Tahirim-pitaovana
Lesona 111: 1 Korintiana 15:1–29


Lesona 111

1 Korintiana 15:1–29

Fampidirana

Nianatra i Paoly fa tao Korinto dia nisy olona nampianatra fa tsy misy Fitsanganana amin’ny maty. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto izy fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Nanao famelabelarana momba ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny vokatr’izany eo amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izy avy eo. Nilaza i Paoly fa ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty dia tsy misy dikany raha tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 15:1–10

Nanome ny porofo manamarina ny fisian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty i Paoly

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Ry rahalahy sy anabaviko, isika dia mihomehy, mitomany, miasa, milalao ary mitia sy miaina. Ary avy eo isika dia maty. Ho faty daholo ny olona rehetra. Tsy maintsy mandalo ny varavaran’ny fahafatesana daholo ny rehetra. Ny fahafatesana dia mitaky ny haka ireo nahazo taona, ny reraka ary ny osa. Mamangy ny tanora mbola feno fanantenana sy manan-javatra lehibe andrandraina izy. Tsy afa-bela fa rombahany ihany koa ireo ankizy madinika” (“I Know That My Redeemer Lives!” Ensign na Liahona, mey 2007, 24)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny eritreritra na ny fahatsapana ananany rehefa misy olom-pantatr’izy ireo nodimandry. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 15:1–29 mba hitady ireo fitsipika izay afaka hanampy azy ireo rehefa maty ny olona iray fantatr’izy ireo.

Hazavao fa rehefa namarana ny epistily nosoratany ho an’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly dia niresaka momba ny finoana diso izay nampianarin’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana izy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 15:12 dia angataho ny iray kilasy hitady ilay finoana diso izay nampianarina.

  • Inona no nampianarina an’ireo Olomasina Korintiana mba tsy hataon’izy ireo? (Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 15:3–8. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nosoratan’ny Apôstôly Paoly mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hahatakatra ny fisian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.

  • Nijoro ho vavolombelona momba ny inona i Paoly mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hahatakatra ny fisian’ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana momba ny anjara asan’ny apôstôly ao amin’ireo andininy ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Ny Apôstôly dia mijoro ho vavolombelona fa maty noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty)

  • Mety manampy ireo olona tsy mety mino ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona zarain’ireo Apôstôly momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’io fahamarinana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Monson ity. (Azonao atao ihany koa ny mizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izay nomen’ireo Apôstôly hafa tao anatin’ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana.)

Filoha Thomas S. Monson

“Hasandratro miaraka amin’ny foko iray manontolo sy ny fientanentanan’ny fanahiko ny feoko mba hijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelona manokana ahy ary hanambara fa velona Andriamanitra. I Jesoa dia Zanakalahiny, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo. Mpanavotra antsika Izy ary Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Izy ilay maty teo amin’ny hazo fijaliana mba hanonitra ny fahotantsika. Lasa santatry ny Fitsanganana amin’ny maty Izy. Satria maty Izy, dia ho velona indray isika rehetra. Endrey, mamy sy kanto erỳ: “Fantatro fa velona ny mpanavotra ahy!”’ Enga anie izao tontolo izao ka hahalala izany sy hiaina araka izany fahalalana izany” (“I Know That My Redeemer Lives!” 25).

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nampatanjahana ny finoan’izy ireo ny Fitsanganana amin’ny maty tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’ireo Apôstôly momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny heviny.

1°Korintiana 15:12–29

Nanazava ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly

Fintino ny 1 Korintiana 15:11–15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nanontany ny antony nanombohan’ireo Olomasina Korintiana niahiahy ny amin’ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty. Namosa-kevitra izy fa raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia diso avokoa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganany tamin’ny maty ary tsy misy antony tokony hitoriana ny filazantsara.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny misy banga ireto:

Raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia … (jereo ny 1 Korintiana 15:16–19).

Noho i Jesoa nitsangana tamin’ny maty … (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22).

Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky mangina ny 1 Korintiana 15:16–19 mba hitady izay zavatra hitranga raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Asao ny antsasany iray hafa amin’ny mpianatra hamaky mangina ny 1 Korintiana 15:20–22 mba hitady ireo fitahiana izay tonga vokatry ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ireo mpianatra namaky ny 1 Korintiana 15:20–22 hilaza ny fomba azon’izy ireo hamenoana ilay fehezanteny mifandray amin’izany eo amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra ireo eny amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa ny teny hoe santatra ao amin’ny andininy 20 dia entina ilazana ny ampahany voalohany amin’ny vokatra izay notazan’ny mpamboly iray. Tahaka ny maha-ampahany voalohany amin’ireo maro izay mbola hotazana an’ireo vokatra amin’ny fotoam-piotazana ireo no naha-voalohany an’i Jesoa Kristy tamin’ny olona rehetra izay nitsangana tamin’ny maty.

  • Araka ny andininy 22 dia inona ny zavatra hitranga amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.)

Asao ireo mpianatra izay mamaky ny 1 Korintiana 15:16–19 mba hilaza ny fomba azon’izy ireo hamenoana ilay fehezanteny iray hafa eo amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra ireo eny amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa ao amin’ny andininy 14–19 i Paoly dia nangataka an’ireo Olomasina mba hieritreritra izay ho vokatr’izany “raha tsy natsangana Kristy.” Nanazava i Paoly fa ho foana avokoa ny fitoriana rehetra satria i Jesoa Kristy dia tsy ho naneho fa manana hery amin’ny fahafatesana Izy, ka noho izany dia tsy ho afaka nanavotra antsika tamin’ny fahotantsika Izy. Saingy, satria i Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty dia fantatsika fa Izy no Zanakalahin’ Andriamanitra ary manana izany hery izany Izy.

Resaho ilay tenin’i Paoly ao amin’ny andininy 19 hoe “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.”

  • Nahoana isika no ho mahantra indrindra raha amin’izao fiainana izao ihany isika no afaka manantena an’i Jesoa Kristy na raha tsy manam-panantenana intsony isika aorian’izao fiainana izao? (Raha tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty dia eto amin’ity fiainana ity ihany no hanantenantsika an’i Jesoa Kristy ary ny tanjon’ny drafitry ny famonjena dia tsy ho tanteraka.)

Araka ny voalazan’ny andininy 20–22 dia inona ny fanantenana lehibe atolotry ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? (Midika izany fa ho velona indray isika tsirairay any aorian’ ny fahafatesana. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy dia afaka manantena avokoa isika.)

  • Afaka mitondra fanantenana ho antsika amin’ny fomba ahoana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty rehefa maty ny olona iray fantatsika, na rehefa matahotra ny amin’ny hahafatesantsika any aoriana any isika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny dikan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith. (Raha azo atao dia omeo ny mpianatra ao anatin’ny taratasy zaraina io teny nambara io.)

Mpaminany Joseph Smith

“Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 49).

  • Inona no nolazan’i Joseph Smith fa fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo tato amin’ity lesona ity dia nahoana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no fototr’ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsara?

Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny lanjan’izany ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:23–24, dia nampianatra i Paoly fa hisy filaharany ny Fitsanganana amin’ny maty ary i Jesoa Kristy dia “[hanolotra] … ny fanjakana” amin’ny Ray any An-danitra rehefa avy manafoana izay karazana “fahefana” sy “hery” rehetra misy eto an-tany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 15:25-26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly fa hitranga amin’ireo fahavalon’i Jesoa Kristy amin’ny farany.

  • Inona no nolazain’i Paoly fa hitranga amin’ireo fahavalon’i Jesoa Kristy amin’ny farany? (Hapetraka “eo ambanin’ny tongony” izy ireo [andininy 25], na hopotehina.)

  • Iza na inona no azo raisina ho fahavalon’i Jesoa Kristy? (Anisan’ny ohatra amin’izany ny fahotana, ny fahalotoana, ny faharatsiana, ary ilay fahavalo.)

  • Inona ny favalo farany hopotehin’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana ny fahafatesana no azo raisina ho fahavalon’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny mpikambana sasany tao Korinto dia nino fa ny maty dia tsy hitsangana amin’ny maty, saingy i Paoly dia nanazava fa ny Olomasina dia nanao zavatra izay maneho ny finoan’izy ireo ny Fitsanganana amin’ny maty.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 15:29. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny ôrdônansy notanterahin’ireo Olomasina Korintiana. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nanontanian’i Paoly an’ireo Olomasina momba ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny batisa ho an’ny maty? (“Raha tsy mino ny Fitsanganana amin’ny maty ianareo dia nahoana ianareo no hatao batisa ho an’ny maty?”)

Hazavao fa ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty dia maneho finoantsika ny Fitsanganana amin’ny maty. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ireo izay maty tsy vita batisa dia afaka mandray io ôrdônansy tena ilaina io.

Asehoy ny sarin’ny tempoly iray. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny tempoly rehetra, na lehibe izany na kely, na efa ela netezana na vaovao, dia fanehoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa ny fiainana any ankoatra dia misy ary tena misy toy ny fisian’izao fiainantsika eto an-tany izao” (“This Peaceful House of God,” Ensign, mey 1993, 74).

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanatanterahan’izy ireo batisa ho an’ny maty na nanomanany anarana hoentina tany amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahatsapana nanananareo rehefa nanomana anarana na nanatanteraka asa ho azy ireo tany amin’ny tempoly?

  • Nanamafy orina ny finoanareo ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty tamin’ny fomba ahoana ny zavatra niainanareo tamin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo izay nodimandry. Amporisiho ny mpianatra haneho ny finoany ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny Fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty any aoriana any amin’ny alalan’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—1 Korintiana 15:20–22

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanomanan’ny fahafantarana ilay fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22 azy ireo hanampy ny hafa dia asao izy ireo hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo, izay namoy havan-tiana. Angataho ny mpianatra hanoratra taratasy fohy amin’io olona io ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasany ny fahatakarany io andininy io mba hampianarana sy hampaherezana io olona io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nosoratany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1°Korintiana 15:20. “Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy”

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny finoana fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia midika hoe afaka mino ihany koa isika fa hitsangana amin’ny maty isika:

“Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

“Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

“Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

“Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

“Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany.

“Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary ‘hanjaka eto an-tany mihitsy.’

“Noho izany, dia misy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra (“Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Ensign na Liahona, mey 2014, 113).

1 Korintiana 15:22. “Ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy”

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Joseph Smith fa hitsangana amin’ny maty daholo ny olona:

“Tsy hisy olona niaina sy maty teto ambonin’ity tany ity ka hoe tsy hitsangana amin’ny maty. Fahendrena ny misaina toy izany, ary izy io dia resaka fanomezana sehatra ny rariny fotsiny. I Adama irery no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesana, ka noho izany dia tsy raisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’izany ny olona hafa na iza na iza. Ny fahamarinana dia mitaky fa tsy tokony hisy olona tsy tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesana horaisina ho tampon’andraikitra amin’izany, ka noho izany, araka izay nambaran’i Paoly dia, ‘tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy’” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 2:274).