Tahirim-pitaovana
Lesona 5: Sahan-kevitra sy topimaso mikasika ny Testamenta Vaovao


Lesona 5

Sahan-kevitra sy topimaso mikasika ny Testamenta Vaovao

Fampidirana

Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra mikasika ny sahan-kevitra ara-tantara sy ara-kolontsaina momba ny Testamenta Vaovao, tafiditra ao anatin’izany ireo antony nahatonga ny Jiosy maro handà an’i Jesoa ho ilay Mesia sy Mpamonjy. Hianatra mikasika ny firafitry ny Testamenta Vaovao ihany koa ny mpianatra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao

ampahana hosodoko, Stefana
Mahita an’i Jesoa teo an-tanan’Ankavanan’ Andriamanitra i Stefana

Asehoy ny ampahany amin’ny sary Mahita an’i Jesoa teo an-tanan’Ankavanan’ Andriamanitra i Stefana (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 63; jereo koa ny LDS.org) ka mampiasà taratasy na zavatra hafa mba hanakonana ny zavatra rehetra afa-tsy i Stefana (ilay lehilahy manao saron-doha manga).

Asao ireo mpianatra hilaza ny zava-mitranga ao amin’ilay sary. Anontanio azy ireo ny antony izay heveriny fa mahatonga ilay lehilahy ho eo amin’ny tany sy maninjitra ny tanany. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asehoy ny ambin’ilay sary.

  • Nahoana no manampy anao hahatakatra ny zavatra mitranga ny fahitana ilay sary iray manontolo?

Asao ny mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 7:56–59 mba hahatakarany fa ity sary ity dia mampiseho an’i Stefana, mpianatr’i Jesoa Kristy, izay notoraham-bato ho faty ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo an-tanan’ankavanan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahantsika mampitaha ny fampisehoana io sary io amin’ny fahatakarana ny soratra masina?

Hazavao fa ity asa atao ity dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina. Ny teny hoe sahan-kevitra dia entina ilazana ireo toe-javatra manodidina na manome fampahalalana mikasika ny andinin-tsoratra masina na tranga na tantara iray ao amin’ny soratra masina. Hamafiso fa rehefa mihazatra amin’ny sahan-kevitra ara-tantara sy ara-kolontsaina ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo mpianatra dia afaka mahatakatra bebe kokoa sy mampihatra ireo fampianarana entin’izany.

Ireo mpitondra fivavahana nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 10:3–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo teny na andian-teny nampiasain’ny mpaminany Jakôba hanoritsoritana ny toe-javatra ara-panahy nisy teo anivon’ny sasany taimin’ireo Jiosy nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny nampiasain’i Jakôba hanoritsoritana ny toe-javatra ara-panahy nisy teo anivon’ny sasany tamin’ireo Jiosy? (Hazavao fa ny teny hoe komiberaky ny mpisorona ao amin’ny andininy 5 dia entina ilazana ny fitoriana izay mikatsaka ny “hahazoan[a] harena sy laza avy amin’izao tontolo izao” fa tsy izay hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra [2 Nefia 26:29]. Ireo izay meloka noho ny komiberaky ny mpisorona voalohany indrindra dia ireo mpitondra fivavahana ratsy fanahy teo anivon’ny Jiosy izay nitondra ny olona tamin’ny lalan-diso.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 23:16, 24. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ireo mpitondra fivavahana Jiosy ireo nandritra ny asa fanompoany.

  • Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ireo mpitondra fivavahana Jiosy ireo?

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ireo mpitarika ireo tamin’ny fiantsoana azy ireo hoe “mpitarika jamba”?

Ireo zavatra nanampiana ny lalànan’i Mosesy sy ireo filôzôfia diso hafa

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba nitondran’ireo mpitondra fivavahana ny olona ho amin’ny lalan-diso dia manaova faribolana iray eo amin’ny solaitrabe ka manorata hoe Lalàn’i Mosesy eo afovoany. Manaova faribolana iray hafa manodidina ilay faribolana voalohany ka omeo anarana hoe Lalàna Am-bava.

