Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana


Fampahafantarana ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Epistily nosoratana ho an’ny Romana no epistily lava indrindra nosoratan’i Paoly ary raisin’ny olona maro ho ny epistily tsara indrindra nosoratany. Ity epistily ity dia ahitana ny fanazavana sarotra indrindra nataony momba ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy toy izay amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny lalàn’i Mosesy. Mirakitra fampianarana maro momba ireo fotopampianaran’ny famonjena sy ny fampiharana ireo fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainana andavanandro izany. Mandritra ny fandalinan’ny mpianatra ity boky ity dia afaka hanana fankasitrahana bebe kokoa ny amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ary ny fiadanana izay mety ho hitan’ny olona rehetra ao amin’i Kristy izy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny Apôstôly Paoly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Romana (jereo ny Romana 1:1). Rehefa nanoratra ity epistily ity i Paoly dia nila ny fanampian’ny mpanoratra iray, dia i Tertio, izay nanoratra ny fiarahabany manokana ny Olomasina Romana rehefa akaiky hifarana ilay epistily (jereo ny Romana 16:22).

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

I Paoly dia nanoratra ny epistiliny ho an’ny Romana avy ao Korinto rehefa akaiky hifarana ny dia fahatelo fitoriana filazantsara nataony. Famantarana maro no milaza fa nosoratan’i Paoly nandritra ireo telo volana nijanonany tao Korinto io epistily io (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:2–3; ny teny hoe Grisia ao amin’ireo andininy ireo dia manondro an’i Korinto), azo heverina fa teo anelanelan’ny taona 55 sy 56 taorian’i J.K . (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly.”)

Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?

Ny epistily ho an’ny Romana dia nosoratana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Roma (jereo ny Romana 1:7). Tsy fantatra ny niandohan’ny Fiangonana tao Roma saingy azo lazaina fa nanomboka fotoana fohy taorian’ny andron’ny Pentekôsta izany, rehefa nandre an’i Petera nitory ny filazantsara ireo Jiosy avy any Roma (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:10). Na dia tsy mbola tany Roma aza i Paoly dia nanoratra fiarahabana ho an’ny Olomasina voafaritra manokana izay fantany tamin’ny alalan’ny olona fantany teo aloha na tamin’ny alalan’ireo olona hafa nipetraka tao Roma izy, toa an’i Akoila sy i Prisila (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–2, 18; Romana 16:1–16, 21).

Toa misy antony lehibe telo farafahakeliny nahatonga an’i Paoly nandefa ilay epistily ho an’ny Romana:

(1) Hiomana amin’ny fahatongavany any Roma. Efa nandritra ny taona maro no nanirian’i Paoly hitory ny filazantsara tany Roma (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:21; Romana 1:15; 15:23). Nanantena ihany koa izy fa ny Fiangonana tany Roma dia ho toerana fototra iaingany hahafahany manao asa fitoriana tany Espana (jereo ny Romana 15:22–24, 28).

(2) Hanazava sy hiaro ny fampianarany. Nifanehitra tamin’ny fanoherana niverimberina avy amin’ireo olona tsy nahatakatra na nanova ny fampianarany momba ny lalàn’i Mosesy sy ny finoana an’i Kristy i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:45; 15:1–2; 21:27–28; Romana 3:8; 2 Petera 3:15–16). Nanana antony mazava niahiahiana i Paoly hoe tonga hatrany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma izany tsy fahatakarana izany, ka dia nanoratra izy mba hanamaivanana izay mety ho olana mialoha ny nahatongavany.

(3) Handrisika ny firaisankina teo amin’ny mpikambana Jiosy sy Jentilisa tao amin’ny Fiangonana. Tsy ela akory talohan’ny nanoratan’i Paoly an’io taratasy io dia nanomboka niverina tany Roma sy tany amin’ireo vondron’ny mpivavaka Kristianina Jentilisa indrindra indrindra ireo Kristianina Jiosy izay noroahin’ny Amperora Klaodio hiala tao Roma (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:2). Izany toe-javatra izany dia mety niteraka fifandirana sy olana teo amin’ireo Kristianina Jiosy sy Jentilisa. Noho izy “Apostolin’ny Jentilisa” (Romana 11:13), dia nikatsaka ny hampiditra ireo Jentilisa niova fo ka handray anjara tanteraka ao amin’ny Fiangonana i Paoly. Kanefa amin’ny maha-Jiosy azy (jereo ny Romana 11:1), dia nahatsapa faniriana lehibe ihany koa i Paoly ny mba haneken’ny vahoaka ao amin’ny fireneny ny filazantsara. Nandrisika ny firaisankinan’ny Fiangonana i Paoly tamin’ny alalan’ny fampianarana ny fomba hiharan’ny fotopampianaran’ny filazantsara amin’ny Olomasina rehetra (jereo ny Romana 3:21–4:25; 11:13–36; 14:1–15:13).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Aorian’ny fiarahabana iray ho fanombohana izany dia miantomboka amin’ny filazana ny lohahevitra tiany ampitaina ilay epistily hoe: “Ny filazantsara[n’i Kristy] … herin’ Andriamanitra ho famonjena” ireo rehetra izay mivelona amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy (Romana 1:16–17).

Na dia nitana anjara asa manan-danja teo amin’ny tantaran’ny Kristianina aza ny Epistily ho an’ny Romana dia indrisy fa “loharanon’ny tsy fahatakarana sy ny fandikana vilana ary ny fanakorontanana ny fotopampianarana mihoatra ny boky hafa ao amin’ny Baiboly” ihany koa izany araka ny voalazan’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965–73], 2:211). Na dia teo anivon’ireo Kristianina tany am-piandohana aza dia noraisina ho toy ny “saro-pantarina” ireo asasoratr’i Paoly ary indraindray dia novaina sy nampahafantarina tamin’ny fomba diso ny fampianarany (2 Petera 3:15–16).

Topimaso

Romana 1–3 Manazava ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy i Paoly. Mamaritra ny fahasarotan’ny fahotana izay mitranga amin’ny olombelona rehetra i Paoly ary mampianatra fa ny vahaolana entin’ Andriamanitra hamahana io olana io ho an’ny olona rehetra dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka ny hohamarinina (havela heloka) sy handray famonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Romana 4–8 Mitanisa ireo ohatra momba an’i Abrahama i Paoly mba hanehoana ny fotopampianaran’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana. Mamelabelatra ireo fotopampianaran’ny famonjena izy ary mampianatra ny fomba hiantraikan’ireo fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainan’ireo rehetra izay mino an’i Kristy.

Romana 9–16 Manoratra momba ny zo fototry ny olona voafidy ao Isiraely sy ny fandavana ny filazantsara amin’izao fotoana izao ary ny famonjena amin’ny farany i Paoly. Nanoro hevitra ireo mpikambana Jiosy sy Jentilisa tao amin’ny Fiangonana mba hiaina ny filazantsara i Paoly mba hisian’ny fiadanana sy ny firaisana ao amin’ny Fiangonana. Niangavy ireo Olomasina tao Roma izy ny hanohy hitandrina ny didy.