Ny soratra masina
3 Nefia 30


Toko 30

Nodidina ny Jentilisan’ny andro farany hibebaka, hanatona an’i Kristy ary horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely. Tokony ho 34–35 taona taorian’i Kristy.

1 Mihainoa, ianareo ry Jentilisa, ary henoy ny tenin’i Jesoa Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, izay efa anandidy ahy ny hiresahako momba anareo, fa, indro mandidy ahy, Izy hanoratako, manao hoe:

2 Mihodina, ianareo aJentilisa rehetra, hiala amin’ny lalana ratsinareo; ary bmibebaha amin’ny fanao ratsinareo, amin’ny fandainganareo sy ny famitahanareo, ary amin’ny fijangajanganareo sy amin’ny fahavetavetana miafinareo, ary ny fanompoan-tsampinareo sy amin’ny famonoanareo olona, ary ny komiberaky ny mpisoronareo sy ny fialonanareo ary ny ady antsanganareo, ary hiala amin’ny faharatsianareo sy ny fahavetavetanareo rehetra, ary mankanesa aty Amiko, ka aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoanareo mandray ny famelana ny fahotanareo, ary hofenoina ny Fanahy Masina ianareo mba hahazoana dmanisa anareo miaraka amin’ny oloko izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely.