Ny soratra masina
Helamàna 12


Toko 12

Tsy mahatombin-tsiraka sy adala ary mailaka amin’ny fanaovan-dratsy ny olona—Nofaizin’ny Tompo ny olony. Nampitahaina ny herin’ Andriamanitra sy ny maha-tsinontsinona ny olona—Amin’ny andron’ny fitsarana, ny olona dia hahazo ny fiainana maharitra mandrakizay na ny fanamelohana maharitra mandrakizay. Tokony ho 6 taona talohan’i Kristy.

1 Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita ny mahadiso, ary koa ny tsy fitombenan’ny fon’ny zanak’olombelona; eny, ahafahantsika mahita fa ny Tompo, ao amin’ny hatsarany lehibe tsisy fetra, dia mitahy sy amampiroborobo ireo izay mametraka ny bfitokiany Aminy.

2 Eny, sy ahazoantsika mahita fa amin’ny fotoana indrindra izay ampiroboroboany ny olony, eny, amin’ny fampitomboana ny sahany, ny biby fiompiny, ary amin’ny volamena sy amin’ny volafotsy ary amin’izay rehetra mety ho zava-tsarobidy isan-karazany sy zava-kanto; ny fitsimbinana ny ainy sy ny fanafahana azy hiala eo an-tanan’ny fahavalony; ny fanalefahana ny fon’ny fahavalony mba tsy hamakiany ady aminy; eny, ary raha fintinina, ny fanaovana ny zava-drehetra ho fiadanana sy ho fahasambaran’ny olony; eny, dia amin’izay fotoana izay no aanamafisany ny fony sy anadinoany ny Tompo Andriamaniny ary banosihoseny amin’ny tongony ny Iray Masina—eny, ary izany dia noho ny fiadanany sy ny firoboroboany lehibe izaitsizy tokoa.

3 Ary dia toy izany no ahitantsika fa raha tsy amanafay ny olony amin’ny fahoriana maro ny Tompo, eny, raha tsy mamangy azy amin’ny fahafatesana sy amin’ny horohoro, ary amin’ny mosary sy amin’ny karazan’areti-mandringana rehetra Izy, dia tsy bhahatsiaro Azy izy.

4 Ô adala ery sy tsinontsinona ery ary ratsy ery, ary devoly toetra ery sy amailaka ery hanao heloka ary mitaredretra ery ny hanao ny tsara ny zanak’olombelona; eny, mailaka ery ny hihaino ny tenin’ilay ratsy sy ny hametraka ny bfony amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao!

5 Eny, mailaka ery ny ho tafasondrotra ao amin’ny afiavonavonana; eny mailaka ery ny hirehaka sy hanao ny fomba rehetra izay meloka; ary mitaredretra ery ny hahatsiaro ny Tompo Andriamaniny sy ny hampandry sofina amin’ny toroheviny, eny, mitaredretra ery ny bhandeha amin’ny lalan’ny fahendrena!

6 Indro, tsy iriany ny Tompo Andriamaniny izay efa anahary azy mba bhanapaka sy hanjaka aminy; na dia eo aza ny hatsarany lehibe sy ny famindram-pony taminy, dia ataony tsinontsinona ny toroheviny ary tsy tiany ny hanana Azy ho mpitari-dalana azy.

7 Ô lehibe ery ny amahatsinontsinona ny zanak’olombelona; eny, izy dia ambany noho ny vovoky ny tany.

8 Fa indro, ny vovoky ny tany dia mihetsika manketsy sy mankeroa, misaratsaraka noho ny didin’ny Andriamanitsika lehibe sy maharitra mandrakizay.

9 Eny, indro noho ny feony, ny havoana sy ny tendrombohitra dia mangovitra sy amihorohoro.

10 Ary noho ny aherin’ny feony dia montsana ireny ary zary milamaka, eny, dia tahaka ny lohasaha.

11 Eny, noho ny herin’ny feony, ny atany manontolo dia mihorohoro;

12 Eny, noho ny herin’ny feony, ny fototra dia miraika, na dia hatrany amin’ny ivony aza.

13 Eny, raha hoy Izy amin’ny tany—Mifindrà—dia afindra izany.

14 Eny, raha hoy Izy amin’ny atany—Ianao dia bhandeha mianotra mba dhanalava ny andro mandritra ny ora maro—dia atao izany;

15 Ary dia toy izany, araka ny teniny no andehanan’ny tany mianotra, ary manjary toy ny tsy mihetsika ny masoandro amin’ny olona; eny, ary indro, izany no izy; satria marina tokoa fa ny tany no mihetsika fa tsy ny masoandro.

16 Ary indro, koa, raha milaza amin’ny aranon’ny hantsana lehibe Izy—bAoka ianao ho maina—dia atao izany.

17 Indro, raha hoy Izy amin’ity tendrombohitra ity—Aoka ianao hiainga sy ahanatona ary hianjera amin’ity tanàna ity mba halevina izany—dia indro atao izany.

18 Ary indro, raha amanafina harena ao anaty tany ny olona iray ary hoy ny Tompo—Aoka ho bvoaozona izany, noho ny helok’ilay efa nanafina izany—indro, izany dia ho voaozona.

19 Ary raha hoy ny Tompo—Aoka ianao ho voaozona, ka tsy hisy olona hahita anao hatramin’izao fotoana izao ary ho mandrakizay—indro, tsy hisy olona hahazo izany hatramin’izao ka ho mandrakizay.

20 Ary indro, raha hoy ny Tompo amin’ny olona iray—Noho ny helokao, dia ho voaozona mandrakizay ianao—dia hatao izany.

21 Ary raha hoy ny Tompo—Noho ny helokao dia hoesorina hiala eo anatrehako ianao—Izy dia hanao izay hahatò izany.

22 Ary lozan’izay hilazany izany, fa izany dia ho to amin’izay hanao heloka, ary tsy azo vonjena izy; koa, noho izany antony izany mba hahazoana mamonjy ny olona no efa nanambarana ny fibebahana.

23 Noho izany dia hotahiana ireo izay mibebaka sy mihaino ny feon’ny Tompo Andriamaniny; fa izy ireo no ireo izay ahovonjena.

24 Ary enga anie ka hotovin’ Andriamanitra, ao amin’ny fahafenoany lehibe ny hahazoana mitondra ny olona mankamin’ny fibebahana sy ny asa tsara mba hahazoana mamerina aminy fahasoavana ho solon’ny afahasoavana, araka ny asany.

25 Ary mba tiako ny hahazoana mamonjy ny olona rehetra. Nefa vakintsika fa amin’ny andro lehibe sady farany dia misy ny sasany izay hatsipy any ivelany, eny, izay hoesorina hiala avy eo anatrehan’ny Tompo;

26 Eny, izay hahiboka ao amin’ny toetry ny fahoriana tsisy fiafarany hahatanteraka ny teny izay milaza hoe: Ireo izay efa nanao ny tsara no hanana ny afiainana maharitra mandrakizay; ary ireo izay efa nanao ny ratsy no hanana ny bfanamelohana maharitra mandrakizay. Ary dia toy izany no izy. Amena.