Tahirim-pitaovana
Lesona 83: Asan’ny Apostoly 2


Lesona°83

Asan’ny Apostoly 2

Fampidirana

Feno ny Fanahy Masina ireo mpianatra tamin’ny andron’ny Pentekôsta ary nahazo ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny izy ireo rehefa nitory ny filazantsara. Nanambara i Petera fa i Jesoa dia “Tompo sy Kristy” (Asan’ny Apostoly 2:36) ka nanasa ny olona hibebaka, sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy. Olona manodidina ny telo arivo teo no niova fo sy vita batisa tamin’io andro io, ary taorian’izay izy ireo dia nijanona ho nahatoky tao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny apostoly 2:1–13

Feno ny Fanahy Masina ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny andron’ny Pentekôsta

Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fotoana vao haingana indrindra nanaovan’izy ireo lahateny tao am-piangonana, na nampianatra lesona, na nizara ny filazantsara tamin’ny hafa.

  • Inona no mety hanahirana rehefa manao lahateny, na mampianatra, na mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 2:1–13 mba hitady fahamarinana iray izay hanampy azy ireo rehefa mahatsapa ho manana ahiahy na tahotra izy ireo rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Hazavao fa tokotokony ho herinandro taorian’ny niakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia tonga tao Jerosalema ny Jiosy avy amin’ny firenena maro mba handray anjara tamin’ny andro firavoravoana amin’ny Pentekôsta sy hanao fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly ary hanati-pisaorana ho an’ny Tompo. Io fety io dia nitranga 50 andro taorian’ny fetin’ny Paska ary nankalaza ny fijinjana ny vokatra voalohany tamin’ny vanim-potoana (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Pentekôsta,” scriptures.lds.org).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra niainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny andron’ny Pentekôsta.

  • Inona no zavatra niainan’ireo mpianatra tamin’ny andron’ny Pentekôsta? (Ny filatsahan’ny Fanahy Masina.)

  • Ahoana no nanoritsoritana io filatsahan’ny Fanahy Masina io?

Hazavao fa ilay andian-teny hoe “lela maro” (andininy 3) dia entina ilazana lelan-javatra misaraka roa na maromaro na manana endrika lelan’afo. Tamin’ny andro fahiny ny afo dia matetika no naneho ny maha-eo an’ Andriamanitra na ny fitaomana avy Aminy. Izany dia marika famantarana fa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izay nampanantenain’ny Mpamonjy ireo mpianatra.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:4–8 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga rehefa feno ny Fanahy Masina ireo mpianatra.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, inona no zavatra nitranga rehefa feno ny Fanahy Masina ireo mpianatra? (Nampiteny azy ireo ny Fanahy Masina ka nahatonga azy ireo ho afaka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa.)

  • Nahoana ireo Jiosy avy amin’ny firenana hafa no talanjona tamin’ny zavatra reny?

Asao ny mpianatra hamaky tsara ny Asan’ny Apostoly 2:9–11 ka hanisa ireo vondron’olona samihafa na avy amin’ny firenena samihafa izay naheno an’ireo mpianatra niteny tamin’ny teny tsy fantatra tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Asehoy ilay sarintany miaraka amin’ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hahita hoe avy aiza ireo Jiosy ireo.

sarintany, Mediteranea atsinanana

Hazavao fa araka ny voalazan’ny andininy 11, ny tsirairay avy tamin’ireo vondrona ireo dia nandre tamin’ny fiteniny avy “ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra” nampianarin’ireo mpianatra. Mety ilainao ny hanazava fa ny proselyta dia Jentilisa niditra ho ao amin’ny finoana Jiosy.

  • Araka ny hasehon’ny zavatra niainan’ireo mpianatra tamin’ny andron’ny Pentekôsta dia inona no afaka manampy antsika hampianatra ny hafa sy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa feno ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika Izy hampianatra ny hafa sy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia mitondrà kaopy roa tsy misy na inona na inona sy rano amin’ny zinga ary lovia lehibe fandrosoana sakafo. Apetraho eo ambonin’ilay lovia lehibe fandrosoana sakafo ireo kaopy mba hahafahan’ilay lovia lehibe mitaty ny rano rehetra izay mipitika. Dia sarony amin’ny taratasy na saron-javatra avy eo ny tampon’ny iray amin’ireo kaopy mba tsy hahafahana mandraraka rano ao anatin’izany, ary asio zavatra (toy ny vato) efa hila hameno azy ilay kaopy iray hafa. Manasà mpianatra iray hanandrana hameno rano avy amin’ilay zinga ireo kaopy roa ireo.

  • Raha maneho antsika ireo kaopy ireo ary ny rano dia maneho ny Fanahy Masina, inona no mety hasehon’ilay taratasy (na saron-javatra) sy ilay vato? Inona avy ireo fitondrantena na fihetsika izay afaka manakana antsika tsy ho feno ny Fanahy Masina?

  • Inona no azontsika atao mba ho feno ny Fanahy Masina ka hahafahany manampy antsika hampianatra ny hafa sy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina anareo hampianatra ny filazantsara na hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo tamin’ny hafa?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe, dia asao ny mpianatra hampihatra io fitsipika io amin’ny alalan’ny fikatsahana ny fananana ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo mba hahafahany mampianatra ny hafa sy mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 2:12–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa talanjona tamin’ny zavatra reny ny Jiosy sasany, raha toa ka nihomehy ny mpianatra kosa ny hafa tamin’ny alalan’ny fiampangana azy ireo ho nisotro divay be loatra.

Asan’ny Apostoly 2:14–47

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy i Petera ary mampianatra ny fomba hahazoana ny famonjena

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:14 ary asao ny iray kilasy hitady izay olona nanomboka nampianatra ny vahoaka. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’i Petera izy ireo, mijoro eo anatrehan’ireo vahoaka maro be.

  • Raha teo amin’ny toeran’i Petera ianareo dia inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay ho nampianarinareo sy nijoroanareo ho vavolombelona? Nahoana?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 2:15–35 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nanambara fa ireo zava-nitranga mikasika ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny sy ireo fomba hafa niasan’ny Fanahy Masina teo anivon’ny mpianatra dia fomba iray nahatanterahan’ny faminanian’i Joela sy dikan’izany faminaniana izany (jereo ny Joela 3:1–5). Avy eo i Petera dia nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoaka tamin’ny fampiasana ny sasantsasany tamin’ny teny sy ny salamo nataon’i Davida Mpanjaka.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto:

Asan’ny Apostoly 2:22–24, 29–33, 36

Inona avy ireo fahamarinana manan-danja nampianarin’i Petera sy nijoroany ho vavolombelona?

Inona no zavatra tena manan-danja indrindra aminareo mikasika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Petera tamin’ireo Jiosy?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba handalina ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ka hiresaka mikasika ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana miaraka amin’izany. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny kilasy iray manontolo.

Manehoa sary iray izay maneho ny fandavan’i Petera ny Mpamonjy (ohatra hoe, Ny fandavan’i Petera izay nataon’i Carl Heinrich Bloch, azo alaina ao amin’ny LDS.org). Asao ny mpianatra iray hamintina ny zavatra nolazain’i Petera sy nataony rehefa nanontaniana mikasika ny fifandraisana nisy teo aminy sy i Jesoa izy tamin’ilay alina nisamborana ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 22:54–62).

Ny fandavan’i Petera

Ny fandavan’i Petera, nataon’i Carl H. Bloch. Nahazoana lalana tany amin’ny National History Museum (Tranom-bakoky ny firenena) any Frederiksborg Castle any Hillerød, Danemark. Tsy azo adika.

  • Inona no naha-samy hafa ny teny nolazain’i Petera sy ny asa nataony tamin’ny andron’ny Pentekôsta tamin’ny fihetsika nasehony tamin’ilay alina nisamborana ny Mpamonjy?

  • Inona araka ny eritreritrareo no nahatonga io fiovana io teo amin’i Petera?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:37. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hijery ny fiantraikan’ny tenin’i Petera teo amin’ireo vahoaka maro be.

  • Inona no fiantraikan’ny tenin’i Petera teo amin’ireo vahoaka maro be?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “voatsindrona tam-pony.” Hazavao fa ny Fanahy Masina dia nanindrona ny fon’ny olona rehefa nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Petera izy ireo. Ny teny hoe voatsindrona eto dia midika hoe “voatrobaka lalina” ary milaza an-kolaka fa nahatsapa nenina ny vahoaka satria nohomboin’ny vahoaka sy ny firenena i Jesoa Kristy Tompony. Tsy nilaza akory i Petera hoe ireo andiana Jiosy avy amin’ny firenena samy hafa izay nampianariny tamin’ny andron’ny Pentekôsta no ireo izay tompon’andraikitra tamin’ny Fanomboana an’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 37, inona no fanontaniana napetrak’ireo vahoaka?

  • Inona no ambaran’io fanontaniana io mikasika ny zavatra nitranga tao am-pon’ny vahoaka? (Nanomboka nahatsapa fiovam-po ny vahoaka.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:38–41. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nasain’i Petera nataon’ny olona. Hazavao fa ny hoe maditra dia midika hoe mpikomy, na ratsy fanahy, na tsy marin-toetra.

  • Inona no nasain’i Petera nataon’ny vahoaka?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 41, inona no teny nasetrin’ny olona ny fampianarana sy ny fanasana nataon’i Petera mba hibebaka sy hatao batisa?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Rehefa mandray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika, …

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 2:42–47. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, mba hitady ny zavatra nataon’ireo vao niova fo ho lasa mpikamban’ny Fiangonana rehefa avy nandray ny fahamarinana tamin’ny herin’ny Fanahy Masina sy natao batisa izy ireo. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “famakiana ny mofo” (andininy 42) dia miresaka mikasika ny fandraisana anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ary ny hoe “niombonany avokoa ny fananany rehetra” (andininy 44) dia manondro ny Olomasina izay miray fo sy saina sy miaina ny lalàn’ny fanokanana.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no asa natao izay naneho fa tena niova fo marina tokoa ireo olona vita batisa (jereo koa ny 3 Nefia 26:17–21)? (Asao ny mpianatra iray hitanisa ireo valintenin’ny mpianatra rehetra eny amin’ny solaitrabe.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa talohan’ny nandrenesan’ireo Jiosy sy nanarahany ny tenin’i Petera dia tsy nanaiky an’i Jesoa ho mpanavotra azy izy ireo, sady tsy nanaraka ny fampianarany ihany koa. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba niovan’ny olona.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37–47 mikasika ny zavatra mety hitranga rehefa mandray ny tenin’Andriamanitra amin’ny herin’ny Fanahy Masina isika? (Fenoy amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba hampita ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mandray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika dia hiova ny fontsika ka hiova fo ho an’i Jesoa Kristy isika.)

  • Inona no azontsika atao mba handraisana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny herin’ny Fanahy Masina?

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ireo zavatra nataon’ireo olona vita batisa sy niova fo izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

  • Rehefa nanao ezaka ianareo ny hianatra sy hiaina ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy anareo hiova sy ho lasa niova fo ho an’i Jesoa Kristy? (Azonao atao koa ny mizara traikefa notsoahina avy amin’ny fiainanao.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba handraisana amin’ny fomba tsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra sy ny fampianarany amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Amporisiho izy ireo hanao zavatra araka izay fitaomam-panahy rehetra azony.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Asan’ny Apostoly 2:36–38

Asao ny mpianatra hampitaha ny Asan’ny Apostoly 2:36–38 amin’ny fanekem-pinoana fahefatra. Angataho ny mpianatra hitady ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:36–38 ireo teny izay maneho na mampianatra ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohany ao amin’ny filazantsara. Dia ampiaraho miasa tsiroaroa ny mpianatra avy eo, ary angataho ny vondrona tsirairay hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hanampian’ny tsirairay amin’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo antsika handray ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona no fitahiana nolazain’i Petera fa horaisin’ny olona vokatry ny fibebahany sy ny nanaovana batisa azy ireo?

  • Raha miainga avy amin’ny fahazoanao ny Asan’ny Apostoly 2:38 dia inona no tokony hataontsika hiomanana ny handray ny fanomezana ny Fanahy Masina? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Rehefa mino an’i Jesoa Kristy sy mibebaka, ary atao batisa isika dia vonona ny handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Manampy ny olona iray handray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny fomba ahoana ny finoana sy ny fibebahana ary ny batisa?

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 2:1–4. “Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo”

“Ity trangan-javatra lehibe izay niseho tamin’ny andron’ny Pentekôsta ity, izay fotoana nandrotsahana ny Fanahy Masina tamin’ny olona maro niara-nivory, dia mitovy amin’ny zava-nitranga iray teo amin’ny tantaran’ny Olomasin’ny andro farany. Tamin’ny fotoana nanaovana ny fivoriana fanokanana ny Tempolin’i Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith dia … nivavaka mba hangataka firotsahan’ny Fanahy tamin’ny fomba miavaka avy any ambony: ‘Aoka izany ho tanteraka aminy tahaka ny tamin’ ireo izay tamin’ny andro Pentekôsta,’ hoy izy nangataka ho an’ny Olomasina. ‘Aoka ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny hirotsaka amin’ny vahoakanao, dia lela mitarehin’ afo mizarazara mbamin’ny fandikana azy. Ary aoka ny tranonao hofenoina amin’ny voninahitrao, toy ny amin’ny rivotra mahery mifofofofo (F&F 109:36–37). Tanteraka io fangatahana io, tsy indray mandeha ihany, fa imbetsaka nandritra ireo andro nanaraka ilay andro voalohany nanaovana fivoriana fanokanana. Noraketin’i Joseph Smith an-tsoratra fa indray mandeha dia ‘nisy feo tahaka ny feon’ny rivotra nifofofo mahery re, izay nanenika ny tempoli[n’i Kirtland], ary niara-nitsangana avokoa ny rehetra, izay notaomin’ny hery tsy hita maso; maro no nanomboka niteny tamin’ny fiteny hafa sy naminany; nahita fahitana be voninahitra ny hafa; ary nahita ny Tempoly feno anjely aho, izay nambarako tamin’ny daholobe raha ny marina’ (ao amin’ny History of the Church, 2:428)” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 278).

Asan’ny Apostoly 2:3. Lela mitarehin’afo

“Ny lela mitarehin’afo” dia mety midika ihany koa fa nozaraina teo anivon’ny olona nanatrika teo tamin’izay andro izay io firotsahan’ny Fanahy tamin-kery io—samy nahatsapa sy niaina izany izy ireo. Ny teny hoe nipetraka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:3 dia novaina hoe nijanona ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Asan’ny Apostoly 2:4–6. Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra mikasika ny antony nanomezana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny:

“Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ato amin’ny Fiangonana dia natao ho tombontsoan’ireo mpanompon’ Andriamanitra mba hitory amin’ireo tsy mpino, tahaka ilay nitranga tamin’ny andron’ny Pentekôsta” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 383).

Asan’ny Apostoly 2:16–21. Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Joela

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao, i Môrônia dia namerina nilaza ireo andininy ireo tamin’ny mpaminany Joseph Smith ka nilaza taminy fa tsy mbola tanteraka izy ireo fa ho tanteraka tsy ho ela (jereo ny Joseph Smith—History 1:41). Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny Joela 3:1–5 dia ohatra amin’ny soratra masina izay mety manana heviny maro sy fahatanterahany amin’ny fomba maro:

“Maro amin’ireo faminaniana sy andininy mirakitra fotopampianarana ao amin’ny soratra masina no manana heviny maro. …

“Ohatra [iray] momba ny zavatra izay manana heviny maro ny mahakasika ilay faminaniana ao amin’ny bokin’i Joela izay milaza fa handatsaka ny fanahiny amin’ny nofo rehetra ny Tompo amin’ny andro farany ary haminany ny zanakalahy sy ny zanakavavintsika (jereo ny Joela 3:1). Tamin’ny andron’ny Pentekôsta dia nanambara ny Apôstôly Petera fa ireo zava-nitranga izay hitan’izy ireo dia ireo izay efa ‘nampilazaina an’ i Joela mpaminany’ (Asan’ny Apostoly 2:16). Valonjato sy arivo taona taty aoriana dia namerina nilaza io faminaniana io ny anjely Môrônia ka nilaza hoe ‘tsy mbola tanteraka izany saingy ho tanteraka tsy ho ela’ (JS—T 1:41)” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, jan. 1995, 8).

Noho izany dia samy marina avokoa ny nambaran’i Petera sy i Môrônia fa ny faminaniana nomen’ny mpaminany Joela dia samy nanana ny fahatanterahany sy ny heviny ary ny fampiharana azy tamin’ny andron’ny Pentekôsta sy amin’ny andro farany.

Asan’ny Apostoly 2:27. “Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko”

Mahakasika manokana ny lova mandrakizay ho an’ny Mpanjaka Davida, ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa i Davida dia “naharay ny fampanantenana fa tsy havela any amin’ny afobe ny fanahiny, izany hoe tsy ho zanaky ny fahaverezana izy, tsy horoahina hiala mandrakizay miaraka amin’ny devoly sy ireo anjeliny izy. Fa rehefa mamoaka ny maty ao aminy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia hivoaka ny fasana izy ka handray ilay lova izay mendrika azy. Jereo ny Apo. 20:11–15” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965–73], 2:39).

Asan’ny Apostoly 2:37. “Voatsindrona tam-pony [izy ireo]”

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe:

“Ny fiovam-po marina dia tonga avy amin’ny herin’ny Fanahy. Rehefa mikasika ny fo ny Fanahy dia miova ny fo. Rehefa … mahatsapa ny Fanahy miasa ao aminy ny isam-batan’olona, na rehefa mahita ny porofon’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainany izy ireo dia mahazo hery sy hatanjahina ara-panahy izy ireo ary mitombo ny finoan’izy ireo Azy. Ireo traikefa miaraka amin’ny Fanahy ireo dia tonga ho azy rehetra vonona ny hanandrana ny teny ny olona iray. Toy izany no mahatonga antsika lasa mahatsapa fa marina ny filazantsara” (“Now Is the Time,” Ensign, nôv. 2000, 75).