Lesona 23
Matio 21:1–16
Fampidirana
Niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa tamin’ny fiandohan’ny herinandro farany teo amin’ny fiainany. Raha tao Izy dia nanadio fanindroany ny tempoly ary nanasitrana ilay jamba sy ilay malemy izay nanatona Azy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Fanamarihana Amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana an’ilay kisarisary amina pejy iray mitondra ny lohateny hoe “Ny herinandro farany niainan’i Jesoa Kristy teto an-tany sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.” Ity topimaso fohy momba ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany ity dia afaka manampy anao sy manampy ireo mpianatrao hahatakatra ireo zava-nitranga izay nitarika tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Azonao atao ny mampiasa ity topimaso ity rehefa mampianatra ny Marka sy ny Lioka ary ny Jaona ihany koa.
Matio 21:1-11
Niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa Kristy
Asehoy ny sakafo iray na soraty eo amin’ny solaitrabe ny anaran’ny sakafo iray. Asao ireo mpianatra hilaza raha efa nanandrana an’io sakafo io ary raha toa hanoro hevitra ny fihinanana izany. Miangavia mpianatra iray izay hanoro hevitra ny fihinanana ilay sakafo mba handroso eny aloha. Angataho izy mba haka sary an-tsaina fa mbola tsy nisy olona nanandrana an’io sakafo io. Omeo toromarika ilay mpianatra mba hampiseho ny zavatra izay holazainy na hataony mba hanampiana ny olona iray hampitombo ny faniriana hanandrana an’io sakafo io. Asao ilay mpianatra mba hiverina eny amin’ny fitoerany rehefa nahavita izany. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Raha mbola tsy nanandrana an’io sakafo io ianao taloha dia mety manao ahoana no fanirianao hanandrana izany ankehitriny? Nahoana?
Asehoy ny sarin’ ny Mpamonjy. Hazavao fa olona maro no tsy mahafantatra firy momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ary manana andraikitra ny hanampy ny hafa hianatra momba Azy isika.
Asaivo misaintsaina ireo mpianatra mikasika ny zavatra azony atao mba hanampiana ny hafa haniry hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo rehefa mandalina ny Matio 21:1–11 mba hijery ny fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo rehefa mamporisika ny hafa hianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.
Hazavao fa ny Matio 21 dia mirakitra ireo zava-nitranga izay niseho dimy andro mialoha ny Fanombohana ny Mpamonjy. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa olona marobe no nanaraka an’i Jesoa sy ireo Apôstôliny rehefa nandeha tany Jerosalema avy tany Jeriko izy ireo (jereo ny Matio 20:17–18, 29).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:1–5 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torolalana nomen’ny Mpamonjy an’ireo mpianany roa.
-
Inona no torolalana nomen’i Jesoa an’ireo mpianatra ireo?
Hazavao fa ilay faminaniana izay voalaza ao amin’ny Matio 21:4–5 dia hita ao amin’ny Zakaria 9:9–10. (Asao ny mpianatra hieritreritra ny hanoratra an’izany eo akaiky ny andininy 5.) Ity faminaniana ity dia momba ilay Mesia nampanantenaina, na “ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra izay nandrasan’ny Jiosy fatratra ny fiaviany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.lds.org.) Mariho fa tamin’ny andron’ny baiboly, ny boriky dia “tandindon’ny maha-mpanjaka Jiosy. … Ny fitaingenana boriky … dia nampiseho fa tonga tamin’ny naha-Mpamonjy nitondra fiadanana sy ‘malemy fanahy’ i Jesoa fa tsy toy ny mpandresy nitaingin-tsoavaly” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 64).
-
Inona ireo zavatra atao ao amin’ny kolontsaina samihafa izay mampiseho fanekena amim-panajana ny maha-mpanjaka?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:6-8 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny rehetra, ka hitady ny zavatra nataon’ny “ankabiazan’ny vahoaka” (andininy 8) rehefa nitaingina boriky tany Jerosalema i Jesoa. (Azonao atao ny manamarika fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 21:5 [ ] dia manazava fa biby iray ihany no noentina sy notaingenana.)
-
Inona no nataon’ny andiam-bahoaka mba hanekena amim-panajana fa i Jesoa no Mesia? (Mety ilaina ny hanamarihanao fa ny Filazantsaran’i Jaona dia manamafy fa nampiasa “sampan-drofia” ny vahoaka (Jaona 12:13). Ny sampan-kazo dia tandindon’ny fandriampahalemana sy fandresena ny fahavalo teo amin’ny Jiosy. Fihetsika nampiasaina mba hanajana ny mpanjaka na ireo mpandresy ny famelarana fandambanana tamin’ny lalana, tahaka ilay namboarin’ny vahoaka tamin’ny fampiasana sampan-kazo sy lamba. Rehefa nanao izany ny vahoaka dia nanaiky sy nandray an’i Jesoa ho Mpanafaka sy Mpanjakan’izy ireo.
Asehoy ilay sary hoe: Ny fiakaran’i Kristy tao Jerosalema tamim-pihobiana (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 50; jereo ihany koa ny LDS.org). Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra fa izy ireo dia anisan’ny vahoaka eo amin’ny sary. Vakio mafy ny ampahany voalohany amin’ny Matio 21:9, ary asao ny iray kilasy hamaky miaraka sady mafy ny hiakan’ny vahoaka ao amin’ny ampahany faharoa an’ilay andininy toy ny hoe teo anivon’ireo vahoaka ireo izy ireo.
-
Inona no teny naverin’ireo vahoaka? (Hosana.)
Hazavao fa ny teny hoe hosana, dia midika hoe “vonjeo izao” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Hosana”). Asao ny mpianatra handinika ny hanoratany an’io famaritana io ao amin’ny soratra masiny eo akaiky ny andininy 9.
Hazavao fa nanatanteraka ilay faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Salamo 118:25–26ny ampahany tamin’ny hiakan’ny vahoaka. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo akaikin’ny Matio 21:9. Hazavao fa natokana ho an’ny mpandova ny fiandrianan’i Davida ny anaran’ny mpanjaka sy an’ny Mesia manao hoe “Zanak’i Davida” (andininy 9).
-
Tamin’ny alalan’ny fanaovana an’io hiaka io dia iza i Jesoa raha araka ny filazan’ny vahoaka?
-
Raha mponina tany Jerosalema ianao tamin’io fotoana io dia inona no eritreritra na fahatsapana mety ho nanananao raha nanatri-maso ny fiakaran’ny Mpamonjy ny tanàna tamim-pihobiana ianao?
Mariho fa olona an’arivony fanampiny no tao Jerosalema tamin’io fotoana io mba hankalaza ny Paska. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:10–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady ny fiantraikan’ny fitondrantenan’ny vahoaka teo amin’ireo olona hafa tao Jerosalema.
-
Inona no fanontaniana napetraky ny olona hafa noho ny fitondrantenan’ny vahoaka?
-
Araka ny hita teo amin’ity tantara ity dia inona no mety hitranga rehefa manaiky ampahibemaso sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso isika dia afaka manampy ny hafa hikolokolo faniriana mba hahafantatra bebe kokoa momba Azy. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)
-
Inona avy ireo toe-javatra sasany ivelan’ireo fivoriam-piangonana izay hahafahanao manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mamela ny toe-javatra dia amina sehatra natokana ho an’izany na amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana na koa mandritra ny resadresaka amin’ny namana, sy mpikamban’ny fianakaviana ary mpifanolo-bodirindrina no azo hanaovana izany.)
-
Ahoana no hahafahantsika manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso amin’ny fomba izay manampy ny hafa hikolokolo faniriana mba hahafantatra misimisy kokoa momba Azy?
-
Toy ny ahoana no valinteninao raha nanontaniana ianao hoe iza i Jesoa Kristy?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:
Oviana no nitarika anao haniry hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy ny ezaka nataon’ny olona iray mba hanaiky sy hiresaka momba Azy ampahibemaso?
Oviana ianao (na ny olona iray fantatrao) no nanampy olona iray mba hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy satria nanaiky sy niresaka momba Azy ampahibemaso ianao?
Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy izay manolo tena mba hizara ny zavatra nosoratany.
Entano ny mpianatra hikaroka sy handray ireo fahafahana izay hahafahany manaiky sy miresaka momba an’i Jesoa Kristy ampahibemaso araka ny tokony ho izy.
Matio 21:12–16
Nanadio ny tempoly sy nanasitrana ilay jamba sy ilay malemy i Jesoa
Asehoy ny sarin’ny tempolin’ny Olomasin’ny Andro Farany izay manakaiky ny toerana misy anao. Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hamariparitra ireo eritreritra sy fahatsapana nananany nandritra ny fotoana farany nakanesany tany amin’ny tempoly. Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ny mpianatra dia asaivo fariparitany ny mety ho fahatsapany rehefa ao anatin’izany tempoly izany izy ireo.
-
Inona no mitranga ao amin’ny tempoly izay mahatonga antsika hanana izany fahatsapana izany?
Asehoy ny sary hoe Ny Tranon’ny Raiko (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 52; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa taorian’ny nidiran’ny Mpamonjy tao Jerosalema dia nandeha tany amin’ny tokontany tao amin’ny tempoly Izy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:12–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ka hikaroka ny zavatra nataon’ny olona sasany izay nanafintohina ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.
-
Ahoana no nandraisan’ny olona sasany ny tranon’ Andriamanitra?
Hazavao fa nila nividy biby mba hatao sorona ao amin’ny tempoly ho ampahany amin’ny fitsaohan’izy ireo ny mpitsidika izay tonga nankalaza ny Paska tao Jerosalema. Nanakalo ny vola Romana sy ireo vola hafa tamin’ny vola ampiasaina ao amin’ny tempoly ireo mpanakalo vola mba hahafahana mividy ireo biby, ary nivarotra ireo biby nilaina ireo ny mpivarotra hafa.
-
Inona no diso tamin’ny fanaovana izany karazana raharaham-barotra izany tao amin’ny tokontanin’ny tempoly?
Mety hanamarika ianao fa na dia nilaina sy natao ho an’ny tanjona tsara aza izany raharaham-barotra izany dia tsy fanajana ny fanaovana izany tao amin’ny tempoly. Nyandininy 13 dia milaza fa liana kokoa tamin’ny fahazoana tombom-barotra mihoatra ny fitsaohana an’ Andriamanitra sy fanampiana ny hafa hanao toy izany ireo mpanakalo vola sy ireo mpivarotra.
-
Inona no fahamarinana mikasika ny tempoly izay azontsika ianarana avy amin’ny teny sy fihetsika nataon’ny Mpamonjy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Toerana masina ny tranon’ny Tompo, ary maniry Izy mba hanajantsika izany.)
-
Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana lalina ho an’ny tranon’ny Tompo?
-
Amin’ny fomba ahoana no ampieshoan’ny fandehanana amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly fanajana ho an’izany?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:14. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly taorian’ny nanadiovany an’izany.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho an’ny jamba sy ny mandringa izay nanatona Azy tao amin’ny tempoly?
-
Inona no azontsika ianarana avy ao amin’io tantara io momba ny zavatra azon’nyTompo atao ho antsika rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika? (Alaivo antoka fa mamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia afaka manasitrana antsika ny Tompo.)
-
Ankoatra ireo tsy fahatomombanana ara-nofo dia inona koa ireo aretina sy olana hafa izay azon’ny Tompo sitranina rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity: Asao ireo mpianatra hihaino ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filoha Faust mikasika ny fahamarinana izay hitan’izy ireo.
