Tahirim-pitaovana
Lesona 35: Marka 2–3


Lesona 35

Marka 2–3

Fampidirana

Namela heloka sy nanasitrana lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa ary avy eo Izy dia niantso an’i Matio hanaraka Azy. Nampianatra ireo mpanora-dalàna sy Fariseo momba ny andro Sabata Izy. Nanohy nanasitrana olona maro ny Mpamonjy, naniraka ireo Apôstôliny hitory Izy ary nampitandrina ny amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 2:1–12

Namela heloka sy nanasitrana lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa Kristy

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina raha toa ka ny olona tian’izy ireo no mijaly nohon’ny olana ara-batana izay mihatra aman’ aina sy mitaky fitsaboana manokana.

  • Iza no katsahinao mba hanampy ilay olona tianao? Nahoana?

  • Inona no zavatra mety nanananao fahavonona mba hatao raha toa ka iray ihany ny dokotera nisy sy afaka hanampy, kanefa sarotra ny fandaminam-potoana hihaonana amin’io dokotera io?

Fintino ny Marka 2:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa tao amin’ny tanànan’i Kapernaomy tany Galilia, dia nisy lehilahy iray “nararin’ny paralysisa” (andininy 3), izay midika fa izy dia tsy afa-nihetsika. Nisy lehilahy efatra hafa nilanja io lehilahy io nankany amin’ilay trano izay nisy an’i Jesoa. Rehefa nahita izy ireo fa feno olona ilay trano ka tsy afaka niditra izany izy ireo, dia nanesorany ny tafon’ny trano ary teo no nampidinin’izy ireo ilay lehilahy nararin’ny paralysisa ho eo anatrehan’ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 2:5, ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 2:6–12. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zava-nitranga manaraka.

  • Araka ny andininy 6–7, inona no fihetsika nasehon’ny “sasany tamin’ireo mpanora-dalàna” noho ny tenin’ny Mpamonjy? (Tezitra izy ireo noho ny filazany fa mahavela heloka Izy.)

  • Inona no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpanora-dalàna?

  • Inona no zavatra nasehon’ny Mpamonjy sy nampianariny tamin’ny alalan’ny fanasitranana ity lehilahy ity? (Rehefa avy mamaly izany ireo mpianatra, dia ampio izy ireo hahita izao fahamarinana manaraka izao: Manana ny hery hanasitranana antsika ara-panahy sy ara-batana i Jesoa Kristy.)

Tsindrio manokana fa rehefa nahita ilay lehilahy nararin’ny paralysisa nitsangana avy teo am-pandriana sy nandeha ireo mpanora-dalàna, dia nomena porofo tsy azo lavina izy ireo fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hanasitranana ny marary ary izy ireo dia naheno Azy nijoro ho vavolombelona fa Izy dia afaka mamela heloka. Kanefa, tsy misy na inona na inona maneho fa ireo lehilahy ireo dia nanatona an’i Jesoa taorian’izany sy nikatsaka famelana ny fahotan’izy ireo.

(Fanamarihana: Ny trangan-javatra izay voarakitra ao amin’ny Marka 2:1–12 dia hifanakalozan-kevitra lalindalina kokoa ao amin’ny lesona ho an’ny Lioka 5.)

Marka 2:13–22

Niantso an’i Matio mba hanaraka Azy sy niara-nihinana tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota i Jesoa.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo taratasy kely ny vondron’olon-droa tsirairay avy. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba izao fanontaniana manaraka izao miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy avy, ary hanao lisitra ny valintenin’izy ireo ao amin’ilay taratasy kely.

  • Inona no sasantsasany amin’ireo antony mety mahatonga ny olona tsy hikatsaka famelana ny fahotan’izy ireo avy amin’ny Tompo?

Mangataha mpianatra vitsivitsy hanao tatitra ny valintenin’izy ireo, izay mety ahitana ireto manaraka ireto: ny olona sasany dia mety tsy te hijanona ny hanota; mety tsy te hiaiky sy hibaboka ny fahotany ny sasany noho ny ambompo na noho ny fahamenarana; ny hafa mety manantena fa hamela azy ireo ny Tompo na dia tsy mibebaka aza izy; ary ny sasany mety mino fa manana ny hery hamelana ny fahotana ny Tompo, kanefa tsy ampy ny finoan’izy ireo fa Izy dia mamela ny fahotan’izy ireo manokana.

Asao ireo mpianatra hikaroka ireo fahamarinana ao amin’ny Marka 2:13–22 izay afaka hampahery antsika hikatsaka famelan-keloka avy amin’ny Tompo.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 2:13–15. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy taorian’ny nanasitranany ilay lehilahy narary mafy sy tsy afa-nihetsika.

  • Inona no zavatra nataon’ny Mpamonjy taorian’ny nanasitranany io lehilahy io?

  • Ahoana no fomba namalian’i Levy ny fanasan’ny Mpamonjy?

Hazavao fa i Levy dia nitondra ihany koa ny anarana hoe Matio, ary izy ihany no matio izay nanoratra ny Filazantsaran’i Matio. Ilay fehezanteny hoe “nipetraka teo am-pamorian-ketra” (andininy 14) dia midika fa i Matio dia mpamory hetra sy “mpanangona ireo vola aloha amin’ny fanjakana tany Kapernaomy, angamba tamin’ny fotoana nitondran’i Heroda Antipasy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Matio”). Maro tamin’ireo Jiosy no nankahala ireo mpamory hetra, satria izy ireo dia nanana fomba fijery fa ny mpamory hetra dia mpamadika izay mamory ireo vola avy amin’ny olony ihany ho an’ny Romana.

  • Araka ny andininy 15, inona no zavatra nataon’i Matio ho an’ny Mpamonjy sy ireo mpianany?

  • Iza ihany koa no tonga nanatrika io fiaraha-mihinana io?

Hazavao fa nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany, ny fizarana sakafo amin’ny hafa dia nidika ho zava-dehibe mihoatra noho ny hoe fiaraha-mihinana sy misotro fotsiny ihany. Io fomba io dia noentina nanehoana ny finamanana sy ny filaminana izay nisy teo anivon’ireo olona tonga nanatrika.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 2:16, ary asao ny sisa rehetra hikaroka ny fihetsika nasehon’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo rehefa nahita ny Mpamonjy niara-nihinana tamin’ireo mpamory hetra.

  • Inona no nolazain’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

  • Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nitsikera an’i Jesoa noho ny fiarahany nihinana tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 2:17, ary asao ny iray kilasy hikaroka ny navalin’ny Mpamonjy ny fitsikerana nataon’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

  • Inona no teny nampiasain’ny Mpamonjy nentiny namaritra ny tenany? (Hamafiso fa tamin’ny fampiasan’ny Mpamonjy ny teny hoe mpanao fanafody, dia namerina nanamafy indray ny fananany ny hery hanasitranana na ny ara-panahy na ny ara-nofo Izy.)

  • Ahoana no mety nanampian’ny valintenin’ny Mpamonjy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hahatakatra ny antony nifangaroany tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 17 mikasika ny fomba fijery ananan’ny Mpamonjy manoloana ny fahotantsika. (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny Mpamonjy dia maniry ny hanampy antsika hibebaka amin’ireo fahotantsika sy mba ho sitrana.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mino fa i Jesoa dia maniry ny hanampy antsika mba hibebaka sy ho sitrana?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Craig A. Cardon avy ao amin’ny Fitopololahy:

Loholona Craig A. Cardon

Tia antsika ny Tompo ary tiany ny hahatakarantsika ny finiavany hamela heloka. …

“… Isika rehetra, anisan’izany ireo izay miezaka hiala amin’ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha toy ny fandraisana zavatra voarara na ny fijerena zavatra mamoa fady sy ireo olona izay manodidina azy ireny, dia afaka mahafantatra fa ny Tompo hahalala ny ezaka an-kitsim-po izay ataontsika ary hamela heloka am-pitiavana rehefa tanteraka ny fibebahana” (“Manam-piniavana hamela heloka ny Mpamonjy,” Ensign na Liahona, mey 2013, 16).

  • Ahoana no ahafantarantsika fa ny Tompo dia maniry ny hanampy antsika hibebaka sy hahazo famelan-keloka avy Aminy?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka tahaka ireo mpamory hetra sy mpanota (izay niaiky fa mila ny Mpamonjy ary nanantona Azy) na tahaka ireo mpanora-dalàna sy Fariseo (izay tsy nanatona ny Mpamonjy mba hikatsaka famelan-keloka sy hery fanasitranana avy Aminy).

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny hery sy ny fanirian’ny Mpamonjy hanasitrana antsika, ary ankaherezo ireo mpianatra hikatsaka famelan-keloka avy Amin’ny amin’ny alalan’ny fibebahana rehefa ilaina izany.

Fintino ny Marka 2:18–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia nampianatra ny antony tsy nifadian’ireo mpianany hanina nandritra ny fotoana niarahany tamin’izy ireo. Nampianatra ihany koa Izy ny antony nahasarotra ho an’ny olona sasany ny nanaiky ny filazantsarany. (Fanamarihana: Ireo fampianarana ireo dia hodinihina lalindalina kokoa ao amin’ny lesona ho an’ny Lioka 5.)

Marka 2:23–3:6

Nampianatra momba ny Sabata i Jesoa

Anontanio ireo mpianatra raha toa izy ireo ka efa nisafidy ny tsy handray anjara tamin’ny fiaraha-mientana iray mba hanajana ny andro Sabata ho masina. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao, ary asao ireo mpianatra hisaintsaina izany rehefa manohy mandalina ny Marka 2–3: Ahoana no ahafantaranao fa ny fiaraha-mientana iray dia azo atao amin’ny andro Sabata?

Zarao roa ny kilasy. Asao ny antsasaky ny mpianatra voalohany hamaky am-pahanginana ny Marka 2:23–28 (Amporisiho ireo mpianatra ireo hamaky ihany koa ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 2:26–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Asao ny antsasany ambiny hamaky amim-pahanginana ny ao amin’ny Marka 3:1–6. Omeo toromarika ireo mpianatra hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy sy ireo mpianany izay ninoan’ireo Sadoseo fa fandikana ny didy mba hitandrina ny Sabata ho masina.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra ninoan’ireo Fariseo fa tsy ara-dalàna izay nataon’ny Mpamonjy sy ireo mpianany tamin’ny andro Sabata? (Fiotazana katsaka sy fanasitranana olona.)

  • Nahoana ireo Fariseo no nandray izany ho fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, dia ny mioty katsaka na ny manasitrana olona amin’ny andro Sabata?

Raha ilaina, dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo mpampianatra Jiosy ireo dia nanampy lalàna sy fotokevitra avy amin’izy ireo manokana tao amin’ny lalàn’i Mosesy, izay nantsoina hoe lalàna avy amin’ny lovan-tsofina na fomban-drazana. Ireo lalàna fanampiny ireo dia natao mba hisorohana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, kanefa ireo ihany koa dia nanakana ny sasany tamin’ireo olona tsy hahatakatra ny tena tanjon’ireo didy sasany, tafiditra tao anatin’izany ny didy mba hitandrina ny Andro Sabata ho masina.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga ity: Afaka mitandrina ny Andro Sabata ho masina isika amin’ny alalan’ny …

  • Ahoana no fomba mety hamenoanao io fehezan-teny io raha miainga avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 2–3? (Rehefa avy mamaly izany ireo mpianatra dia fenoy ny banga amin’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe mba hanome izao manaraka izao: Afaka mitandrina ny Andro Sabata ho masina isika amin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ny fanaovana asa soa.)

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika manome voninahitra an’ Andriamanitra mandritra ny androny masina?

  • Inona no sasantsasany amin’ireo ohatra mikasika ny fanaovana asa soa mandritra ny Andro Sabata?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hamantarany ireo fiaraha-mientana izay azo atao mandritra ny Andro Sabata, dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka izao:

Filoha James E. Faust

“Hatraiza ny tsipika izay mamaritra ny zavatra azo ekena sy ny zavatra tsy azo ekena mandritra ny Andro Sabata? Ao amin’ireo torolalana, ny tsirairay avy amintsika dia tsy maintsy mamaly io fanontaniana io ho an’ny tenantsika. Koa ireo torolalana ireo dia hita ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpaminany maoderina, izy ireny ihany koa dia tsy maintsy soratana ao am-pontsika sy tantanana amin’ny alalan’ny fahatsiarovan-tenantsika. … Somary sarotra kokoa ny hisian’ny fandikana goavana ny Andro Sabata izay natao hiderana raha toa isika ka manatona eo anoloan’ny Tompo am-panetrentena sy manome Azy ny fontsika, ny fanahintsika sy ny saintsika manontolo. (Jereo ny Mat. 22:37.)

“Ny zavatra mendrika sy ny zavatra tsy mendrika atao amin’ny Andro Sabata dia tsy maintsy tsarain’ny tsirairay avy amintsika amin’ny alalan’ny fiezahana ny ho marin-toetra eo anoloan’ny Tompo. Mandritra ny Andro Sabata dia tokony ataontsika ny zavatra mila tanterahintsika sy ny zavatra fantatra fa tokony hataontsika ao anatin’ny fomba fijery feno fiderana ary avy eo dia mametra ireo fiaraha-mientana hafa ataontsika” (“The Lord’s Day,” Ensign, nôv. 1991, 35).

  • Ahoana no fomba efa nahatsapanao fa voatahy ianao rehefa niezaka nidera an’ Andriamanitra sy nanao asa soa nandritra ny Andro Sabata?

Ankaherezo ireo mpianatra hisaintsaina fomba iray izay ahafahan’izy ireo hitandrina tsaratsara kokoa ny Andro Sabata ho masina sy hanoratra tanjona iray hanatanterahana izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Marka 3:7–35

Nanasitrana olona maro sy naniraka ireo Apôstôliny hitory ary nampitandrina ny hafa ny amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina i Jesoa.

