Tahirim-pitaovana
Lesona 51: Lioka 10:38–Lioka 12:59


Lesona 51

Lioka 10:38–Lioka 12:59

Fampidirana

Ny Mpamonjy dia nampianatra an’i Maria sy Marta tao an-tranon’i Marta. Taty aoriana dia nampianatra fahamarinana maro tamin’ny mpianany Izy mikasika ny vavaka ary nampitandrina ny amin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fitsiriritana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 10:38–42

Nampianatra an’i Maria sy Marta i Jesoa

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ireo safidy izay nataon’izy ireo omaly. Asao izy ireo haka iray minitra hanaovana lisitra ny maro amin’ireo safidy ireo araka izay tadidin’izy ireo ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Mangataha mpianatra maromaro hanao tatitra momba ireo safidy tsara izay nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona ny sasantsasany amin’ireo toe-javatra izay mety tsy maintsy hanaovantsika safidy manoloana ny safidy tsara roa?

Rehefa mandalina ny Lioka 10:38–42 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fitsipika iray nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka hitarika antsika amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika—indrindra rehefa manoloana safidy tsara mihoatra ny iray isika.

Hazavao fa rehefa avy nampianatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny Mpamonjy dia nandeha tany Betania ary namangy tao an-tranony ny vehivavy iray atao hoe Marta.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:38–40. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nosafidian’ny tsirairay avy tamin’i Marta sy Maria rahavaviny hatao nandritra ny fotoana nijanonan’ny Mpamonjy tao amin’ilay trano.

  • Inona no nataon’i Maria nandritra ny fotoana nijanonan’ny Mpamonjy tao?

  • Inona no nataon’i Marta? (Tsindrio manokana fa ny teny hoe sahirana ao amin’ny andininy 40 dia entina ilazana ny fananana enta-mavesatra.)

Maria sy Marta

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Maria sy Marta (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 45; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa ny fahaizana mandray vahiny dia tena nanan-danja tokoa tamin’ny andron’i Jesoa. Niezaka nanao ny zavatra izay noheverina fa nandrasana taminy i Marta araka ny mahazatra amin’ny maha-tompon-trano azy. Nifantoka tamin’ireo zavatra ara-nofo izy toy ny fikarakarana sy ny fandrosoana ny sakafo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 40, inona no nangatahin’i Marta tamin’ny Mpamonjy izay maneho fa izy dia niahiahy tamin’ny zavatra ara-nofo?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:41–42. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’i Marta.

  • Inona no mety tian’ny Mpamonjy holazaina raha nilaza izy hoe: “Zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara”?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Mendri-piderana tokoa ny fihetsika nasehon’i Marta noho izy ‘maro ahiana sy maro herehina’ (and. 41), kanefa ny fianarana ny filazantsara avy amin’ny ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra dia ‘ilaina kokoa’” (“Good, Better, Best,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 104).

  • Inona no mety tian’ny Mpamonjy holazaina raha niteny izy hoe: “anjara tsara” izay nosafidian’i Maria, “izay tsy halaina aminy” (Lioka 10:42)? (Tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny hiaino ny Mpamonjy toy izay hifantoka amin’ny fiahiahiana amin’ireo zavatra ara-nofo, i Maria dia nandray fitahiana ara-panahy izay maharitra mandrakizay.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Marta? (Mety hilaza izany amin’ny teny samihafa ny mpianatra kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka misafidy ny hanokana ny tenantsika amin’ireo zavatra ara-panahy mihoatra noho ny fiahiahiana amin’ireo zavatra ara-nofo dia handray fitahiana maharitra.)

  • Ahoana no ahafahantsika manokana ny tenantsika amin’ireo zavatra ara-panahy sy mikarakara ihany koa ireo zavatra hafa izay “ilaina” (Lioka 10:42) kanefa tsy dia manan-danja kokoa?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Oaks:

Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa eritreretintsika ireo safidy samihafa dia tokony hotsaroantsika fa tsy ampy ny hoe tsara ny zavatra iray. Tsara kokoa ireo safidy hafa, ary mbola tsara indrindra ny hafa. …

“Diniho ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika amin’ireo safidy izay ataontsika amin’ny fijerena fahitalavitra, filalaovana jeux vidéo, fampiasana ny internet na ny famakiana boky na ireo gazetiboky. Marina fa tsara ny mijery ireo zavatra mampialavoly na hahazoana fampahalalana mahaliana. Kanefa tsy ny zava-drehetra avy amin’ny karazan-javatra toy izany no mendrika handaniana ny ampahan’ny fiainantsika izay omentsika mba hahazoana izany. Misy safidy hafa tsara kokoa, ary mbola misy hafa tena tsara indrindra” (“Tsara, Tsara kokoa, Tsara indrindra,” 104–5).

