Lesona 19
Matio 16
Fampidirana
Nibedy ny Fariseo sy ny Sadoseo izay nangataka famantarana momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy, ary nampanantenaina taminy ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra. Nampianatra ireo mpianany i Jesoa mba hitondra ny hazofijalian’izy ireo ka hanaraka Azy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 16:1–12
Ireo Fariseo sy Sadoseo dia mikatsaka famantarana avy amin’ny Mpamonjy
Soraty eny amin’ny solaitrabeireto andian-teny manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:
Tamin’ny alalan’ny fisehoan’ny anjely iray
Tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina
Tamin’ny finoana ny tenin’ny namana na mpikamban’ny fianakaviana iray
Tamin’ny alalan’ny fahitana fahagagana iray
Eo am-panombohana ny lesona dia asaivo misafidy ny andian-teny eo amin’ny solaitrabe izay mamariparitra ny fomba tian’izy ireo handraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ireo mpianatra. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny andian-teny nofidiany ary hanazava ny anton’izany.
Rehefa mandalina ny Matio 16 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika amin’ny fandraisana sy fampahatanjahana ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny filazantsara.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:1 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nangatahin’ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin’i Jesoa.
-
Inona no nangatahan’ireo Fariseo sy Sadoseo tamin’i Jesoa?
-
Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe ireo Fariseo sy Sadoseo dia “naka fanahy” an’i Jesoa rehefa nangataka famantarana? (Ny dikan’ny maka fanahy iray dia ny misedra na mitsapa.)
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 16:2-4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo sy ireo Sadoseo.
-
Inona no famantarana nolazain’ny Tompo fa homeny?
Hazavao fa i Jesoa dia niresaka momba an’i Jona, ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha natelin’ny “hazandrano lehibe” (Jona 1:17). Ny “nandevenana” an’i Jona sy ny fivoahany avy tamin’ny kibon’ny hazandrano taorian’ny telo andro dia tandindon’ny fahafatesana, fandevenana, ary Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny fasana ny andro fahatelo.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy taorian’ny nibedesany an’ireo Fariso sy Sadoseo?
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io momba ny fomba tsy mety rehefa mikatsaka fahamarinana ara-panahy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Tsy mandray fahamarinana ara-panahy isika rehefa mangataka famantarana.
Fintino ny Matio 16:5-12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitandrina ireo mpianany tamin’ny fampianaran-dison’ny Fariseo sy Sadoseo ny Mpamonjy. (Fanamarihana: Io zava-nitranga io dia horesahana amin’ny fomba lalindalina kokoa ao amin’ireo lesona momba ny Marka 8.)
Matio 16:13–20
Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy ary nampanantenaina azy ny fanalahidin’ny fanjakana
Hazavao fa taorian’ny nibedesan’i Jesoa ireo Fariseo sy Sadoseo noho ny fangatahany famantarana dia nampianatra ireo mpianany Izy momba ny fomba fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:13-14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ny fanontaniana napetrak’i Jesoa ary ny valinteny nomen’ny mpianany?
-
Inona no nanontanian’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany? Ahoana no namalian’izy ireo izany? (Mety ilaina ny hanazavanao fa i Elià sy Jeremià no Elia sy Jeremia mpaminanin’ny Testamenta Taloha.)
-
Inona no ambaran’ny valintenin’izy ireo momba ny fahatakaran’ny olona mikasika ny hoe iza i Jesoa hatreto amin’ity fotoana tao amin’ny asa fanompoany ity?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:15-17. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fanontaniana faharoa napetraky ny Mpamonjy.
-
Inona no fanontaniana faharoa napetraky ny Mpamonjy? Inona no valintenin’i Petera?
-
Araka ny andininy 17, dia tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’i Petera fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra? (Mariho fa ny Ray any An-danitra no nanambara io fahamarinana io taminy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? (Ny valintenin’ny mpianatra dia tokony hahatsapana ny fahamarinana fa mandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina.)
-
Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe amintsika ny mandray fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny alalan’ny fomba hafa?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanampiana antsika handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:
“Ny Fanahin’ Andriamanitra miresaka amin’ny fanahin’ny olombelona dia mitondra hery hoentina hanomezana fahamarinana izay hitondra vokatra bebe kokoa sy fahatakarana noho ny fahamarinana nomena tamin’ny alalan’ny fifandraisana manokana, na dia tamin’ny alalan’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra aza izany. Ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia toy ny kofehy voatenona any amin’ny faritra taova rehetra amin’ny vatana ka tsy azo hohadinoina izany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 183–84).
-
Inona no zavatra sasantsasany azontsika atao mba hiomanantsika amin’ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina?
-
Ahoana no nahafahanao mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra sy Mpamonjinao? Inona no nataonao mba hiomanana handray izany vavolombelona izany avy amin’ny Fanahy Masina?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo handray an-tsoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hahafahany mampahatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona na ny zavatra mila ataony mba handraisana fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Asao ho eny aloha ny mpianatra roa mba handray anjara amina tantara an-tsehatra. Asaivo misolo ny tenany ihany ny mpianatra iray ary ny mpianatra iray hafa dia asaivo misolo tena kosa ny namana tsy mpikamban’ny Fiangonana iray. Omeo taratasy mirakitra ireto fanontaniana roa eto ambany ireto ilay mpianatra misolo tena ny namana tsy mpikambana. Asao ilay mpianatra hamaky mafy ireo fanontaniana tsirairay, ary asaivo mamaly ny mpianatra iray hafa. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba handroso hevitra amin’ny valinteny izay mety homen’ilay mpianatra mamaly fanontaniana.)
-
Henoko fa milaza ny fiangonanareo fa izany no hany fiangonan’i Jesoa Kristy marina. Izany ve no inoanao?
-
Mino an’i Jesoa Kristy ihany koa ny fiangonako, koa maninona araka ny eritreritrao no ny fiangonanareo no hany fiangonana marina?
Isaory ny mpianatra tamin’ny fandraisana anjara ary asao izy ireo hiverina any amin’ny fitoerana misy azy avy.
Asao ireo mpianatra rehefa manohy ny fandalinany ny Matio 16 mba hikaroka ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hanazava amin’ny hafa ny mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasina amin’ny Andro Farany amin’ny maha-Fiangonan’ny Tompo izany eto ambonin’ny tany izany.
Kaisara-filipo
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nanontany ny fanontaniana momba ny maha-Izy Azy tamin’ny mpianany i Jesoa, dia tany amin’ny faritra antsoina hoe Kaisara-filipo izy ireo (jereo ny Matio 16:13). Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ ny Kaisara-filipo (jereo ny Sary momba ny Baiboly, lah. 26, “Kaisara-filipo”). Asaivo fantarin’ny mpianatra ny zavatra ao ambadiky ny renirano sy ny hazo eo amin’ny sary. Hazavao fa ny fiforonan’ny vato maro tao Kaisara-filipo dia nitondra sehatra fampianarana manan-danja raha nanohy ny resadresaka tamin’ny mpianany ny Mpamonjy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:18-20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fomba nampisan’ny Mpamonjy ny hevitra momba ny vato mba hamariparitana ny fototry ny Fiangonany.
-
Araka ny hevitrao, inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa nilaza Izy fa hanorina ny Fiangonany eo “ambonin’ity vatolampy ity”? (andininy 18).
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity andian-teny ity, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Smith ity:
“Nilaza i Jesoa tao anatin’ny fampianarana nataony hoe: ‘Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako.’ …’ [Matio 16:18.] Vatolampy inona? Fanambarana” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 195).
“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasina amin’ny Andro Farany dia naorina teo ambonin’ny fanambarana mivantana, tahaka ny naha-toy izany hatrany ny Fiangonan’ Andriamanitra, araka ny Soratra Masina (Amôsa 3:7, sy Asan’ny Apôstôly 1:2)” (Enseignements: Joseph Smith, 195).
-
Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny Fiangonany voarakitra ao amin’ny andininy 18? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miorina eo amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra no mampahatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsara?
-
Araka ny andininy 19, inona no nampanantenain’ny Mpamonjy fa homeny an’i Petera?
-
Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’io fampanantenana nomen’ny Mpamonjy an’i Petera io? (Alaivo antoka fa mamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Nampiandraiketin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpaminany sy apôstôly nofinidiny ireo fanalahidin’ny fanjakany.)
-
Inona ireo fanalahidin’ny fanjakana ireo? (Ny hery, zo sy fahefana hoentina mitarika sy ilaina amin’ny fiahiana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe inona ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.
“‘Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo mpihazona fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany’ [Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.1.1]. Ny asa sy ôrdônansy rehetra tanterahana ato anatin’ny Fiangonana dia tanterahana rehefa nahazo lalana mivantana na misy mpanelanelana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy ho an’izany andraikitra izany” (“Ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49).
-
Inona no nolazain’i Jesoa fa azon’i Petera ho atao noho ny fanalahidy izay homena azy?
Hazavao fa anisan’ny fanalahidy nampanantenain’ny Mpamonjy an’i Petera ny fanalahidin’ny hery famehezana. Izany fahefana izany dia mamela ireo ôrdônansy notanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ireo mpitarika ny Fiangonana eto ambonin’ny tany mba hanan-kery any an-danitra. Ampiasaina mba hamehezana miaraka ny fianakaviana ho mandrakizay ihany koa izany. Amin’izao vaninandro izao io hery famehezana io dia hazonin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
-
Ahoana no hamintinanao ny antony nanomezan’ny Tompo ny fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny mpaminaniny sy ny Apôstôliny? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Ilaina ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitantanana ny Fiangonan’ny Tompo eto ambonin’ny tany.)
Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ireo fanontaniana avy amin’ilay tantara an-tsehatra. Asao ny mpianatra rehetra hanazava ny fomba hamaliany ireo fanontaniana ireo amin’ny fampiasana ny fahamarinana hitany tao amin’ny Matio 16:18–19. Azonao omena fahafahana ihany koa ireo mpianatra hizarany ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo.
Azonao atao ny mampiseho ny sary ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny (jereo ny LDS.org [ohatra, Meet Today’s Prophets and Apostles] sy ny gazetiboky mirakitra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany an’ny Ensign na Liahona) ary mijoro ho vavolombelona fa ireo fanalahidy nomena an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa tamin’ny andro fahiny ireo ihany no hazonon’ny mpaminany sy Apôstôly velon’ny Tompo ankehitriny sy ampiasan’izy ireo.
Matio 16:21–28
I Jesoa dia mampianatra ny dikan’ny hoe manaraka Azy
Fintino ny Matio 16:21–28 amin’ny fanazavana fa niresaka momba ny sorom-panavotana ho ataony i Jesoa. Nampianatra ireo mpianany ihany koa Izy fa tsy maintsy vonona ny handà ny olona araka ny nofo (jereo ny Môsià 3:19), sy hankatò, ary hahafoy tena izy ireo mba hahafahany manaraka Azy amim-pifaliana.
Soratra Masina Fehezina—Matio 16:15–19
Amporisiho ireo mpianatra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany avy tamin’ny Matio 16. Hevero ny hisafidianana ampahany amin’ny Matio 16:15–19 mba hianaran’ny iray kilasy mitadidy mandritra ny andro vitsivitsy ho avy. Afaka mamaky hevitra mikasika ny fitadidiavana soratra masina fehezina ianao ao amin’ny tovan’ity boky torolalana ity.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 16:1–4. Ireo Fariseo sy Sadoseo dia nangataka famantarana
NyMatio 16:1–4 dia mitantara resadresaka nataon’i Jesoa Kristy sy ny Fariseo ary Sadoseo mpangataka famantarana sasantsasany, izay “naka fanahy” ny Mpamonjy mba hanomezany famantarana (andininy 1). (Ny dikan’ny maka fanahy iray dia ny misedra na mitsapa.) Ho valin’ny fangatahan’izy ireo dia nibedy azy ireo i Jesoa noho ny fieboeboan’izy ireo amin’ny fahafahana mamantatra ireo fambaran’ny fiovan’ny toetrandro nefa tsy fahafahan’izy ireo mamantatra ny famantaran’ Andriamanitra (jereo ny andininy 2–3). Nampianatra ihany koa ny Mpamonjy fa “ny taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana” (andininy 4). Rehefa maharitra amin’ny fanaovana fahotana goavana ny olona dia vokatra iray aterak’izany ny tsy fahafahany mamantatra intsony ireo bitsika mangina sy malefaky ny Fanahy ary izy ireo dia mangataka porofo miendrika famantarana ara-batana, azo tsapain-tanana, na manaitra.
Matio 16:4. “Ny famantarana ny amin’ny mpaminany Jona”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny famantarana ny amin’ny mpaminany Jona:
Ny “nandevenana” an’i Jona sy ny fivoahany avy tamin’ny kibon’ny hazandrano’ (Jona 1:15–17; 2) dia tandindon’ny fahafatesana, fandevenana, ary Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 711–12).
Matio 16:18. “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”
“Rehefa nampianatra an’i Petera momba ny fanambarana ny Mpamonjy dia nampiasa kilalaon-teny tamin’ny anaran’i Petera Izy ka nanambara tamin’i Simona hoe: ‘Ianao no Petera [Petros], ary ambonin’ity vatolampy ity [petra] no haoriko ny fiangonako’ (Matio 16:18). Ny teny grika hoe petros dia midika hoe vatolampy na vato kely. Ny teny grika hoe petra dia afaka midika hoe ‘vato iray’ ihany koa saingy ankoatra izany dia afaka milaza ny tany be vato, na ny vatolampy na vato lehibe iray izany. Mianatra isika avy amin’ireo teny ireo fa tsy teo ambonin’i Petera amin’ny maha-olona azy no hananganana ny Fiangonana, fa teo ambonin’ny vatolampin’ny fanambarana” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 53).
Matio 4:18-19. “Ireo fanalahidin’ny fanjakana”
Ny Loholona Russell M. Nelson avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba hanohizan’ny Tompo ny fitarihany ny Fiangonana sy fanjakany eto an-tany amin’ny alalan’ireo mpaminany sy fanalahidin’ny fisoronana masina:
“Mitarika ny Fiangonany velona ilay Tompo velona [jereo ny F&F 1:30, 38]! Ny Tompo dia mampahafantatra ny sitrapony mikasika ny Fiangonana amin’ny mpaminaniny. Omaly, taorian’ny nanasana antsika hanohana an’i Thomas S. Monson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy, dia nanana tombontsoa lehibe ihany koa isika mba hanohana azy sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Eritrereto anie izany e! Manohana lehilahy 15 isika mba ho mpaminanin’ Andriamanitra! Izy ireo dia mihazona ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana izay natolotra an’ny olona tao anatin’ity fotoampitantanana ity. …
“[Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava fa,] ‘Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo, izay nantsoina sy notendrena mba hihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana, dia manana ny fahefana sy ny andraikitra hitantana ny Fiangonana, hitantana ireo ôrdônansy misy ao, hanazava ny fotopampianarana misy ao, ary mametraka sy manao izay hanajana ireo fomba amam-panao hita ao’ [“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 54]” (“Fanohanana ireo Mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 75–76).
Matio 4:21-23. Nibedy an’i Petera i Jesoa Kristy
“Noho ny fifantohan’i Petera tamin’ny fahafatesan’ny Mpamonjy ho avy fotsiny, dia tsy afaka nahatakatra ny tena hiraka nandefasana an’i Jesoa Kristy izy—dia ny fanavotana ny olombelona rehetra. Rehefa nibedy an’i Petera sy ny niantso azy hoe ‘Satana’ [Matio 16:23; Marka 8:33] ny Mpamonjy, dia tsy nilaza akory Izy hoe i Petera no Losifera. Ny teny Hebreo manao hoe satana dia midika hoe ‘fahavalo na mpaka fanahy.’ Dia toy izany no nahitan’i Kristy fa nametraka ny tenany tamin’ny toeran’ny fahavalo, izay manohitra ny asa famonjena faratampony i Petera.
“Angamba tsara ny fikasan’i Petera tamin’izy nandà ny fampianarana fa i Jesoa Kristy dia hijaly sy ho faty (jereo ny Matio 16:22; Marka 8:32). Kanefa raha nanatanteraka ny fanirian’i Petera ny amin’ny fialana amin’ny fijalian’ny Sorompanavotana i Jesoa dia tsy hisy ny fanavotana amin’ny fahotana ary tsy hisy ny Fitsanganana amin’ny maty ho fandresena ny fahafatesana. Tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra (jereo ny Almà 34:9), ary ny asan’ Andriamanitra mikasika ny fanatanterahana ‘ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona’ (Mosesy 1:39) dia tsy ho tanteraka. Izany rehetra izany dia hampahomby ny tarigetran’i Satana mba handringana. Tamin’ny fotoana nahataitaitra azy ka nandavany dia nivadika tsy nahy ho ao amin’ny lafin’ny fahavalo i Petera” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra - Testamenta Vaovao [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 122).