Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Lioka 10:38–17:37 (Fizarana 11)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Lioka 10:38–17:37 (Fizarana 11)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny trangan-javatra sy fotopampianarana ary fitsipika manaraka ity izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Lioka 10:38–17:37 (fizarana 11) dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Lioka 10:38–12:59)

Nianatra avy amin’ireo teny nolazain’ny Mpamonjy tamin’i Marta ireo mpianatra fa rehefa misafidy ny hanokana ny tenantsika amin’ny zavatra ara-panahy mihoatra noho ny fitotototoana amin’ny zavatra ara-nofo isika dia handray fitahiana maharitra. Nampianatra ihany koa i Jesoa fa raha toa isika ka tsy mitsahatra ny mivavaka sy mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fotoana izay ilantsika izany, dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy amin’ny fotoana heveriny fa maha-mety izany sy araka ny fombany. Ireo fahamarinana hafa izay nianaran’ireo mpianatra: Ny Tompo dia nandidy antsika tsy hifikitra amin’ny haren’izao tontolo izao. Raha toa isika ka mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy antsika amin’ireo zavatra ilaintsika sy hanomana toerana ho antsika ao amin’ny fanjakany Izy.

Andro 2 (Lioka 13–15)

Tao amin’ireo toko ireo dia nianatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra: Raha toa isika ka miezaka manampy ireo olona izay tsy manana noho isika, dia hamaly soa antsika ny Tompo amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Raha toa isika ka mametraka zavatra hafa ho laharam-pahamehana alohan’ny Tompo sy ny filazantsarany dia hamery ireo fitahian’ny filazantsara izay tokony ho raisintsika. Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy vonona hahafoy ny zava-drehetra mba hanaraka Azy. Rehefa manampy ny hafa hanam-paniriana hibebaka isika dia hahatsapa fifaliana ary hisy fifaliana lehibe any an-danitra.

Andro 3 (Lioka 16)

Nianatra avy amin’ny fanoharana mikasika ilay mpitandrina tsy marina sy ilay lehilahy mpanan-karena ary i Lazarosy ireo mpianatra fa raha toa isika ka manomana am-pahendrena ny hoavintsika mandrakizay sy mampiasa am-pahamarinana ny harena, dia ho voatahy amin’ireo harena mandrakizay isika. Izy ireo ihany koa dia nianatra ireto fitsipika manaraka ireto: Raha toa isika ka mifikitra sy tsy mampiasa am-pahamarinana ny harena eto an-tany, dia hiatrika fijaliana sy nenina isika any aoriana any. Ny fiovam-po dia tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanarahana ny tenin’ireo mpaminany, fa tsy amin’ny alalan’ny fahitana fahagagana na fahitana anjely.

Andro 4 (Lioka 17)

Ao amin’ny Lioka 17, dia nangataka tamin’i Jesoa ireo Apôstôly mba hampitombo ny finoan’izy ireo. Nianatra ireo mpianatra fa rehefa miezaka mafy isika manao ny zava-drehetra izay andidian’ny Ray any An-danitra antsika, sy mahatsiaro fa isika dia raiki-trosa Aminy mandrakariva, dia hitombo ny finoantsika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa rehefa manao ireo zavatra asain’ny Tompo ataontsika isika dia handray ireo fitahiana avy Aminy, ary zava-dehibe ny maneho fankasitrahana amin’ireo fitahiana izay azontsika.

Fampidirana

Namaly ny fimonomononan’ireo Fariseo tamin’ny nifangaroany tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanoharana nataony momba ny ondry very sy ilay farantsa kely very ary ilay zanaka adala.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 15

Nanao fanoharana momba ny ondry very sy ilay farantsa kely very ary ilay zanaka adala i Jesoa

Atombohy ny kilasy amin’ny alalan’ny fanontaniana ireo mpianatra raha toa izy ireo ka efa very zavatra iray izay tena sarobidy taminy.

  • Inona no zavatra vonona hataonao mba hitadiavana izany? Nahoana?

  • Midika inona amin’ny olona iray, araka ny eritreritrareo, izany hoe “very” ara-panahy? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa izany dia azo hilazana ireo izay mbola tsy nandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny na ireo izay tsy miaina araka ny fampianaran’ny filazantsara amin’izao fotoana izao.)

Asao ny iray kilasy hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay mety ho very ara-panahy. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra tsapany momba io olona io.

Hazavao fa ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ireo izay very ara-panahy dia hita ao amin’ny Lioka 15. Asao ny mpianatra hikaroka ireo fahamarinana mikasika ny fahatsapana ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay very ara-panahy sy mikasika ny andraikitra ananantsika amin’izy ireo ao amin’ny Lioka 15.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 15:1–2. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampimoimoy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna.

  • Nahoana no nimonomonona ireo Fariseo sy mpanora-dalàna?

  • Inona no asehon’izany fimonomononana izany momba ireo Fariseo sy mpanora-dalàna?

Hazavao fa ny Mpamonjy dia namaly azy ireo tamin’ny alalan’ireo fanoharana telo nataony: ny iray mikasika ny ondry very, ny iray hafa momba ilay farantsa kely very ary ny iray farany momba ilay zanakalahy very. Asao izy ireo hihaino tsara ny antony nahavery ny zavatra tao amin’ny fanoharana tsirairay avy sy ny fomba nahitana izany indray.

Hazavao fa ao amin’ireo fanoharana mikasika ilay ondry very sy ilay farantsa kely very ireo dia nofaritan’ny Mpamonjy ny fomba nitadiavan’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy very farantsa kely iray tamim-pahazotoana lehibe ny zavatra very mandra-pahitan’izy ireo izany indray.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 15:4–6, 8–9. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fahatsapana nananan’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy rehefa hita ilay ondry sy ilay farantsa kely.

  • Inona no mahasamihafa ny fomba nahavery ilay ondry sy ilay farantsa kely? (Ilay ondry dia very tamin’ny fanarahany ny fizotry ny fiainana sy tsy vokatry ny fahadisoany manokana, fa ilay farantsa kely kosa dia very noho ny fanaovana tsirambina na ny tsy firaharahiana avy amin’ny tompony [jereo ny David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1945, 120–22].)

  • Inona no teny nampiasaina namaritana ny fahatsapana nananan’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy?

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Lioka 15:7, 10 sy hikaroka ny zavatra noharin’ny Mpamonjy tamin’ny fifaliana nananan’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy. (Ny fifaliana any an-danitra noho ny mpanota iray izay mibebaka.)

Hazavao fa ilay fanoharana fahatelo ao amin’ny Lioka 15 dia ny tantaran’ilay zanaka adala (izay midika hoe mpandanindany foana sy mpiliba), sy ny zokilahiny ary ny rain’izy ireo.

handout iconSaintsaino ny hizarana ireo mpianatra ho vondrona telo. Omeo ny tahadikan’ity taratasy manaraka ity ny vondrona tsirairay avy: Asao izy ireo hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 15:11–32 ao amin’ny vondrona misy azy ireo avy. Mangataha mpianatra iray hisaintsaina ilay fanoharana raha miainga avy amin’ny fomba fijery nananan’ilay zanaka adala, sy mpianatra iray faharoa hisaintsaina izany raha miainga avy amin’ny fomba fijery nananan’ilay ray ary mpianatra iray fahatelo hanao toy izany ihany koa raha miainga avy amin’ny fomba fijery nananan’ilay rahalahiny.

Rehefa vita ny famakian’ny mpianatra, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ao amin’ilay taratasy nozaraina ao amin’ny vondrona misy azy ireo avy.

video iconAzonao atao ny maneho ny horonantsary “The Prodigal Son” (5:35) ao amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos ho solon’ny fanasana ireo mpianatra hamaky sy hifanakalo hevitra momba ilay fanoharana. Zarao amin’ny mpianatra tsirairay avy ny tahadikan’ity taratasy manaraka ity, ary asao izy ireo hikaroka ny valin’ireo fanontaniana rehefa mijery ilay horonantsary. Ity horonantsary ity dia azo alaina ao amin’ny LDS.org.

Taratasy zaraina, Ny fanoharana momba ilay Zanaka Adala

Ny fanoharana momba ilay zanaka adala

Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra, Seminera momba ny Testamenta Vaovao —Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano (Fizarana 11)

Ilay Zanaka Adala

  • Inona no nanampy anao hanontany tena, na hahatsikaritra ny toe-javatra mahatsiravina izay nisy anao?

  • Inona no fihetsika noheverinao fa hataon’ny rainao noho ny fiverenanao indray tao an-trano?

  • Inona no zavatra mety nosaintsaininao sy tsapanao rehefa nandray anao toy ny efa nandraisany anao hatrizay ny rainao?

Ilay Ray

  • Inona no zavatra mety nosaintsaininao sy tsapanao rehefa lasa ny zanakao faralahy?

  • Inona no antony nandraisanao indray tao an-trano ilay zanakao adala tamin’ny fomba nanaovanao izany?

  • Rehefa tsy faly tamin’ny fomba nandraisanao ny zandriny lahy ilay zanakao lahimatoa, dia ahoana no fomba nanampianao azy hahatakatra ireo fihetsika nataonao?

Ilay Zokilahy

  • Inona no zavatra mety nosaintsaininao sy tsapanao rehefa lasa ny rahalahinao?

  • Nahoana no sarotra ho anao ny nifaly tamin’ny fiverenan’ny rahalahinao?

  • Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao noho ny fahatokiana nanananao teo anatrehan’ny rainao?

  • Nahoana no very ilay zanaka adala? (Mifanohitra tamin’ny zava-nitranga tamin’ilay ondry sy ilay farantsa kely, ilay zanaka adala dia very noho ny fikomiana nataony.)

  • Amin’ny fahatakarana fa ilay raim-pianakaviana ao amin’ity fanoharana ity dia misolo tena ny Ray any An-danitra, inona no zavatra azontsika ianarana mikasika ny fomba handraisan’ny Ray any An-danitra ireo izay miverina Aminy amin’ny alalan’ny fibebahana? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha toa isika ka miverina amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fikatsahana ny famindram-pony, dia ho faly sy handray antsika amin’ny sandriny mivelatra ho antsika Izy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no fomba mety hanampian’io fitsipika io ireo izay mahatsapa fa very ara-panahy?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny momba ilay zokilahy ao amin’ilay fanoharana.

  • Nahoana araka ny hevitrao no tezitra ilay zokilahy?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asaivo henoin’ny mpianatra rehetra ireo hevitra mikasika ny antony nahatezitra ilay zokilahy:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tao anatin’ny fahatsapana fa tsy nahazo sitraka ary angamba nihoatra ny fankahalany kely ny tenany, ity zanakalahy mpandray andraikitra ity—ary izy dia nandray andraikitra fatratra tokoa —dia nanadino tamin’io fotoana io fa izy dia mbola tsy nahafantatra na oviana na oviana ny faharatsiana na ny fahadisoam-panantenana sy ny tahotra na ny fahatsapana rikoriko tamin’ny tenany. Hadinony tamin’io fotoana io fa efa azy avokoa ny zanak’omby rehetra tao am-bala sy ny fitafiana rehetra tao amin’ny fasiana akanjo ary ny peratra rehetra tao amin’ny toerana fasiana izany. Hadinony tamin’io fotoana io fa ny fahatokiana nananany dia efa novaliana sy mbola ho valiana soa hatrany. …

“… Izy izay nanana ny zava-drehetra, sy nanana fomba tsara nanangonana izany tao anatin’ny asa mafy izay nataony, dia tsy nanana zavatra iray izay mety nahatonga azy ho lehilahin’ny Tompo izay manana ny fahafenoana izay saika tanterany. Izy dia mbola tsy maintsy tonga amin’ny fangorahana sy famindram-po ary ny halalin’ny fomba fijery feno fiantrana mba hahita fa ity dia tsy fiverenana hampisy fifaninanana. Fa io dia rahalahiny. …

“Marina tokoa fa ity zandrilahy ity dia olona gadra—gadran’ny fahotana sy ny adalana ary ny fahalotoana. Saingy ilay zokilahy ihany koa dia niaina tao anatin’ny fanagadrana. Tsy mbola afaka nanafaka ny tenany tao amin’ilay figadrana tao anatiny ihany izy. Izy dia niangaran’ny fahatsapana ratsy izay manimba avy amin’ny fialonana. Nahatsapa izy fa tsy noraharahin’ny rainy sy nosomparan’ny zandriny, izay zavatra samy tsy marina” (“The Other Prodigal,” Ensign, mey 2002, 63).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Holland, nahoana ilay zokilahy no tezitra? Tamin’ny fomba ahoana no nahavery ihany koa ilay zokilahy?

  • Inona no zavatra ilaintsika tadidiana rehefa mahita an’ Andriamanitra mamindra fo sy mitahy ireo izay mibebaka sy miverina Aminy isika?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity fanoharana ity mikasika ny fomba hahatongavantsika bebe kokoa tahaka ny Raintsika any An-danitra? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Afaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Raintsika any An-danitra isika amin’ny fandraisana amim-pangorahana sy amim-pifaliana ny hafa rehefa mibebaka izy ireo.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay olona izay noeritreretin’izy ireo fa very ara-panahy tany am-piandohan’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hisaintsaina am-bavaka ny fomba ahafahany hanampy izany olona izany hibebaka sy hanatona ny Ray any An-danitra. Asao ihany koa izy ireo hisaintsaina ireo fomba samy hafa izay mety maha-very azy ireo sy ny mety ilan’izy ireo fibebahana sy fiverenana amin’ny Mpamonjy.

Fizarana manaraka (Lioka 18Jaona 1)

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanaovan’ny olona azy ireo tsinitsinona sy ny fahatsapana izay nanana’izy ireo tamin’izany. Hazavao fa rehefa mandalina ny fizarana manaraka izy ireo, dia hianatra ny fomba nisafidianan’ny Mpamonjy hamaliana ireo izay nanao tsinotsinona Azy. Asao izy ireo hanao fanamarihana amin’ireo antsipirihany fanampiny izay hita ao amin’ny tantaran’i Lioka mikasika ny fijalian’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy ny zavatra nohaniny taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty.