Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano
Matio 13:24–17:27 (Fizarana 4)
Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano
Ity famintinana zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Matio 13:24–17:27 (fizarana 4) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Matio 13:24–58)
Tamin’ny alalan’ilay fanoharana mikasika ny vary sy ny tsimparifary dia nianatra ireo mpianatra fa hanangona ny olo-marina ny Tompo mandritra ny andro farany ary avy eo dia handrava ny olon-dratsy Izy amin’ny Fiaviany. Tao amin’ireo fanoharana fanampiny dia nianatra izy ireo momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny izay hameno ny tany manontolo ary ireo fitahiana mandrakizay tonga amin’ireo izay mahafoy tena mba handraisana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Andro 2 (Matio 14)
Avy tamin’ny Matio 14 dia lasa nahatakatra ireo mpianatra fa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana indrafo ho an’ny hafa na dia miaina alahelo aza isika. Nianatra ihany koa izy ireo fa afaka manandratra antsika avy ao amin’ny tahotra sy ahiahy tahaka an’i Petera Andriamanitra raha toa ka mikatsaka ny fanampiany isika rehefa mihamalemy ny finoantsika.
Andro 3 (Matio 15)
Avy tamin’ny torolalan’ny Mpamonjy ho an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia nianatra ireo mpianatra fa raha toa ka maniry ny hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mametraka ny didiny eo ambonin’ireo fomba amam-panao rehetra izay mety ananantsika. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha misafidy ny hanolokolo eritreritra sy faniriana diso toerana na maloto isika dia hahaloto antsika ireo eritreritra sy faniriana ireo avy eo, ary rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mandray fitahiana araka ireo faniriana tsara ananantsika.
Andro 4 (Matio 16-17)
Nandritra ny fandalinan’izy ireo ny Matio 16–17dia nianatra ireo mpianatra fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Nianatra ihany koa izy ireo momba ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena tamin’ny fotoana fahiny ary amin’izao vaninandrontsika izao izay mamela ireo mpanompon’ny Tompo hitantana ny Fiangonany ety an-tany.
Fampidirana
Nibedy ny Fariseo sy ny Sadoseo izay nangataka famantarana momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy, ary nampanantenaina taminy ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra. Izao hevitra enti-mampianatra manaraka izao dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hampahatanjahana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 16:1–12
Ireo Fariseo sy Sadoseo dia mikatsaka famantarana avy amin’ny Mpamonjy
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:
Tamin’ny alalan’ny fisehoan’ny anjely iray
Tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina
Tamin’ny finoana ny tenin’ny namana na mpikamban’ny fianakaviana iray
Tamin’ny alalan’ny fahitana fahagagana iray
Eo am-panombohana ny lesona dia asaivo misafidy ny andian-teny eo amin’ny solaitrabe izay mamariparitra ny fomba tian’izy ireo handraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ireo mpianatra. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny andian-teny nofidiany ary hanazava ny anton’izany.
Rehefa mandalina ny Matio 16 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika amin’ny fandraisana sy fampahatanjahana ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny filazantsara.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:1 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nangatahin’ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin’i Jesoa.
-
Inona no nangatahan’ireo Fariseo sy Sadoseo tamin’i Jesoa?
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 16:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo sy ireo Sadoseo.
-
Inona no famantarana nolazain’ny Tompo fa homeny?
Hazavao fa i Jesoa dia niresaka momba an’i Jona, ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha natelin’ny “hazandrano lehibe” (Jona 1:17). Ny “nandevenana” an’i Jona sy ny fivoahany avy tamin’ny kibon’ny hazandrano taorian’ny telo andro dia tandindon’ny fahafatesana, fandevenana, ary Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny fasana ny andro fahatelo.
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny famantarana ny amin’ny mpaminany Jona: Ny “nandevenana” an’i Jona sy ny fivoahany avy tamin’ny kibon’ny hazandrano’ (Jona 1:15–17; 2) dia tandindon’ny fahafatesana, fandevenana, ary Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 711–12).
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy taorian’ny nibedesany an’ireo Fariso sy Sadoseo?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io momba ny fomba tsy mety rehefa mikatsaka fahamarinana ara-panahy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Tsy mandray fahamarinana ara-panahy isika rehefa mangataka famantarana.
Fintino ny Matio 16:5-12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitandrina ireo mpianany tamin’ny fampianaran-dison’ny Fariseo sy Sadoseo ny Mpamonjy.
Matio 16:13–20
Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy ary nampanantenaina azy ny fanalahidin’ny fanjakana
Hazavao fa taorian’ny nibedesan’i Jesoa ireo Fariseo sy Sadoseo noho ny fangatahany famantarana dia nampianatra ireo mpianany Izy momba ny fomba fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:13-14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ny fanontaniana napetrak’i Jesoa ary ny valinteny nomen’ny mpianany?
-
Inona no nanontanian’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany? Ahoana no namalian’izy ireo izany? (Mety ilaina ny hanazavanao fa i Elià sy Jeremià no Elia sy Jeremia mpaminanin’ny Testamenta Taloha.)
-
Inona no ambaran’ny valintenin’izy ireo momba ny fahatakaran’ny olona mikasika ny hoe iza i Jesoa hatreto amin’ity fotoana tao amin’ny asa fanompoany ity?
Fanamarihana Nandritra ny lesona ho an’ny andro 4 dia nandalina ny andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Matio 16:15–19ireo mpianatra. Diniho ny handaniana fotoana vitsivitsy hanaovana famerenana an’ireo andinin-tsoratra masina ireo miaraka amin’izy ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:15-17. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fanontaniana faharoa napetraky ny Mpamonjy.
-
Inona no fanontaniana faharoa napetraky ny Mpamonjy? Inona no valintenin’i Petera?
-
Araka ny andininy 17, dia tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’i Petera fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra? (Mariho fa ny Ray any An-danitra no nanambara io fahamarinana io taminy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina.)
-
Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe amintsika ny mandray fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny alalan’ny fomba hafa?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanampiana antsika handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:
“Ny Fanahin’ Andriamanitra miresaka amin’ny fanahin’ny olombelona dia mitondra hery hoentina hanomezana fahamarinana izay hitondra vokatra bebe kokoa sy fahatakarana noho ny fahamarinana nomena tamin’ny alalan’ny fifandraisana manokana, na dia tamin’ny alalan’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra aza izany. Ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia toy ny kofehy voatenona any amin’ny faritra taova rehetra amin’ny vatana ka tsy azo hohadinoina izany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 183–84).
-
Inona no zavatra sasantsasany azontsika atao mba hiomanantsika amin’ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina?
-
Ahoana no nahafahanao mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra sy Mpamonjinao? Inona no nataonao mba hiomanana handray izany vavolombelona izany avy amin’ny Fanahy Masina?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hahafahany mampahatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona na ny zavatra mila ataony mba handraisana fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Amporisiho izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.
Fizarana manaraka (Matio 18:1–22:26)
Angataho ireo mpianatra handinika ny fotoana iray izay nahasarotra ny famelana ny heloka na ny fahadisoan’ny olona iray hafa. Asao izy ireo mba handinika ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana ianao no nahatsapa ho voamarina amin’ny tsy famelana ny heloka na fahadisoan’io olona io? Nahoana isika no tokony hamela ny fahadisoan’ny hafa na dia mahatsapa aza isika fa voamarina amin’ny tsy famelana ny fahadisoan’izy ireo? Asao ireo mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa manohy ny fandalinany mandritra ny herinandro ambony.