Ny soratra masina
Helamàna 9


Toko 9

Nahita ny lohan’ny mpitsara maty teo amin’ny toeram-pitsarana ny iraka—Naiditra am-ponja izy ireo ary nafahana tato aoriana—Tamin’ny fitaoman’ny fanahy no namantaran’i Nefia an’i Seantoma ho mpamono—Neken’ny sasany ho mpaminany i Nefia. Tokony ho 23–21 taona talohan’i Kristy.

1 Indro, ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa niteny ireo teny ireo i Nefia, ny olona sasany izay teo anivony dia nihazakazaka nankany amin’ny toeram-pitsarana; eny, nisy dimy no nandeha, ary nifampiresaka izy samy izy raha nandeha, hoe:

2 Indro, ankehitriny dia ho fantatsika marina tokoa raha mpaminany io lehilahy io ary raha Andriamanitra no efa nandidy azy haminany zavatra mampitolagaga toy izany amintsika. Indro, isika dia tsy mino fa Izy no efa nanao izany; eny, isika dia tsy mino fa mpaminany izy; kanefa, raha ity zavatra izay efa nolazainy momba ny lohan’ny mpitsara ity no marina fa maty izy, dia hino isika amin’izany fa ny teny hafa izay efa noteneniny dia marina.

3 Ary ny zava-nitranga dia nihazakazaka tamin’ny heriny izy ireo ary niditra tao amin’ny toeram-pitsarana; ary indro, ny lohan’ny mpitsara efa lavo tamin’ny tany sy anandry teo amin’ny rany.

4 Ary ankehitriny indro, nony hitany izany dia talanjona izaitsizy tokoa izy ireo, hany ka lavo tamin’ny tany; satria tsy ninoany ny teny izay efa notenenin’i Nefia momba ny lohan’ny mpitsara.

5 Saingy ankehitriny, rehefa nahita izy ireo dia nino, ary tonga taminy ny tahotra fandrao ny famaliana rehetra izay efa notenenin’i Nefia dia ho tonga amin’ny vahoaka; koa nihorohoro izy ireo ary lavo tamin’ny tany.

6 Ankehitriny, raha vantany vao nisy namono ny mpitsara—rehefa notombohan’ny rahalahiny izy, araka ny tetika miafina, ka nandositra izy, dia nihazakazaka ireo mpanompo ary nilaza tamin’ny vahoaka, namelona antso momba ny vonoan’olona teo anivony;

7 Ary indro, ny vahoaka dia niara-nifamory teo amin’ny toeram-pitsarana—ary indro, akory ny fitalanjonany nahita ireo dimy lahy ireo izay efa lavo tamin’ny tany.

8 Ary ankehitriny, indro, ny vahoaka dia tsy nahalala na inona na inona momba ny valalabemandry izay efa niara-nivory teo amin’ny asahan’i Nefia; noho izany dia niresaka izy samy izy hoe: Ireto lehilahy ireto no ireo izay efa namono ny mpitsara, ary efa nasian’ Andriamanitra ireo ka tsy afaka nandositra antsika.

9 Ary ny zava-nitranga dia nohazoniny izy ireo sy nafatony ary natsipiny tao am-ponja. Ary nisy filazana nalefa hatraiza hatraiza fa nisy namono ny mpitsara ary ny mpamono dia efa nentina sy natsipy tao am-ponja.

10 Ary ny zava-nitranga ny ampitso dia niara-nifamory ny vahoaka hisaona sy ahifady hanina amin’ny fandevenana ny lohan’ny mpitsara lehibe izay efa nisy namono.

11 Ary dia toy izany koa ireo mpitsara izay tao amin’ny sahan’i Nefia sy nandre ny teniny dia niara-nifamory koa tamin’ny fandevenana.

12 Ary ny zava-nitranga dia nanadina ny vahoaka teo izy ireo, nanao hoe: Aiza ny dimy izay nalefa hanadihady momba ny lohan’ny mpitsara raha maty izy? Ary namaly izy sy niteny hoe: Ny momba izany dimy izay lazainareo fa efa nalefanareo izany dia tsy fantatray; fa misy kosa dimy, dia ireo mpamono izay efa natsipinay tao am-ponja.

13 Ary ny zava-nitranga dia naniry ny hitondrana azy ireo ny mpitsara; ary nentina ireo, ary indro, ireo no dimy izay nirahina; ary indro, nanadina azy ireo ny mpitsara mba hahalala ny momba ilay raharaha, ary nolazainy taminy izay rehetra efa nataony, nanao hoe:

14 Nihazakazaka izahay ary tonga tao amin’ny sehatry ny toeram-pitsarana, ary nony hitanay fa ny zava-drehetra dia tahaka izay efa nambaran’i Nefia, dia talanjona izahay hany ka lavo tamin’ny tany; ary nony efa nahatsiaro tena avy tao amin’ny fitalanjonanay izahay, dia indro natsipin’izy ireo tao am-ponja.

15 Ankehitriny, raha ny amin’ny famonoana an’ity lehilahy ity, dia tsy fantatray izay efa nanao izany; ary izao ihany no fantatray, nihazakazaka izahay sy tonga araka ny fanirianareo, ary indro efa maty izy araka ny tenin’i Nefia.

16 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nanazava ny raharaha tamin’ny vahoaka ny mpitsara sy nihiaka mafy nanohitra an’i Nefia, nanao hoe: Indro, fantatsika fa ity Nefia ity dia tsy maintsy ho efa nifanaiky tamin’ny sasany mba hamono ny mpitsara, ary amin’izany dia ho azony ambara amintsika izany mba hahazoany mampiova ny fontsika ho amin’ny finoany, mba hahazoany manangana ny tenany ho lehilahy lehibe, nofinidin’ Andriamanitra ary mpaminany.

17 Ary ankehitriny, indro, hofotorantsika ity lehilahy ity, ary hiaiky ny hadisoany izy sy hampahafantatra antsika ny tena namono io mpitsara io.

18 Ary ny zava-nitranga dia nafahana tamin’ny andron’ny fandevenana ireo dimy. Na dia teo aza izany, dia nandevilevy ny mpitsara izy ireo noho ny teny izay efa noteneniny hanoherana an’i Nefia ka nifanditra tamin’ny tsirairay hany ka izy ireo dia nampangaihay azy.

19 Na dia teo aza izany, dia nasainy nalaina sy nafatotra ary nentina teo anoloan’ny valalabemandry i Nefia, ary izy ireo dia nanomboka nanontany azy tamin’ny fomba samihafa mba hahazoany mampifanohitra ny teniny mba hahazoany miampanga azy ho faty—

20 Nanao taminy hoe: Ianao dia mpiray tsikombakomba; iza no lehilahy izay efa nanao ity famonoana ity? Ankehitriny lazao anay, ary miaike ny hadisoanao; niteny hoe: Indro ny vola; ary avelanay aminao koa ny ainao raha milaza aminy ianao sy miaiky ny fifanekena izay efa nataonao taminy.

21 Nefa hoy i Nefia taminy: Ô, aadala ianareo, tsy voafora fo, jamba, ary olona bmafy hatoka, moa fantatrareo mandra-pahoviana ny Tompo Andriamanitrareo no hamela anareo handeha amin’izao lalan’ny fahotanareo izao?

22 Ô, ianareo dia tokony hanomboka hidradradradra sy ahitomany, noho ny famongorana lehibe izay miandry anareo amin’izao fotoana izao, raha tsy mibebaka ianareo.

23 Indro, milaza ianareo fa efa nifanaiky tamin’ny lehilahy iray aho mba hamonoany an’i Sezôrama lohan’ny mpitsarantsika. Nefa indro, lazaiko aminareo, fa izany dia satria efa nanambara taminareo aho mba hahazoanareo mahafantatra ny momba izany zavatra izany; eny, ho vavolombelona aminareo mihitsy fa izaho dia nahalala ny amin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana izay eo anivonareo.

24 Ary satria efa nataoko izany, dia milaza ianareo fa efa nifanaiky tamin’ny lehilahy iray aho mba hanaovany izao zavatra izao; eny, satria nasehoko anareo izao famantarana izao, dia tezitra amiko ianareo sy mikatsaka ny hamongotra ny aiko.

25 Ary ankehitriny, indro, haneho famantarana iray hafa aminareo aho, ary ho hitako raha hikatsaka ny hamongotra ahy ianareo amin’izany zavatra izany.

26 Indro lazaiko aminareo: Mandehana any an-tranon’i Seantoma izay arahalahin’i Sezôrama ary lazao aminy—

27 Moa i Nefia, ilay mihambo ho mpaminany, izay mamin’ny zava-dratsy betsaka tokoa momba ity vahoaka ity efa nifanaiky taminao, ka tamin’izany no efa namonoanao an’i Sezôrama izay rahalahinao?

28 Ary indro, hilaza aminareo izy hoe: Tsia.

29 Ary hilaza aminy ianareo hoe: Efa namono ny rahalahinao va ianao?

30 Ary hijoro amin-tahotra izy ary tsy hahita izay holazaina. Ary indro handà aminareo izy; ary mody hanao gaga izy; kanefa dia hambarany aminareo fa tsy manan-tsiny izy.

31 Nefa indro, hozahanareo izy, ary ho hitanareo ny ra amin’ny sisin-dambany.

32 Ary rehefa mahita izany ianareo, dia hilaza ianareo hoe: Avy taiza no niavian’ity ra ity? Tsy fantatsika va fa ran’ny rahalahinao ity?

33 Ary amin’izany izy dia hangovitra sy hivaloarika, miova tsy ny efa tonga taminy ny fahafatesana.

34 Ary amin’izany ianareo dia hilaza hoe: Noho izao tahotra izao izay efa tonga eo amin’ny tavanao izay mivaloarika izao, dia indro fantatray fa meloka ianao.

35 Ary amin’izany dia ho tonga aminy ny tahotra lehibe kokoa; ary amin’izany dia hiaiky aminareo izy ary tsy handà intsony fa izy no efa nanao izao vonoan’olona izao.

36 Ary amin’izany dia hilaza aminareo izy fa izaho Nefia dia tsy mahalala na inona na inona momba ilay toe-draharaha raha tsy nomena ahy izany tamin’ny herin’ Andriamanitra. Ary ho fantatrareo amin’izany fa lehilahy marin-toetra sady irahin’ Andriamanitra hankaty aminareo aho.

37 Ary ny zava-nitranga dia nandeha ireo sy nanao araka ny efa nolazain’i Nefia taminy. Ary indro, ny teny izay efa nolazainy dia marina; fa nandà izy araka ny teny; ary niaiky koa izy araka ny teny.

38 Ary nentina izy hanaporofo fa izy tenany no tena namono, hany ka nomena fahafahana ny dimy ary i Nefia koa.

39 Ary nisy ny sasany tamin’ny Nefita izay nino ny tenin’i Nefia; ary nisy ny sasany koa izay nino noho ny fanambaran’ireo dimy, satria efa niova fo izy ireo raha mbola tao am-ponja.

40 Ary ankehitriny dia nisy ny sasany teo anivon’ny vahoaka izay nilaza fa mpaminany i Nefia.

41 Ary nisy ny hafa izay nilaza: Indro, andriamanitra izy, fa raha tsy andriamanitra izy dia tsy ho afaka ny hahalala ny amin’ny zava-drehetra. Satria indro, efa niteny tamintsika ny fisaintsainan’ny fontsika izy, ary efa nilaza zavatra tamintsika koa; ary efa nentiny mihitsy ho fantatsika ny tena mpamono ny lohan’ny mpitsarantsika.