Hazavao fa noho ny tsy fisian’ny mpaminany dia nampian’ireo mpampianatra sy mpitarika Jiosy ny fitsipiny sy ny fanazavany manokana ny lalàna. Ireo fitsipika sy fanazavana fanampiny ireo, izay fantatra amin’ny anarana samihafa hoe lalàna am-bava, na fomban-drazana am-bava, na ny fomban’ny loholona, dia natao mba hisorohana ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra. Mba hanehoana ny iray amin’ireo fitsipika ireo dia asao ny mpianatra roa ho eny aloha. Omeo tady misy fatotra tsirairay avy izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaha ilay fatorana amin’ny fampiasana ny tanany iray ihany, ary asao ilay mpianatra iray hafa hamaha ilay fatorana amin’ny fampiasana ny tanany roa. Rehefa avy nanao izany izy ireo dia asaivo miverina eny am-pitoerany.

Hazavao fa araka ny lalàna am-bava dia voarara ny namaha fatorana tamin’ny tanana roa tamin’ny andro sabata. Noraisina ho toy ny asa ny fanaovana izany ka noho izany dia fanitsakitsahana ny andro sabata. Ny namaha fatorana tamin’ny tanana iray fotsiny anefa dia azo natao.

  • Inona no mety ho loza ateraky ny fanampianana fitsipika nataon’olombelona amin’ireo didin’Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny momba ny mpitondra fivavahana Jiosy manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Bruce R. McConkie

“Nanala ireo zavatra mazava sy tsotra tao amin’ny fivavahana madio ary nampiditra ny fanazavan-keviny manokana tao anatin’izany; noravahan’izy ireo tamin’ireo fombafomba sy fomba fanatanterahana fanampiny izany; dia nesorin’izy ireo ny fomba fitsaohana feno fifaliana ka navadik’izy ireo ho rafitry ny fombafomba arahina sy fomba fanatanterahana feno famerana sy feno sakatsakana ary mahaketraka. Ny fanahy velona nananan’ny lalàn’ny Tompo dia lasa taratasy maty momba ny fombafomba arahin’ny Jiosy rehefa tonga teo am-peletanan’izy ireo” (The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 1:238).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona McConkie dia inona no nataon’ireo mpitondra fivavahana Jiosy tamin’ny lalàn’Andriamanitra rehefa nampian’izy ireo ny fanazavan-keviny manokana izany?

Hamafiso fa tao anatin’ny apôstazia ny Jiosy tamin’ny andron’ny Jesoa. Na dia nitohy teo anivon’izy ireo aza ny fahefana sy ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna dia maro tamin’ireo Jiosy no niala tamin’ny tena fomba fivavahan’izy ireo araka izay nampahafantarin’Andriamanitra an’i Mosesy (jereo ny F&F 84:25–28). Nahazo vahana teo amin’ny fivavahana madio sy ny tenin’Andriamanitra voasoratra ny fomban-drazan’ny loholona.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 12:14 PM. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nirian’ireo Fariseo hatao amin’i Jesoa noho Izy tsy niraharaha ny fahefany sy ny sasany amin’ireo fomban-drazany am-bava.

  • Niray tetika hanao inona tamin’i Jesoa ireo mptondra fivavahana ireo?

Hazavao fa ankoatr’ireo fombafomba Jiosy nivoana tamin’ny fahamarinana dia nisy filôzôfia diso hafa ihany koa izay nitarika ny olona handà an’i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ohatra: ny fiparitahan’ny kolotsaina Grika dia nitondra ny olona maro handà ny maha-tena misy ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15;12). Noho izany dia olona maro no nandà ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Apôstôly rehefa nijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty taorian’ny Fanomboana Azy izy ireo.

Fanapahan’ny firenena hafa sy ny fiandrandrana Mesia iray hanafaka an’ny Isiraely

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: Babylona, Persia, Makedonia (Gresy), ary Roma.

  • Mahakasika ny Jiosy, dia inona no mampitovy ireo fanjakana fahiny ireo? (Samy efa nandresy sy nanapaka ny Jiosy izy ireo.)

handout iconZarao ho vondrona maromaro ny mpianatra ka omeo an’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay:

Ankoatra ny fotoana fohy nahaleovan’izy ireo tena dia niaina toy ny vahoaka babo nandritra ny 500 taona mahery ny Jiosy tamin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao. Ny fikomiana notarihin’ny Makabeo, fianakaviana Jiosy iray tia tanindrazana, no nitondra ny fahaleovan-tena tokony ho 160 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Na izany aza dia nandresy an’i Isiraely i Rôma tamin’ny fotoana nahaterahan’i Kristy. I Heroda mpanjaka (izay fantatra ihany koa tamin’ny hoe i Heroda Lehibe), izay nanambady fianakaviana Makabeo, no notendren’i Rôma hanapaka an’i Isiraely. Halan’ny Jiosy ny fanapahan’ny Romana ka niandrandra fatratra ny Mesia izay ninoany fa hanafaka azy ireo amin’ny Romana izy ireo. Koa satria niandry ny Mesia izay hanafaka azy ireo tamin’ny fanapahan’ny firenena hafa ny Jiosy maro dia nolavin’izy ireo ny maha-Mpamonjy azy ireo an’i Jesoa Kristy.

Asao ireo mpianatra mba hamaky ny taratasy zaraina ka hifanakalo hevitra amin’ny vondrona mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao adika eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo):

  • Inona no nandrasan’ny Jiosy maro avy tamin’ilay Mesia izay ho avy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nitarika ny Jiosy maro handà fa i Jesoa no ilay Mesia io fanatenana zavatra tsy misy io?

Hazavao fa na dia nandà an’i Kristy aza ny Jiosy sasany, ireo Jiosy hafa izay nanetry tena sy nahay nihaino ny fanahy kosa dia nahafantatra Azy ho ilay Mesia sy Mpamonjy.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Lioka 2:25–33. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’ny lehilahy marina iray atao hoe Simeona sy ny zavatra nolazainy rehefa nitondra an’i Jesoa zazakely tao amin’ny tempoly i Josefa sy i Maria.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 30-32, dia inona no antony nanirahana an’i Jesoa teto an-tany? (Mety hanome valinteny samihafa ny mpianatra, saingy tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao: Nirahina mba hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy.)

  • Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hamelana ny olona rehetra ho voavonjy?

Asehoy ilay sarin’i Stefana izay naseho tany am-piandohan’ny lesona. Amporisiho ireo mpianatra mba hitadidy ny sahan-kevitra ara-kolontsaina sy ara-tantara izay efa niadiana hevitra tao amin’ny fandalinany ny Testamenta Vaovao. Rehefa manao izany izy ireo dia hahatakatra bebe kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny. (Ho fampahafantarana fanampininy mikasika ny sahan-kevitra ara-tantara sy ara-kolotsainan’ny Testamenta Vaovao dia jereo ny “Ny vanim-potoana manelanelana ireo Testamenta” sy ny “Ny zava-miseho ao amin’ny Testamenta Vaovao” ao amin’ny Testamenta Vaovao Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra ([Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 1–3). Io boky io dia ahitana fanazavana fohy momba ny vondrona toy ny Samaritana, ny Fariseo, ny Sadoseo, ny Synedriona ary ny mpanora-dalàna).

Topimaso fohy mikasika ny Testamenta Vaovao

I Kristy Manasitrana ilay Marary tao Betesda

Lazao amin’ny mpianatra fa hampiseho sary iray mandritra 10 segondra ianao ka hanasa azy ireo avy eo mba hanoratra fanoritsoritana amin’ny antsipiriany ny zavatra hitany. Asehoy ny mpianatra ny I Kristy Manasitrana ilay Marary tao Betesda (Boky mirakitra Sary momba ny filazantsara, lah. 42; jereo koa ny LDS.org). Afaka 10 segondra dia esory teo ilay sary ka asao ny mpianatra hanoratra ny fanoritsoritany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo hamaky ny fanoritsoritany amin’ny iray kilasy.

