Fampahafantarana ny Filazantsara araka ny Masindahy Marka
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny bokin’i Marka dia mitantara ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy, ny nahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny Maty ao anatin’ny tantara iray nitranga nandritra ny fotoana fohy izay matetika mifantoka amin’ireo asa mahery nataon’ny Mpamonjy. Fa ny lehibe indrindra amin’ireo dia ny Sorompanavotana, izay namafisin’i Marka ho ivon’ny ny asa nanirahana an’i Jesoa amin’ny maha-ilay Mesia izay nampanantenaina hatry ny ela Azy. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny tantaran’i Marka sy ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fomba nanatanterahan’ny Mpamonjy ny asa nanirahana Azy mba hanao ny sorompanavotana, dia afaka ny hiova fo bebe kokoa ao amin’ny filazantsara sy hahita risi-po hanaraka ny Mpamonjy ireo mpianatra.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Marka (izay antsoina ihany koa hoe Jaona Marka) no nanoratra ity boky ity. Na dia tsy isan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy voalohany indrindra aza i Marka, dia niova fo sy lasa mpanampy ny Apôstôly Petera izy taty aoriana, ary izy dia mety nanoratra ny Filazantsarany araka ireo zavatra izay nianarany tamin’ny Petera (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Marka”).
I Marka sy ny reniny, Maria, dia nitoetra tany Jerosalema; ny tranon’izy ireo dia toerana iray fiangonan’ny sasantsasany tamin’ireo Kristiana voalohany indrindra tamin’izany (Jereo ny Asan’ny Apostoly 12:12). Nandao an’i Jerosalema i Marka mba hanampy an’i Barnabasy sy Saoly (Paoly) tamin’ny dìa voalohany nataon’izy ireo ho amin’ny asa fitoriana (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:25; 13:4–6, 42–48). Taty aoriana kely dia nanoratra i Paoly fa i Marka dia niaraka taminy tany Rôma (jereo ny Kolosiana 4:10; Filemona 1:24) ary izy dia nidera an’i Marka ho toy ny namana “mahasoa [azy] amin’ny fanompoana” (2 Timoty 4:11). Niantso azy hoe “Marka zanako” i Petera (1 Petera 5:13), izay maneho ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’izy ireo.
Oviana ary taiza no nanoratana azy io?
Tsy fantatsika mazava hoe oviana no nanoratana ny Filazantsaran’i Marka. Azo heverina fa i Marka dia nanoratra ny Filazantsarany tany Roma teo anelanelan’ny taona 64 Taorian’i J. K. sy ny taona 70 Taorian’i J. K. , angamba fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Apôstôly Petera izay maty maritiora, manodidina ny taona 64 Taorian’i J. K .
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Ny Filazantsaran’i Marka dia mirakitra ireo antsipirihany—toy ireo fanambarana Aramiana izay efa nadika, ireo fomba fiteny Latina, sy fanazavana ireo fomba amam-panaon’ny Jiosy—izay toy ny natao ho an’ny vondron’ olona iray izay noforonina voalohany indrindra avy amin’ny Romana sy ny vahoaka avy amin’ireo firenen’ny Jentilisa hafa ary ihany koa ho an’ireo izay niova fo sy lasa Kristiana, raha ny azo antoka indrindra dia ny tao Rôma sy nanerana ny Fanjakana Rômana iray manontolo. Betsaka ny mino fa i Marka dia mety niaraka tamin’i Petera tany Rôma nandritra ny vanim-potoana nisian’ireo fitsapa-pinoana mamaivay ho an’ny maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny toerana maro manerana ny Fanjakana Romana.
