Ny soratra masina
3 Nefia 1


Nefia fahatelo

Ny bokin’i Nefia
Zanakalahin’i Nefia, izay Zanakalahin’i Helamàna

Ary i Helamàna dia zanakalahin’i Helamàna izay zanakalahin’i Almà, izay zanakalahin’i Almà, izay tamingan’i Nefia izay zanakalahin’i Lehia izay nivoaka avy tao Jerosalema tamin’ny taona voalohan’ny fitondran’i Zedekià, mpanjakan’i Joda.

Toko 1

I Nefia, zanakalahin’i Helamàna, dia nandeha niala ny tany, ary i Nefia zanany no nitana ny rakitsoratra—Na dia sesehena aza ny famantarana sy ny zava-mahagaga, dia nitetika ny handringana ny marina ny ratsy—Tonga ny alin’ny fahaterahan’i Kristy—Nomena ny famantarana ary nitranga ny kintana vaovao—Nitombo ny fandaingana sy ny famitahana, ary nandripaka maro ny jirik’i Gadiantôna. Tokony ho 1–4 taona taorian’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga dia efa lasana ny taona fahiraika amby sivifolo, ary izany dia aeninjato taona taorian’ny fotoana izay nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema; ary izany dia tamin’ny taona izay naha-lohan’ny mpitsara sy governora teo amin’ny tany an’i Lakôneo.

2 Ary i Nefia, zanakalahin’i Helamàna dia efa nandeha niala ny tanin’i Zarahemlà, rehefa nomeny an’i aNefia zanany lahy izay zanany lahimatoa ny andraikitra momba ny btakela-barahina, sy ny rakitsoratra rehetra izay efa nosoratana, ary ireo zavatra rehetra izay efa notanana ho masina hatramin’ny niaingan’i Lehia niala an’i Jerosalema.

3 Rehefa izany dia nandeha izy niala ny tany, ary aizay nalehany dia tsy misy olona mahalala; ary i Nefia zanany lahy dia nitana ny rakitsoratra teo amin’ny toerany, eny, ny rakitsoratr’ity vahoaka ity.

4 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny fiandohan’ny taona faharoa amby sivifolo, dia indro, ny faminanian’ny mpaminany dia nanomboka ho tanteraka tamin’ny fahafenoana bebe kokoa; fa nanomboka nisy famantarana lehibebe kokoa sy fahagagana lehibebe kokoa nitranga teo anivon’ny vahoaka.

5 Nefa nisy ny sasany izay nanomboka nilaza fa efa dila ny fotoana hahatanterahan’ny teny izay efa anolazain’i Samoela ilay Lamanita.

6 Ary nanomboka nifaly tamin’ny rahalahiny izy ireo, nanao hoe: Indro, dila ny fotoana, ary ny tenin’i Samoela dia tsy tanteraka; koa ny fifalianareo sy ny finoanareo momba izany zavatra izany dia foana.

7 Ary ny zava-nitranga dia namelona hotakotaka eran’ny tany izy ireo; ary ny vahoaka kosa izay nino dia nanomboka ho feno alahelo fatratra, fandrao hisy antony mety tsy hitrangan’ireo zavatra izay efa notenenina ireo.

8 Nefa indro, izy dia niandry tamim-piaretana tokoa izany andro izany sy izany alina izany, ary izany andro izany izay tokony ho toy ny andro iray toa tsy misy alina mba hahazoany mahafantatra fa ny finoany dia tsy foana.

9 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nisy andro iray navahan’ny tsy mpino, ka ireo rehetra izay nino ireo fombafomba ireo dia ahovonoina ho faty raha tsy mitranga ny famantarana izay efa nomen’i Samoela ilay mpaminany.

10 Ankehitriny ny zava-nitranga nony nahita izany faharatsian’ny olony izany i Nefia, ilay zanakalahin’i Nefia, dia feno alahelo izaitsizy tokoa ny fony.

11 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nivoaka izy sy niankohoka tamin’ny tany ary nahery nitalaho tokoa tamin’ Andriamaniny ho an’ny olony, eny, ireo izay efa hofongorana noho ny finoany ny fomban-drazany.

12 Ary ny zava-nitranga dia nahery nitalaho tokoa tamin’ny Tompo izy ny amanontolo andro; ary indro, tonga taminy ny feon’ny Tompo, nanao hoe:

13 Atrakao ny lohanao ary mahereza; fa indro, antomotra ny fotoana ary anio alina dia homena ny famantarana, ary arahampitso Aho dia ho tonga eo amin’izao tontolo izao haneho amin’izao tontolo izao fa Izaho dia hanatanteraka izay rehetra efa bnampiteneniko tamin’ny vavan’ny mpamin’nyniko masina.

14 Indro, atonga any amin’ny Ahy Aho, bhanatanteraka ny zavatra rehetra izay efa nampahafantariko ny zanak’olombelona hatry ny dfanorenana izao tontolo izao sy hanao ny sitrapo, edia ny an’ny Ray sy ny an’ny Zanaka—ny an’ny Ray noho ny Amiko ary ny an’ny Zanaka noho ny nofoko. Ary indro, antomotra ny fotoana, ary izao alina izao no homena ny famantarana.

15 Ary ny zava-nitranga dia tanteraka ny teny izay tonga tamin’i Nefia araka izay efa nitenenana azy ireny; fa indro, tamin’ny filentehan’ny masoandro dia atsy nisy haizina; ary nanomboka ho talanjona ny vahoaka, satria tsy nisy haizina nony tonga ny alina.

16 Ary nisy ireo maro izay tsy nino ny tenin’ny mpaminany no anianjera tamin’ny tany sy nanjary toy ny maty, satria fantany fa ny btetika lehiben’ny famongorana izay efa nokononkononiny ho an’ireo izay nino ny tenin’ny mpaminany dia efa voasampona; fa ny famantarana izay efa nomena dia mby eo sahady.

17 Ary nanomboka nahafantatra izy ireo fa ny Zanak’ Andriamanitra dia tsy maintsy hiseho tsy ho ela; eny, raha fintinina, ny vahoaka rehetra eran’ny lafin’ny tany manontolo hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, na ao amin’ny tany avaratra na ao amin’ny tany atsimo, dia talanjona izaitsizy tokoa ka nianjera tamin’ny tany.

18 Satria fantany fa ny mpaminany dia efa nanambara ny amin’ireo zavatra ireo nandritra ny taona maro, fa ny famantarana izay efa nomena dia mby eo sahady; ary nanomboka natahotra izy noho ny helony sy ny tsy finoany.

19 Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy haizina nandritra izany manontolo alina izany, fa izany kosa dia nazava toy ny mitataovovonana. Ary ny zava-nitranga dia niposaka indray ny masoandro tamin’ny maraina, araka ny laminy ihany; ary nahafantatra izy fa izany no andro izay ho anahaterahan’ny Tompo, noho ny famantarana izay efa nomena.

20 Ary izany dia efa nitranga, eny, ny zava-drehetra, ny lafiny tsirairay, araka ny tenin’ny mpaminany.

21 Ary ny zava-nitranga koa dia akintana vaovao iray no niseho, araka ny teny.

22 Ary ny zava-nitranga dia hatramin’izay fotoana izay no nanomboka nisy fandaingana nalefan’i Satana tany anivon’ny vahoaka, hanamafy ny fony, ka ny fikasana dia ny tsy hahazoany mino ireo famantarana sy ny zava-mahagaga izay efa hitany; nefa na dia teo aza ireo fandaingana sy famitahana ireo, ny ankamaroan’ny olona dia nino sy niova fo ho an’ny Tompo.

23 Ary ny zava-nitranga dia nandeha tany anivon’ny vahoaka i Nefia, sy ny maro hafa koa, nanao batisa ho amin’ny fibebahana, fa tamin’izany no nisy ny afamelana lehibe ny fahotana. Ary dia toy izany no nanombohan’ny olona indray nanana fandriampahalemana teo amin’ny tany.

24 Ary tsy nisy fifandirana, raha tsy noho ny fisian’ny vitsivitsy izay nanomboka nitory, niezaka nanaporofo tamin’ny soratra masina fa tsy ailaina intsony ny mitandrina ny lalàn’i Mosesy. Ankehitriny tamin’izany zavatra izany dia diso hevitra izy, azon’ny tsy fahatakarana ny soratra masina.

25 Nefa ny zava-nitranga dia tsy ela izy dia nanjary niova fo sy resy lahatra ny amin’ny hadisoana izay nisy azy, satria nampahafantarina azy fa ny lalàna dia tsy mbola atanteraka, ary izany dia tsy maintsy tanteraka amin’ny lafiny tsirairay; eny, tonga taminy ny teny fa izany dia tsy maintsy tanteraka; eny, ka na litera iray na tendron-tsoratra iray dia tsy ho foana mandra-pahatanteraka izany avokoa; koa tamin’izany taona izany ihany izy dia nentina ho amin’ny fahalalana ny hadisoany ary bnibaboka ny fahadisoany izy.

26 Ary dia toy izany no nandalovan’ny taona faharoa amby sivifolo, nitondra vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka noho ny famantarana izay nitranga, araka ny tenin’ny faminanian’ny mpaminany masina rehetra.

27 Ary ny zava-nitranga dia nandalo koa tao amin’ny fandriampahalemana ny taona fahatelo amby sivifolo, raha tsy noho ny fisian’ny ajirik’i Gadiantôna, izay nonina tany an-tendrombohitra, izay nanenika ny tany; fa nahery loatra ny toeram-pamaharany sy ny toerany miafina ka ny vahoaka dia tsy afaka nandresy azy ireo; noho izany izy ireo dia nahavita vonoan’olona maro, sy nanao fandringanana betsaka teo anivon’ny vahoaka.

28 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahefatra amby sivifolo, dia nanomboka nitombo be izaitsizy izy ireo, satria nisy maro ny mpiendaka tamin’ny Nefita izay nilefa nankany aminy, izay nahatonga alahelo fatratra ho an’ireo Nefita izay nijanona teo amin’ny tany.

29 Ary nisy koa anton’alahelo fatratra tany anivon’ny Lamanita; fa indro, izy dia nanana zanaka maro izay nitombo sy nanomboka ho nihanatanjaka araka ny taona, ka dia nanjary tompon’ny tenany izy, sy voatariky ny sasany izay aZôramita tamin’ny fandaingany sy ny teny manasohasony, hitambatra amin’ireo jirik’i Gadiantôna ireo.

30 Ary dia toy izany no nampahory koa ny Lamanita izay nanomboka nihena raha ny momba ny finoany sy ny fahamarinany, noho ny faharatsian’ny taranaka vao misondrotra.