Lesona 121
Efesiana 2–3
Fampidirana
Nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina tao Efesosy fa ny mpanota rehetra dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny famindrampon’ Andriamanitra ary ny Jiosy sy ny Jentilisa dia nanjary ho iray ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra. Nohazavain’i Paoly ihany koa fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo ambonin’ny fototry ny apôstôly sy mpaminany, ary nizara ny faniriana mba hiainan’ny Olomasina ny fitiavan’i Jesoa Kristy izy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Efesiana 2
Nampianatra momba ny fomba hamonjen’ny ran’i Jesoa Kristy ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly
Rehefa manomboka ny fampianarana dia manasà mpianatra iray na maromaro (arakaraka ny haben’ny kilasinao) mba hipetraka eo amin’ny tany eny amin’ny faritra hafa ao amin’ny efitrano fianarana. Asio faritra amin’ny kofehy eo anelanelan’ireo mpianatra ireo sy ny mpianatra sisa, dia ampahafantaro ireo mpianatra natokana fa tsy (mbola) afaka mandray anjara amin’ny fitenenana mandritra ny lesona aloha izy ireo. Anontanio ny sisa tavela amin’ny iray kilasy hoe:
-
Mety haneho inona momba ny fifandraisana eo aminareo sy ireo mpianatra natokana izao toe-javatra miseho izao? (Fa tiana kokoa noho ilay iray hafa ny vondrona iray.)
-
Inona araka ny eritreritrareo no mety ho tsapan’ireo mpianatra natokana? Nahoana?
Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka efa nahatsapa toy izany izy ireo teo amin’ny zava-nitranga hafa teo amin’ny fiainana.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Jentilisa sy Jiosy ka mamoròna tsanganana roa.
-
Araka ny zavatra nianaranao momba ny toetoetra ara-tsôsialy teo amin’ny sampana sasany tao amin’ny Fiangonana nandritra ny asa fanompoan’i Paoly dia anarana inona no hifanaraka tsara amin’ireo mpianatra natokana? (Jentilisa.) Anarana inona no hifanaraka tsara amin’ny ambin’ny iray kilasy? (Jiosy.)
-
Inona no mety ho nahatonga ity fisarahana ity? (Ny Jiosy sasany dia nino fa satria izy ireo teraka Isiraelita ary noforaina dia tian’ Andriamanitra kokoa ary ambony kokoa noho ireo Jentilisa niova fo.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 2:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy mba hitady ny fomba namariparitan’i Paoly ny toetoetra ara-panahin’ny Olomasina Jentilisa (“hianareo” ao amin’ny andininy 1–2) ary ny Olomasina Jiosy (“tsika” sy “isika” ao amin’ny andininy 3) mialoha ny fiovam-pon’izy ireo tamin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Hazavao fa ny andian-teny hoe “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra” ao amin’ny andininy 2 dia entina hilazana ny devoly sy ny fitaomany lehibe manerana izao tontolo izao.
-
Araka ny andininy 1-2, ahoana no fomba namariparitan’i Paoly ny Jentilisa mialoha ny fiovam-pon’izy ireo? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Jentilisa” ny valintenin’ireo mpianatra.)
-
Araka ny andininy 3, ahoana no fomba namariparitan’i Paoly ny Jiosy mialoha ny fiovam-pon’izy ireo? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Jiosy” ny valintenin’ireo mpianatra.)
Hazavao fa ny Jentilisa tahaka ireo Jiosy dia maty ara-panahy, na nosarahana tamin’ Andriamanitra, noho ny fahotan’izy ireo (jereo ny andininy 1).
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Efesiana 2:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny toetoetra ara-panahin’ny Olomasina Jentilisa sy Jiosy taorian’ny fiovam-pon’izy ireo. Hazavao fa ny teny hoe natsangany dia midika hoe novelomina ary ny hoe any an-danitra dia entina hilazana ireo fanjakana any an-danitra izay holovain’ny olona.
-
Ahoana no namariparitan’i Paoly ny Olomasina taorian’ny fiovam-pon’izy ireo? (Natsangan’ny Tompo izy ireo, na novelomina, avy tamin’ny toetrany maty ara-panahy sy feno fahotana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ateraka indray ara-panahy no fiantsontsika izany [jereo ny Môsià 27:24–26].)
Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky mafy ny Efesiana 2:7–10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nahatonga ny Jentilisa sy ny Jiosy hiaina izany fanovana izany.
-
Inona no nahatonga ny Jentilisa sy ny Jiosy hiaina izany fanovana izany? (Ny famindrampon’i Jesoa Kristy.)
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika izay tanteraka ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra noho ny famindrampon’i Jesoa Kristy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Noho ny famindrampon’i Jesoa Kristy, dia hovonjena amin’ny alalan’ny finoana Azy avokoa ny olombelona rehetra.)
Hazavao fa i Paoly dia nanamafy fa tsy afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny asantsika fotsiny isika na tsara toy ny ahoana aza ireo asa ireo (jereo ny andininy 8-9). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay fahamarinana izay hita etsy ambony dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Koa satria isika rehetra samy efa ‘nanota, ary tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,’[Romana 3:23] ary satria koa ‘tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa zavatra tsy madio’ [1 Nefia 15:34], dia tsy mendrika ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra isika tsirairay avy. …
“… Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.
“Kanefa tsy very akory ny fanantenana.
“Ny famindrampon’ Andriamanitra no fanantenana lehibe sy tsy manam-petra ho antsika.
“Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny drafitry ny famindrampo hanefa ny fitakian’ny fahamarinana [jereo ny Almà 42:15] ‘ary mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana’ [Almà 34:15].
“Ny fahotantsika, na dia tahaka ny jaky aza dia afaka ho tonga fotsy tahaka ny oram-panala [jereo ny Isaia 1:18]. Satria ny Mpamonjy malalantsika dia ‘nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra’ [1 Timoty 2:6], dia atolotra antsika ny fidirana mankao amin’ny fanjakany mandrakizay [jereo ny 2 Petera 1:11].
“Misokatra ilay vavahady! …
“Mba handovana io voninahitra io, dia mila zavatra mihoatra noho ny vavahady misokatra isika; tsy maintsy miditra eo amin’io vavahady io isika miaraka amin’ny faniriana marina ny hiova—fiovana lehibe tokoa ka faritan’ny soratra masina hoe ‘ateraka indray, eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetra[ntsika araka izao tontolo izao] sy lavo, ho amin’ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy’ [Môsià 27:25]. …
“Fanomezan’ Andriamanitra ny famindrampo, ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any An-danitra io isika” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108, 110).
-
Manampy antsika hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo amin’ny fomba ahoana ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ara-tantaran’ny fifandraisana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa mialoha ny nitoriana ny filazantsara tamin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia ampisehoy ity sarin’ ny “efitry ny fisarahana” (Efesiana 2:14) eo amin’ny lapa ivelan’ny tempolin’i Jerosalema izay nampiarahana eto ity (na asao ny mpianatra mba hijery ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 9, “Tempolin’i Heroda”). Hazavao fa ny Jentilisa, izay tsy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo, dia tsy navela handeha mihoatra ity efitra ity ho any amin’ireo faritra masina kokoa ao amin’ny tempoly, noraisina ho “vahiny sy mpivahiny” (Efesiana 2:19) izy ireo. Ny efitry ny fisarahana ara-batana dia tandindon’ny fisarahana ara-panahy izay nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa mialoha ny fanambarana nataon’i Paoly fa ny filazantsara dia hotoriana amin’ny Jentilisa.
Asao ny mpianatra vitsivitsy izay nosarahina tamin’ny iray kilasy mba hifandimby hamaky mafy ny Efesiana 2:12–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay nataon’ny Mpamonjy tamin’ilay fefy teo anelanelan’ny Jiosy sy ny Jentilisa. Hazavao fa ny teny hoe fandrafiana dia midika hoe “fifanoherana, otri-po ary fankahalana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fandrafiana,” scriptures.lds.org).
