Lesona 143
Jakoba 4–5
Fampidirana
Nanoro hevitra ny Olomasina i Jakoba mba hanohitra ny devoly sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra ary hizaka amim-paharetana ny fahoriana eo am-piandrasana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Nampianatra izy fa ny marary dia tokony “hampaka ny loholon’ny fiangonana” (Jakoba 5:14) mba hikarakara azy ireo. Nampianatra koa ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ny mpanota mba hibebaka i Jakoba.
Sosokevitra enti-mampianatra
Jakoba 4
Nanoro hevitra ny Olomasina i Jakoba mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hanohitra ny devoly
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana izay akaiky azy ireo.
-
Iza no eritreretinao? Nahoana ianao no mahatsapa ho akaiky an’izany olona izany?
-
Ahoana no nahatonga anao ho akaiky an’izany olona izany?
Angataho ny mpianatra hisaintsaina hoe aiza ho aiza ny fanakaikezany an’ Andriamanitra.
-
Inona no fitahiana ho azontsika eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fananana fifandraisana mafy orina amin’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Jakoba 4 izy ireo mba hikaroka ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanamafy orina ny fifandraisany amin’ Andriamanitra.
Fintino ny Jakoba 4:1–3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nanakiana ireo Olomasina noho ny firotsahany tao anatin’ireo filana araka izao tontolo izao.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 4:4 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny karazana finamanana izay nampitandreman’i Jakoba ny Olomasina. Hazavao fa ny fandrafiana dia midika hoe fanoherana.
-
Inona no karazana finamanana nampitandreman’i Jakoba an’ireo Olomasina?
-
Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “fisakaizana amin’izao tontolo izao”? (Raha ilaina dia hazavao fa ny torohevitr’i Jakoba ao amin’ny andininy 4 dia tsy midika hoe tokony hisoroka ny fifaneraserana amin’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana isika. Fa tokony hisoroka ny fanarahana fampianarana diso sy ny fanarahana ireo filana sy fitsipika ary fomba ratsin’izao tontolo izao isika.)
-
Arak’i Jakoba dia inona no mitranga amin’ny olona iray misakaiza amin’izao tontolo izao?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jakoba 4:6–8 ary hitady ny zavatra natoron’i Jakoba fa tokony hataon’ny Olomasina.
-
Inona ny zavatra natoron’i Jakoba fa tokony hataon’ny Olomasina?
-
Afaka manampy antsika mba hanohitra ny devoly amin’ny fomba ahoana ny fanoavantsika an’ Andriamanitra?
-
Araka ny andininy 8, dia inona no zavatra tsy maintsy ataontsika raha te hanakaiky an’ Andriamanitra isika? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manakaiky an’ Andriamanitra isika dia hanakaiky antsika Izy.)
-
Inona no azonao atao mba hanakaikezana an’ Andriamanitra? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba iray hanakaikezana an’ Andriamanitra dia ambarao ilay torolalan’i Paoly mba “handio ny tananareo” sy “hanao madio ny fonareo” (Jakoba 4:8). Hazavao fa araka ny nampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia maneho ireo asa ataontsika ny tanana ary maneho ireo faniriantsika ny fo.
-
Manampy anao mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny fananana tanana sy fo madio?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 4:9–12, 17 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny torohevitra fanampiny izay nomen’i Jakoba ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Hazavao fa ny andian-teny hoe “aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo” (andininy 9) dia midika hoe mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny fahotana.
-
Inona ny torohevitra fanampiny nomen’i Jakoba izay afaka manampy olona iray hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?
-
Araka ny andininy 17, dia inona no zavatra nampianarin’i Jakoba fa hoe heloka? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa fantatsika fa tokony hanao soa isika nefa misafidy ny tsy hanao izany dia manota isika.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no fahotana ny mahafantatra ireo zavatra tokony hataontsika nefa misafidy ny tsy hanao azy ireny isika?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Matahotra aho fa ny sasany amin’ireo fahotantsika lehibe indrindra dia fahotana noho ny tsy firaharahiana. Ireo no sasany amin’ireo lehibe amin’ny lalàna izay nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika [jereo ny Matio 23:23]. Asa mifono hatsaram-panahy sy fitiavana izy ireo izay hadinontsika ny manao azy ary mahatsapa ho meloka isika noho ny tsy firaharahiana azy ireo.
“Fony aho ankizilahy tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena nandritra ny hafanana midaniky ny fahavaratra, dia tsaroako i Mary Finlinson renibeko nahandro ny sakafonay tena mafilotra teo amin’ny fatana mandeha amin’ny kitay. Rehefa tsy nisy kitay intsony ilay fitoeran-kitay eo akaikin’ny fatana, dia nandeha nivoaka mangina naka ilay fitoeran-kitay i Bebe mba hameno izany amin’ireo antontan-kazo sedera any ivelany ary nilanja ilay fitoeran-kitay mavesatra nankao an-trano. Tena mafy fo no tena variana tamin’ny resaka tao an-dakozia aho ka dia nipetraka teo ary navelako nameno ilay fitoeran-kitay tao an-dakozia ny renibeko.” Nahatsapa ho menatra ny tenako aho ary nanenina ny amin’izany tsy firaharahiako izany nandritra ny fiainako manontolo. Manantena aho fa indray andro any dia hangataka azy mba hamela ahy” (“The Weightier Matters of the Law: Judgment, Mercy, and Faith,” Ensign, nôv. 1997, 59).
-
Inona ilay asa tsara izay hadinon’ny Filoha Faust ny nanao azy fony izy ankizilahy? Inona no zavatra tsapany vokatr’izany?
-
Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fahotana noho ny tsy firaharahiana izay mety manakana antsika tsy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?
-
Inona no manakana antsika tsy hanao ireo soa izay ampianarin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa tokony hataontsika?
-
Oviana ianao no efa nanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra noho ny fanaovanao zavatra tsara izay nampianarina anao?
Asao ireo mpianatra hanoratra ao anaty kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hataony mba hanakaikezany an’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo handray andraikitra eo anatrehan’izay fitaomam-panahy voarainy.
Jakoba 5
Nampianatra ny Olomasina mba hizaka amim-paharetana ny fahoriana i Jakoba ary nanome torolalana ny marary mba hiantso loholona
Fintino ny Jakoba 5:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nanakiana ireo Olomasina noho ny tsy fampiasan’izy ireo araka ny tokony ho izy ny hareny sy noho ny fampijaliany ireo olo-marina. Nampandrenesiny izy ireo fa miandry azy ireo ny fahoriana sy ny fitsarana
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jakoba 5:7–11. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hikaroka ny zavatra nasain’i Jakoba nataon’ireo Olomasina ao anatin’ny fahoriana atrehany eo am-piandrasana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
-
Araka ny andininy 7–8, dia inona no nasain’i Jakoba nataon’ny Olomasina eo am-piandrasan’izy ireo ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
-
Araka ny andininy 10, dia iza no olona azon’ny Olomasina raisina ho toy ny ohatra eo amin’ny fizakana amim-paharetana ny fahoriana?
-
Iza ny sasantsasany amin’ireo mpaminany avy ao amin’ny soratra masina izay nizaka tamim-paharetana ny fahoriana?
Hazavao fa ny Jakoba 5:13–16 dia mirakitra ny torohevitra nomen’i Jakoba ho an’ny marary sy ny azom-pahoriana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity zava-miseho manaraka ity:
Hoy ny namana iray hoe: “Tena tsy mahazo aina aho. Narary nandritra ny herinandro mahery aho. Efa tany amin’ny dokotera aho ary efa nihinam-panafody, saingy tsy mbola mahatsapa ho mihatsara. Tsy fantatro hoe inona no zavatra hafa tokony hataoko.”
Asaivo misaintsaina ny zavatra izay holazainy an’io namana io ny mpianatra. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 5:13–16 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nasain’i Jakoba nataon’ny marary sy ny azom-pahoriana.
-
Inona ny zavatra nasain’i Jakoba nataon’ny marary sy ny azom-pahoriana?
-
Inona no zavatra nasain’i Jakoba nataon’ireo loholona ho an’ny marary? (Mba hikarakara ny marary amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ary hanosotra diloilo azy ireo.)
Hazavao fa ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “rehefa manosotra menaka olona marary anankiray ny loholona ary mamehy ilay fanosorana, dia manokatra ny varavaran’ny lanitra mba handrotsahan’ny Tompo ny fitahiana izay sitrany ho an’ilay olona marary” (“Fanasitranana ireo marary,” Ensign na Liahona, mey 2010, 48).
-
Ankoatra ny herin’ny fisoronana dia inona koa no nolazain’i Jakoba fa hamonjy na hanasitrana ny marary? (“Ny fivavaky ny finoana” [Jakoba 5:15].)
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’i Jakoba mikasika ny fomba ahafahan’ny marary ho sitrana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho sitrana ny marary amin’ny alalan’ny fivavaky ny finoana sy ny herin’ny fisoronana. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fahamarinana io dia ataovy eo amin’ny taratasy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ity dia zaraina. Zarao tsiroaroa ny mpianatra, ka asao izy ireo hiara-hamaky mafy ilay teny nambara. Asaivo tadiavin’izy ireo ny zavatra nampianaran’ny Loholona Oaks mikasika ny fivavaky ny finoana sy ny hery manasitran’ny fisoronana.
Rehefa mampiasa ny hery tsy hiadian-kevitra izay an’ny fisoronan’ Andriamanitra isika sy rehefa manaiky ny Fampanantenany fa hihaino sy hamaly ny fivavaky ny finoana Izy, dia tsy maintsy tsaroantsika lalandava fa ny finoana sy ny hery fanasitranana ao amin’ny fisoronana dia tsy afaka hanome vokatra izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Ilay tompon’ny fisoronana …
“… Fa na dia ny mpanompon’ny Tompo aza, izay mampiasa ny Heriny masina amin’ny toe-javatra iray izay ahitana finoana ampy hahasitrana, dia tsy afaka manome tsodrano fanasitranana izay hahatonga ny olona iray ho sitrana raha toa ka tsy sitrapon’ny Tompo izany fahasitranana izany.
“Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, izay mahafantatra ny Fitiavany lehibe sy ny Fahalalany faratampony amin’ny tsara indrindra ho antsika eo amin’ny mahasoa antsika mandrakizay dia matoky Azy isika. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ary ny finoana dia midika hoe fahatokiana. … Nahatsapa fahatokiana mitovy amin’izany aho tamin’ny teny nataon-draiko ho an’ny zatovovavy nofinidy iray hafa izay nandao ity fiainana ity teo amin’ny fahatanorany noho ny homamiadana. Nilaza izy hoe, ‘Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny zavatra mety hitranga.’ Toa tena marina ho ahy ireo fampianarana ireo. Manao izay rehetra vitantsika isika ho an’ny fahasitranan’ireo olon-tiantsika ary avy eo dia mametra-pahatokiana amin’ny Tompo isika amin’izay hitranga” (“Fanasitranana ireo marary,”50).
-
Manampy antsika mba hahatakatra ny hery manasitran’ny fisoronana amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ny Loholona Oaks?
-
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny tsy fianteherana amin’izay ho vokatry ny tsodranon’ny fisoronana?
Asaivo misaintsaina zavatra niainany ny mpianatra izay nahazoan’izy ireo na olona fantany fitahiana tamin’ny alalan’ny fivavaky ny finoana sy ny herin’ny fisoronana. Angataho ireo mpianatra hizara ny fomba nanamafisan’ireo zavatra niainana ireo ny finoan’izy ireo sy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. (Ampahatsiahivo izy ireo tsy hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana na zavatra masina loatra.)
Asehoy ilay fifandraisana misy eo amin’ny fanasitranana ny marary sy ny famelana ny fahotana ao amin’ny andininy 15 . Ny karazana fanetrentena sy finoana takiana amintsika mba ho sitrana ara-batana dia mitovy amin’ilay karazana fanetrentena takiana amintsika mba hahazoana famelan-keloka (jereo ny Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, edisiôna faha-2 [1966], 297–98).
Fintino ny Jakoba 5:17–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nampiasa an’i Elia ho toy ny ohatra maneho ilay olona iray izay nampiasa ny herin’ny vavaka mahery. Nanoro hevitra ny Olomasina koa izy mba hanampy ny mpanota hibebaka.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tato amin’ity lesona ity.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jakoba 4:8. “Diovy ny tananareo … ary ataovy madio ny fonareo”
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo fomba ahafahantsika hanana tanana sy fo madio:
“Ny tanana dia lasa madio amin’ny alalan’ny dingan’ny fanaisorana ny maha-olona araka ny nofo, sy amin’ny alalan’ny fandresena ny fahotana sy ny fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainantsika, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fo dia lasa madio rehefa mandray ny heriny mampahery hanao ny tsara sy ho lasa tsaratsara kokoa isika.” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 82).
Jakoba 5:15 “Raha nanota izy, dia havela ny helony”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fifandraisan’ny fanasitranana ny marary sy ny famelana ny fahotana:
“Ny olona izay manana finoana, feno fanoloran-tena sy marin-toetra ary manana fahamendrehan’ny tena manokana dia manana fahafahana ny ho sitrana sy manana fahafahana koa hanana ilay fankasitrahana manamarina avy amin’ny Fanahy mandritra ny fiainany ary voavela ny fahotany izay voaporofo amin’ny fahazoany ny Fanahy ho namana izay tsy ho azony raha toa ka tsy mendrika izy” (Mormon Doctrine, edisôna faha-2 [1966], 297–98).
Jakoba 5:20. “Hanarona heloka be”
“Nampianatra i Jakoba fa rehefa miova fo ny mpanota iray ary mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena dia ‘voarona’ ny helony—voaonitra na voavela—amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Testamenta Vaovao: Bokin’ny mpianatra [Bokin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 499).
Torak’izany koa, ny olona iray izay manampy olona iray hafa mba ho lasa niova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mahazo fitahiana lehibe koa. Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Spencer W. Kimball:
“Tonga any amin’ny fitondrana famonjena sy fanamasinana ho an’ny tenany ny olona iray amin’ny alalan’ity asa fitoriana entina hamonjena ny fanahin’ny hafa ity. …
“Ny tena antony manosika ny fanaovana izay mety ho karazana asa fitoriana raha ho an’ny asa fanompoana rehetra ataon’ny Fiangonana dia mazava ho azy noho ny fitiavana ireo mpiara-belona amintsika, saingy ny karazana asa toy izany dia misy fiantraikany foana eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Noho izany rehefa lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika mba hanova ny fiainan’ny hafa dia tsy maintsy mivoatra ny fiainantsika manokana. Tsy afaka ny hanampy olona iray hafa hianika eny an-tampon’ny havoana ny olona iray raha tsy mianika eny koa” (The Miracle of Forgiveness [1969], 205).