Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
2 Petera–Joda (Fizarana 30)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny 2 Petera–Joda (fizarana 30). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (2 Petera)
Ny Apôstôly Petera dia nanoratra ity epistily ity ho an’ireo Olomasina mba hanampiana azy ireo teo anivon’ny fanenjehana, ireo fitsapana, ary ny apôstazia tao anatin’ny Fiangonana. Rehefa nandalina ny tenin’i Petera ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ireo mpaminany dia mandray ny soratra masina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary ireo mpampianatra sandoka dia mikatsaka ny hamitaka antsika mba hino fa ny fahotana dia mitondra ho amin’ny fahafahana lehibe kokoa. Ny mpianatra ihany koa dia nianatra fa afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fiainana fiainana araka an’ Andriamanitra sy ny fiandrasana amim-pahazotoana ny fiaviany.
Andro 2 (1 Jaona)
Ny mpianatra dia nianatra avy amin’ny 1 Jaona fa raha mandray sy manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly isika dia afaka manana firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ankoatra izay dia nianatra izy ireo fa rehefa tia an’ Andriamanitra isika dia ho tia ny hafa.
Andro 3 (2 Jaona–3 Jaona)
Ao amin’ireo epistily roa hafa nosoratan’i Jaona ho an’ny Olomasina dia nanohy nilaza ny ahiahiny mikasika ireo fitaomana mampihemotra tao amin’ny Fiangonana izy. Ny mpianatra dia nianatra avy amin’ireo taratasy ireo fa raha mitandrina ny didy sy miambina isika dia afaka migoka hatrany ireo fitahian’ny filazantsara izay efa azontsika, ary raha mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hiaraka amintsika ny Ray sy ny Zanaka. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa ny fiainana ny filazantsara dia mitondra fifaliana, tsy ho antsika irery ihany fa ho an’ny hafa ihany koa, ary tokony handray sy hanohana ny mpanompon’ny Tompo rehetra ireo mpikamban’ny Fiangonana.
Andro 4 (Joda)
Rehefa nandalina ny taratasin’i Joda ho an’ireo Olomasina niaritra fanenjehana mafy dia mafy ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tokony hiaro mafy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo fampianaran-diso sy ireo fomba fanao maloto. Ny mpianatra ihany koa dia nianatra fa ireo apôstôly sy mpaminany dia mampitandrina antsika amin’ireo izay mikatsaka ny hampalemy ny finoantsika sy ny fankatoavantsika sy manampy antsika hahafantatra azy ireo, ary afaka mijanona ho mahatoky amin’ny finoana isika amin’ny alalan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Fampidirana
Ny Apôstôly Petera dia namporisika ireo Olomasina hampitombo ny fahalalan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hitovy Aminy. Nanome toky azy ireo izy fa io fivoarana ara-panahy io dia afaka manampy azy ireo “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10).
Sosokevitra Enti-mampianatra
2 Petera 1:1–11
Mampianatra ny fomba hahafahantsika ho mpiray amin’ny toetran’i Jesoa Kristy araka an’ Andriamanitra i Petera.
Fanamarihana: Rehefa miresaka ireto fitsipika sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia mitandrema mba tsy hiresaka lohahevitra mifandray amin’ireo ôrdônansy sy fotopampianarana momba ny tempoly.
Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny nambara manaraka ity (avy ao amin’ny “The Will Within,” Ensign, mey 1987, 68):
“Ny andraikitsika dia ny ho tonga amin’izay tsara indrindra tokony ahatongavantsika” (Filoha Thomas S. Monson).
Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky ilay teny nambara eo amin’ny solaitrabe ka hiresaka ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namany miara-miasa aminy:
-
Inona araka ny hevitrareo no tian’ny Filoha Monson holazaina amin’ny hoe tonga “amin’izay tsara indrindra tokony ahatongavantsika”?
-
Nahoana araka ny hevitrareo no zava-dehibe izany hoe tonga amin’izay tsara indrindra tokony ahatongavantsika izany?
