Ny soratra masina
Helamàna 16


Toko 16

Ny Nefita izay nino an’i Samoela dia nataon’i Nefia batisa—I Samoela dia tsy hay novonoina tamin’ny zanatsipika sy ny vaton’ny Nefita tsy mety mivalo—Nanamafy ny fony ny sasany, nahita anjely ny hafa—Nilaza ny tsy mpino fa tsy fahendrena ny mino an’i Kristy sy ny fiaviany any Jerosalema. Tokony ho 6–1 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga dia nisy maro no nandre ny tenin’i Samoela ilay Lamanita, izay noteneniny teo amin’ny mandan’ny tanàna. Ary izay rehetra nino ny teniny dia nandeha sy nitady an’i Nefia; ary nony efa nandeha ireo sy nahita azy dia niaiky taminy ny fahotany sady tsy nandà, fa naniry ny hahazoana manao batisa azy ireo ho an’ny Tompo.

2 Fa izay rehetra tsy nino ny tenin’i Samoela kosa dia tezitra taminy; ary nitora-bato azy teo amin’ny manda, ary koa nandefa zanatsipika maro teny aminy raha nijoro teo amin’ny manda izy; saingy niaraka taminy ny Fanahin’ny Tompo, hany ka tsy nety nahavoa azy tamin’ny vatony na ny zanatsipikany ireo.

3 Ankehitriny nony nahita izy ireo fa tsy nety nahavoa azy, dia nisy maro no nino ny teniny, hany ka nandeha ireo nankany amin’i Nefia mba hatao batisa.

4 Fa indro, i Nefia dia nanao batisa sy naminany ary nitory, niantso fibebahana tamin’ny vahoaka, naneho famantarana sy zava-mahazendana, nanao afahagagana teo anivon’ny vahoaka hahazoany mahafantatra fa tsy maintsy ho avy btsy ho ela i Kristy—

5 Niteny taminy ny amin’ny zavatra izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela mba hahazoany mahafantatra sy mahatsiaro amin’ny fotoana iavian’ireny fa ireny dia efa nampahafantarina azy ireo mialoha, ka ny fikasana dia ny hahazoany mino; koa izay rehetra nino ny tenin’i Samoela dia nandeha nankany aminy hatao batisa, fa tonga izy ireo, nibebaka sy niaiky ny fahotany.

6 Nefa ny ankamaroany dia tsy nino ny tenin’i Samoela; koa nony nahita izy ireo fa tsy nety nahavoa azy tamin’ny vatony sy ny zanatsipikany, dia nantsoiny ny kapiteniny, nataony hoe: Alao io lehilahy io ary afatory izy, fa indro manana devoly izy; ary noho ny herin’ny devoly izay ao aminy dia tsy mety mahavoa azy amin’ny vatonay sy ny zanatsipikanay izahay; koa alao izy sy afatory ary ento any.

7 Ary raha nandroso ireo hisambotra azy, dia indro nitsambikina ny tenany nidina avy teny amin’ny manda ary nandositra niala ny taniny, eny, nankany amin’ny faritaniny ihany ary nanomboka nitory sy naminany tany anivon’ny vahoakany ihany.

8 Ary indro, tsy re na oviana na oviana intsony tany anivon’ny Nefita ny aminy; ary dia toy izany no raharahan’ny vahoaka.

9 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahenina amby valopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

10 Ary dia toy izany koa no nifaranan’ny taona fahafito amby valopolon’ny fitondran’ny mpitsara, fa ny ankamaroan’ny vahoaka dia nijanona tao amin’ny fiavonavonany sy ny faharatsiany, ary ny ankavitsiana kosa dia nandeha tamim-pahamalinana be tokoa teo anoloan’ Andriamanitra.

