Tahirim-pitaovana
Lesona 9: Matio 5:1–16


Lesona 9

Matio 5:1–16

Fampidirana

Ny Matio 5–7 dia mirakitra toriteny nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoany. Nanjary fantatra amin’ny hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra izany. Ny Matio 5:1–16 dia mirakitra ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ireo fitsipika izay mitondra any amin’ny fahasambarana. Ny Mpamonjy dia nandidy ihany koa ireo mpianany mba hametraka ohatra feno fahamarinana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 5:1-12

Natomboky ny Mpamonjy tamin’ny fampianarana ireo Fahasambarana ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Sambatra ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina (na hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina) ny fomba hamaliany ireo fanontaniana ireo. (Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra fa tsy voatery hizara ny valinteniny amin’ny hafa izy ireo.)

Asaivo mamaky mafy ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny mpianatra iray.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Matetika tokoa isika no voafandriky ny fiheverana diso hoe misy zavatra efa akaiky ho takatsika izay hitondra fahasambarana ho antsika: fiainam-pianakaviana tsaratsara kokoa, toe-bola tsaratsara kokoa, na ny fitsaharan’ny fizahan-toetra iray miendrika fanamby.

“… Fa ny toe-javatra ivelany dia tsy tena manan-danja ary tsy tena mamaritra ny fahasambarantsika.

“… Isika no mamaritra ny fahasambarantsika” (“Mikasika ny Nenina sy ny Fanapahan-kevitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 23).

  • Araka ny hevitrao, inona no hevitry ny andian-teny hoe “isika no mamaritra ny fahasambarantsika”? Nahoana no manan-danja ny fahafantarana izany?

Hazavao fa rehefa nanomboka ny asa fanompoany ny Mpamonjy dia nanao toriteny iray teo akaiky ny Ranomasin’i Galilia. Io toriteny io dia antsoina matetika hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra ary voarakitra ao amin’ny Matio 5–7. Nandritra io toriteny io ny Mpamonjy dia nanazava ny zavatra azontsika atao mba ho tena sambatra tokoa, na inona na inona toe-javatra ivelany misy antsika.

Asao ny mpianatra hamaky haingana ny Matio 5:3–11 ka hitady ireo teny izay miverimberina eo am-panombohan’ny andininy tsirairay. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Matio 5:3, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OMAF) ity, ary anontanio ny mpianatra hoe inona no dikan’ny hoe sambatra.

  • Inona no dikan’ ny teny hoe sambatra?

Hazavao fa satria ny teny hoe sambatra dia dikanteny avy amin’ny teny Latina beatus izay midika hoe ambinina na sambatra dia mazàna antsoina hoe ny Fahasambarana ireo andininy ireo.

handout iconOmeo ny tahadikan’izao tabilao manaraka izao ny mpianatra tsirairay. Mariho fa ankoatra ireo andininy mirakitra ny Fahasambarana ao amin’ny Matio 5, dia ahitana andalan-tsoratra masina ao amin’ny 3 Nefia koa ilay tabilao. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ampahany amin’ny toritenin’i Jesoa Kristy izay nomeny nanditra ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita izay mitovy amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny 3 Nefia ireo dia mitondra fahatakarana misimisy kokoa momba ireo andalan-tsoratra masina mifandrify aminy ao amin’ny Matio 5.

taratasy zaraina, Fahasambarana

Ny Fahasambarana

Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 9

Matio 5:3; 3 Nefia 12:3

Ny hoe malahelo am-panahy dia midika hoe manetry tena sy “miaiky amim-pankasitrahana ny fianteheran[tsika] amin’ny Tompo—mahatakatra fa mila mandrakariva ny fanampiany [isika]. Ny fanetrentena dia fanekena fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo talentan[tsika] sy ny fahaiza-manao ananan[tsika]” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 86).

Matio 5:4

Ny ory dia ny mahatsapa na maneho alahelo. Ny olona dia mety ory manoloana ny fahasarotana sy fizahan-toetra eto amin’ny fiainana an-tany, anisan’izany ny fahafatesan’ireo olon-tiana. Ny olona iray ihany koa dia mety ory tahaka izany noho ny alahelo vokatry ny fahotana.

Matio 5:5

“Ny hoe malemy fanahy, araka ny famaritana ao amin’ny rakibolana Webster dia ny ‘fampisehoana faharetana sy faharim-po: ny miaritra ratra tsy amim-pahatezerana’ [Webster’s Third New International Dictionary (1976) ‘malemy fanahy,’ 1403]. Tsy fahalemena izany ny hoe malemy fanahy. Izany no famantarana ny herimpon’ny Kristianina” (Robert D. Hales, “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 73).

Matio 5:6; 3 Nefia 12:6

Ny hoe noana sy mangetaheta ny fahamarinana dia manambara faniriana lehibe hahafantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra.

Matio 5:7

“Ny hoe miantra dia fiheverana amim-pangoram-po ny olona iray mihoatra ny tokony hiheverana azy” (“Miantra,” Ireo Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics). Afaka mandray ny famindrampon’ny Ray any An-danitra isika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 33:11).

Matio 5:8

“Ny madio am-po dia ireo izay tia ny Tompo, ireo izay mikatsaka ny hanaraka Azy ary ny hitandrina ny didiny, ary ireo izay miezaka hiaina fiainana mendrika sy miaritra amim-pahatokiana hatramin’ny farany. Ny madio am-po dia ireo izay mahafehy ny eritreriny mba tsy hampirona azy amin’ny fihevitra sy fihetsika tsy mendrika” (Sheldon F. Child, “Words of Jesus: Chastity,” Ensign, jan. 2003, 44).

Matio 5:9

“Ny [fampihavanana] dia ilay fanomezam-pahasoavana hanampy ny olona hahita marimaritra iraisana raha ny hafa kosa mahita fahasamihafana” (Henry B. Eyring, “Mianatra ao amin’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 63).

Matio 5:10–12

Ny hoe “enjehina noho ny fahamarinana” dia midika fahavononana hankatò sy hiaro an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany, na dia hoesoesoana na hampijaliana noho ny fanaovana izany aza isika.

Zarazarao ho vondrona valo ny mpianatra ary omeo andraikitra ny iray amin’ireo fahasambarana natao lisitra tao amin’ny tabilao ny vondrona tsirairay (raha tsy ampy hananganana vondrona valo ny isan’ny mpianatra dia azonao atao ny manome andraikitra fahasambarana mihoatra ny iray ho an’ny vondrona iray). Asao ny mpianatra hanomana lahateny kely momba ny fahasambarana nampandraiketina azy. Tokony ampidirina ao amin’ny lahateniny izao manaraka izao (azonao atao ny manoratra ireto toromarika ireto eny amin’ny solaitrabe na manoratra izany amin’ny taratasy hozaraina):

  1. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy na ireo andininy ary hamantatra ny fitahiana nampanantenaina amin’ireo izay mampihatra ilay fahasambarana.

  2. Hazavao, amin’ny fampiasana ny andininy sy fampahalalana tao amin’ny tabilao ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ilay fitahiana nampanantenaina.

  3. Asao ny iray kilasy hanome sosokevitra ny amin’ny fomba ahafahantsika miaina araka io fahasambarana io.

  4. Hazavao hoe nahoana no afaka mitondra fahasambarana ho antsika ny fiainana araka io fahasambarana. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefa iray izay maneho ilay fahamarinana nampianarinao ary azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io.

Rehefa ampy ny fotoana nomena dia asao ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nampandraiketina azy amin’ny iray kilasy.

Rehefa izany dia mariho fa ny Fahasambarana dia mampianatra ireo toetra nananan’i Jesoa Kristy ary ny fampiharana izany dia afaka mahatonga antsika hitovy bebe kokoa Aminy.

  • Araka ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Matio 5, inona no hitranga amintsika raha mikolokolo ireo toetra ireo sy ny toetra Kristianina hafa isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikolokolo ireo toetra Kristianina isika dia hitombo ny fahasambarantsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’io fitsipika io. Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fanontaniana mikasika ny fahasambarana noeritreretiny tany amin’ny fanombohan’ny lesona. Asao ny mpianatra hikatsaka fahasambarana bebe kokoa amin’ny fisafidianana toetra iray amin’ireo toetra natao lisitra tao amin’ny Fahasambarana ary hametraka tanjona amin’ny fikolokoloana io toetra io.

Matio 5:13–16

Ny Mpamonjy dia nanoro lalana ihany koa ireo mpianany mba hametraka ohatra feno fahamarinana.

Asaivo mieritreritra olona iray izay fantany, tahaka ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na ny namany iray izay hahazo fitahiana rehefa manatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra ireo mpianatra. Rehefa manohy ny fandalinana ny Matio 5 ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay afaka mitarika azy ireo rehefa miezaka manampy izany izany olona izany.

Asehoy ny tavoahangy kely fitoeran-tsira iray ary araraho ao amin’ny lovia jobo iray ny sira.

  • Amin’ny fomba ahoana no ilaina ny sira?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra hihaino ny fampiasana ny sira sasantsasany:

Loholona Carlos E. Asay

“Ny [sira tsara] … dia madio, tsy mifangaro, tsy voaloto ary ilaina. Amin’izany toetra izany dia hitahiry, hanome tsiro, hanasitrana ary hanatanteraka ireo asany azo ampiasana azy ny sira” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Matio 5:13 ka hamantatra hoe nampitovian’ny Mpamonjy tamin’iza ny sira.

  • Tamin’iza no nampitovian’ny Mpamonjy ny sira? (Ny mpianany.)

  • Amin’ny fomba ahoana ireo mpianatr’i Jesoa Kristy no maneho ny toetra tsara hananan’ny sira?

  • Araka ny andininy 13, inona no mitranga raha very ny tsiron’ny sira?

Hazavao fa ny teny hoe tsiro dia tsy milaza ny tsiron’ny sira fotsiny ihany fa ireo toetrany miavaka izay mahatonga izany ho mpanasitrana sy mpitahiry ihany koa.

  • Inona no mahatonga ny sira hanary ny tsirony? (Ny sira dia manary ny tsirony rehefa mifangaro amin’ny zavatra hafa ary lasa maloto.)

Araraho zavatra hafa, toy ny vovoka ilay lovia jobo ary afangaroy amin’ilay sira ny fangaro hafa.

  • Inona no ilàna ny sira rehefa mifangaro amin’ny zavatra hafa izany?

  • Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, inona no mahatonga antsika hanary ny tsirontsika, na ny toetra Kristianina izay mahatonga antsika ho fitahiana ho an’ny hafa? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny hoe voaloton’ny fahotan’izao tontolo izao dia tsy mahatonga antsika ho fitahiana ho an’ny hafa. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona no azontsika atao mba hihazonana na hamerenana indray ny tsirontsika?

Asehoy ny jiro iray (aza arehitra izany). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:14–16. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hikaroka ny fomba nampitahan’ny Mpamonjy ny mpianany tamin’ny jiro.

  • Inona no angatahana amin’ireo mpianatr’i Kristy manoloana ny fahazavan’izy ireo?

  • Inona no dikan’ny hoe mamela ny fahazavanao hazava? (Jereo ny 3 Nefia 18:24.)

  • Hitarika ny hafa hanao inona ny asa tsara ataontsika?

Hazavao fa ankoatra ny zavatra hafa, ny andian-teny manao hoe “mba hankalazany ny Rainareo Izay any An-danitra” (andininy 16) dia midika hoe midera sy manaja an’ Andriamanitra amin’ny fiteny na fihetsika.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 14–16 momba ny fiantraikan’ny ohatra marina amin’ny hafa? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Afaka mamporisika ny hafa hanatona akaikikaiky kokoa an’ny Ray any An-danitra ny ohatra marina asehontsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Oviana no nanampy anao hanakaiky bebe kokoa ny Rainao any An-danitra ny olona iray izay nampiseho ohatra tsara?

Entano ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba ho lasa ohatra tsaratsara kokoa amin’ny fianakaviany sy ny namany.

Avereno dinihina ireo fitsipika hita sy nosoratana teo amin’ny solaitrabe nandritra ity lesona ity. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Manomboka, Mitsahatra, ary Manohy. Asao ny mpianatra handinika ny fiainany ary hisafidy zavatra iray izay azony hatomboka, zavatra iray izay azony hatsahatra ary zavatra iray izay azony tohizana mba hahafahany mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Matio 5:14–16

Hazavao fa mandritra ny taom-pianarana dia hifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 ireo mpianatra, ka anisan’izany ny Matio 5:14–16. Hanampy azy ireo hahatakatra sy hanazava ny fotopampianaran’ny filazantsara fototra ireo andinin-tsoratra masina ireo. Natao lisitra ao ambadiky ny karatra fanamariham-pejin’ny seminera ho an’ny Testamenta Vaovao ireo andinin-tsoratra masina fehezina 25 ireo. Hazavao fa tafiditra ao anatin’ny “mifehy” andinin-tsoratra masina ny fahafahana milaza ny toerana misy izany, ny fahatakarana izany, ny fampiharana izany ary ny fitadidiana izany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy io andinin-tsoratra masina io dia asao izy ireo hanonona izany imbetsaka ao an-tsainy ary hanonona izany mafy amin’ny mpiray kilasy aminy avy eo. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra rehetra mba hanonona mafy io andinin-tsoratra masina io eo am-panombohana na eo am-pamaranana ny fotoam-pampianarana tsirairay mandritra ny herinandro ho avy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 5:1–12. “Ny Fahasambarana”

Ho fandalinana fanampiny ny Fahasambarana dia azonao lazaina ny momba ny lahatsoratra iray nosoratan’ny Loholona Robert E. Wells avy tao amin’ny Fitopololahy izay mitondra ny lohateny hoe “The Beatitudes: Pattern for Coming unto Christ,” (Ensign, des. 1987, 8–11).

Matio 5:1–12. “Sambatra”

Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra mikasika ny Matio 5:1–12:

“Ireo fanambaran’ny Tompo ireo dia fantatra eo amin’ny literatioran’ny tontolo Kristianina amin’ny hoe ny Fahasambarana ary nolazain’ny mpiresadresaka momba ny Baiboly ho fiomanana ilaina amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra izany. Ho tanjon’ity resadresaka ity dia mamelà ahy hilaza amin’izy ireo zavatra ankoatra izany rehefa ampihariko sy ampiharinao amin’ny fiainana izy ireny. Raha ny marina no lazaina dia izy ireny no LALAMPANORENANA HO AN’NY FIAINANA TONGA LAFATRA” (Decisions for Successful Living [1973], 56–57).