Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Kolosiana–1 Timoty (Fizarana 26)
Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Kolosiana–1 Timoty (fizarana 26). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.
Andro 1: (Kolosiana)
Nampianatra i Paoly tao amin’ny epistily nosoratany ho an’ny Olomasina Kolosiana fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanavotra, ilay voalohan-teraky ny Ray any An-danitra amin’ireo zanany ara-panahy, ilay Mpahary ny zava-drehetra, ny lohan’ny Fiangonana, ary ny olona hitsangana amin’ny maty voalohany. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa afaka miombona amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy raha toa ka manohy miorim-paka sy mitoetra ao amin’ny finoantsika isika. Ankoatra izany dia afaka misoroka ny ho voasarik’ireo firehan-kevitra sy fomba amam-panaon’izao tontolo izao isika rehefa miorim-paka sy miorina eo amin’i Jesoa Kristy.
Andro 2: (1 Tesaloniana)
Nidera ny Olomasina Tesaloniana i Paoly tao anatin’ny epistliny noho ny fahatokian’izy ireo ary nampianariny azy ireo ireo fahamarinana momba ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto ny mpianatra rehefa nandalina ity epistily ity: Rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny sy ny herin’ Andriamanitra isika dia afaka manampy ny hafa ho tonga mpanaradia ny Tompo sy ireo mpanompony. Afaka mizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika isika. Hitsangana amin’ny maty ireo Olomasina mahatoky izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany rehefa ho tonga indray i Kristy. Ireo Olomasina mahatoky izay velona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hakarina hitsena Azy rehefa tonga Izy. Raha toa ka mahatoky sy mijery ireo famantarana mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika dia ho vonona rehefa tonga indray Izy.
Andro 3: (2 Tesaloniana)
Rehefa nandalina ity taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Olomasina Tesaloniana ity, izay manazava ireo fahamarinana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, dia nianatra ireo mpianatra fa ho azo isaina ho isan’ireo mendrika ny fanjakan’ Andriamanitra isika raha toa ka maharitra ny fanoherana sy ny fahoriana amim-paharetana sy finoana. Nampianatra i Paoly fa hitsahatra ny olo-marina amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary horavana ireo olon-dratsy. Nampianatra ihany koa izy fa hitranga ny apôstazia iray mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa nodidiana mba hiezaka ny hanana fizakan-tena sy hanampy ny hafa isika.
Andro 4: (1 Timoty)
Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, izay mpitarika mbola tanora tao amin’ny fisoronana tao Efesosy, fa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manana andraikitra ny hanao izay ampianarana fotopampianarana tsy misy kilema sy fombafomba marina. Nianatra koa izy ireo fa mitarika amin’ny tsy fahamarinan-toetra sy ny apôstazia ny fitiavam-bola. Etsy ankilany, raha toa ka mahatoky an’ Andriamanitra velona isika ary heniky ny asa tsara dia afaka hanantena ny fiainana mandrakizay.
Fampidirana
Nanoratra ho an’i Timoty, izay mpitarika ao amin’ny fisoronana tao Efesosy, i Paoly ary nanoro hevitra azy mba ho ohatra ho an’ny mino.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fanamarihana: Nandalina ny andalan-tsoratra masina fehezina 2 Tesaloniana 2:1–3 ireo mpianatra tato anatin’ity fizarana ity: Afaka mamerina mijery ity andalan-tsoratra masina ity miaraka amin’ny mpianatra ianao amin’ny fangatahana azy ireo mba hamintina ireo fahamarinana ampianarin’izany. Mba hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny ampahany amin’ity andalan-tsoratra masina ity dia azonareo atao ny miaraka mamerimberina mitanisa ny andininy 3.
