Lesona 4
Fandalinana ny Soratra Masina
Fampidirana
Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana soratra masina isan’andro sy ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo izay ampahany amin’ny zavatra atao ato anatin’ity fandaharam-pianarana ity. Afaka hianatra fomba hanatsarana ny fandalinany soratra masina koa ireo mpianatra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Ny ilàna fandalinana soratra masina amin’ny fomba mahomby isan’andro
Omeo tahadikan’ity fanadihadiana manaraka ity ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra mba handinika ireo fehezanteny ka hanoratra ny valinteniny eo amin’ny tsipitsipika. Omeo toky ireo mpianatra fa tsy hangataka azy ireo hilaza ny valinteniny ianao.
Rehefa avy nameno ilay fanadihadiana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hisaintsaina mandritra ny lesona ny fomba mety hanatsarany ny fandalinany ny soratra masina.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Mirakitra ny tenin’i Kristy ny soratra masina ary fitehirizana rano velona izay azontsika ampiasaina avy hatrany ka ahafahantsika misotro araka izay tiantsika sy maharitra. …
“Manary rano be dia be izay mandrafitra ny ampahany betsaka indrindra amin’ny vatantsika izaho sy ianao mandritra ny asa fanaontsika an-davanandro. Ny hetaheta dia fitakian’ireo sela amin’ny vatana rano, ary ny rano ao amin’ny vatantsika dia tsy maintsy fenoina isan’andro. Raha ny marina dia tsy misy dikany mihitsy ny ‘mameno rano ny vatantsika’ tsindraindray kanefa manary rano fotsiny mandritra ny fotoana maharitra eo anelanelan’izay. Mitombina ihany koa izany eo amin’ny ara-panahy. Ny hetaheta ara-panahy dia ny filàna rano velona. Lehibe lavitra noho ny fisotroana rano kely tsindraindray ny fisotroana rano velona tsy tapaka” (“A Reservoir of Living Water” [Takariva amorom-patan’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 4 feb. 2007], 1, 7; broadcast.lds.org).
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Loholona Bednar mikasika ny zavatra mety ho azontsika avy amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia mahazo ny “rano velona” izay ilaintsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Ny lanjan’ny soratra masina amin’izao androntsika izao
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lanja sy ny maha-zava-dehibe ny soratra masina amin’izao androntsika izao dia azonao atao ny mampiseho ny horonantsary “The Blessings of Scripture” (3:04), izay hita ao amin’ny LDS.org. Ao amin’io horonantsary io ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manoritsoritra ny fahafoizantena izay nataon’ny lehilahy iray mba hahafahan’ny olona maro hamaky ny Baiboly. Raha mampiseho ilay horonantsary ianao dia ajanony izany aorian’ny fametrahan’ny Loholona Christofferson fanontaniana hoe: “Inona no takatr’izy ireo ka tokony ho takatsika koa?” (fotoana 1:56) mba hanontaniana ny mpianatra ny mety havaliny io fanontaniana io. Avy eo dia tohizo ny fampisehoana ilay horonantsary. Amin’ny faran’ilay horonantsary dia tohizo eo amin’ilay andalana manomboka amin’ny hoe “Aorian’ilay horonantsary …” ny lesona.
Raha tsy mampiseho ilay horonantsary ianao dia asao ny mpianatra efatra mba ho eny aloha ka hamaky ireto ampahan-dahateny nataon’ny Loholona Christofferson ireto.
1. “Tamin’ny 6 ôktôbra tamin’ny taona 1536, dia nisy olona iray mahonena nentina nankao amin’ny fonjan’ny Lapaben’i Vilvorde tany akaikin’i Bruxelles, any Belgique. Nandritra ny herintaona sy tapany dia natokamonina tao anaty efitrano mihiboka maizina sady mando izy. Avy eo dia navoaka ivelan’ny rindrin’ny lapabe ilay voafonja ary nafatotra teo amin’ny tsatòka iray. Nanana fahafahana hanao vavaka mafy iray izy: ‘Tompo ô! sokafy ny mason’ny mpanjakan’i Angletera,’ ary dia nokendaina izy avy eo. Teo no ho eo dia nodorana teo amin’ilay tsatòka ny vata-mangatsiakany. Fa iza ary izany lehilahy izany ary inona no fahadisoana nataony … ?” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 32).
2. “I William Tyndale no anarany, ary ny heloka nataony dia ny fandikana sy famoahana ny Baiboly tamin’ny teny Anglisy.
Nandritra ny resaka somary nafampana nataony niaraka tamin’ny pretra iray mikasika ny fanoheran’ity farany ny fanomezana ny olon-tsotra ny fahafahana handray ny soratra masina no nanaovan’i Tyndale voady hoe: ‘Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra dia hataoko atsy ho atsy izay hahafantaran’ny tovolahikely iray mpitarika sarety mpamadika bainga bebe kokoa ny Soratra Masina mihoatra noho ianao!’ …
“Tsy i William Tyndale no voalohany na koa farany tamin’ireo olona avy tany amin’ny firenena maro sy fiteny maro izay nahafoy tena, eny hatramin’ny ainy aza, mba hitondrana ny tenin’Andriamanitra hiala avy ao amin’ny haizina. … Inona no zava-dehibe fantatr’izy ireo mikasika ny soratra masina izay tokony ho fantatsika koa? Inona no zavatra takatry ny olona izay niaina tany Angletera tamin’ny taonjato faha-16, ka nandany vola tsy toko tsy forohana sy sahy nanao vy very ny ainy mihitsy aza mba hahazoana ny Baiboly, ka tokony ho takatsika koa?” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” 32).
Anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nanao sorona lehibe toy izany ny olona mba hahafahana mampiasa ny soratra masina?
Asao ilay mpamaky fahatelo mba hanohy ny famakiana ny fanambaran’ny Loholona Christofferson.
3. “Tamin’ny andron’i Tyndale, dia nihanaka ny tsy fahalalana ny soratra masina satria tsy nanana fahafahana hahazo ny Baiboly ny olona, indrindra tamin’ny fiteny izay hahatakarany azy. Ankehitriny ny Baiboly sy ny soratra masina hafa dia mora azo, kanefa toa mitombo izay tsy izy ny tsy fahalalana ny soratra masina satria tsy manokatra ireo boky ireo ny olona. Vokatr’izany dia hadinon’izy ireo ny zavatra fantatry ny ray aman-drenibeny teo aloha” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” 33).
Anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Araka ny eritreritrao, nahoana ny olona sasany amin’izao androntsika izao no tsy mamaky ny soratra masina araka izay tokony hataony?
Asao ilay mpamaky fahefatra mba hanohy ny famakiana ny fanambaran’ny Loholona Christofferson.
4. “Eritrereto ny halehiben’ny fitahiana azontsika amin’ny fananantsika ny Baiboly Masina sy ireo soratra masina fanampiny miisa 900 pejy eo ho eo, ka ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekem-pihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. … Mino aho fa noho ny fananana izany fitahiana izany, dia milaza amintsika ny Tompo fa lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny fampiasana tsy tapaka ny soratra masina” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” 35).
Aorian’ilay horonantsary (na aorian’ny famakian’ireo mpamaky efatra ny fanambaran’ny Loholona Christofferson), dia asao ireo mpianatra mba hanazava ny zavatra inoany fa lazain’ny Loholona Chirstofferson momba ny filàntsika mandalina ny soratra masina. Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny soratra masina.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny soratra masina?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny soratra masina manome tombontsoa ho antsika amin’izao androntsika izao dia hazavao fa nanoratra taratasy ny Apôstôly Paoly izay nanoritsoritany ny toetoetran’izao tontolo izao amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:1–5, 13. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny sasany amin’ireo fahotana sy toe-tsaina izay mety ho fahita amin’izao androntsika izao. (Azonao atao ny manampy kely ireo mpianatra hamaritra ireo teny na andian-teny sarotra ao amin’ireo andininy ireo.)
-
Inona avy ny sasany amin’ireo fahotana sy toe-tsaina voatanisa ao amin’ireo andininy ireo izay efa hitanao maso teo amin’ny fiaraha-monina amin’izao andro izao?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:14–17. Asao ny iray kilasy hitady ny fomba ahafahantsika mahazo fiarovana amin’izao fotoana mampidi-doza izao.
-
Ahoana no ahafahantsika mahazo fiarovana amin’izao fotoana mampidi-doza izao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka hahazo …
-
Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17, dia inona avy ireo fitahiana afaka ho azontsika rehefa mandalina ny soratra masina sy miaina ny fampianarany isika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe ka hivaky toy izao: Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka hahazo fahendrena sy fanitsiana ary torolalana izay hitarika antsika mankany amin’ny fanavotana.)
Hazavao fa ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe dia ohatra iray aminn’ny fitsipika. Ireo fitsipika sy Fotopampianaranan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fahamarinana fototra sy tsy miova izay mitondra fitarihana eo amin’ny fiainantsika. Ny iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Azontsika atao misy lanjany kokoa ny fandalinantsika manokana ny soratra masina amin’ny fikatsahana ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika, ny fisaintsainana ny dikany ary ny fampiharana azy ireo eo amin’ny fiainantsika.
Resaho indray ilay fitsipika nosoratanao teo amin’ny solaitrabe.
-
Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe afaka hahazo fahendrena sy fanitsiana ary torolalana isika rehefa mandalina ny soratra masina?
-
Oviana ianao no nahatsapa fa nandray fahendrena sy fanitsiana ary torolalana vokatry ny fandalinana soratra masina? (Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa.)
Mamaky ny Testamenta Vaovao isan’andro
Hazavao fa iray amin’ireo zavatra andrasana amin’ity taranja amin’ny seminera ity ny hamakin’ny mpianatra ny Testamenta Vaovao iray manontolo. Zavatra takina mba hahazoana diplaoma amin’ny seminera izany.
Hazavao fa ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo dia mila fahavononana tsy tapaka kanefa tsy ho very maina ny fanaovana izany. Mba hanehoana izany dia mampisehoa vera roa mangarahara feno rano (na zava-pisotro malefaka). Manasà mpianatra roa hijoro tsirairay eo akaikin’ny vera iray. Omeo fantsona fitrohan-drano iray ny mpianatra iray. Omeo fantsona fitrohan-drano fito mitambatra ilay mpianatra iray hafa . Asaivo misotro haingana araka izay vitany ny rano rehetra izy ireo amin’ny fampiasana ny fantsona na ireo fantsona. (Ilay mpianatra izay mampiasa fantsona iray no ho afaka misotro ara-dalana ilay rano ka hahavita voalohany; ilay mpianatra iray hafa dia ho sahirana amin’ny fahazoana ny rano rehetra amin’ny alalan’ireo fantsona maro.) Asaivo mipetraka ireo mpianatra roa dia anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Ahoana no hampifandraisanao an’io asa atao io amin’ny tanjontsika hamaky ny Testamenta Vaovao iray manontolo mandritra ity fandaharam-pianarana ity? (Ilay mpianatra miaraka amin’ny fantsona fito dia tahaka ny olona iray izay manadrana mamaky ampahany lehibe amin’ny soratra masina. Ilay mpianatra miaraka amin’ny fantsona iray dia tahaka ny olona iray izay mamaky tsikelikely isan’andro.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba azony hamakina ny Testamenta Vaovao iray manontolo amin’ny alalan’ny famakiana tsikelikely tsy tapaka dia asao izy ireo hizara ny isan’ny pejy ao amin’ny Testamenta Vaovao (miisa 262 ao amin’ny Baiboly malagasy fampiasa) amin’ny isan’ny andro ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Ohatra, raha natao ho ampianarina ao anatin’nytaom-pianarana iray ahitana 280 andro ilay taranja dia mila mamaky pejy iray sy tapany isan’andro eo ny mpianatra mba hahavitany ny Testamenta vaovao mandrapahatonga ny faran’ny taom-pianarana.
Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay ho azon’ny mpianatra rehefa mandalina amim-pahazotoana ny Testamenta Vaovao izy ireo. Hahazo fahendrena sy fanitsiana ary torolalana avy amin’ny soratra masina ireo mpianatra ary ho voatahy amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana.
Resaho indray ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe ka mijoroa ho vavolombelona fa ny mpianatra dia hahazo ireo fitahiana nofaritan’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17 amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Amporisiho ireo mpianatra hanao tanjona ny hanokana fotoana isan’andro hanaovana fandalinana manokana ny soratra masina sy hamaky ny Testamenta Vaovao iray manontolo. Asao ny mpianatra hanoratra ny tanjony ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.
Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho
Tonga ireo fitahiana rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika
Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Mampiasa ny soratra masina Andriamanitra mba hanitsiana ny hevi-diso, ny fomban-drazana diso ary ny ota sy ny voka-dratsiny izay mandrava. Ray aman-dreny be fitiavana Izy ka hanao izay tsy hiainantsika fijaliana sy fahoriana tsy ilaina ary hanampy antsika ihany koa etsy andaniny hampiasa ilay hery masina anaty izay ananantsika. …
Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka lahiny” (“The Blessing of Scripture,” Ensign na Liahona, mey 2010, 33–34).
Nampianatra ny Rahavavy Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:
“Raha mbola tsy manana fahazarana mandalina ny soratra masina isan’andro ianareo, dia atombohy anio izany ary tohizo ny fandalinana mba hiomananareo amin’ireo andraikitrareo eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay. …
“… Ny fanohizana hatrany ny fandalinana no fanalahidy manokatra ny fahalalana manan-danja. … Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy ny soratra masina (jereo ny Jaona 5:39). Milaza amintsika ny zavatra rehetra tokony hataontsika izany (jereo ny 2 Nefia 32:3). ‘Mampahahendry [antsika] ho amin’ny famonjena’ izany (2 Timoty 3:15).
“… Amin’ny alalan’ny fahazaranareo mandalina isan’andro ny soratra masina dia ‘[ho]tarihina hino ny soratra masina, eny, ny faminanian’ny mpaminany masina, izay voasoratra’ ianareo (Helamàna 15:7). Ianareo no ho reny [sy ho ray] sy ho mpitarika izay hanampy amin’ny fanomanana ny taranaka manaraka amin’ny fahatakarana ny filazantsara sy hijoro ho vavolombelona ny amin’izany” (“My Soul Delighteth in the Scriptures,” Ensign na Liahona, mey 2004, 108–9).
Ny fahagagana avy amin’ny Baiboly Masina
Nandritra ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoe “The Miracle of the Holy Bible” (Ny fahagagana avy amin’ny Baiboly Masina) (Ensign na Liahona, mey 2007, 80–82), dia nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe sy ny lanjan’ny Baiboly Masina ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary niaiky ireo ezaka nataon’ireo maritiora sy mpitondra fanavaozana kristianina izay nanampy tamin’ny fanaovana izay hahazoan’ny rehetra ny Baiboly izy. Namporisika antsika izy mba ho feno fankasitrahana noho ny Baiboly Masina ary hijoro ho vavolombelona fa “tsy kisendrasendra akory no ahafahantsika manana ny Baiboly ankehitriny” (“The Miracle of the Holy Bible,” 80).