-
Inona no nampiray ny Jentilisa sy ny Jiosy? (Noesorina tamin’ny alalan’ny ran’i Kristy ilay efitra ara-panahy ara-tsarinteny izay nampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa, ka lasa “olom-baovao” [Efesiana 2:15], na vatana iray ao amin’i Kristy izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika sy mandray ny famindrampony dia lasa iray miaraka amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra.)
Esory ilay kofehy izay nampisaraka ireo mpianatra, ka asao ireo mpianatra natokana mba hikambana amin’ny ambin’ny mpianatra. Amporisiho ireo mpianatra izay naneho ny Jiosy mba hanasa ireo mpianatra natokana hipetraka eo akaikin’izy ireo.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Efesiana 2:16–19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo andian-teny izay manamafy bebe kokoa ilay fahamarinana fa rehefa manatona an’i Jesoa Kristy sy mandray ny famindrampony isika dia afaka ny ho iray amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra.
-
Inona avy ireo andian-teny izay hitanareo manamafy bebe kokoa ilay fahamarinana fa rehefa manatona an’i Jesoa Kristy sy mandray ny famindrampony isika dia afaka ny ho iray amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra?
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny fahatakarantsika sy fampiharantsika izany ato amin’ny Fiangonana ankehitriny?
-
Ahoana no ahafahantsika ho tonga na hahatsapa ho “mpiray fanjakana” (andininy 19) ato amin’ny Fiangonana fa tsy vahiny kosa?
-
Oviana no nisy olona iray nanampy anareo hahatsapa ho mpiray fanjakana amin’ny Olomasina fa tsy vahiny kosa? Oviana ianareo no niezaka nanampy olona iray hahatsapa toy izany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 2:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay nampianarin’i Paoly fa fototry ny Fiangonana.
-
Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny rafitry ny Fiangonan’ny Tompo? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra saingy ampio izy ireo hamantatra fa ny Fiangonan’ny Tompo dia mifototra amin’ny apôstôly sy mpaminany, izay i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.)
-
Inona no atao hoe vato fehizoro? (Vato lehibe iray napetraka teo amin’ny fototra mba hanome tanjaka sy fiorenana tsara ho an’ny rafitra iray manontolo.)
Manaova sarina vato fehizoro tsotra izay mampitohy rindrina roa.
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-vato fehizoron’ny Fiangonana an’i Jesoa Kristy? Araka ny andininy 21, dia inona no mitranga amin’ny ambin’ny Fiangonana noho izany vato fehizoro izany?
-
Amin’ny fomba ahoana avy no maha-fototra iorenan’ny Fiangonana ny apôstôly sy ny mpaminany?
-
Ahoana no itondran’izany fototra izany fiorenana tsara ho an’ny Fiangonana sy iarovany izany amin’ny fanafihan’ny devoly?
Efesiana 3
Naneho ireo faniriany ho an’ny Olomasina Efesiana i Paoly
Fintino ny Efesiana 3:1–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nitory momba an’i Jesoa Kristy sy nampianatra fa amin’ny alalany, ny Jentilisa dia afaka ny ho tonga “mpiray lova” (andininy 6) amin’i Isiraely sy ireo mpandray ireo fampanantenan’ Andriamanitra.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Efesiana 3:14–19. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady hoe inona koa no nirian’i Paoly mba ho fantatra sy ho tsapan’ireo Olomasina.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no tian’i Paoly ho fantatra sy ho tsapan’ireo Olomasina?
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Mikatsaka ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra mba hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy ireo apôstôly sy mpaminany.
Ampisehoy ny pejy ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay hita ao amin’ny gazetiboky ahitana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ao amin’ny Ensign na Liahona.
-
Ahoana no fomba hikatsahan’ny apôstôly sy ny mpaminany ny hanampy ny zanak’ Andriamanitra mba hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao?
-
Oviana no nanampy anareo hahafantatra sy hahatsapa tsara kokoa ny fitiavan’i Jesoa Kristy ireo fampianaran’ireo apôstôly sy mpaminany?
Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay noresahina nandritra ny lesona, ary asao ireo mpianatra mba hampihatra ireo fahamarinana ireo.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Efesiana 2:8–10. “Fa ny fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana … mba hanao asa tsara”
“Ao amin’ny Efesiana 2:8–10, i Paoly dia niresaka ny fifandraisan’ny fahasoavana sy ny finoana ary ny asa tsara. Amin’ny farany dia tonga amin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny asan’i Jesoa Kristy ny famonjena, fa tsy ny asantsika manokana. Nantsoin’i Paoly hoe ‘asan’[Andriamanitra], voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara’ (Efesiana 2:10) ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Izany dia manamafy ny asan’ny Tompo fa tsy ny asantsika manokana kosa ary mampianatra fa ny fahafahantsika manatontosa asa tsara dia vokatry ny fiovana izay ateraky ny famindrampon’i Jesoa Kristy ao anatintsika rehefa mitodika Aminy amim-pinoana isika (jereo ihany koa ny 1 Korintana 15:10 sy ny Filipiana 2:13)” (Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana amin’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2014], 425).
Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Avy amin’ny famindrampon’ Andriamanitra ny famonjena amin’ny endriny sy ny karazany ary ny ambaratongany rehetra. Izany hoe: noho ny fitiavany sy ny famindrampony ary ny fiambaniany, Andriamanitra Raintsika dia nanendry ny drafitra sy ny rafitry ny famonjena izay ‘hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.’ (Mosesy 1:39.) Araka izany drafitra izany dia naniraka ny Zanany Lahitokana ho eto amin’izao tontolo izao Izy mba hanatanteraka ilay sorompanavotana tsy manam-petra sy maharitra mandrakizay. …
“Voavonjy amin’ny alalan’ny famindrampo irery ihany ny olona noho izany, amin’ny lafin’ny hoe hitsangana amin’ny maty; voavonjy amin’ny alalan’ny famindrampo miampy fankatoavana izy ireo, amin’ny lafin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Ny drafitry ny filazantsara dia natao hamonjena ny olona ho ao amin’ny fanjakana selestialy, ary izany indrindra no nampianaran’i Paoly momba ny famonjena amin’ny alalan’ny famindrampo amin’ny alalan’ny finoana, amin’ny alalan’ny fankatoavana, amin’ny alalan’ny fanekena an’i Kristy, amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy. Izany no nanoratan’i Nefia mba ‘hihavanana amin’ Andriamanitra; satria fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao’ (2 Ne. 25:23), ary i Môrônia dia nanoratra hoe: ‘Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.’ (Môrô. 10:32.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965-73], 2:498–99).
Efesiana 2:20–22. Ny fototra sy vato fehizoron’ny Fiangonana
Toy izao no nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny rafitry ny Fiangonana:
“Ireo mpiandraikitra ireo izay tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao, sy tamin’ny vanim-potoan’ny Bokin’i Môrmôna ary amin’ny vanim-potoana iainantsika izao no mandrafitra ny vato fanorenan’ny Fiangonana marina, izay mitoetra manodidina sy mandray hery avy amin’ny vato fehizoro, dia ‘ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra’ [Helamàna 5:12] … Ny fototra ao amin’i Kristy toy izany dia fiarovana ary ho fiarovana hatrany amin’ireo andro izay ‘rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, eny rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra’” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 7).
Ilay andian-teny hoe “miaraka aorina” ao amin’ny Efesiana 2:22 dia manolotra lesona manan-danja iray momba ny firaisankina ato anatin’ny Fiangonana. Tsy misy vatobe roa fananganana trano izay mitovy tanteraka, ary maro no amin’ny habe sy endrika samy hafa. “Miaraka aorina” anefa ireo vatobe mba hananganana ilay trano. Tahaka izany koa, tsy misy mpikamban’ny Fiangonana anankiroa izay mitovy tanteraka, saingy ny rehetra dia “miaraka aorina” mba hanangana ny Fiangonan’ny Tompo.