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny lisitr’ireo safidy izay nataony omaly ka hanoratra eo akaikin’ny tsirairay avy amin’ny ireo safidy tsara ireo ny hoe “tsara,” “tsara kokoa,” na “tsara indrindra.” Manasà mpianatra iray na roa hijoro ho vavolombelona mikasika ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny fametrahana ny zavatra ara-panahy alohan’ny fiahiahiana amin’ny zavatra ara-nofo.

Lioka 11

Nampianatra ny mpianany mikasika ny vavaka i Jesoa.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia misiônera amin’ny fotoana feno mampianatra naman’ny Fiangonana iray izay niezaka nivavaka imbetsaka sy mahatsapa fa tsy mbola namaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Mieritreritra ny tsy hivavaka intsony ilay naman’ny Fiangonana.

  • Raha miainga avy amin’ireo traikefao manokana, ahoana no mety hamalianao io ahiahy io.

Rehefa mandalina ny Lioka 11 ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fahamarinana afaka hanampy ny olona iray izay mahatsapa fa tsy mbola namaly ny vavaka nataony Andriamanitra.

Fintino ny Lioka 11:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny fihainoana ny Mpamonjy nivavaka dia nangataka Taminy ny iray tamin’ireo mpianany mba hampianatra azy ireo ny fomba fivavaka, ary dia nanao izany ny Mpamonjy.

Hazavao fa rehefa avy nampianatra ny mpianany mikasika ny fomba fivavaka ny Tompo dia nanao fanoharana roa mba hampianarana ireo fahamarinana fanampiny mikasika ny vavaka, koa anisan’izany ny fahavononan’ Andriamanitra ny hamaly ireo vavaka.

Asao ireo mpianatra handalina tsiroaroa ny Lioka 11:5–13 sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ny vavaka. Tsindrio manokana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, fanampin’ny ao amin’ny andininy 5 sy 13. Ireo fanampiny ireo dia hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:5–6 (ao amin’ny Lioka 11:5, fanovozan-kevitra a eny ambanin’ny pejy) sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:14 (ao amin’ny Lioka 11:13, fanovozan-kevitra a eny ambanin’ny pejy). Rehefa ampy ny fotoana nomena, dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Tao amin’ilay fanoharana izay novakianao tao amin’ny andininy 5–8, inona no nangatahan’ilay sakaiza iray tamin’ny iray hafa? Nahoana?

  • Araka ny hevitrao, nahoana ilay sakaiza iray hafa no nanaiky ny fangatahana nataon’ilay iray izay nangataka? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe fitarainana ao amin’ny andininy 8 dia manondro ny fangatahana tsy ankiato izay nataon’ilay lehilahy na dia nolavin’ilay namany aza izany tamin’ny voalohany.)

  • Raha toa ka isika no soloin’ilay lehilahy tena, ary ny Ray any An-danitra kosa no soloin’ilay namany izay nanana ny mofo ao amin’ilay fanoharana, inona no torohevitra nomen’ny Mpamonjy ny amin’ny zavatra tokony ataontsika amin’ny fotoana izay ilana fanampiana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga ity: Raha toa isika ka mivavaka tsy ankiato sy mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fotoan-tsarotra dia …

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 13, inona no omen’ny Ray any An-danitra ireo izay mivavaka tsy ankiato sy mikatsaka ireo fitahiana avy Aminy?

  • Raha miainga avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 11:5–13, dia ahoana no hamenoanao ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany, dia fenoy ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe mba hahitana izao manaraka izao: Raha toa isika ka mivavaka tsy ankiato sy mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fotoan-tsarotra dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy amin’ny fomba izay hitahy antsika indrindra)

Diniho ny hanasana ireo mpianatra hizara ohatra tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo valim-bavaka rehefa nikatsaka tsy ankiato ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra.

Fintino ny Lioka 11:14–54 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia nandroaka devoly tamin’ny lehilahy iray, nanoro hevitra ny olona mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, ary nananatra ireo Fariseo sy mpanora-dalàna tamin’ny fanaovan’izy ireo tsirambina ny zavatra ara-panahy sy tamin’ny faharatsiany.

Lioka 12

Ny Mpamonjy dia nampitandrina ny amin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fitsiriritana

Vakio amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hisaintsaina am-pahanginana ny valin’izy ireo.

  • Moa ve ianareo efa naniry mafy ny hahazo zavatra iray koa dia nieritreritra lalandava mikasika izany?

  • Inona no mety ho voka-dratsy aterak’izany karazam-pieritreretana izany eo amintsika?

Fintino ny Lioka 12:1–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nijoro teo anatrehan’ireo vahoaka maro ny Mpamonjy dia nampianatra ny mpianany mba hitandrina amin’ny fihatsarambelatsihy. Nampahatsiahy azy ireo ihany koa Izy fa ny zava-miafina rehetra dia haseho indray andro any ary Andriamanitra dia mahafantatra sy miahy ireo zanany. Ary avy eo dia nisy lehilahy iray nanontany ny Mpamonjy raha toa Izy ka afaka hiresaka amin’ny rahalahiny sy handresy lahatra azy mba hizara lova miaraka aminy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 12:14–15. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny navalin’ny Mpamonjy ny fangatahana nataon’ilay lehilahy.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Mpamonjy ireo olona izay niaraka taminy teo?

Hazavao fa ny fieremana dia midika hoe faniriana diso tafahoatra ny zavatra iray. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny Tompo dia nandidy antsika tsy hifikitra amin’ny haren’izao tontolo izao.

  • Nahoana ny olona iray no tokony hisoroka ny fitsiriritana? Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io hanampy antsika hiaina amim-pifaliana bebe kokoa?

Hazavao fa taorian’ny nitenenan’ny Mpamonjy ny mpianany mba hisoroka ny fitsiriritana, dia nanao fanoharana iray Izy izay maneho ny maha-zava-dehibe io didy io. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Lioka 12:16–19 sy hikaroka ny isan’ny fotoana nampiasan’ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana ny teny hoe aho sy ny ahy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no ampianarin’ny fampiasan’ilay lehilahy matetika ny hoe aho sy ny ahy antsika mikasika ny zavatra niahiahiany?

  • Inona ireo lafin-javatra izay mety hahatonga antsika halaim-panahy hitovy amin’io lehilahy io?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 12:20–21. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nolazain’ Andriamanitra mikasika ny tsy fahaiza-mionona sy ny fitsiriritan’ilay lehilahy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: (Io fanambarana io dia hita ao amin’ny “What Matters Most Is What Lasts Longest,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 44):

“Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny zavatra maharitra ela indrindra” (Loholona M. Russell Ballard).

  • Ahoana no tsy nahavitan’ilay lehilahy mpanan-karena tao amin’ilay fanoharana nifantoka tamin’ny “zavatra manan-danja indrindra”?

  • Nahoana ny fihetsik’io lehilahy io no azo sokajiana ho toy ny hadalana?

Fintino ny Lioka 12:22–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanamafy fa ireo mpianany dia tsy tokony hiahiahy be loatra momba ireo zavatra ilain’izy ireo ara-nofo.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 12:31–34. Asao ihany koa izy hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 12:34 (ao amin’ny Lioka 12:31, fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy). Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nanoroan’ny Mpamonjy hevitra ireo mpianany hokatsahina toy izay hifantoka amin’ny fanirian’izy ireo manokana izay mifono fitiavan-tena.

  • Inona no zavatra nanoroan’ny Mpamonjy hevitra ireo mpianany hokatsahina?

  • Inona no nampanantenaina azy ireo raha toa izy ireo ka mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra?

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 12:31–34 ho fitsipika iray? (Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra, kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha toa isika ka mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy amin’ny fanomezana antsika ireo zavatra ilaintsika Izy ary hanomana toerana ho antsika ao amin’ny fanjakany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra? (Rehefa mamaly izany ireo mpianatra dia azonao atao ny miverina amin’ilay fitsipika hitan’izy ireo teo aloha mikasika ny fanokanantsika ny tenantsika amin’ireo zavatra ara-panahy mihoatra noho ny fiahiahiana amin’ireo zavatra ara-nofo.)

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fomba nitahiana anao rehefa nikatsaka ny hametraka ho laharampahamehana ireo zavatra ara-panahy alohan’ny fiahiahiana ny zavatra ara-nofo ianao sy nikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra. Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka mifantoka bebe kokoa amin’ireo zavatra ara-panahy na amin’ny fiahiahiana amin’ireo zavatra ara-nofo. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra hataony mba hanaovana lohalaharana ireo zavatra ara-panahy mihoatra noho ny fiahiahiana ireo zavatra ara-nofo sy mba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Fintino ny Lioka 12:35–59 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo mpanara-dia Azy mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Nanampy azy ireo Izy hahatakatra fa “izay nomena be, … dia be no hotadiavina aminy” (andininy 48), ary nanazava Izy fa ny filazantsarany dia hiteraka fisaraham-bazana lehibe eo anivon’ny olona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Lioka 10:38–42. “Fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara”

“Ny fahaizana mandray vahiny dia tena nanan-danja lehibe tokoa teo amin’ny fiarahamonin’ny Jiosy, ary ny haja sy fomba fijery ananan’ny olona ho an’ny vehivavy iray dia somary niankina tamin’ny fomba fanatanterahany ireo kolontsaina izay andrasana aminy mikasika ny andraikitry ny mpampiantrano. Noho ireo fombafomban’ny fiarahamonina ireo, ny fitarainana nataon’i Marta fa i Maria rahavaviny dia namela azy hanompo irery (jereo ny Lioka 10:40) dia hita ho nohamarinin’ny maro tamin’ireo olona tamin’izany andro izany. Kanefa ny Mpamonjy dia namaly an’i Marta tamin’ny alalan’ny fandokafana ny safidy nataon’ny rahavaviny: ‘Fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara’ (Lioka 10:42). Ny iray amin’ireo zavatra hazavain’ny valintenin’ny Mpamonjy dia ny hoe misy ireo laharampahamehana izay ambony kokoa mihoatra noho ireo fombafomban’ny fiarahamonina, na dia tsara aza ireo fombafomba ireo” (Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpaminatra [Church Educational System manual, 2014], 160).

Rehefa nitaraina i Marta nanao hoe: “Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery” (Lioka 10:40), dia namela ny tenany hanana fomba fijery diso mikasika ny Tompo izy izay nihevitra Azy fa tsy niraharaha. Raha toa isika ka mamela ireo zavatra izay ataontsika laharampahamehana amintsika hiova dia mety hanomboka hanana eritreritra na fahatsapana mankany amin’ny Tompo izay mety tsy hahatsara ny ara-panahy. Ny fananarana tamin-katsaram-panahy izay nataon’i Jesoa dia natao mba hanampiana an’i Marta hieritreritra ny laharampahamehana aminy sy hikatsaka ireo fitahiana izay irian’ny Tompo am-pitiavana mba ho azony.

Lioka 10:42. Misafidy ilay ampahany tsara kokoa

Ny Rahavavy Bonnie D. Parkin, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia niresaka mikasika ny tantaran’i Marta sy i Maria mba hampianarana ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny ampahany tsara kokoa:

“Ny valintenin’ny Mpamonjy dia nanazava tamin’ny fomba tsotra tokoa ny amin’ny zavatra manan-danja indrindra. Tamin’izany takariva izany tao an-tranon’i Marta, ilay ampahany tsara dia tsy tany an-dakozia; fa kosa teo an-tongotry ny Tompo. Afaka nampiandrasana ny sakafo hariva. …

“… Isika rehetra dia samy miezaka misafidy ilay ampahany tsara izay tsy afaka alaina amintsika, mba handanjalanjana ny ara-panahy sy ny ara-nofo eo amin’ny fiainantsika. Tsy ho mora tokoa ve raha toa isika ka atao misafidy na hanao famangiana isan-tokantrano na handeha hamaky banky iray? Tsy izany anefa, fa ireo safidy izay atrehintsika matetika dia tsy mibaribary avy hatrany. Isika dia tsy maintsy manao safidy manoloana ireo lafin-javatra maro. …

“… Zavatra iray loha no ilaina, dia ny hanaraka Azy isan’andro. Koa safidionao i Kristy Tompo. Misafidiana ny hivoky amin’ny teniny. Misafidiana ny hametraka ambony ny fahatokiana Azy. Misafidiana ny hiandry ny fitiavany. Misafidiana ny hanome ny fonao manontolo ho Azy. Koa safidionao ny ampahany tsara” (“Choosing Charity: That Good Part,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 104, 106).

Lioka 11:5–10. Ny fanoharana momba ilay sakaiza tamin’ny mamantonalina

Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana ny maha-samy hafa ilay sakaiza tao amin’ilay fanoharana amin’ny Ray any An-danitra:

“Ny lesona nomen’ny Tompo dia ny hoe, raha toa ka misy olona izay ao anatin’ny fitiavan-tena tanteraka sy tsy fananana faniriana ny hanome, kanefa mbola manome ny zavatra angatahan’ny namany tamim-paniriana marina izay nanohy nangataka hatrany na dia teo aza ny fanakanana sy ny fandavana fohy, azo antoka fa Andriamanitra kosa dia hamome ny zavatra izay angatahina tsy tapaka amim-pinoana sy am-piniavana marina. Tsy misy ny fitoviana eo amin’ny fandavana feno fitiavan-tenan’ny olona sy ny fampiandrasana mifono fahendrena sy tombontsoa ataon’ Andriamanitra. Tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fahatongavan-tsaina ny amin’ny zavatra tena ilaina rehefa mivavaka, ary koa fahatokiana tena marina an’ Andriamanitra, mba hahatonga ny vavaka hahomby; ary ao anatin’ny famindram-po indraindray ny Ray no manemotra ny fanomezana izany mba hahamafy orina ilay fangatahana” (Jesus the Christ, ed. faha-3 [1916], 435).