11 Ary dia ireo koa no zava-nisy tamin’ny taona fahavalo amby valopolon’ny fitondran’ny mpitsara.

12 Ary tsy nisy afa-tsy fiovana kely teo amin’ny raharahan’ny vahoaka, tsy nisy afa-tsy vahoaka izay nanomboka ho nihamafy tao amin’ny heloka sy nanao hatrany hatrany izay nifanohitra tamin’ny didin’ Andriamanitra, tamin’ny taona fahasivy amby valopolon’ny fitondran’ny mpitsara.

13 Nefa ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahasivifolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nisy afamantarana lehibe nomena ny vahoaka sy zava-mahagaga; ary bnanomboka ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany.

14 Ary ny aanjely dia niseho tamin’ny olona, ny olon-kendry ary nanambara taminy vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe; dia toy izany no nanombohan’ny soratra masina ho tanteraka tamin’izany taona izany.

15 Na dia teo aza izany, dia nanomboka nanamafy ny fony ny vahoaka, ny rehetra afa-tsy ny ampahany tena mpino taminy, na tamin’ny Nefita izany na koa tamin’ny Lamanita, ary nanomboka niantehitra tamin’ny heriny ihany sy tamin’ny afahendreny ihany, nanao hoe:

16 Mety nanana fanombatombanana marina izy ireo tamin’ireo maro tokoa; nefa indro, fantatsika fa ireo asa lehibe sy mahatalanjona rehetra ireo izay efa voaresaka dia tsy afaka hitranga.

17 Ary izy ireo dia rafitra nifandahatra sy nifanditra teo anivon’izy samy izy, nanao hoe:

18 aTsy mety ny fiheverana fa ny toa an’i Kristy dia ho avy; raha izany, ary raha Zanak’ Andriamanitra Izy, ny Rain’ny lanitra sy ny tany, toy ny efa voalaza, nahoana Izy no tsy haneho ny tenany amintsika ary koa amin’ireo izay ao Jerosalema?

19 Eny, nahoana Izy no tsy haneho ny tenany eo amin’ity tany ity ary koa eo amin’ny tanin’i Jerosalema?

20 Nefa indro, fantatsika fa izany dia afomba ratsy izay efa natolotry ny razantsika antsika, mba hanao izay hinoantsika ny zavatra lehibe sy mahatalanjona sasany izay tokony hitranga, saingy tsy eto amintsika fa any an-tany iray kosa izay lavitra, tany iray izay tsy fantatsika; noho izany dia azony tanana ao amin’ny tsy fahalalana isika, satria tsy afaka mijoro ho bvavolombelona manatri-maso isika fa marina izany.

21 Ary amin’ny alalan’ny hafetsena sy ny hakingana kononkononin’ilay ratsy no hanaovan’izy ireo mistery lehibe izay tsy haintsika takarina, izay hitana antsika ho ambany ka ho mpanompon’ny teniny, ary koa ho mpanompony, satria miantehitra amin’izy ireo isika hampianatra antsika ny teny; ary dia toy izany no hitanany antsika ao amin’ny tsy fahalalana raha manaiky azy ireo ny tenantsika, mandritra ny androm-piainantsika rehetra.

22 Ary zavatra maro kokoa no nosaintsainin’ny vahoaka tao am-pony, izay fahadalana sy azava-poana; ary tsy tafandry mandry fatratra izy, satria i Satana dia namoky azy hanao heloka lalandava; eny, izy dia nivezivezy nanely tsaho sy fifandirana eran’ny lafin-tany rehetra mba hahazoany manamafy ny fon’ny vahoaka hanohitra izay tsara sy hanohitra izay tokony ho avy.

23 Ary na dia teo aza ny famantarana sy ny zava-mahagaga izay notontosaina teo anivon’ny vahoakan’ny Tompo, ary ny fahagagana maro izay nataon’izy ireo, i Satana dia nahazo vahana lehibe tamin’ny fon’ny vahoaka eran’ny lafiny rehetra tamin’ny tany.

24 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahasivifolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

25 Ary dia toy izany no nifaranan’ny bokin’i Helamàna, araka ny rakitsoratr’i Helamàna sy ny zanany lahy.