“Nanolotra fomba maro izay afaka ahazoantsika ny fanasitrana[ny] ny Tompo. Feno fankasitrahana aho fa naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany ny asan’ny tempoly. Ampahany manan-danja ao amin’ny asan’ny famonjena ho an’ny velona sy maty izany. Ny tempolintsika dia manolotra toerana azo antoka izay azontsika aleha mba hamelana ireo ahiahy maro ao amin’izao tontolo izao. Toerana feno fiadanana sy filaminana ny tempolintsika. Ao anatin’ireo toerana masina azo antoka ireny no ‘manasitrana ny fo torotoro sy mamehy ny feriny’ Andriamanitra. (Sal. 147:3.)” (“Spiritual Healing,” Ensign, mey 1992, 7).
-
Nahoana ny fitsaohana any amin’ny tranon’ny Tompo no manampy antsika hiaina ny heriny manasitrana?
Hazavao fa mety ho eo no ho eo ny fanasitranana iainantsika rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika, tahaka ny an’ilay jamba sy ilay mandringa izay voafariparitra ao amin’ilay tantara, na mety ho elaela kely izany.
-
Oviana no fotoana iray izay niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ny hery manasitrana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly? (Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.)
Fintino ny Matio 21:15–16 amin’ny fanazavana fa tsy faly tamin’ny zavatra nataon’i Jesoa tao amin’ny tempoly sy tamin’ny fihobian’ny olona “Hosana” Taminy tao ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Nomarihan’i Jesoa fa ny famantaran’ny vahoaka ampahibemaso Azy dia nanatanteraka ny faminaniana iray (jereo ny Salamo 8:2).
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 21:8. Manaparitaka sampan-kazo sy akanjo teo anoloan’i Jesoa
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe nidika inona tamin’ny vahoaka ny manaparitaka sampan-kazo (jereo ny Jaona 12:13) sy akanjo teo anoloan’i Jesoa rehefa niditra tao Jerosalema Izy:
“Ny mpanjaka sy mpandresy an’ady irery ihany no nandray izany karazana fanehoam-panajana mahatalanjona izany. (2 Mpanjaka 9:13.) … Tao anatin’ny hiaka maneho dera sy fangatahana famonjena ary fanavotana dia mahita an’ireo mpianatra mandrakotra ny lalan’ny Tompontsika amin’ny sampan-drofia ho famantarana ny fandresena sy fahandriampahalemana isika. Izany tranga mahavariana rehetra izany dia nilaza mialoha fa fivondronan’ny ‘olona betsaka’ amin’ny fotoana ho avy izay tsy tambo isaina, … no hijoro ‘[eo] anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry, [hiakanjo] fotsy lava sady [hitana] sampan-drofia [eny] an-tànany’ dia [hiantso] amin’ny feo mahery [hanao] hoe, ‘Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.’ (Apo. 7:9–10.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:578).
Matio 21:9–11. Ny vahoaka dia nihoby hoe, “Hosana”
“Ny hoe Hosana dia teny Hebreo izay midika hoe “vonjeo re izahay” ary ampiasaina ho fiderana sy fitalahoana. … Tamin’ny fidiran’ny Tompo nanakoako tao Jerosalema, ny valalabemandry dia nihiaka hoe “Hosana” sy namelatra sampan-drofia mba hodiavin’i Jesoa ka naneho tamin’izany ny fahatakarany fa i Jesoa ihany no Ilay Tompo izay efa nanafaka ny Isiraely fahiny (Sal. 118:25–26; Mat. 21:9, 15; Marka 11:9–10; Jaona 12:13). Nahafantatra ireo olona ireo fa i Kristy no ilay Mesia nandrasana izay ela izay’ (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hosana”; scriptures.lds.org). Ilay andian-teny hoe ‘nihorakoraka ny tanàna rehetra’ (Matio 21:10) dia milaza fa ny fidiran’i Jesoa nanakoako dia nitombo laza tao amin’ilay tanàna ary fantatry ny olona maro” (Testamenta Vaovao - Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 64–65).