Fintino ny Marka 3:7–35 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia nankeny amin’ny ranomasin’i Galilia sy nanasitrana olona maro izay nanaraka azy teny, anisan’izany ireo izay nitoeran’ny fanahy maloto. Taorian’ny nisafidianany ireo Apôstôly Roambinifolo, dia nanokana sy naniraka azy ireo hitory, hanasitrana, sy handroaka demonia i Jesoa. Ary avy eo dia nampitandrina ireo mpanora-dalàna Izy ny amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina, ary nampianatra fa ny fianakaviany dia ireo izay manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

(Fanamarihana: Ny sasany amin’ireo trangan-javatra voarakitra ao amin’ny Marka 3:7–35 dia voasarona amin’ny antsipirihany ao amin’ny lesona ho an’ny Matio 12:22–35.)

Mba hamaranana ny lesona, dia azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay hita tao amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Marka 2:7. Nanasitrana ilay lehilahy nararin’ny paralysisa sady ara-panahy no ara-batana i Jesoa

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nampianatra fa i Jesoa dia nanome porofo tsy azo lavina ny amin’ny maha-ilay Mesia Azy rehefa nanasitrana ilay lehilahy nararin’ny paralysisa:

“Ity trangan-javatra izay niseho teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika ity, dia porofo hita maso sy tsy azo hiadian-kevitra fa Izy ilay Mesia; ary izany dia tsikaritr’ireo olona manodidina ilay olona izay nanaovany asa fanompoana mazava tsara. Matetika Izy no nanao teny fijoroana ho vavolombelona fa Andriamanitra no Rainy ary nanohana izany teny vavolombelona manokana izany Izy tamin’ny asa fanompoana nataony tamin’ny fitoriana sy fanasitranana izay tsy nanam-paharoa. Koa tamin’izany dia tanjony ny nanambara fa Izy dia efa nahavita ny zavatra tsy azon’iza na iza atao afa-tsy Andriamanitra, sy nanaporofo fa Izy dia nanao izany tamin’ny alalan’ny fanehoana bebe kokoa ny herin’ny Rainy.

“Na i Jesoa na ireo ‘mpahay lalàna’ izay teo dia samy nahafantatra fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka. Araka izany, tamin’ny naha-vavolombelona voatendry sy niavaka Azy izay nitoeran’ny herin’ Andriamanitra, i Jesoa dia naka (angamba mety nikatsaka) ity fahafahana ara-drariny iray ity mba hamelana heloka. Ary rehefa nifanehitra tamin’ny fanontanian’ireo mpahay soratra masina izay nahafantatra (sy naneho ny marina) Izy fa ny fomba fijery diso momba ny fahefana mba hamela heloka dia fanimbazimbana, i Jesoa dia nanao zavatra izay tsy afaka ho nataon’ny olona iray mpamitaka—nanaporofo ny heriny masina Izy tamin’ny alalan’ny fanasitranana ilay lehilahy voavela heloka. Nanoloana ny fanadihadiana natao taminy, ‘Mitaky hery bebe kokoa mihoatra noho ny fananganana sy fampandehanana ny marary ve ny hery ahafahana mamela heloka?’ Iray ihany no afaka ho valin’izany! Izy ireo dia iray ihany, izay mahay manao ny an-daniny, dia afaka manao ny an-kilany ihany koa” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:177–78).

Marka 2:27–28. Andro fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra

Ny Loholona Mark E. Peterson tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny fanajantsika ny Andro Sabata dia misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy:

Ny fanajantsika na ny tsy fanajantsika ny Andro Sabata dia fandrefesana tsy mety diso ny toe-tsaina ananantsika manoloana ny Tompo manokana sy manoloana ny fijaliany tao Getsemane, ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty” (“The Sabbath Day,” Ensign, May 1975, 49).

Marka 3:4. “Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy?

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanampy tamin’ny fanazavana bebe kokoa ny dikan’ny hoe “manao soa” amin’ny andro Sabata:

“Ny Sabata dia andro masina hanaovana zavatra mendrika sy masina. Ny tsy fanaovana asa sy fialam-boly dia manan-danja, fa tsy ampy. Ny Sabata dia mitaky fomba fisainana sy asa mampahomby, ary raha misy olona iray mitsotsotra fotsiny ary tsy manao na inona na inona amin’ny Sabata, dia mandika izany izy” (“The Sabbath—a Delight,” Ensign, jan. 1978, 4).

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao torohevitra manaraka izao momba ny fanajana ny Andro Sabata:

“Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo ny Eksodosy 31:13; Ezekiela 20:12, 20]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho niaraka tamin’izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?’ Nampahazava tsara ny safidiko momba ny andro sabata izany. …

Inona no famantarana izay omenareo ny Tompo mba hampisehoana ny fitiavanareo Azy? (“Fahafinaretana ny Sabata,” Ensign na Liahona, mey 2015, 130).