Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Jaona 2–6 (Fizarana 13)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Jaona 2–6 (Fizarana 13)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Jaona 2–6 (fizarana 13). Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Jaona 2)

Rehefa namaky mikasika ny fahagagana voalohany nataon’ny Mpamonjy tamin’ny namadihany ny rano ho divay ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa manana fahefana amin’ny zavatra ara-batana i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa tia sy nanaja ny reniny ny Mpamonjy. Rehefa nandalina ny tantaran’i Jesoa nanadio ny tempoly ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

Andro 2 (Jaona 3)

Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto avy tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy ny mpianatra: Ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ilaina mba hahaterahana indray ara-panahy sy hahazoana ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy. Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona rehetra. Tena tia ny zanany tokoa ny Ray any An-danitra ka nandefa ny Zananilahitokana mba hijaly noho ny fahotan’izy ireo. Raha mino an’i Jesoa Kristy isika, ka anisan’izany ny fibebahantsika amin’ny fahotantsika sy ny fankatoavantsika ny teniny, dia afaka hanana fiainana tsy manam-petra amin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika. Ny mpianatra dia nianatra avy tamin’ny ohatra nasehon’i Jaona Mpanao Batisa fa afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara isika amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo ho any amin’i Jesoa Kristy.

Andro 3 (Jaona 4)

Rehefa namaky mikasika ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ny vehivavy Samaritana iray teo am-patsakana ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Raha manatona an’i Jesoa Kristy sy mandray amim-pahamatorana ny filazantsarany isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Mahafantatra ny fahotantsika i Jesoa Kristy ary manome antsika ny filazantsarany Izy mba hanampiana antsika handresy azy ireo. Raha midera ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana isika dia hanome antsika ny Fanahiny Izy. Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika dia heniky ny faniriana hizara izany amin’ny hafa.

Andro 4 (Jaona 5–6)

Rehefa namaky mikasika ny nanasitranan’ny Mpamonjy lehilahy iray narary nandritra ny taona maro ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa afaka ny ho sitrana isika amin’ny alalan’ny hery sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa amin’ny alalan’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. Ny mpianatra dia nianatra avy tamin’ny toriteny nataon’ny Mpamonjy momba ny Mofon’aina fa ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba an’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hijanona ho mahatoky mandritra ireo fotoana izay mety hahatsapana fa sarotra ny manaraka ny Mpamonjy na sarotra ny miaina ny fampianarany.

Fampidirana

Ny ampitson’ny andro namahanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga ny vahoaka nahitana olona maherin’ny 5.000 dia nampianatra Izy fa Izy no mofon’aina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 6:22–59

Nampianatra i Jesoa fa Izy Mofon’aina

Manehoa mofo dipaina iray. Asao ny mpianatra iray hamintina ny tantara momba ny famahanan’ny Mpamonjy olona tsy omby 5.000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano kely roa.

  • Inona no mety ho eritreritrareo raha nanatrika io fahagagana io ianareo ary nahafantatra fa nanana fahafahana hamatsy sakafo tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa?

Hazavao fa ny Jaona 6:22–25 dia milaza fa maro tamin’ireo olona izay nofahanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga no nandeha tany Kapernaomy mba hitady Azy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:26–27. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny vahoaka.

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 6:26 dia manazava hoe: “Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny fanirianareo hitandrina ny teniko na noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 6:26 []). Hazavao ihany koa fa ny teny hoe hanina ao amin’ny Jaona 6:27 sy manerana ny Baiboly dia entina ilazana ny sakafo.

  • Araka ny voalazan’ny Mpamonjy, nahoana ireo olona ireo no nitady Azy? (Ny tenin’ny Mpamonjy dia milaza fa nanaraka Azy ireo olona ireo mba hahazo sakafo bebe kokoa avy Aminy.)

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hotadiavin’izy ireo?

Hazavao fa ilay “hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” (Jaona 6:27) dia mety entina hilazana ireo fahamarinana mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:28–31. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nirian’ny olona ho ataon’i Jesoa mba hanaporofoana amin’izy ireo bebe kokoa fa Izy no ilay Mesia.

  • Inona no nirian’ny vahoaka ho ataon’i Jesoa ho azy ireo? (Hazavao fa ny mana dia “mofo avy any an-danitra” [Jaona 6:31] izay nomen’ Andriamanitra ny Zanak’Isiraely rehefa nirenireny tany an-tany foana izy ireo; jereo ny Eksodosy 16:14–15, 35.)

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 6:32–35. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny vahoaka ho valin’ny fangatahan’izy ireo famantarana.

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy momba ny Tenany rehefa niresaka ny mana na ny mofo avy any an-danitra Izy?

Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Izaho no mofon’aina” ao amin’ny Jaona 6:35.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampitaha ny Mpamonjy sy ny fampianarany amin’ny mofo?

  • Araka ny eritreritrareo, inona no dikan’ny hoe ireo izay manatona an’i Jesoa Kristy dia “tsy mba ho noana”? (Jaona 6:35). (Valinteny iray mety ho azo ny hoe hamahana antsika ara-panahy Izy.)

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 35? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hamahana antsika ara-panahy Izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny misy banga ireto:

Manatona an’i Kristy isika amin’ny alalan’ny …

Hamahana antsika amin’ny … Izy.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo miara-miasa izy ireo mba hitanisa ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra azontsika atao mba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy ireo fomba hamahanany antsika ara-panahy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nahazoany sakafo ara-panahy rehefa nanatona ny Mpamonjy izy ireo.

Mba hanomanana ny mpianatra hitady fitsipika iray fanampiny izay nampianarin’ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra vitsivitsy ho eny aloha ary omeo sombi-mofo izy tsirairay avy. Asao izy ireo hanimbolo ilay mofo sy haka sary an-tsaina ny mety ho tsiron’izany.

  • Raha nofofoninareo fotsiny io mofo io, sy nalainareo sary an-tsaina fotsiny izay mety ho tsirony, ary nentinareo niaraka taminareo isan’andro, dia mety ho nahavoky anareo toy ny ahoana izany?

  • Inona no tsy maintsy ataonareo mba hahazoanareo tombony avy amin’ny zavatra entin’ilay mofo?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jaona 6:49–54. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra mampifandray ny zavatra niainan’ireo mpiara-mianatra aminy tamin’ilay mofo amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no tsy mampitovy ny Mofon’aina amin’ny mofo mahazatra? (I Jesoa Kristy dia manome antsika fitahiana izay haharitra mandrakizay fa tsy mitovy amin’ilay mofo izay manome fahafaham-po antsika ao anatin’ny fotoana fohy monja.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 53–54, inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny olona mba ho ataon’izy ireo?

Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampiasa ireo teny hoe mihinana sy misotro tamin’ny endrika tandindona. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fampianaran’ny Mpamonjy dia asao izay mpianatra te hanolo-tena hihinana ilay mofo. Dia asao hiverina eny amin’ny toerany izy ireo avy eo.

  • Inona no mitranga amin’ilay mofo sy ny hani-mahavelona ao anatiny rehefa ohanina? (Lasa ao anaty vatana ireo otrikaina sy ireo hani-mahavelona, ka manome hery sy fahasalamana ny vatana.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mihinana ny nofo sy misotro ny ran’i Jesoa Kristy? (Mety midika izany hoe miaina ny fampianarany sy ny Sorompanavotany. Mety maneho ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo koa izany, izay naorin’ny Mpamonjy taty aoriana.)

  • Araka ny voalazan’ny Jaona 6:54, inona no fitahiana afaka ho azontsika raha miaina na mampihatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha miaina na mampihatra ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ireo fomba nolazainy fa azontsika hampiharana ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Loholona Bruce R. McConkie

“Ny mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ny Zanak’ Andriamanitra, voalohany indrindra, dia ny manaiky Azy ara-bakiteny tanteraka, tsy misy fisalasalana na inona izany na inona, ho ilay taranaky ny Ray any An-danitra manokana ao amin’ny nofo; ary faharoa, dia ny mitandrina ny didin’ny Zanaka amin’ny alalan’ny fanekena ny filazantsarany sy ny fidirana ao amin’ny Fiangonany ary ny faharetana hatramin’ny farany ao anatin’ny fankatoavana sy ny fahamarinana. Ireo izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany amin’io fomba io dia hahazo ny fiainana mandrakizay, izany hoe ny fisandratana any amin’ny lanitra ambony indrindra ao amin’ny tontolo selestialy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:358).

  • Inona no sosokevitra nomen’ny Loholona McConkie mba hoentintsika miaina ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa ny atao hoe fiainana mandrakizay dia miaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary tonga tahaka Azy ireo. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:56–57. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka Azy ireo rehefa mampihatra ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Hazavao fa tsy hipetraka ao anatintsika ny vatan’ny Mpamonjy, fa ny fitaomana masina avy Aminy kosa no hijanona miaraka amintsika mba hanampiana antsika ho lasa tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra bebe kokoa.

Fintino ny Jaona 6:59–66 amin’ny fanazavana fa nandà ny fampianaran’i Jesoa ny sasany tamin’ireo mpianany dia nivadika Taminy.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanoratra tanjona iray ao anaty kahieny na ao anaty diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba hiainany bebe kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy na ny iray amin’ireo fampianarany.

Fizarana Manaraka (Jaona 7–10)

Lazao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny fizarana manaraka izy ireo dia hianatra ny fomba nitondran’i Jesoa Kristy ny vehivavy iray izay tratra nijangajanga sy ny zavatra nolazainy mba hanaparitahana ny vahoaka izay naniry ny hamono ilay vehivavy. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra manakimpy ny masony dia maka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe jamba. Dia manontania avy eo hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe nositranina tamin’ny fahajambana izany ary avy eo dia nahita voalohany indrindra teo amin’ny fiainana. Ny mpianatra dia hamaky mikasika ny lehilahy jamba iray izay tsy vitan’ny hoe lasa nahiratra fotsiny ny masony fa lasa nahiratra ara-panahy koa ka nahazo fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra. Izy ireo ihany koa dia hianatra ny antony niantsoan’ny Mpamonjy ny tenany hoe ilay Mpiandry Tsara sy ny hery izay nolazainy fa azony avy amin’ny Ray.