Tahirim-pitaovana
Lesona 152: Apokalypsy 2–3


Lesona 152

Apokalypsy 2–3

Fampidirana

Nanoratra tamin’ireo anjely fito na ireo mpanompon’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana tany Asie Mineure i Jaona ary nampita ny teny feno fiderana sy fanitsiana ary fampitandreman’ny Tompo ho an’ireo Olomasina. Nampidirin’i Jaona tao ihany koa ireo fampanantenana momba ny fisandratana ho an’ireo izay mandresy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 2–3

Manoratra ny tenin’i Jesoa Kristy amin’ireo mpitarika ao amin’ireo fiangonana fito i Jaona

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka izay notantarain’ny Rahavavy Sydney S. Reynolds, mpanolotsaina taloha tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra azon’izy ireo ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io tantara io.

Sydney S. Reynolds

“Nipetraka nandritra ny taona maro tany Brésil Rahavavy Gayle Clegg ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany sy ny vadiny. Vao haingana izy no nahazo andraikitra ho any Japana amin’ny maha-mpitarika azy ao amin’ny Kilonga. Rehefa niditra tao amin’ny trano fiangonana izy ny alahady dia nahatsikaritra fianakaviana Breziliana teo anivon’ireo Olomasina Japôney. … Iray minitra monja no nananany mba hiarahabana azy ireo dia hitany fa nafana fo ery ilay renim-pianakaviana sy ny zanany saingy tsikariny fa toa tsy dia be teny kosa ilay raim-pianakaviana. ‘Hanana fahafahana hiresahana amin’izy ireo aho aorian’ny fivoriana,’ hoy izy tao an’eritreriny teo am-pitarihana azy haingankaingana ho eny amin’ny lampihazo. Nozarainy tamin’ny teny Anglisy ny hafany, izay nadika tamin’ny teny Japôney, ary taorian’izay izy dia nahatsapa fitaomam-panahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany tamin’ny teny Pôrtogey ihany koa. Nisalasala izy satria tsy nisy mpandika teny tamin’ny teny Pôrtogey, ary ny 98 isanjaton’ny olona dia tsy hahatakatra ny zavatra lazainy.

“Taorian’ilay fivoriana dia nanatona azy ilay raim-pianakaviana Breziliana ka niteny hoe ‘Rahavavy a, tena hafa be mihitsy ny kolontsaina aty ary irery nandritra ny fotoana naharitraritra aho. Sarotra ny mandeha aty am-piangonana kanefa tsy mahatakatra na inona na inona. Indraindray aho dia manontany tena raha toa ka mety amiko kokoa ny mamaky fotsiny ny soratra masina any an-trano. Nilaza tamin’ny vadiko aho hoe: “Andraso fa mbola hanandrana indray mandeha aho,” ka dia tonga aho androany, izay noheveriko fa ho fotoana farany hankanesako aty am-piangonana. Rehefa nizara fijoroana ho vavolombelona tamin’ny teny Pôrtogey ianao dia nikasika ny foko ny Fanahy, ka dia fantatro fa ato no tokony hisy ahy. Fantatr’ Andriamanitra fa eto aho ary hanampy ahy Izy’” (“He Knows Us; He Loves Us,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 76).

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io zavatra niainana io?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny tsy feno ity: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo … Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 2–3 mba hitady ireo fahamarinana izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra azon’ny Tompo atao ho azy ireo satria mahafantatra azy ireo Izy.

Hazavao fa ny Apokalypsy 2–3 dia ahitana ny firaketan’i Jaona ny tenin’i Jesoa Kristy ho an’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ireo Fiangonana fito tao Asie Mineure (Turquie amin’izao fotoana izao).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:1–3, 6 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra fantatry ny Tompo mikasika ireo Olomasina tao Efesosy.

  • Inona no fantatry ny Tompo mikasika ireo Olomasina tao Efesosy? (Hazavao fa ilay teny hoe Nikolaita [andininy 6] dia mety nentina niantsoana vondrona iray ka ny mpikambana tao anatin’izany dia nanambara fa afaka nandika ny lalàn’ny fahadiaovam-pitondrantena izy ireo kanefa tsy voasazy satria hanavotra azy ireo ny fahasoavan’ Andriamanitra [jereo ny Bible Dictionary, “Nicolaitans”].)

Hazavao fa ireo andininy ireo dia milaza fa ny Tompo dia nandoka na nidera ny Olomasina noho ny asa tsara nataon’izy ireo. Ampio ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba ho lasa toy izao manaraka izao: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo dia afaka midera antsika manokana Izy …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay zavatra hafa fantatry ny Tompo momba ireo Olomasina tao Efesosy.

  • Inona koa ny zavatra fantatry ny Tompo momba ireo Olomasina tao Efesosy?

Hazavao fa nanitsy ireo Olomasina ny Tompo noho ny fahotan’izy ireo. Fenoy tanteraka ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hampita ity fahamarinana manaraka ity: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo dia afaka midera sy manitsy antsika manokana Izy.

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mandray dera sy fanitsiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo?

  • Misy fiantraikany eo amin’ny fomba hanaovantsika ny fandalinantsika manokana ny soratra masina sy ny vavaka amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa afaka midera sy manitsy antsika manokana ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany mitondra fiantraikany eo amin’ny fomba fihetsitsika manoloana ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana sy ireo ray aman-drenintsika?

  • Nahoana isika no tokony hanao ezaka hikatsaka dera sy fanitsiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo?

  • Oviana ianareo no nahazo dera na fanitsiana manokana avy tamin’ny Tompo? Ahoana no nanampian’io zavatra niainana io anao hahafantatra fa mahafantatra anao manokana ny Tompo? (Ampitandremo ny mpianatra mba tsy hizara zavatra niainana izay saropady na mahakasika be loatra ny tena manokana.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny asa izay heverin’izy ireo fa mety hideran’ny Tompo azy ireo ary koa ny eritreritra sy ny fihetsika izay mety hanitsian’ny Tompo azy ireo. Amporisiho ny mpianatra hametraka tanjona ny hibebaka rehefa manitsy azy ireo ny Tompo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy na maharitra hatramin’ny farany amim-pahatokiana.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy na maharitra hatramin’ny farany amim-pahamarinana?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hihinana ny avy amin’ny hazon’aina”? (andininy 7).

  • Mety ho nanampy ny Olomasina tao Efesosy tamin’ny fomba ahoana ny fandrenesana io fitahiana nampanatenaina taorian’ny nahazoana fanitsiana ho an’ny tena manokana io?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ankoatra ny firesahana tamin’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana tao Efesosy dia niresaka tamin’ireo vondron’ny mpivavaka hafa tao Asie Mineure ny Tompo.

Zarao ho vondrona dimy ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny vondrona tsirairay:

  1. Apokalypsy 2:8–11

  2. Apokalypsy 2:12–17

  3. Apokalypsy 2:18–29; (Omeo ny vondrona izay mahazo ity andinin-tsoratra masina ity ny tahadikan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 2:26–27 : “Ary izay maharesy ka mitandrina ny didiko hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny fanjakana maro; ary hanapaka azy ire amin’ny tenin’ Andriamanitra izy; ary ho eo an-tanany tahaka ireo lovia tanimanga eo an-tanan’ny mpanao vilany tany izy ireo, amin’ny rariny sy hitsiny, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko.”)

  4. Apokalypsy 3:1–6; Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:1 ; Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:2 (Omeo ny vondrona izay mahazo ireo andinin-tsoratra masina ireo ny tahadikan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:1–2: “Ary soraty ho amin’ny mpanompon’ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny kintana fito, izay ny mpanompo fiton’Andriamanitra: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro”.)

