Fampahafantarana ny Epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Mamaky isika ao amin’ny 1 Timoty fa i Paoly dia nanome torohevitra an’i Timoty, izay mpitarika ny Fiangonana tany Efesosy, mba haka antoka fa fotopampianarana tsy misy kilema no nampianarina ary tsy hamela ny fampianaran-diso malaza mba tsy hampifantoka amin’ny fampianaran’ny filazantsara. Nampianariny momba ny anjara fanompoan’ny eveka sy ny diakona i Timoty ary noresahiny ireo zavatra takina ho an’ireo izay manompo ao amin’ireo toerana ireo. Nolazain’i Paoly indray ny fankasitrahany lehibe noho ny famindrampo izay noraisiny avy tamin’i Jesoa Kristy rehefa niova fo izy. Ny fandalinana ny 1 Timoty dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahamalinan’izy ireo momba ny lanjan’ny fampianarana fotopampianarana tsy misy kilema ato amin’ny Fiangonana. Afaka mampiorim-paka ny fankasitrahan’izy ireo ny famindrampon’ny Mpamonjy sy ny anjara asa manan-danja ananan’ireo eveka sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana ihany koa ireo mpianatra.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly no nanoratra ny 1 Timoty (jereo ny 1 Timoty 1:1)
Oviana ary taiza no nanoratana azy?
Mety ho nosoratana teo anelanelan’ny 64 sy 65 taorian’i J.K.ny epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, angamba rehefa tany Masedonia i Paoly (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org; 1 Timoty 1:3). Mialoha ny nanoratany ity epistily ity, i Paoly dia navotsotra avy tamin’ny fampidirana am-ponja azy nandritra ny roa taona tany Roma ary mety ho nandehandeha be, nitsidika ireo faritra izay nanorenany ireo sampan’ny Fiangonana teo aloha izy (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy an’ny OAF “Pauline Epistles”).
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Nosaratan’i Paoly ho an’i Timoty ity epistily ity, i Timoty izay nanompo niaraka tamin’i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataonao (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:3). Taorian’ny asa fitoriana nataon’izy ireo dia mbola misiônera sy mpitarika mahatoky tao amin’ny Fiangonana hatrany i Timoty (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:22; Filipiana 2:19) ary anisan’ireo mpiara-miasa natokisan’i Paoly indrindra izy (jereo ny 1 Korintiana 4:17). Nantsoin’i Paoly hoe “tena zana[ny] amin’ny finoana” i Timoty (1 Timoty 1:2). Jentilisa grika ny rain’i Timoty, saingy nanana reny sy renibe Jiosy izay olo-marina sy nampianatra azy sy nanampy azy hianatra ny soratra masina izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:5; 3:15).
Mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy i Timoty tamin’ny fotoana nanoratana ity epistily ity (jereo ny 1 Timoty 1:3). Tsapan’i Paoly fa nisy mpikambana sasany niahiahy ny amin’ny fahafahan’i Timoty mitondra satria tanora izy (jereo ny 1 Timoty 4:12). Naminavina ny hitsidika mivantana an’i Timoty i Paoly saingy tsy azony antoka raha toa ka afaka hanao izany izy (jereo ny 1 Timoty 3:14; 4:13). Nanoratra ity epistily ity ho an’i Timoty i Paoly mba hanampiana ireo mpitarika tanora ato amin’ny Fiangonana hahatakatra ireo adidin’izy ireo.
Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?
Ireo taratasin’i Paoly izay fantatra amin’ny hoe 1 Timoty sy 2 Timoty, ary Titosy dia matetika no antsoina hoe Epistily ho an’ny mpitarika satria ahitana ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo pasitera na mpitarika ny Fiangonana izany (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Pauline Epistles”). Nypasitera dia avy amin’ny teny latina ho an’ny “mpiandry ondry.”
Nanolotra torolalana mba hanampiana an’i Timoty hamantatra ireo olona mendrika mba ho eveka na diakona i Paoly (jereo ny 1 Timoty 3). Ny torolalana nomen’i Paoly dia nampisongadina ny andraikitr’ireo mpitarika ny Fiangonana mba hanome ny zavatra ara-batana sy ara-panahy ilain’ny mpikambana (jereo ny 1 Timoty 5). Noresahan’i Paoly ihany koa ny hevi-diso mahazatra momba ny asesitizma—ny finoana fa afaka tratrarina amin’ny alalan’ny fandavana ny tena tanteraka ny aim-panahy lehibe kokoa. Ohatra, nampitandrina i Paoly fa ny mpikambana sasany dia hihemotra ka hanindraindra ny finoana fa tokony raràna ny fanambadiana (jereo ny 1 Timoty 4:1-3). Mba hifehezana izany sy ireo fitaomana izay mamporisika ny mifanohitra amin’ny finoana ekena sy ôfisialy dia nanome torolalana ho an’i Timoty i Paoly mba hampianatra fotopampianarana tsy misy kilema (jereo ny 1 Timoty 1:3–4, 10; 4:1–6, 13, 16).
Topimaso
1 Timoty 1 Nampitandrina ny amin’ireo fampianaran-diso i Paoly. Nanome voninahitra an’ i Jesoa Kristy Tompo, izay nanolotra famindrampo lehibe mba hamonjy azy izy. Niantso ny tenany ho “lohany” i Paoly(1 Timoty 1:15), na ny ratsy indrindra amin’ny mpanota, raha niresaka ny fanoherany ny Kristiana talohan’ny fiovampony. Nanome toky ny hafa indray i Paoly fa hanampy azy ireo ihany koa ny famindrampon’i Kristy.
1 Timoty 2-3 Nampianatra momba ny antony ilàna ny vavaka sy fitsaohana araka ny tokony ho izy i Paoly. Nampianatra izy fa i Jesoa Kristy no avotra hisolo ny rehetra ary Mpanalalana antsika amin’ny Ray. Nampianatra ny lehilahy sy ny vehivavy ny fomba fitondrantena mandritra ny fitsaohana izy. Nanome topimaso ny amin’ireo fitakiana ho an’ireo eveka sy diakona izy. Nohazavainy fa ny misterin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny fiambanian’i Jesoa Kristy, sy ny fiainany tonga lafatra teto ambonin’ny tany, ary ny fiakarany ho amin’ny voninahitra.
1 Timoty 4 Nampitandrina an’i Timoty i Paoly fa ny olona sasany dia ho voafitaky ny fampianaran-diso mikasika ny fanambadiana sy ny fomba fisakafoana. Niresaka momba ny maha-manan-danja ny fanambadiana izy sy momba ny fandraisana ireo zavatra noharian’ Andriamanitra amin’ny fisaorana. Nampianarin’i Paoly an’i Timoty ny fomba hiadiana amin’ireo fampianaran-diso tamin’ny androny sy ireo izay ho avy tsy ho ela.
1 Timoty 5-6 Nomen’i Paoly toromarika izay hanampy azy hanantanteraka ny zavatra ilain’ireo beantitra, ireo tanora, ireo mpitondratena, ireo zokiolona ary ireo andevo i Timoty. Nomen’i Paoly an’i Timoty ny famaritana ireo mpampianatra sandoka. Nampitandrina izy fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10) ary nampianatra azy mikasika ny fomba hahafahan’ny Olomasina mahazo ny fiainana mandrakizay izy.