1 Timoty 4
Nofariparitan’i Paoly ireo toetoetry ny mpanompo mahatoky an’i Jesoa Kristy
Mitondrà vy kely mifaraingoka hampikambanana taratasy (trombone) iray, tapa-kofehy, fitaovana fametahan-javatra (ruban adhésif), ary andriamby iray ao am-pianarana. Afatory amin’ilay vy kely ny lohan’ilay kofehy, dia ataovy miraikitra amin’ny latabatra iray ny faran’izany. Tazony eo akaikin’ilay vy kely ilay andriamby ary aza atao mifampikasoka izany. Tokony hampihetsika ilay vy kely handroso mankany aminy ilay andriamby. Ahetsiketseho ilay andriamby mba hampiseho ny fomba fitaoman’izany ny fihetsiehan’ilay vy kely.
-
Raha maneho ny olona iray ilay vy kely, mety haneho inona ilay andriamby?
Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety nitovian’izy ireo tamin’ny andriamby ka nitaomany ny hafa. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Timoty 4 mba hitady fahamarinana iray izay mampianatra antsika ny fomba hahafahantsika ho fitaomana tsara eo amin’ny fiainan’ny hafa.
Fintino ny 1 Timoty 4:1–11 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia naminany fa amin’ny “andro aoriana” (andininy 1) dia hisy mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany hiala amin’ny finoana ary hanaraka ireo fampianarana sy fombafomba diso, toy ny “mandrara tsy hanam-bady” (andininy 3). Namporisika an’i Timoty mba hamahana ny Olomasina amin’ny fotopampianarana marina i Paoly.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 1 Timoty 4:12 ary hitady izay torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty momba ny hoe tokony ho olona manao ahoana izy . Asao ireo mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “ohatra ho an’ny mino”? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny ao amin’ny soratra masiny.)
-
Tamin’ny fomba ahoana avy no nanoroan’i Paoly hevitra an’i Timoty mba ho lasa ohatra ho an’ny mino? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Timoty 4:13–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny torohevitra fanampiny nomen’i Paoly izay hanampy an’i Timoty mba ho lasa fianarana ho an’ny mino.
-
Inona ny torohevitra fanampiny nomen’i Paoly izay hanampy an’i Timoty mba ho lasa ohatra ho an’ny mino?
-
Araka ny andininy 15 dia nahoana no nilaza tamin’i Timoty i Paoly mba hisaintsaina momba ireo fotopampianarana izay nampianarin’i Paoly sy hikely aina fatratra amin’izany? (Mba hahafahan’ny hafa mahita ny tombontsoa azon’i Timoty tamin’ny fanaovana izany.)
-
Araka ireo fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 16, inona no mety hitranga rehefa miezaka ny ho fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fitsipika iray mitovitovy amin’izao manaraka izao amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Raha toa ka fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy hitondra ny famonjena ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa.)
-
Mitondra famonjena ho an’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fanehoan’ny olona iray fa mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy izy?
Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ary hisaintsaina ireo fomba izay nahafahan’i Timoty ho tonga “fianarana ho an’ny mino” (1 Timoty 4:12). Angataho ny iray kilasy mba hamariparitra ireo fomba sasany ahafahan’ny olona iray ho tonga ohatra amin’ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra ireo.
Azonao atao ny mampiseho ny iray amin’ireto horonantsary manaraka ireto: “No Cussing Club” (4:57) na “The Lost Purse” (2:40). Azo alaina ao amin’ny LDS.orgireo horonantsary ireo. Angataho ny mpianatra mba hijery ireo fomba naha-fianarana ho an’ny mpino an’i Jesoa Kristy an’ilay zatovolahy na ilay zatovovavy tao anatin’ilay horonantsary.
-
Oviana ny olona iray no naneho taminao tamin’ny iray amin’ireo fomba nolazain’i Paoly fa fianarana ho an’ny mino izy? (Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa teo amin’ny fiainanao manokana.)
Asao ny mpianatra mba hanoratra tanjona iray ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba ahafahany ho tonga fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy ka hanampy hitondra famonjena ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny hafa amin’izany.
Fizarana Manaraka (2 Timoty 1–Hebreo 4)
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny sasany amin’ireo olana eo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ankehitriny. Hazavao fa rehefa manohy mandalina ireo fampianaran’i Paoly izy ireo amin’ny herinandro ambony dia hianatra ireo fahamarinana izay hanampy azy ireo hijanona ho mahatoky na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy fanenjehana.