Tompontsika dia niharihary fa izy dia mpikambana ao amin’ny fanjakana, mpanompo ara-dalàna izay niasa tamin’ny fahefan’ny fisoronana sy ny herin’ny finoana. Mety hoe tsy fantatr’i Jaona io lehilahy io ka nahatonga azy hanana fihevitra diso fa izy dia tsy nanana fahefana na ihany koa hoe diso ny fomba fijerin’i Jaona fa ny hery ahafahana mandroaka demonia dia natokana ho an’ireo Roambinifolo ihany ary tsy nomena an’ireo mpihazona fisoronana mahatoky rehetra. Mety azo heverina fa izany lehilahy nandroaka demonia izany dia avy amin’ny fitopolo lahy. Tsy misy ny rakitsoratry ny Testamenta Vaovao momba ny fiantsoana ny kôlejy voalohan’ny fitopololahy, fa rehefa niantso ny kôlejy faharoan’ny fitopololahy ho amin’ny asa fanompoana i Jesoa (ny andro taorian’izany), dia nanome azy ireo mazava ny hery handroahana demonia. (Lioka 10:1–20.)” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:417).
“Ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny Jaona izay hita ao amin’ny Marka 9:40, dia nanome toky an’i Jaona sy ireo Roambinifolo fa io lehilahy io dia mpianatra izay nihazona fahefana, na dia tsy Apôstôly aza” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 125).
Marka 9:42. “Tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fampitandremana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 9:42:
“Misy ireo heloka bevava vitsivitsy izay tena ratsy sy mahatsiravina dia toy izany ihany koa ny fampianarana fotopampianarana diso sy ny fitarihana ireo fanahy hiala amin’ Andriamanitra sy ny famonjena. … Raha toa ka fifaliana mandrakizay no valisoa homena ireo izay mampianatra ny fahamarinana sy mitondra fanahy ho amin’ny famonjena, koa tsy ho fanenenana mandrakizay ihany koa ve no valisoa ho azon’ireo izay mampianatra fotopampianarana diso sy mitondra fanahy ho amin’ny fanamelohana? (F&F 18:10–16.)
“… Tsaratsara kokoa ny ho faty sy ho nandà ireo fitahiana eto amin’ny fiainana an-tany toy izay ho velona sy hitarika fanahy hiala amin’ny fahamarinana, ka hahazo fanamelohana mandrakizay ho an’ny tena” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:420).
Marka 9:43–48. Fanasaraha ny tenantsika amin’ireo fitaomana izay mety hitarika antsika amin’ny fahotana.
Ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fotoana maha-mety ny hanasarahantsika ny tenantsika amin’ireo izay mety hitarika antsika hanota:
“Hisafidy ny hifanerasera amin’iza ianao?
“Hifanerasera amin’ olona tsara maro izay mino an’ Andriamanitra ianao. Na Jiosy izy ireo, na Katolika, na Protestanta, na Silamo, ny mpino dia mahafantatra fa misy tokoa ny fahamarinana ary tsy azo lavina izany. …
“Rehefa mamakivaky ny lalan’ny fiainana ianao, dia hahafantatra ihany koa olona izay tsy mino an’ Andriamanitra. Maro amin’izy ireny no tsy mbola nahita ny fahamarinana masina sy tsy mahafantatra ny toerana hitadiavana izany. Fa ianareo tanora kosa izay nateraka ho lehibe sy manana ny maha-izy anareo dia tonga mba hamonjy azy ireo. …
“Rehefa mifanerasera amin’ireo tsy mpino ianao, dia mitandrema fa mety hisy vitsivitsy amin’izy ireo tsy hanana fanapaha-kevitra mifanaraka amin’ny zavatra mety aminao (jereo F&F 1:16; 89:4). Raha vantany vao mahatsikaritra izany ianao, dia mandosira azy ireo haingana sy maharitra (jereo ny 1 Timoty 6:5–6, 11)” (“What Will You Choose?” Ensign, jan. 2015, 33, na Liahona, jan. 2015, 21).
Marka 9:43–48. Hariana “any amin’ny helo … any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina”
Ny teny hoe helo ao amin’ny Marka 9:43, 45, 47 dia fandikana ny teny hoe gehenna, izay endrika Grika ny teny Hebreo hoege hinnom, izay midika hoe “lohasahan’i Hinoma.” Tao amin’io lohasaha lalina io, amin’ny sisiny atsimon’i Jerosalema, “no fanateran’ireo mpanompo sampy Jiosy ny zanany [ho fanatitra] ho an’ny [andriamanitry ny mpanompo sampy] Moloka (2 Tan. 28:3; 33:6; Jer. 7:31; 19:2–6)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Helo”). Taorian’ny namaranan’ ny Mpanjaka Josia io fombafomba io, dia “nampiasaina ho toerana fandoroana ireo zavatra tsy ilaina tao amin’ilay tanàna io lohasaha io (2 Mpan. 23:10) ary dia toy izany no nahatonga io toerana io ho tandindon’ny toeran’ny fijaliana (Mat. 5:22, 29–30; 10:28; 18:9; 23:15, 33; Marka 9:43, 45, 47; Lioka 12:5; Jakoba 3:6). Ireo teny mahakasika ny ‘afo sy ny helo’ dia mety ho avy amin’ny fahatsapana izay teraka tao an-tsain’ny olombelona tamin’ny fahitana ity afo miredareda tsy mety maty ity ary ihany koa netina hanoharana ny fijaliana hiatra amin’ireo izay minia mandika ny didin’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Helo”).
Marka 9:44, 46 dia milaza momba ireo mpikomy izay itoeran’ny kankana “tsy mety maty.” Misy ireo karazana kankana miaina any anaty fako. Misy ireo kankana izay mitoetra ao amin’ny vatan’ny olombelona ka mahatonga ireo aretina isan-karazany sy ny fanaintainana goavana. Koa ny kankana izay “tsy mety maty” dia maneho ireo fahatsiarovantena sy nenina hiatra amin’ireo mpikomy izay hitohy hinana sy hampijaly azy ireo any amin’ny fiainana ho avy.