Ny ampahatelon’ny Filazantsaran’i Marka dia mitantara ireo fampianarana sy ireo toe-javatra nosedrain’ny Mpamonjy nandritra ny herinandro farany niainany. Nanome ny teny vavolombelony i Marka fa ilay Zanak’ Andriamanitra izay niaritra fijaliana dia nandresy ny ratsy sy ny fahotana ary ny fahafatesana tamin’ny farany. Ity fijoroana ho vavolombelona ity dia midika fa ireo mpanara-dia ny Mpamonjy dia tsy tokony hatahotra; rehefa niatrika fanenjehana sy fitsapana maro, eny fa na dia hatramin’ny fahafatesana aza, dia nanara-dia ny Mpampianatra azy izy ireo. Afaka niaritra tamim-pahatokiana izy ireo, nahafantatra fa ny Tompo dia hanampy azy ireo ary ny fampanantenany rehetra dia tsy maintsy ho tanteraka avokoa amin’ny farany.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny Filazantsaran’i Marka dia nanomboka tampoka sy tamin’ny fomba mahatalanjona ary izany dia tao anatin’ny hafaiganana tokoa eo amin’ny fitantarana ireo trangan-javatra izay mifanesisesy. Imbetsaka i Marka no mampiasa ny teny hoe niaraka tamin’ izay sy ny hoe avy hatrany, izay maneho ny vokatra avy amin’ny hafainganan’ny fizotran’ireo trangan-javatra.
Na dia maherin’ny 90 isan-jaton’ireo hevi-dehibe ao amin’ny Marka aza no hita ihany koa ao amin’ny Matio sy Lioka, ny fitantaran’i Marka matetika no ahitana ireo antsipirihany fanampiny izay manampy antsika hankasitraka bebe kokoa ny fangorahan’ny Mpamonjy sy ny fihetsika nasetrin’ireo olona manodidina Azy (ampitahao ny Marka 9:14–27 sy ny Matio 17:14–18). Ohatra amin’izany, i Marka dia nitantara ny fielezan’ireo fandraisana tamin-kafanam-po izay noraisin’ny Mpamonjy avy amin’ireo olona tao Galilia sy tany an-toeran-kafa ihany koa tany ampiandohan’ny asa fanompoany (jereo ny Marka 1:32–33, 45; 2:2; 3:7–9; 4:1). Notantarain’i Marka mazava tsara ihany koa ny fihetsika feno fonoherana nataon’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay nitombo faingana tokoa noho ny fananan’izy ireo saina maramara (jereo ny Marka 2:6–7) ny hikononkonona teti-dratsy mba hamonoana an’i Jesoa (jereo ny Marka 3:6).
Anisan’ireo lohahevitra manan-danja ao amin’ny Marka ny fanontaniana hoe iza i Jesoa ary iza no nahatakatra ny mombamomba Azy sy ny anjara asan’ireo mpianatra izay tsy maintsy “mitondra ny hazo fijalian’izy ireo sy manaraka an’i [Jesoa]” (Marka 8:34). Ho fanampin’izany, ny Filazantsaran’i Marka ihany no mitantara ny fanoharana momba ilay voa izay mampaniry ny tenany (jereo ny Marka 4:26–27), ny nanasitranana ilay olona marenina tany amin’ny faritr’i Dekapolisy (jereo ny Marka 7:31–37), ary ny fampahiratana tsikelikely ilay lehilahy jamba tany Betsaida (jereo ny Marka 8:22–26).
Topimaso
Marka 1–4 I Jaona Mpanao Batisa no nanao batisa an’i Jesoa ary Izy dia nanomboka tamin’ny asa fitoriana sy ny fiantsoana ireo mpianatra ary tamin’ny fanaovana asa mahagaga. Rehefa nitombo ny fanoherana izay nianjady taminy, dia nampianatra tamin’ny fanoharana Izy.
Marka 5–7 Nitohy tamin’ny fanaovana asa mahagaga maro ny Mpamonjy, naneho ny fangorahana nananany ho an’ny hafa. Taorian’ny namonoana an’i Jaona Mpanao Batisa, dia namahana vahoaka mihoatra ny dimy arivo sy nandeha tambonin’ny rano i Jesoa. Nampianatra ny tokony hanoherana ireo fomban-drazana diso i Jesoa.
Marka 8–10 Nanohy nanao asa mahagaga i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy. Ny Mpamonjy dia naminany intelo mahakasika ny fijaliana, ny fahafatesana, ary ny Fitsanganana amin’ny Maty izay hihatra aminy saingy tsy nahatakatra feno ny tiany nambara ireo mpianany. Nampianatra azy ireo momba ny fanetrentena sy ny asa fanompoana izay takiana amin’ny mpianany Izy.
Marka 11–16 Nandritra ny herinandro farany niainany teto an-tany, dia niditra tao Jerosalema, nampianatra ireo mpianany, sy nijaly tao Getsemane ary nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy. Nitsangana tamin’ny Maty i Jesoa Kristy.