-
Inona no mety manakana antsika tsy ho tonga amin’izay tsara indrindra tokony ahatongavantsika?
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 2 Petera 1 mba hitady fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga amin’izay tsara indrindra tokony ahatongavany.
Fintino ny 2 Petera 1:1–2 amin’ny fanazavana fa i Petera dia nanoratra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay efa nahazo finoana an’i Jesoa Kristy kanefa mety ho nalaim-panahy ny hiverina amin’ireo fomba fanao feno fahotana an’izao tontolo izao.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:3–4 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Petera mba hanampiana ireo Olomasina hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.
-
Araka ireo andininy ireo dia inona no nampianarin’i Petera an’ireo Olomasina?
-
Inona no dikan’ ny hoe “mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra”? (2 Petera 1:4).
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Petera 1:5–7 mba hitady ireo toetran’i Jesoa Kristy izay nasain’i Petera nampitomboan’ireo Olomasina. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao lisitra eo amin’ny solaitrabe ireo toetra hitany. Asao ny mpianatra hitady ao amin’ny rakibolana iray ny famaritana izay tian’izy ireo ho takatra bebe kokoa amin’ireo toetra ireo.
Asao ny mpianatra hieritreritra ireo ohatra amin’ireo fotoana nanehoan’ny Mpamonjy ny iray amin’ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo. Angataho ny mpianatra maromaro hilaza ny eritreriny amin’ny iray kilasy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno manaraka ity: Rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika isika dia afaka …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:8–9 . Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fitahiana afaka ny ho azontsika rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy isika.
-
Inona no fitahiana afaka ho azontsika rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra isika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hivaky toy izao: Rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika isika dia afaka ny hahafantatra an’i Jesoa Kristy.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:10–11 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady fitahiana iray hafa izay afaka ny ho tonga amin’ireo izay mazoto amin’ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra.
-
Inona no fitahiana afaka ny ho tonga amin’ireo izay mazoto amin’ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay ananan’i Jesoa Kristy? (Hazavao fa ny andian-teny hoe “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo” [andininy 10] dia midika hoe mahazo ny fanomezan-tokin’ Andriamanitra eto amin’ity fiainana ity fa hahazo ny fiainana mandrakizay ianao. I Petera ihany koa dia niresaka azy io ho toy ny “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” [2 Petera 1:19]. Jereo koa ny F&F 131:5.)
-
Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny antony tokony hananantsika fahazotoana amin’ny fampitomboana ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mazoto amin’ny fampitomboana ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra isika raha mbola eto amin’ity fiainana ity dia afaka mahazo ny fanomezan-tokin’ Andriamanitra fa hahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo olona izay fantany fa niezaka tamim-pahazotoana mba hampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy.
-
Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay nampitomboin’ireo olona eritreretinao ireo?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny ezaka nataony sy ny toetran’izy ireo azy ireo sy ny olona hafa manodidina azy ireo?
Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra dia manampy antsika hahalala an’i Jesoa Kristy ary manomana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay.
Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny iray amin’ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay tian’izy ireo hampitomboina be indrindra. Asao izy ireo hanoratra asa iray voafaritra tsara izay azony atao mba hampitomboana izany toetra izany.
Fizarana Manaraka (Apokalypsy 1–11)
Anontanio ireo mpianatra raha efa nahare mikasika ny Apokalypsy izy ireo. Hazavao fa ny bokin’ny Fanambarana dia antsoina matetika hoe Apokalypsy, izay teny Grika midika hoe “fampahafantarana.” Ny Apôstôly Jaona ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia mamariparitra fahitana iray izay hitany ary ahitana faminaniana maro mikasika ireo zavatra hitranga amin’izao androntsika izao sy amin’ny ho avy, anisan’izany ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fiafaran’ny tany. Ahitana tandindona ny ampahany betsaka indrindra amin’ny fahitana hitan’i Jaona. Asao ny mpianatra hijery ireo tandindona izay maneho ny fandresena farany azon’ny tsara noho ny fandreseny ny ratsy rehefa mandalina ny bokin’ny Apokalypsy ny mpianatra.