  5. Apokalypsy 3:7–13

Asao ny mpianatra hamaky ao anatin’ny vondrona misy azy ireo, ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ary hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ireo Olomasina sy ireo fitahiana nampanantenainy fa horaisin’izy ireo raha manao izany izy ireo.

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay hitatitra ny zavatra hitan’ny vondrona misy azy. Asao ny mpianatra iray hanoratra eny amin’ny solaitrabe (eo ambanin’ilay fitahiana nampanatenaina avy amin’ny Apokalypsy 2:7) ny fitahiana nampanantenaina izay hitan’ny vondrona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 2:11, 17, 26; 3:5, 12). Rehefa feno ilay lisitra dia hazavao fa ny tsirairay amin’ireo fampanantenana ireo dia miresaka ny fahazoana ireo fitahian’ny fisandratana izay miankina amin’ny faharetantsika hatramin’ny farany amim-pahatokiana.

  • Inona no fitsipika azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahian’ny fisandratana? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Raha mandresy isika dia afaka handray ireo fitahian’ny fisandratana.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no ilaintsika mba handresena ka handraisana ireo fitahian’ny fisandratana?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 3:14–17 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fepetra nilain’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Laodikia noresena mba hahazoana ny fisandratana.

  • Inona no fepetra nilain’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Laodikia noresena?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy matimaty ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo? (andininy 15). (Ny teny hoe mafana dia mety ho nampiasaina mba hamaritana olona iray izay nanolotena tanteraka ho amin’ny filazantsara, ary ny hoe mangatsiaka dia mety ho nampiasaina mba hamaritana olona iray izay tsy niraharaha tanteraka ny fampianarana sy ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Ny mpianatra matimaty dia mety ho olona izay mino fa ny filazantsara dia marina, saingy tsy manolotena tanteraka ny hiaina izany.)

  • Araka ny hevitrareo dia inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay mety hataon’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy matimaty na tsy hataony?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra izay efa nataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy tao anatin’ireo andro vitsivitsy lasa sy hieritreritra raha toa ka mpianatr’i Jesoa Kristy mafana izy ireo, na mangatsiaka, na matimaty.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 3:19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nilazan’ny Tompo fa nananatra ny Olomasina tao Laodikia Izy.

  • Araka ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tao Laodikia dia nahoana Izy no mananatra antsika? (Ampio ny mpianatra hitady fahamarinana iray izay mitovy amin’ity manaraka ity: Koa satria tia antsika ny Tompo dia mananatra antsika Izy mba hibebahantsika.)

Mitsangana eo am-baravarana i Jesoa

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mitsangana eo am-baravarana i Jesoa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 65; jereo koa ny LDS.org).

  • Inona no ataon’ny Mpamonjy eto amin’ity sary ity?

Vakio mafy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ny valinteniny:

  • Inona avy ireo fahatsapana mety hanananareo raha nahare olona nandondona tao amin’ny varavaran’ny tranonareo ianareo ka nahita fa ny Mpamonjy no tao?

  • Hanokatra ny varavarana ve ianareo?

Hazavao fa ity sary ity dia maneho ny teny nolazain’ny Tompo tamin’ny Fiangonana tao Laodikia. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 3:20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fitahiana natolotry ny Tompo an’ireo Olomasina tao Laodikia sy ny zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo mba hahazoana izany.

  • Inona no fitahiana natolotry ny Tompo an’ireo Olomasina tao Laodikia?

  • Inona no nilain’izy ireo natao mba hahazoana izany fitahiana izany?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 20? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manokatra ny varavarana ho an’ny Mpamonjy isika dia hiditra ao amintsika Izy ka hiara-hisakafo amintsika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitr’izany hoe miara-misakafo amin’ny Mpamonjy izany dia hazavao fa tao amin’ny kolontsain’ny proche Orient fahiny, ny fiaraha-misakafo tamin’ny olona iray dia marika maneho ny finamanana. Izany dia maneho fa tena nisy ny rohim-pihavanana sy ny fahalemana, na farafaharatsiny dia nisy ny fanolorana izany.

  • Maneho inona araka ny eritreritrareo ilay fanokafana varavarana voalaza ao amin’ny andininy 20 ?

Hazavao fa ny olona izay mamoha varavarana ho an’ny Mpamonjy sy miara-misakafo Aminy dia olona mibebaka amin’ny fahotany sy minamana Aminy sy amin’ny Ray any An-danitra.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izay mety hasehon’ny fanokafana ilay varavarana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka izay notantarain’ny Filoha Spencer W. Kimball ity:

Filoha Spencer W. Kimball

“Indray andro [ny mpahaikanto iray nantsoina hoe Holman Hunt] dia naneho tamin’ny namana iray ny sary nataony mitondra ny lohateny hoe ‘Mandondona eo am-baravarana i Kristy’ ka tamin’izay fotoana izay ilay namana dia nilaza tampoka hoe: ‘Misy zavatra iray diso amin’ny sarinao.’

“‘Inona izany?’ hoy ilay mpahaikanto nanontany.

“‘Tsy misy famohana azy ny varavarana dondonin’i Jesoa,’ hoy ilay namany namaly.

“‘hay!’ hoy Andriamatoa Hunt namaly, ‘tsy fahadisoana io ka. Hitanao, varavarana mankao am-pon’ny olona io. Avy any anatiny ihany no azo hanokafana azy.’

“Ary dia toy izany no izy. Mety hijoro eo i Jesoa dia handondona, fa ny tsirairay amintsika no manapa-kevitra raha hamoha izany” (The Miracle of Forgiveness [1969],212).

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahantsika manokatra ny fontsika ho an’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 3:21–22 mba hitady ny fampananten’ny Tompo sy ny torohevitra nomeny an’ireo Olomasina tao Laodikia.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 22, inona no torohevitra nomen’ny Tompo?

Asao ny mpianatra “hihaino izay lazain’ny Fanahy” (andininy 22) amin’ny fisaintsainana ny zavatra nianarany androany. Amporisiho izy ireo hanao zavatra avy amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Apokalypsy 2:1–3:22. Ny torolalana nomen’ny Tompo an’ireo Fiangonana fito

Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa mikasika ny torolalana nomen’ny Tompo an’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ireo Fiangonana fito dia jereo ny New Testament Student Manual (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014), 531–32.

Apokalypsy 2:11. “Ny fahafatesana faharoa”

“NyApokalypsy 2:11 dia mampianatra fa izay mahatoky dia ‘tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.’ Ny ratsy fanahy kosa anefa dia ‘hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa’ (Apokalypsy 21:8). Raha nanompo tao amin’ny Fididian’ny Fitopololahy ny Loholona Earl C. Tingey dia nanazava fa ‘ny fahafatesana faharoa dia ara-panahy. Fisarahana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra izany’” (‘The Great Plan of Happiness,’ Ensign na Liahona, mey 2006, 73).

“Amin’ny heviny iray dia samy nandalo fahafatesana ara-panahy avokoa isika rehetra rehefa niala teo anatrehan’ Andriamanitra mba ho ety an-tany. Io fisarahana tany am-boalohany io anefa dia tsy ilay ‘fahafatesana faharoa’ voalaza ao amin’ny Apokalypsy 2:11. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no handresen’ny zanak’ Andriamanitra rehetra io fahafatesana ara-panahy voalohany io sy hitondrana azy miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina (jereo ny Helamàna 14:16–17), ka aorian’izany dia handova fanjakam-boninahitra ny ankamaroan’ny olona. Amin’ny Andron’ny Fitsarana dia hisy fahafatesana ara-panahy faharoa hambara eo amin’ireo izay mandà ny hibebaka amin’ny fahotany sy izay mikomy an-tsitrapo amin’ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny filazantsara, tahaka izay nataon’i Satana [jereo ny F&F 29:44–45; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ‘Fahafatesana ara-panahy,’ scriptures.lds.org]. Ho tafasaraka amin’ Andriamanitra mandrakizay izy ireo ary ho zanaky ny fahaverezana (jereo ny F&F 76:30–37, 44)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 534).

Apokalypsy 2:14. “Ny fampianaran’i Balama”

“I Balama dia mpaminany tamin’ny Testamenta Taloha, ary ny asany dia voarakitra ao amin’ny Nomery 22–24; 31:16. Hita toy ny nahatoky tamin’ny Tompo sy ny vahoakany izy tamin’ny voalohany, izay nandà hatrany ny fangatahan’i Balaka mba hanozona an’i Isiraely. Kanefa taty aoriana i Balama dia nanaiky ny fanoloran’i Balaka harena taminy ka nampianatra an’i Balaka ny fomba hahatonga ny miaramilan’i Isiraely hampaosa ny tenany amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fanompoan-tsampy (jereo ny Nomery 25:1–5; 31:13–16). Tafiditra tao anatin’ilay drafitra ny fangatahana ireo vehivavy Moabita haka fanahy ireo lehilahin’ny Isiraely hijangajanga ka handresy lahatra azy ireo hanolotra sorona ho an’ireo andriamanitry ny Jentilisa, ka araka izany dia nanimba azy ireo ara-panahy” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 534).

Apokalypsy 2:17. “Mana miafina” sy “vato fotsy”

“Ny Tompo dia nanome mana hanohanana ny ain’ny zanak’ Isiraely mba hohanin’izy ireo mandritra ny 40 andro nandehanan’izy ireo tany an-tany foana (jereo ny Eksodosy 16:15, 35). Tahaka ny nanohanan’ny mana ny ain’ny vatana mihitsy no maha-‘mofon’aina’ an’i Jesoa Kristy izay manohana ny aina ara-panahy (Jaona 6:35, 48). Ilay ‘mana miafina’ voalaza ao amin’ny Apokalypsy 2:17 dia entina hilazana an’i Jesoa Kristy. ‘Afenina’ amin’ny ratsy fanahy i Jesoa. Saingy araka izay nampianariny ao amin’ny Jaona 6, ireo izay mandray amin’ny alalan’ny tandindona ny nofony dia hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 6:47–58). …

“… Mba hamakiana mikasika ireo fanazavana nampahafantarina ny mpaminany mikasika ny dikan’ilay vato fotsy dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:8–11” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 535).

Apokalypsy 2:28. “Ary homeko azy ny kintana fitarika andro”

“‘Ny ‘kintana fitarika’ andro dia tandindon’i Jesoa Kristy (Apokalypsy 2:28; 22:16). Ny fampanantenana ny ‘kintana fitarika andro’ dia omena an’‘izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany’ (Apokalypsy 2:26)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 535).

Apokalypsy 3:14. “Ny Amena”

“Amin’ny teny Hebreo sy Grika, ny teny hoe ‘amena’ dia midika hoe marina, na azo antoka. Ao amin’ny Apokalypsy 3:14, ny fahatokiana sy ny fahamarinan’i Kristy amin’ny anjara asany ho ny ‘Amena’ lehibe dia haseho ho toy ny zavatra mifanohitra amin’ny fihetsika tsy ampy fanolorantenan’ireo mponina tao Laodikia (jereo koa ny Apokalypsy 3:15–16). Rehefa tononina any amin’ny fiafaran’ny vavaka na ny lahateny iray ny ‘amena’ dia fomba iray hanamafisana amin’ny fomba ôfisialy ny zavatra izay efa voalaza izany na entina milaza ny fanekena izany. Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nampianatra fa ny anarana fiantsoana ny Mpamonjy hoe ‘Amena’ dia maneho ihany koa ‘fa ao Aminy sy amin’ny alalany no hipetrahan’ny tombokasen’ny fanamafisana avy amin’Andriamanitra amin’ireo fampanantenana rehetra nataon’ny Ray’ (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 32)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 536).