  • Na dia samy nahita ilay sary avokoa aza ianareo rehetra, dia nahoana no tsy mitovy ny famariparitanareo izany?

  • Nahoana no manampy ny hananana vavolombelona mihoatra ny iray momba ny tranga iray?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo mpanoratra ireo Filazantsara efatra: Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Hazavao fa nanoratra tantara sy fampianarana avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ny tsirairay amin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy ireo. Antsoina hoe ireo Filazantsara ny asasoratr’izy ireo. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manova ny lohatenin’ny Filazantsara tsirairay ho tenivavolombelona, toy ny ao amin’ny “Ny Tenivavolombelon’i Matio.”

  • Nahoana no manampy ny manana filazantsara na tenivavolombelona mihoatra ny iray momba ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa na dia misy tsy fitoviana aza ireo Filazantsara efatra eo amin’ny antsipiriany sasantsasany sy ny fomba fijery dia samy mitantara ireo zava-nitranga tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany teo anivon’ireo Jiosy avokoa izy rehetra. Ireo Filazantsara efatra dia samy mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara,” scriptures.lds.org).

handout iconAzonao atao ny mizara amin’ny mpianatra ny tahadika’ilay tabilao “Ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany raha jerena indray mipi-maso,” amin’ny endriny fohy any amin’ny faran’ity lesona ity. Ny tabilao feno dia hita ao amin’ny tovana amin’ity boky ity. Asao ny mpianatra hampiasa ilay tabilao mba hitady ireo zava-nitranga vitsivitsy lehibe indrindra tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany.

  • Araka ilay tabilao, dia naharitra hafiriana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany?

  • Taiza no nisy ny Mpamonjy nandritra ny ankamaroan’ny fotoana nanompoany?

Asao ireo mpianatra hampiasa ity tabilao ity mba hahatakarana bebe kokoa ny sahan-kevitr’ireo Filazantsara efatra rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny bokiny ao amin’ny fanoroam-pejy ao amin’ny Baiboly. Hazavao fa raha toa ka mitantara ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy ireo bokin’ny Filazantsara, ireo boky manomboka amin’ny Asan’ny Apostoly ka hatramin’ny Apokalypsy kosa dia mirakitra ny asa fanompoan’ireo Apôstôlin’i Kristy fahiny taorian’ny nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny Fiakarany tany an-danitra. Nandeha namakivaky ny tanin’ny Isiraely sy ny Fanjakana Romana ireo Apôstôly ireo mba hitory ny filazantsara sy hanangana sampan’ny Fiangonana maromaro. Amin’ny alalan’ny fandalinana ireo asa sy asasoratr’ireo Apôstôly ireo dia afaka mampahatanjaka ny finoantsika an’ny Mpamonjy sy mianatra ny fomba hahazoantsika ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany isika. Afaka mahita ny fitovian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiangonan’i Jesoa Kristy fahiny ihany koa isika.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana hitanao avy tamin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao. Amporisiho ny mpianatra hitady ireo fahamarinana izay hitahy azy ireo rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo amin’ity taona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho

Ny vanim-potoana nanelanelana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao

Ho fampahafantarana fanampininy mikasika ny fampahalalana ara-tantara sy ara-kolotsainan’ny Testameta Vaovao dia jereo ny S. Kent Brown sy Richard Neitzel Holzapfel, “The Lost 500 Years: From Malachi to John the Baptist,” Ensign, des. 2014, 56–60; Robert L. Millet, “Looking beyond the Mark: Why Many Did Not Accept the Messiah,” Ensign, jolay 1987, 60–64; ary Richard D. Draper, “The Reality of the Resurrection,” Ensign, apr. 1994, 32–40.

