Tahirim-pitaovana
Mampianatra ireo Filazantsara amin’ny fomba mirindra


Mampianatra ireo Filazantsara amin’ny fomba mirindra

Amporisihinay ianareo hampiasa ity boky torolalana ity araka ny nanoratana azy sy hampianatra ireo Filazantsara efatra araka ny filaharany. Afaka misafidy ny hampianatra “amin’ny fomba mirindra” ireo Filazantsara ao amin’ny Testamenta Vaovao anefa ianareo, izany hoe mampianatra ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy araka ny filaharan’ny zava-niseho, ka hampikambana ny fandaharam-pampianarana avy ao amin’ny Filazantsara tsirairay. Azo atao amin’ny fomba maro izany. Ohatra, azonareo atao ny mampianatra amin’ny fomba mirindra ireo Filazantsara araka ny filaharany amin’ny voalohany kanefa misafidy hampianatra ampahany sasantsasany—toy ireo zava-nitranga manodidina ny fahaterahana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Na azonareo atao ny mampianatra amin’ny fomba mirindra ny votoatin’ny Filazantsara rehetra.

Raha toa ka tsy mbola nampianatra mihitsy ireo Filazantsara araka ny filaharany ianareo dia mety hisalasala hanandrana ity fomba fiasa ity. Ity boky torolalana ity dia nomanina mba hanampiana anareo hampianatra amim-pahombiazana ny Filazantsara tsirairay. Raha toa ka misafidy ny hampianatra ireo Filazantsara amin’ny fomba mirindra ianareo dia tokony handray izany fanapahan-kevitra izany rehefa niresaka tamin’ny mpiandraikitra ny seminera, sady hijery ny zavatra ilain’ny mpianatra no hampiasa ny fitarihan’ny Fanahy.

Ny fampianarana ny Filazantsara amin’ny fomba mirindra dia afaka mamela anareo hiresaka bebe kokoa momba ireo fampianarana sy zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ary hanamaivana ny fahatsapana ho mora leo izay tsapa indraindray rehefa mampianatra ireo Filazantsara araka ny filaharany. Tsara ho marihina anefa fa ireo lesona ato anatin’ity boky torolalana ity dia natao hampihena ny fahatsapana ho mora leo ateraky ny fomba fampianarana araka ny filaharany amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny votoatin-kevitra miavaka ao amin’ny Filazantsara tsirairay sy amin’ny alalan’ny famintinana ny votoatin-kevitra izay nampianarina teo aloha.

Mialoha ny hisafidianana hampianatra ity taranja ity amin’ny fampiasana ny fomba mirindra dia ilaina ny mandinika izao manaraka izao:

  • Ny fampianarana ireo Filazantsara amin’ny fomba mirindra dia mety hampananosarotra ny fahatakarana ny fitrangan-javatra misesy araka ny vanimpotoana sy ny sahan-kevitr’ireo andinin-tsoratra masina araka ny niraketana azy ireo tao anatin’ireo Filazantsara efatra. Mila manampy ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra araka ny lahatsoratra sy araka ny tantaran’ny andinin-tsoratra tsirairay ianareo isaky ny mifindra amin’ny tantara iray izy ireo.

  • Ny fampianarana ireo Filazantsara amin’ny fomba mirindra dia mahatonga ireo fikasana sy lohahevitra ary ireo zavatra ifantohan’ny mpanoratra tsirairay ny Filazantsara izay miavaka tsara ho lasa tsy mazava. Tokony hojerenareo tsara ireo lohahevitra ireo mba hahafahanareo manampy ireo mpianatrareo hamantatra sy hankamamy azy ireny. Ny fampahafantarana ny bokin’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona izay nomena ato anatin’ity boky torolalana ity dia afaka manampy anareo hamantatra ireo lohahevitra ireo.

  • Araka izao nanoratana azy izao dia natao hisosa milamina tsara avy amin’ny ampahana lesona iray mankao amin’ny iray hafa ireo hevitra enti-mampianatra ato anatin’ity boky torolalana ity ary nasiana teny mampitohy izany mba hanamora ny fifindrana avy amin’ny hevitra momba ny fampianarana iray mankany amin’ny iray manaraka. Rehefa alamina ho amin’ny fomba mirindra ireo hevitra enti-mampianatra ireo amin’ny fampiasana izao tabilao nampiarahana eto izao dia ho ilainareo ny mampiditra teny mampitohy izay anareo manokana eo anelanelan’ireo hevitra naroso.

Raha toa ka misafidy ny hampiasa fomba mirindra ianareo dia afaka mahita fanampiana manan-danja ao amin’ilay tabilao hoe “Ny firindran’ireo Filazantsara” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na ao amin’ny LDS.org. Ankoatra izany, ity tabilao nampiarahana eto ity dia manolotra sosokevitra momba ny filaharan’ireo hevitra hita ato anatin’ity boky torolalana ity mba hanohanana ny fampiasana ny fomba mirindra. Ankoatra ireo fanovana kely vitsivitsy mba hampahazo aina kokoa rehefa mampianatra dia mifanaraka amin’ilay tabilao “Ny firindran’ireo Filazantsara” ao amin’ny soratra masin’ny OAF edisiôna tamin’ny 2013 ity tabilao ity. Ny tsanganana havia ao amin’ilay tabilao dia manolotra torolalana handrindrana ny taom-pianarana izay mizarazara ny enim-bolana ho herinandro 16. Ny herinandro tsirairay (ankoatra ny herinandro 1) dia mitanisa ireo zava-nitranga sy ireo fampianarana avy amin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy izay voazara araka ny vanimpotoana ka azo ampianarina mandritra ireo dimy andro ianarana. Io torolalana handrindrana ny taom-pianarana io dia ahitana lesona miisa 80 miompana amin’ ireo Filazantsara efatra, izay mitovy habetsaka amin’izay natolotra ao amin’ny fomba fampianarana soratra masina araka ny filaharany ato anatin’ity boky torolalana ity.

Na mampianatra ireo Filazantsara araka ny filaharany na amin’ny fomba mirindra ianareo dia mamporisika anareo izahay mba hanomboka ny fandaharam-pianarana amin’ny fampianarana ireo lesona dimy fanolorana izay hita ao amin’ny herinandro 1 ato anatin’ity boky torolalana ity: “Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao”; “Ny drafitry ny famonjena”; “Ny andraikitry ny mpianatra”; “Fandalinana ny soratra masina”; ary ny “Sahan-kevitra sy topimaso mikasika ny Testamenta Vaovao.”

Torolalana handrindrana ny taom-pianarana

Ireo zava-nitranga sy fampianarana

Loharanom-pitaovana ho an’ny mpampianatra

Herinandro 1

Andro 1–5

Lesona 1–5

Herinandro 2

Andro 1

Ny fisian’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany

Lesona 60: Jaona 1:1–18

Ny tetiaran’i Jesoa Kristy teto an-tany

Lesona 6: Matio 1:1–17

Andro 2

Ny filazana nataon’ny anjely Gabriela tamin’i Zakaria; ny filazana natao tamin’i Maria; ny fitsidihan’i Maria an’i Elizabeta; ny fahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa

Lesona 43: Lioka 1

Andro 3

Ny filazana natao tamin’i Josefa

Lesona 6: Matio 1:18–25

Ny fahaterahan’i Jesoa Kristy; ny filazana natao tamin’ireo mpiandry ondry; ny fanolorana an’i Jesoa tao amin’ny tempoly

Lesona 44: Lioka 2:1–39

Ny fitsidihan’ireo Magy; ny fitsoahana tany Egypta

Lesona 6: Matio 2

Ny fitsidihana ny tempoly (tamin’ny faha-12 taona)

Lesona 44: Lioka 2:40–52

Andro 4

Ny asa fanompoana sy ny tenivavolombelon’i Jaona Mpanao Batisa

Lesona 7: Matio 3:1–12; Lesona 45: Lioka 3:1–22; Lesona 60: Jaona 1:1–18

Andro 5

Ny batisan’i Jesoa

Lesona 7: Matio 3:13–17; Lesona 60: Jaona 1:19–34

Herinandro 3

Andro 1

Ny fakana fanahy an’i Jesoa

Lesona 8: Matio 4:1–11

Andro 2

Nanaraka an’i Jesoa ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa

Lesona 60: Jaona 1:35–51

Ny fampakaram-bady tao Kana; ny fanadiovana voalohany ny tempoly

Lesona 61: Jaona 2

Andro 3

Ny fitsidihan’i Nikodemosy; ny tenivavolombelon’i Jaona Mpanao Batisa

Lesona 62: Jaona 3

Andro 4

Ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana

Lesona 63: Jaona 4:1–42

Andro 5

Niverina tany Galilia i Jesoa

Lesona 8: Matio 4:12–17

Nanasitrana ny zanakalahin’ny tandapa iray i Jesoa

Lesona 63: Jaona 4:43–54

Nolavina tao Nazareta ny Mpamonjy

Lesona 45: Lioka 4:14–30

Herinandro 4

Andro 1

Nantsoina ireo mpanarato

Lesona 46: Lioka 5:1–11; Lesona 8: Matio 4:18–22

Andro 2

Nampianatra tao Kapernaomy i Jesoa ary nandroaka fanahy maloto

Lesona 34: Marka 1:21–39

Nitory ny filazantsara tao Galilia i Jesoa

Lesona 8: Matio 4:23–25

Nanasitrana boka iray sy lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa.

Lesona 34: Marka 1:40–45; Lesona 35: Marka 2:1–12; Lesona 46: Lioka 5:12–26

Andro 3

Ireo fiarahana nisakafo tamin’ny mpamory hetra sy mpanota

Lesona 35: Marka 2:13–22

Nanontany momba ny fifadian-kaniana ireo mpianatr’i Jaona: Ny taloha sy ny vaovao

Lesona 46: Lioka 5:27–39

Andro 4

Namonjy fiarahana misakafo iray i Jesoa, nanasitrana tamin’ny Sabata Izy; toriteny: Ny tenivavolombelon’ny Ray

Lesona 64: Jaona 5

Andro 5

Ireo fifandirana momba ny Sabata

Lesona 35: Marka 2:23–3:6

Nantsoina sy notendrena ireo Roambinifololahy

Lesona 13: Matio 9:35–10:8

Herinandro 5

Andro 1

Ny toriteny teo an-tendrombohitra

Lesona 9: Matio 5:1–16

Andro 2

Ny toriteny teo an-tendrombohitra

Lesona 10: Matio 5:17–48; Lesona 47: Lioka 6

Andro 3

Ny toriteny teo an-tendrombohitra

Lesona 11: Matio 6; Lesona 51: Lioka 12

Andro 4

Ny toriteny teo an-tendrombohitra

Lesona 12: Matio 7

Andro 5

Nanasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny; nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina i Jesoa.

Lesona 47: Lioka 7:1–18

Naniraka mpianatra ho any amin’i Jesoa i Jaona Mpanao Batisa

Lesona 14: Matio 11; Lesona 48: Lioka 7:18–35

Herinandro 6

Andro 1

Nanosotra menaka an’i Jesoa ny vehivavy iray

Lesona 48: Lioka 7:36–50

Belzeboba, fitenenan-dratsy; ireo toriteny momba ny famantarana; fanoharana: Ilay trano foana; ny renin’i Jesoa sy ireo rahalahiny

Lesona 14: Matio 12:1–50

Andro 2

Fanoharana momba ny mpamafy voa

Lesona 15: Matio 13:1–23

Andro 3

Ireo fanoharana fanampiny momba ny hoavin’ny fanjakana

Lesona 16: Matio 13:24–58

Andro 4

Nampitony ny tafiotra; nandroaka andiana fanahy ratsy; nanasitrana vehivavy iray narary nandeha rà; nanangana ny zanak’i Jairo tamin’ny maty i Jesoa

Lesona 36: Marka 4–5

Andro 5

Mila mpiasa bebe kokoa; ny iraka hampanaovina an’ireo Roambinifololahy

Lesona 13: Matio 9:35–10:42

Ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa.

Lesona 37: Marka 6:1–29

Herinandro 7

Andro 1

Namahana olona dimy arivo i Jesoa

Lesona 37: Marka 6:30–44; Lesona 17: Matio 14:1–21

Andro 2

Nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa

Lesona 17: Matio 14:22–36

Ireo fanasitranana

Lesona 37: Marka 6:45–56

Andro 3

Toriteny: Ilay mofon’aina

Lesona 65: Jaona 6:22–59

Andro 4

Ireo toriteny momba ny fahadiovana; nanasitrana zanakavavin’ny Kananita iray sy ireo hafa i Jesoa

Lesona 18: Matio 15

Andro 5

Nanasitrana lehilahy marenina izay tao Dekapolisy i Jesoa; namahana olona efatra arivo; sitrana tsikelikely ny lehilahy jamba iray

Lesona 38: Marka 7:1–8:26

Herinandro 8

Andro 1

Nangataka famantarana ireo Fariseo sy Sadoseo; ny tenivavolombelon’i Petera; nampanantenaina ireo fanalahidin’ny famehezana ao amin’ny fanjakana; fandraisana ny hazofijaliana

Lesona 19: Matio 16:1–28

Andro 2

Fiovan-tarehy: natolotra ireo fanalahidin’ny famehezana; vola madinika atao hetra avy tao amin’ny hazandrano iray

Lesona 20: Matio 17

Andro 3

Nanasitrana zazalahy iray nidiran’ny fanahy ratsy i Jesoa

Lesona 39: Marka 9:14–29

Andro 4

Iza no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakana; fanafintohinana

Lesona 40: Marka 9:30–50

Andro 5

Famelan-keloka: fanoharana: Ilay mpanompo tsy mamindra fo

Lesona 21: Matio 18:1–35

Herinandro 9

Andro 1

Ny fanolorantena takina hanarahana an’i Jesoa; nirahina hamonjy fa tsy handrava i Jesoa

Lesona 49: Lioka 8–9

Andro 2

Notendrena sy nirahina ireo Fitopololahy; namonjy ny Fetin’ny Tabernakely i Jesoa

Lesona 50: Lioka 10:1–24; Lesona 66: Jaona 7

Andro 3

Ilay vehivavy janga; ny fahazavan’ izao tontolo izao

Lesona 67: Jaona 8:1–30

Andro 4

Nampianatra mikasika ny fahafahana amin’ny fahotana sy nijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa

Lesona 68: Jaona 8:31–59

Andro 5

Nanasitrana lehilahy jamba iray tamin’ny andro Sabata i Jesoa

Lesona 69: Jaona 9

Herinandro 10

Andro 1

Fanoharana: Ilay mpiandry ondry tsara; ny fampanantenan’i Jesoa momba ny fitsaharana

Lesona 70: Jaona 10; Lesona 14: Matio 11

Andro 2

Fanoharana: Ilay Samaritana tsara fanahy

Lesona 50: Lioka 10:25–37

Andro 3

I Maria sy i Marta; vavaka; mitandrema amin’ireo Fariseo; fanoharana: Ilay mpanankarena adala

Lesona 51: Lioka 10:38–12:59

Andro 4

Ireo fanasitranana tamin’ny Sabata; fanoharana: Ny fanasana lehibe

Lesona 52: Lioka 13–14

Andro 5

Fanoharana: Ilay ondry very; ilay farantsakely very; ilay zanaka adala

Lesona 53: Lioka 15

Herinandro 11

Andro 1

Fanoharana: ilay mpitandrina tsy marina; i Lazarosy sy ilay lehilahy mpanankarena

Lesona 54: Lioka 16

Andro 2

Ireo toriteny momba ny fanafintohinana sy ny finoana; nanasitrana boka folo i Jesoa

Lesona 55: Lioka 17

Andro 3

Manangana an’i Lazarosy amin’ny maty i Jesoa

Lesona 71: Jaona 11:1–46

Andro 4

Nanontany momba ny fisaraham-bady ireo Fariseo

Lesona 22: Matio 19:1–12

Andro 5

Avelao ny zaza; tovolahy mpanan-karena

Lesona 41: Marka 10:1–34

Herinandro 12

Andro 1

Ny valisoa noho ny fahafoizana ny zava-drehetra; fanoharana: Ireo mpiasa tao an-tanimboaloboka

Lesona 22: Matio 19:13–30; 20:1–16

Ny manompo no lehibe indrindra

Lesona 41: Marka 10:35–52

Andro 2

Fanoharana: Ilay mpitsara tsy marina, Ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra; nanasitrana an’i Bartimosy i Jesoa; ary nitsidika an’i Zakaiosy

Lesona 56: Lioka 18–21

Andro 3

Nanosotra menaka an’i Jesoa i Maria

Lesona 42: Marka 14:1–9; Lesona 72: Jaona 12:1–19

Fidirana ny tanàna tamim-boninahitra; fanadiovana fanindroany ny tempoly

Lesona 23: Matio 21:1–16

Andro 4

Ilay aviavy voaozona; fanoharana: ireo zanakalahy roa, ireo mpiasa tany ratsy fanahy; fanambadian’ny zanakalahin’ny mpanjaka

Lesona 24: Matio 21:17–22:14

Andro 5

Fanontaniana momba ny hetra; ny fanambadiana sy ny fitsanganana amin’ny maty; ilay didy lehibe

Lesona 25: Matio 22:15–40

Herinandro 13

Andro 1

Ny fanamelohana ny fihatsarambelatsihy

Lesona 26: Matio 23:1–36

Ny farantsakelin’ ilay mpitondratena

Lesona 42: Marka 11–13

Nitomany momba an’i Jerosalema i Jesoa

Lesona 26: Matio 23:37–39

Andro 2

Ny teti-dratsy tamin’i Lazarosy; toriteny: nirahin’ny Ray i Jesoa, fahazavana iray ho an’ireo izay mino

Lesona 72: Jaona 12

Andro 3

Ny fandravana an’i Jerosalema; ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany

Lesona 27: Joseph Smith—Matio; Matio 24

Andro 4

Fanoharana: ireo virijiny folo

Lesona 28: Matio 25:1–13

Andro 5

Fanoharana: ireo talenta, ondry ary osy

Lesona 29: Matio 25:14–46

Herinandro 14

Andro 1

Ny teti-dratsin’i Jodasy mba hamadika an’i Jesoa; nanomboka ny fiaraha-misakafo farany

Lesona 30: Matio 26:1–16

Nanasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa

Lesona 73: Jaona 13:1–17

“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Lesona 30: Matio 26:17–25

Andro 2

Didy iray vaovao

Lesona 73: Jaona 13:31–38

Natsangana ny Fanasan’ny Tompo

Lesona 30: Matio 26:26–30

Andro 3

Toriteny momba ilay Mpampionona

Lesona 74: Jaona 14

Andro 4

Voalaza mialoha ny fandavan’i Petera

Lesona 57: Lioka 22:1–38

Ilay tena voaloboka; mifankatiava ianareo; mijoro ho vavolombelona ny Fanahin’ny fahamarinana

Lesona 75: Jaona 15

Andro 5

Ireo fampitandremana natao tamin’ireo Apôstôly; ilay Mpampionona; ny fifanoherana: fifaliana sy fijaliana

Lesona 76: Jaona 16

Herinandro 15

Andro 1

Ny vavaka fanelanelanana nataon’i Jesoa

Lesona 77: Jaona 17

Andro 2

Ny fijaliana sy ny vavaka nataon’i Jesoa tao Getsemane

Lesona 31: Matio 26:31–46; Lesona 42: Marka 14:10–16:20; Lesona 57: Lioka 22:39–53

Andro 3

Nosamborina i Jesoa; ny fandavan’i Petera; ny fitsarana an’i Jesoa teo anoloan’i Kaiafa

Lesona 31: Matio 26:47–75; Lesona 57: Lioka 22:39–71

Andro 4

Ny fitsarana teo anoloan’i Pilato sy i Heroda; navotsotra i Barabasy

Lesona 58: Lioka 23:1–25; Lesona 78: Jaona 18:1–19:16

Ny fitsarana faharoa teo anoloan’i Pilato

Lesona 78: Jaona 18:33–19:16

Nokapohina sy norabirabiana i Jesoa

Lesona 32: Matio 27:1–50

Andro 5

Ny Fanomboana

Lesona 32: Matio 27:26–50; Lesona 58: Lioka 23:26–56; Lesona 78: Jaona 19:17–42

Herinandro 16

Andro 1

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy; ny fandevenana an’i Jesoa; namehy ny fasana ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo

Lesona 33: Matio 27:51–66

Andro 2

Ny Fitsanganana tamin’ny maty

Lesona 33: Matio 28:1–20; Lesona 79: Jaona 20

Andro 3

Niseho tamin’ny mpianatra roa teny an-dalana ho any Emaosy i Jesoa

Lesona 59: Lioka 24:13–32

Andro 4

Hariva: Niseho tamin’ireo mpianatra i Jesoa, i Tomasy

Lesona 79: Jaona 20:11–31

Andro 5

Petera: “Handeha hanarato aho,” Jesoa: “Fahano ny ondriko”

Lesona 80: Jaona 21; Lesona 33: Matio 28:1–20

Ny asa lehibe nanirahana ireo Roambinifololahy; ny fiakarana tany an-danitra

Lesona 59: Lioka 24