Lesona 39
Marka 9:1–29
Fampidirana
Niova tarehy teo anatrehan’i Petera sy Jakoba ary i Jaona i Jesoa. Ary avy eo Izy dia nampianatra mikasika ny anjara asan’i Jaona Mpanao Batisa amin’ny maha Elia azy izay tsy maintsy tonga nanomana ny lalan’i Mesia. Taorian’ny niverenan’i Jesoa tany amin’ireo mpianany hafa, dia nisy lehilahy iray nitalaho mafy taminy mba handroaka fanahy maloto iray izay tao amin’ny zanany lahy. Nandroaka ilay fanahy maloto i Jesoa sy nampianatra ireo mpianany momba ny antony ilana ny vavaka sy ny fifadiankanina.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Marka 9:1–13
Niova tarehy teo anatrehan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa ary nampianatra momba an’i Elià
Manasà mpianatra maromaro hanolotena ho eny aloha ary haneho fohifohy fiaraha-mientana iray izay mampitombo ny tanjaka ara-batana.
-
Nahoana ny olona iray no te hampitombo na ihany koa hoe mila mampitombo ny tanjany ara-batana?
-
Ahoana no afaka hanoharana ny tanjaka ara-batana amin’ny tanjaka ara-panahy na ny finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no sasantsasany amin’ireo toe-javatra izay mety hitsapana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy mety hahatonga izany finoana izany ho ao anatin’ny filàna manokana mba ho hatanjahina? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Rehefa mandalina ny Marka 9:1–29 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo hanatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Fintino ny Marka 9:1–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa io soratra masina io dia ahitana ny tantaran’ny fiovan’i Jesoa tarehy toe anatrehan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona teny an-tendrombohitry ny fiovan-tarehy. Io andinin-tsoratra masina io ihany koa dia mitantara fa i Jesoa dia nampianatra ireo Apôstôly fa tanterak’i Jaona Mpanao Batisa ny faminaniana mikasika ny anjara asan’ilay Elia, na ilay olona iray izay manomana ny fahatongavan’ny Mpamonjy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:10 [ao amin’ny Marka 9:12, fanoroana ireo soratra masina mifandraika a etsy amin’ny farany ambanin’ny pejy]).
Marka 9:14–29
Nandroaka fanahy maloto iray tao amin’ny zanakalahin’ny lehilahy iray i Jesoa
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:14–15. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny toe-javatra izay natrehin’ny Mpamonjy rehefa niverina avy tany amin’ilay tendrombohitra Izy nankany amin’ireo mpianany hafa. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Manasà mpianatra iray hamaky ireo teny izay nolazain’ny Mpamonjy ary mpianatra iray hafa hamaky ireo teny izay nolazain’ilay raim-pianakaviana ao amin’ilay tantara izay hita ao amin’ny Marka 9:16–24 (Azonao atao ny manendry ireo mpianatra izay hanao izany alohan’ny kilasy, sy ny manasa azy ireo hijery tsara ireo andininy izay handraisany anjara amin’ny fitenenana. Diniho ny hanatanterahana ny anjara asan’ny mpitantara na ny hanasana mpianatra iray hafa ihany koa hanao izany. Asao ireo mpianatra izay nangatahana hanao izany mba hamaky ny anjarany avy, ao amin’ny Marka 9:16–18 amin’ny feo avo. Asao ny iray kilasy hanaraka tsara izany sy hikaroka ny zavatra izay nokatsahin’ilay raim-pianakaviana tamin’ireo mpianatry ny Mpamonjy.
-
Inona no zavatra nokatsahin’ilay raim-pianakaviana ho an’ny zanany lahy? (Mety ilainao ny manazava fa ilay zazalahy dia nitoeran’ny fanahy maloto, izay nahatonga azy tsy afa-niteny sy nandre [jereo ny Marka 9:17, 25] ary nitoeran’ny aretina hafa ihany koa. Amin’ny fotoana rehetra hanetsehan’ilay fanahy maloto io zazalahy io, dia mifanintona ny vatany, mandoa vory sy mikitro-nify izy ary avy eo dia lasa mihenjana ny vatany.)
Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina raha toa izy ireo ka teo amin’ny toeran’io raim-pianakaviana io sy hisaintsaina ny zavatra mety ho nitranga tamin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny heriny rehafa tsy nahasitrana ny zanakalahin’izy ireo ny mpianatra.
Asao ireo mpianatra izay nangatahana hamaky mba hanohy ny anjarany avy, ao amin’ny Marka 9:19–22 amin’ny feo avo. Asao ny iray kilasy hanaraka tsara izany sy haka sary an-tsaina ny zavatra mety tsapan’ilay raim-pianakaviana rehefa niresaka tamin’ny Mpamonjy.
-
Inona araka ny hevitrao ny fahatsapana mety nananan’ity raim-pianakaviana ity rehefa niresaka tamin’ny Mpamonjy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra izay hanampian’ny Loholona Holland ny fahatakarantsika mikasika ny fahatsapana nananan’ity raim-pianakaviana ity sy ny fitalahoana izay nataony.
“Rehefa tsy nanana fanantenana hafa intsony ity raim-pianakaviana ity dia naneho ny finoana nananany izy ka nitalaho tamin’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao izy hoe: ‘Raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay’ [Marka 9:22; nampiana soramandry]. Sarotra amiko ny hamaky ireo teny ireo ka tsy hitomany. Ilay solon’ anarana hoe izahay dia mazava fa niniana nampiasaina. Raha ny marina, dia milaza ity lehilahy ity hoe: “Mitalaho daholo izahay mianakavy. Tsy misy fijanonany mihitsy ny fahasahirananay. Reraka izahay. Sasatry ny mianjera ao anaty rano ny zanakay. Mianjera anaty afo. Toa tandindomin-doza hatrany izy ary tsy afa-tahotra mihitsy izahay. Tsy mahita olon-kafa azo hitodihana izahay. Afaka manampy anay ve ianao ? Ho velom-pankasitrahana izahay na inona na inona mitranga eo—sombim-pitahiana kely, fanantenana kely fotsiny, fanamaivanana kely ny enta-mavesatra zakain’ny renin’ity zaza ity isan’ andro eo amin’ny fiainany’” (“Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93).
Asao ilay mpianatra nangatahana hamaky ireo teny izay nolazain’ny Mpamonjy mba hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:23. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ity raim-pianakaviana ity.
-
Iza no tokony ninoan’ity raim-pianakaviana ity?
-
Inona no fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy ity raim-pianakaviana ity? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Raha toa isika ka mino an’i Jesoa Kristy dia ho azo tanterahina amintsika ny zava-drehetra. Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny ao amin’ny andininy 23 izay mampianatra io fitsipika io.)
Mariho fa izany dia ny “zava-drehetra” mahakasika ireo fitahiana marina rehetra izay araka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fikasany ary ny fotoana izay fantany fa maha-mety izany.
-
Ahoana no ahafahan’ny finoana ity fitsipika ity hanampy olona iray izay miatrika fahasarotana izay toa tsy ho azo eritreretina ny handresena azy?
Asao ilay mpianatra nangatahana hamaky ireo teny izay nolazain’ilay raim-pianakaviana mba hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:24. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny valintenin’ilay raim-pianakaviana tamin’ny fitsipika izay nampianrin’ny Mpamonjy.
-
Ahoana no hamaritanao ny finoana izay nananan’ity raim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io?
Angataho ireo mpianatra hanamarika ireo ampahany roa avy amin’ny valintenin’ilay raim-pianakaviana. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao teny nambaran’ny Loholona Holland manaraka izao. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra asehon’ny fanambarana izay nataon’ilay raim-pianakaviana mikasika ny zavatra azontsika atao mandritra ny fotoana hisian’ny “tsy finoana,” na ahiahy na tahotra.
“Rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana, dia nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana, avy eo vao niaiky ny tsy fahatanterahany. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: ‘Tompo ô, Mino Aho.’ Te hiteny amin’ireo rehetra izay maniry hanana finoana bebe kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. Ao anatin’ilay fitomboana izay tsy maintsy holalovantsika rehetra mandritra ny fiainana an-tany dia hitranga amintsika ny zavatra mitovy hevitra ara-panahy amin’ny aretin’io zazalahy io na ny fahorian’ity raim-pianakaviana ity. Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, Mino aho” 93–94).
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ity raim-pianakaviana ity mikasika ny zavatra azontsika atao mandritra ny fotoana tsy ananana finoana? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha toa isika ka mifikitra amin’ny zavatra izay inoantsika …)
-
Inona no azontsika ianarana mikasika ny fomba fiatrehana ny tsy fananana finoana araka ny ampahany iray hafa avy amin’ny fanambarana izay nataon’ilay raim-pianakaviana ao amin’ny andininy 24? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia ampio izao fehezan-teny manaraka izao ilay fehezan-teny misy banga eny amin’ny solaitrabe: sy mikatsaka fanampiana avy amin’ny Tompo, … )
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:25–27. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho setrin’ny fitalahoan’ilay raim-pianakaviana.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho setrin’ny fitalahoan’ilay raim-pianakaviana?
-
Ahoana no mety hamenoanao ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe, araka ny zavatra izay nianaranao avy amin’io tantara io? (Rehefa avy mamaly izany ireo mpianatra dia fenoy ny banga amin’ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hanome izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka mifikitra amin’ny zavatra inoantsika sy mikatsaka fanampiana avy amin’ny Tompo, dia hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika Izy.)
Jereo ireo trangan-javatra misoratra eny amin’ny solaitrabe izay nifanakalozanareo hevitra tany amin’ny fanombohan’ny lesona.
-
Ahoana no hampiasana ity fitsipika ity amin’ny trangan-javatra mitovitovy amin’ireo?
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nandray fanampiana avy amin’ny Tompo tao anatin’ny fotoana tsy nisian’ny finoana, tamin’ny alalan’ny fifikirana tamin’ny zavatra izay ninoana sy ny fikatsahana fanampiana avy amin’ny Tompo? (Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa.)
Ankaherezo ireo mpianatra mba hampihatra ity fitsipika ity mandritra ny fotoana tsy hananan’izy ireo finoana.
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny voalohany ity raim-pianakaviana ity dia nitondra ny zanany tamin’ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesoa mba ho sitranina. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina raha toa izy ireo ka teo amin’ny toeran’ireo mpianatrr’i Jesoa ireo.
-
Inona no zavatra mety nosaintsaininao sy tsapanao rehefa tsy nahomby ny fandroahana ilay fanahy maloto izay tao amin’ilay zazalahy?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:28 ary angataho ny iray kilasy hikaroka ny fanontaniana napetrak’ireo mpianatra tamin’i Jesoa.
-
Inona no fanontaniana napetrak’ireo mpianatra tamin’i Jesoa?
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Marka 9:19, sy hikaroka ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ireo olona, anisan’izany ireo mpianany izay nanatrika teo tamin’io fotoana io. (Izy ireo dia “tsy mino.”) Hazavao fa ny hoe tsy mino eto dia fomba nilazana ny tsy fahampian’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ilaina mba hahatonga ireo tsodranon’ny fisoronana hahomby.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 9:29. Asao ireo mpianatra hanaraka izany sy hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpianany.
-
Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany?
-
Ahoana no ahafahan’ny vavaka sy ny fifadiankanina hisy fiantraikany eo amin’ny finoan’ny olona iray? (Rehefa avy mamaly izany ireo mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izao fahamarinana manaraka izao: Afaka mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadiankanina.)
Manasà mpianatra iray hamaky amin ’ny feo avo izao fanambarana avy amin’ny boky kely Miorim-paka ao amin’ny Finoana manaraka izao. Asao ny iray kilasy hihaino ireo toe-javatra maro samy hafa izay azo ampiharana ity fahamarinana ity:
“Mampianatra ity tantara [an’i Jesoa nandroaka fanahy maloto tao amin’ny zanakalahin’ny lehilahy iray] ity fa ny vavaka sy ny fifadiankanina dia afaka manome tanjaka fanampiny ho an’ireo izay manome sy mandray ireo tsodranon’ny fisoronana. Azo ampiharina amin’ny ezaka ataonao manokana hiaina ny filazantsara ihany koa izany tantara izany. Raha toa ianao ka manana fahalemena na fahotana izay anananao fahasarotana ny mandresy azy dia mety ilainao ny mifady hanina sy mivavaka mba hahazoana ilay fanampiana na famelan-keloka izay irianao. Tahaka ilay demony izay noroahin’i Kristy, ny zava-manahirana anao ihany koa dia mety ho ilay karazany izay tsy azo resena raha tsy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadiankanina ihany” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 67).
-
Raha arak’io fanambarana io, Inona no sasantsasany amin’ireo toe-javatra izay azo ampiharana io fitsipika io?
-
Oviana ny vavaka sy ny fifadiankanina no efa nanampy anao hitombo finoana an’i Jesoa Kristy sy namela anao handray ireo fitahiana marina izay nokatsahinao?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay katsahiny ho an’ny tenany na ho an’ny hafa izay mety ho azo amin’ny alalan’ny fampitomboan’izy ireo ny finoany an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadiankanina. Asao izy ireo hametraka tanjona mba hivavaka sy hifady hanina ho an’ireo fitahiana ireo amin’ny Alahady fifadiankanina manaraka izao.
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina
Diniho ny hijerena mialoha ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina izay tsy dia mbola mahazatra ny mpianatra loatra. Asao izy ireo hamaky sy hanisy marika azy ireny. Azonao atao ny manome andinin-tsoratra masina fehezina vaovao ho an’ny mpianatra tsirairay na tsiroaroa ary avy eo dia asao izy ireo hanao kisarisary amin’ny ampahana taratasy izay entina maneho ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hanazava ny kisarisary nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mampiasa ireo kisarisary ireo raha ilaina izany.
(Fanamarihana: Azonao atao ny mampiasa ity fiaraha-mientana ity amin’ny fiantombohana na famaranana ny lesona rehetra, raha toa ka mamela izany ny fotoana.)
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Marka 9:22–24. Fifikirana amin’ny zavatra inoantsika sy fikatsahana fanampiana mba hanatanjahana ny finoantsika
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao torohevitra manaraka izao mikasika ny fanatanjahana ny finoantsika:
“Rehefa tonga ny olana ka mipetraka ny fanontaniana, rehefa mikatsaka finoana ianao dia aza atomboka amin’ny hoe hatraiza ny tsy fanananao finoana, aza atomboka amin’ny ‘tsy finoanao.’ … Tsy mangataka anareo aho hilaza ho manana ny finoana izay tsy anananareo. Ny tena angatahiko aminareo dia ny hiorim-paka amin’ny finoana izay tena anananareo. Indraindray isika dia manao toy ny hoe ny fanambarana amin-kitsim-po ny tsy finoana no maneho herim-po ara-môraly lehibe kokoa toy izay ny fanambarana amin-kitsim-po ny finoana. Tsy izany mihitsy! Koa aoka isika rehetra hahatsiaro ny hafatra mazava ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity: Aoka ianao ho marina araka izay ilaina momba ny ahiahinao; rakotra azy ireny ny fiainana ary manana karazana ahiahy foana isika rehetra. Saingy raha te ho sitranina ianao sy ny fianakavianao dia aza avela hanembantsembana ny finoana ireo ahiahy ireo ka tsy hahafahany miteraka fahagagana. …
“… Rehefa tonga ny ahiahy na ny olana, dia aza matahotra mangataka fanampiana. Raha mila izany isika, ka feno fanetren-tena sy hitsim-po tahaka an’ity ray ity, dia afaka mahazo izany. Izany faniriana lehibe izany dia faritan’ny soratra masina hoe ‘omban’ny fikasana marina,’ atao ‘amin’ny finiavan’ny fo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra’ [2 Nefia 31:13]. Ijoroako ho vavolombelona fa ho valin’io karazana fitalahoana io dia handefa fanampiana avy amin’ireo andaniny roa amin’ny voaly Andriamanitra mba hanatanjahana ny finoantsika” (“Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 94).
Raha toa ka misy amin’ireo mpianatrao manana fisalasalana na tahotra avy amin’ireo fanontaniana mikasika ny fotopampianarana na ny tantaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, dia azonao atao ny manasa azy ireo handalina ireo tantara voasoratra mikasika ny fiangonana izay mifandraika amin’izany ao amin’ny Gospel Topics (jereo ny lds.org/topics).
Marka 9:28–29. fifadiankanina arahina vavaka
Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:
“Isika dia mahita ao amin’ny soratra masina fa ny fifadiankanina dia saika hita miaraka lalandava amin’ny vavaka. Raha tsy misy ny vavaka, dia fifadiankanina tsy feno ilay fifadiankanina; fa toy ny mandeha tsy misakafo fotsiny ihany. Raha toa ka tiantsika hihoatra noho ny mandeha tsy mihinana fotsiny ihany ny fifadiankanina izay ataontsika, dia tsy maintsy manandratra ny fontsika sy ny saintsika ary ny feontsika hiray amin’ny ny an’ny Raintsika any An-danitra isika. Ny fifadiankanina arahina vavaka mahery, dia mahery vaika (“The Law of the Fast,” Ensign, mey 2001, 73).
Ho an’ny torolalana fanampiny mikasika ny fanakambanana ny fifadiankanina sy ny vavaka, tafiditra ao anatin’izany ny fiantraikany izany izay mampitombo ny hery ara-panahy eo amin’ny fiainantsika, dia jereo ny Loholona Carl B. Pratt, “The Blessings of a Proper Fast,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 47–49.