Ireo Filazantsara efatra

Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba nanoratana ireo Filazantsara ho an’ny mpamaky samihafa kanefa iray tanjona amin’ny fampianarana mikasika ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy:

“Marina fa maneho lafiny samihafa momba ny toetra sy ny fapianaran’ny Tompo ireo filazantsara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao. I Matio dia toa nampiantefa ny filazantsarany tamin’ny Jiosy. Maneho an’i Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina izy ary maneho ny Kristianisma ho fahatanterahan’ny Jodaisma. I Marka dia toa nanana tanjona ny handresy lahatra ireo Romana sy ny Jentilisa. Ny filazantsaran’i Lioka dia mampahafantatra ny Mpampianatra amin’ireo Grika, amin’ireo izay manana kolotsaina raitra sy mihaja. Ary ny filazantsaran’i Jaona dia fitantarana natao ho an’ny olomasina; izy voalohany indrindra no filazantsara ho an’ny Fiangonana, ho an’ireo izay mahatakatra ny soratra masina sy ny tandindona ao anatiny ary ireo izay mieritreritra ny zavatra ara-panahy sy ny zavatra mandrakizay. Mazava ho azy fa ahazoana tombony lehibe amin’ny fampahafantarana ny fahamarinan’ny famonjena amin’ny olona samy hafa kolotsaina sy fiaviana ary traikefa ny fomba fanoratana samihafa toy izany. Fa ny zava-misy dia tsotra, nanoratra avy amin’ny fitaomam-panahy avokoa ny mpanoratra ny filazantsara efatra rehetra, ary samy nanana tanjona mitovy izy rehetra: 1. Ny hijoro ho vavolombelona momba ny maha-Zanakalahin’Andriamanitra ny Tompo; 2. Ny hampianatra ny fahamarinan’ny drafitry ny famonjena” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 336).

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ka hatramin’ny Apokalypsy

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra ny sasany amin’ny ankamaroan’ny asa fitoriana nataon’ireo Apôstôly. Ny bokin’ny Romana ka hatramin’ny Joda dia epistily, na taratasy, nosoratan’i Paoly sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba hampianarana sy hampiorenana ny Olomasina. Ny epistilin’i Paoly dia nalahatra “arakaraka ny halavany, manomboka amin’ny lava indrindra (Romana) ka hatramin’ny fohy indrindra (Filemona). Izany no hita ao ao afa-tsy ny epistily ho an’ny Hebreo ihany, izay natao farany satria nisy nisalasala hoe nosoratan’i Paoly ve izany sa tsia” (Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Ny epistilin’i Jakoba ka hatramin’ny Joda dia antsoina hoe Epistily ho an’ny Rehetra “satria tsy nosoratana ho an’ny olon-tokana na sampana manokana an’ny Fiangonana izany” (Bible Dictionary, “General Epistles”). Ny bokin’ny Fanambarana na antsoina hoe Apokalypsy ihany koa dia mirakitra ny torohevitra manokan’i Jaona ilay Malala ho an’ny sampana fito an’ny Fiangonana tany Azia ary koa mirakitra fanambarana nomena an’i Jaona izay ahitana ny tantaran’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny andro farany.

Inona avy ireo Filazantsara efatra?

Ny filazantsara efatra dia ireo boky efatra voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nosoratan’i Matio, Marka, Lioka ary i Jaona, izy ireo dia mirakitra fijoroana ho vavolombelona efatra momba ny fiainan’i Jesoa teto an-tany sy ireo tranga mahakasika ny asa fanompoany. Amin’ny lafiny maro ny bokin’ny 3 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mitovy amin’ireo Filazantsara ary antsoina indraindray hoe “ny Filazantsara Fahadimy.”

“Ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ny voalohany dia nosoratana tamin’ny teny Grika. Ny teny hoe filazantsara amin’ny teny Grika dia midika hoe ‘vaovao mahafaly.’ Ny vaovao mahafaly dia i Jesoa Kristy nanao sorompanavotana izay hanavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ary hanome valisoa ny tsirairay arakaraka ny asany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara,” scriptures.lds.org).

Aiza no ahitako ny fifandraisan’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara efatra?

Azo jerena ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny firindran’ ireo filazantsara, miaraka amin’ny tabilao mampitaha ireo fampianaran’i Jesoa Kristy araka ny voarakitra ao amin’ny Matio, Marka, Lioka, Jaona ary ny fanambarana maoderina.

fifanesen’ny zava-niseho araka ny vanim-potoana tamin’ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany