Lesona 140
Jakoba 1
Fampidirana
Nanoratra taratasy ho an’ireo zanak’i Isiraely niely patrana i Jakoba izay namporisika azy ireo mba haharitra ao amin’ny fahoriana sy hikatsaka fahendrena avy amin’ny Ray any An-danitra. Nampianatra azy ireo ihany koa i Jakoba mba hanohitra ny fakam-panahy, ho mpankatò ny teny, hanompo ny hafa, ary hitoetra ho madio ara-panahy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Jakoba 1:1–11
Namporisika ny zanak’i Isiraely niely patrana i Jakoba mba haharitra ao amin’ny fahoriana sy hikatsaka fahendrena avy amin’ny Ray any An-danitra
Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Raha mba nanam-pahendrena kokoa re aho e! Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra mba handinika ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ireo lohahevitra na toe-javatra iainan’ny tena manokana izay hikatsahan’izy ireo fahendrena. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hampiditra lohahevitra momba ny filazantsara sy fanontaniana lehibe momba ny fiainana ao amin’ny lisitr’izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny sasany amin’ireo lohahevitra na fanontaniana nosoratan’izy ireo. (Ampahatsiahivo izy ireo mba tsy hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana.)
Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mikatsaka fahendrena tao amin’ny Baiboly i Joseph Smith (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 89; jereo koa ny LDS.org).
-
Inona no fanontaniana lehibe nanahirana an’i Joseph Smith tamin’ny fahatanorany? (Raha mila fanampiana ny mpianatra dia asaivo mijery ny Joseph Smith—Tantara 1:9–10.)
Hazavao fa teo am-pamakiana ny Epistilin’i Jakoba i Joseph Smith raha nahita ny fomba hahitana ny valin’ireo fanontaniany. I Jakoba dia Apôstôlin’i Jesoa Kristy no sady eveka tao Jerosalema. Ny finoana Kristianina nentim-paharazana ihany koa dia mino fa i Jakoba dia zanak’i Maria sy Josefa ary noho izany dia rahalahin’i Jesoa.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:1–4 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’i Jakoba ny zanak’i Isiraely mikasika ny fahasahiranana sy ny fijaliana nolalovan’izy ireo. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 2 dia nanova ny teny hoe “fakam-panahy samy hafa” ho “fahoriana maro. ”
-
Inona no nampianarin’i Jakoba ny zanak’i Isiraely mikasika ny fahasahiranana sy fahoriana nolalovan’izy ireo?
-
Nahoana no zava-dehibe ny faharetana mandritra ny fahasahiranana sy ny fahoriana?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra hitan’i Joseph Smith ka nanampy azy hahita ireo valin’ny fanontaniany.
-
Inona no torohevitra nomen’i Jakoba an’ireo mpamaky fa tokony hataon’izy ireo mba hahitana ny valin’ny fanontanian’izy ireo?
-
Inona no dikan’ny hoe Andriamanitra dia manome “malalaka” sady “tsy mandatsa”? (andininy 5). (Ny hoemalalaka dia midika hoe maimaim-poana na amin-kalalahan-tanana. Ny hoemandatsa dia midika hoe mibedy na mitsikera.)
Asao ny mpianatra iray handroso eny amin’ny solaitrabe mba hanoratra fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Jakoba 1:5–6. Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ilay mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy: Andriamanitra dia manome fahendrena amin-kalalahan-tanana ireo izay mangataka amim-pinoana Aminy.
-
Inona no dikan’ny hoe “mangataka amin’ny finoana, ka tsy hiahanahana”? (andininy 6).
Asao ny mpianatra iray hanazava ny fiantraikan’ny Jakoba 1:5–6 teo amin’i Joseph Smith rehefa nikaroka ny valin’ireo fanontaniany izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:12). Asao ny mpianatra iray hafa hamintina ny vokatry ny vavaka feno fahatokiana nataon’i Joseph Smith tao anatin’ilay ala kely teo akaikin’ny tranony.
-
Oviana ny Ray any An-danitra no namaly tamin-kalalahan-tanana ireo vavaka nataonao rehefa nivavaka taminy tamin’ny finoana ianao?
Mijoroa ho vavolombelona fa manome amin-kalalahan-tanana fahendrena ho an’ireo izay mangataka izany amin’ny finoana Andriamanitra. Asao ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith amin’ny alalan’ny fampiharana ity fitsipika ity eo amin’ny fiainan’izy ireo mba hahazoan’izy ireo ny fahendrena ilain’izy ireo avy amin’ny Ray any An-danitra.
Fintino ny Jakoba 1:7–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nampitandrina mba tsy hiroa saina, na hiahanahana eo amin’ny fahatokiana sy ny fanoloran-tena amin’ny Tompo. Nanoratra ihany koa i Jakoba fa ny mpanankarena dia tokony hanetry tena satria mandalo ihany ny haren’ny tany ary vetivety dia manjavona.
Fanamarihana: Hevero ny hanasa mpianatra roa mba hampianatra ireto andian-tsoratra masina roa manaraka ireto. Mety hanampy ny fanomezana ity andraikitra ity an’ireo mpianatra mampianatra ireo iray na roa andro mialoha ity lesona ity mba hahafahan’izy ireo manomana. Azonao asaina ny mpianatra tsirairay izay mampianatra mba hampianatra ny iray kilasy. Na azonao zaraina roa ny kilasy dia asao ny mpianatra tsirairay izay mampianatra mba hampianatra ny andian-tsoratra masiny amin’ny antsasaky ny kilasy iray, dia avy eo angataho ireo mpianatra mampianatra (na ny kilasy) hifamadika mba hahafahan’izy ireo mampianatra ilay antsasaky ny kilasy iray hafa .
Mpianatra Mampianatra 1—Jakoba 1:12–21
Mampianatra momba ny fakam-panahy i Jakoba
Anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Inona no fakam-panahy atrehin’ny tanora ankehitriny? (Azonao atao ny mitanisa ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)
-
Nahoana no sarotra matetika ny manohitra ny fakam-panahy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:12 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fitahiana nampanantenaina an’ireo tia ny Tompo sy manohitra ny fakam-panahy. Hazavao fa novaina hoe “manohitra fakam-panahy” ilay hoe “maharitra fakam-panahy” ao amin’ity andininy ity ao amin’ny Dikanten’i Joseph Smith.
-
Inona no fitahiana ho tonga amin’ireo izay tia ny Tompo sy manohitra ny fakam-panahy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Maneho ny fitiavantsika ny Tompo isika rehefa manohitra fakam-panahy, izay iray amin’ireo fepetra takina mba hahazoana ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:13–16 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady hoe aiza no loharanon’ny fakam-panahy ary aiza no tsy loharanon’ny fakam-panahy.
-
Araka ny andininy 13, Iza no tsy loharanon’ny fakam-panahy?
Hazavao fa ny teny hoe filana ao amin’ny andininy 14 dia ilazana ireo faniriana ratsy mety ananantsika noho ny toetry ny fahalavoana ao amintsika. I Satana dia mamporisika antsika mba hanatanteraka ireny faniriana ratsy ireny.
Asao ny mpianatra handinika ireo fakam-panahy izay manahirana azy ireo.
-
Ahoana no fomba ahazoantsika hery ara-panahy mba hanoherana ny fakam-panahy?
-
Nahoana no maneho ny fitiavantsika ny Tompo ny fanoherana ny fakam-panahy?
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ilay fitsipika hitan’ireo mpianatra ao amin’ny Jakoba 1:12. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra hataon’izy ireo mba hanoherana ireo fakam-panahy manahirana azy ireo.
Fintino ny Jakoba 1:17–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nampianatra fa ny fanomezana tsara rehetra dia avy amin’ Andriamanitra ary ny Olomasina dia tokony hanary “ny fahalotoana rehetra” sy handray ny tenin’ny Tompo “amin’ny fahalemem-panahy” (andininy 21).
Mpianatra mampianatra 2—Jakoba 1:22–25
Manasa ireo mpamaky i Jakoba mba ho mpihaino sy mpanantanteraka ny teny
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Vao haingana aho no nihaona tamin’ny zatovolahy bikàna iray. Ny tanjony dia ny handeha hanao asa fitoriana, ny hamita fianarana, ny hanambady any amin’ny tempoly ary ny hanana fianakaviana sambatra mahatoky. …Tsapako fa tena te handeha marina hanao asa fitoriana izy ary nisoroka ireo fandikan-dalàna goavana izay hanakana azy tsy hanao asa fitoriana, saingy tsy nanomana azy tamin’ireo fanamby ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy, ara-pahaizana, ary ara-panahy izay tsy maintsy hatrehany ireo zavatra fanaony isan’andro. Tsy nianatra niasa mafy izy. Tsy matotra izy tamin’ny fianarana na ny seminera. Nandeha nivavaka izy saingy tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nandany fotoana be dia be izy tamin’ny jeux video sy ny tambazotra ifaneraserana. Toy ny hoe mieritreritra izy fa ho ampy ny fandehanany fotsiny manao asa fitoriana”(“Misafidiana amim-pahendrena,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 47).
-
Raha ianao no teo amin’ny toeran’ny Loholona Cook, inona no mety ho ahiahinao mikasika ity zatovolahy tsy ampy fiomanana hanao asa fitoriana ity?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:22 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nampianarin’i Jakoba izay mety hanampy ilay zatovolahy noresahina tao amin’ny tantaran’ny Loholona Cook.
-
Inona no zavatra nampianarin’i Jakoba izay afaka manampy izany zatovolahy izany?
Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 1:23–24, i Jakoba dia nampitaha olona iray mpihaino fa tsy mpankatò tamin’ny olona iray mijery ny tenany eo amin’ny fitaratra kanefa manadino ny endriny rehefa lasa izy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:25 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra mitranga amin’ireo izay misafidy ny hanao zavatra araka ny fahamarinana henony.
-
Inona ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy mpihaino fotsiny ihany fa mpankatò ihany koa? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mihaino sy manao zavatra araka ny tenin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika amin’izay ataontsika Izy.)
Asao ireo mpianatra hanombantombana ny tenany amin’ny maha-mpihaino sy mpankatò ny tenin’ Andriamanitra azy ireo amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mamaky mafy ireto fanontaniana ireto na manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.
-
Hatraiza ny halalin’ny finoako ireo fahamarinana ianarako ao amin’ny soratra masina, any an-trano, any am-piangonana, ary any amin’ny seminera?
-
Impiry aho no nametraka tanjona ara-panahy hanao zavatra araka ireo fahamarinana ianarako? Impiry aho no manatanteraka izany? Impiry aho no manadino izany?
-
Inona no azoko hatsaraina mba ho mpankatò ny teny fa tsy ho mpihaino fotsiny?
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay azo rehefa manao zavatra araka ny zavatra nianarantsika isika.
Jakoba 1:26–27
Nanoro hevitra ny olomasina i Jakoba mba hikarakara ny hafa.
Rehefa avy nampianatra ny andian-tsoratra masiny ireo mpianatra roa dia mangataha mpianatra maromaro hamintina izay nianaran’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:26–27 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torohevitr’i Jakoba mikasika ny fomba ahafahantsika miaina ny fivavahantsika.
-
Araka ny nolazain’i Jakoba dia inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika miaina ny fivavahantsika na mampiseho ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra?
Hazavao fa i Jakoba dia nampiasa ilay hevitra hoe “mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena” amin’ny fahoriany mba ho ohatra iray hanehoana ny fikarakarana ny hafa. Ny hoe “miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao” (andininy 27) dia midika hoe mitoetra ho madio ara-panahy, na dia ao anatin’ny tontolo anjakan’ny faharatsiana aza.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 27? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahafantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Maneho fivavahana madio isika rehefa miahy ny hafa ary mitandrina ny tenantsika ho madio ara-panahy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Amin’ny fomba ahoana no ilazana fa fanehoana manan-danja ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra ny fikarakarana ny hafa sy ny fiarovana ny tenantsika ho madio ara-panahy?
-
Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanehoana “fivavahana marina” eo amin’ny fiainany an-davanandro? Inona no zavatra ataon’io olona io ka manentana ny fanahinao?
Asao ireo mpianatra hanoratra amin’ny taratasy kely zavatra iray na roa hataon’izy ireo mandritra ny herinandro manaraka mba hikarakarana olona iray mila fanampiana na hiarovana ny tenan’izy ireo “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.” Asao izy ireo mba ho mpankatò ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiharana ity fitsipika ity eo amin’ny fiainany.
Soratra Masina Fehezina—Jakoba 1:5–6
Hazavao fa ny fitadidiana ny Jakoba 1:5–6 dia hanampy ireo mpianatra mandritra ny fiainan’izy ireo rehefa manana fanontaniana momba ny filazantsara izy ireo, sy rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.
Mampiasà iray amin’ireo asa atao ho fitadidiana ao amin’ny tovana, na mitadiava fomba hafa avy aminao hanampiana ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Tsarovy ny mamerina mijery matetika ireo soratra masina fehezina miaraka amin’ireo mpianatra hanampiana azy ireo hihazona izay nianaran’izy ireo. Hevero ny hanokana fotoana amin’ny hoavy mba hijerena indray ity soratra masina ity sy hanasa ireo mpianatra hitanisa izany.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jakoba 1:5. “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny hevitra manokan’ny Jakoba 1:5 ho an’ny Olomasin’ny Andro farany:
“Ity andinin-tsoratra masina tokana ity dia nisy fiantraikany lehibe ary nisy vokany lavitra kokoa teo amin’ny olombelona noho izay mety ho fehezanteny iray hafa noraketina mpampinany tany amin’ireo vanimpotoana hafa hatrizay. Mety tsara ny milaza fa ny zavatra lehibe indrindra niseho tao anatin’ny asa fanompoan’i Jakoba dia tsy ny naha-maty maritiora azy noho ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa, fa ny filazany, araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ireto teny tsotra izay nitarika tany amin’ny fisokafan’ny lanitra amin’ny vanimpotoana maoderina ireto.
“Ary mety tsara ny manampy fa ireo rehetra mikaroka fahamarinana nambara, dia mandalo eo amin’ny toerana nandalovan’i Joseph Smith ao anatin’ny fotoana iray mandritra ny fikarohana ataony. Tsy maintsy mitodika any amin’ilay Tsitoha izy ary mandray fahendrena avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana raha toa ka te hahazo toerana ao amin’izany lalana ety sy tery mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay izany” (Doctrinal New Testament Commentary, Boky miisa 3. [1965–73], 3:246–47).
Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fangatahana amin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ankehitriny isika dia miaina ao amin’ny tontolo izay tsy mba hanontanian’ny olona an’ Andriamanitra—toa te hanontany ao amin’ny Google izy ireo. Na dia mikasika ireo fanontaniana momba ny finoana aza, dia maro ireo miantehitra bebe kokoa amin’ny internet mba hanome valim-panontaniana marina , sy ara-drariny, ary voalanjalanja toy izay hiantehitra amin’ilay loharanon’ny fahamarinana faratampony, dia ny Raintsika any an-danitra. …
“… Ankehitriny ny internet dia feno an’ireo mpandainga miandry hamitaka ireo tsy ampy fahalalana sy traikefa.
“Ao anatin’ny fitadiavantsika ny fahamarinan’ny filazantsara, dia tsy hoe mila mitady loharano azo antoka fotsiny isika fa tokony hatao mitovy koa ny fotoana hatokantsika ho an’ny Tompo sy ho an’ireo zavatra fanaontsika isan’andro. Mila mandalina ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpanompon’ny Tompo isika. Mila miaina amim-pahamarinana eo anatrehan’ Andriamanitra isika—mila manao ny sitrapony isika [jereo ny Jaona 7:16–17]. Ary tsy azontsika atao tsinontsinona mihitsy ny maha-zava-dehibe ny fitondrana mivantana ireo olantsika ara-panahy any amin’ Andriamanitra ary ny fahatokiantsika ny aingam-panahiny sy ny fitarihany” (“Women of Dedication, Faith, Determination, and Action” [lahateny natao nandritra ny Fihaonamben’ny vehivavy tao Brigham Young University , 1 mey 2015], ce.byu.edu/cw/womensconference).
Jakoba 1:6. “Mangataha amim-pinoana”
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe mangataka amim-pinoana:
“Ilay ohatra mahazatra momba ny fangatahana amim-pinoana dia i Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany. Rehefa nikatsaka ny hahalala ny marina mikasika ny fivavahana i Joseph zatovolahy, dia namaky ny [Jakoba 1:5–6] izy. …
“Jereo tsara ny zavatra takina ao anatin’ny fangatahana amim-pinoana izay raha ny fahatakarako azy dia ahitana ny hoe filana manao asa fa tsy hoe mangataka am-bava fotsiny, sy ilay adidy roa dia ny miangavy sy ny manatanteraka, ary ilay fitakiana mba hifandray sy hiasa” (“Mangataha amim-pinoana,” Ensign or Liahona, mey 2008, 94).
Jakoba 1:14; 4:7–8. Fanoherana ny fakam-panahy
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Rehefa tena nisafidy hijoro ho an’ny marina ianao, rehefa nametraka fitsipika arahin’ny tenanao manokana ianao ary nanao fanekempihavanana hitandrina izany, rehefa tonga ny fakam-panahy ka manao zavatra araka ny fitsipika arahinao ianao, dia hahazo hery sy tanjaka mihoatra ny anananao raha ilaina izany. Tonga ny olana rehefa mirotsaka amin’ny ady amin’ny fakam-panahy ianao nefa tsy manana drafitra raikitra ” (“Do What Is Right,” Ensign, jona 1997, 53).
Hoy ny Filoha Boyd K. Packer avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Rehefa afaka mifehy ny eritreritrao ianao dia afaka mandresy ny fahazaranao, eny fa na dia ny fahazaran’ny tena manokana izay manimba aza. Raha afaka mifehy azy ireo ianao dia hanana fiainana feno fifaliana. …
“Raha vao hainao ny manala ireo eritreritra maloto ao amin’ny sainao, dia fenoy fianarana zavatra mahasoa izany. Ovay ny tontolo manodidina anao mba hanananao zavatra mikasika anao izay hampisy eritreritra tsara sy mampivoatra. Fenoy fanaovana zavatra mahasoa ny fiainanao” (“Inspiring Music—Worthy Thoughts,” Ensign, jan. 1974, 28).