Tahirim-pitaovana
Lesona 103: 1 Korintiana 1–2


Lesona 103

1 Korintiana 1–2

Fampidirana

Rehefa avy nahafantatra ny olana nianjady tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto i Paoly dia nanoratra ho an’ireo mpikambana ireo sy namporisika azy ireo hanafoana ny fifampiandaniana ka ho lasa iray. Nanazava ihany koa izy fa miantso ny malemy sy ny manetry tena Andriamanitra mba hitory ny filazantsarany ary ny zavatr’ Andriamanitra dia tsy azo fantarina sy takarina raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy ihany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 1:1–16

Nanoratra ho an’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly ary namporisika azy ireo hanafoana ny fifampiandaniana ka ho lasa iray

Anehoy sarina fianakaviana iray sy ekipa mpanao fanatanjahantena ary vondron’ny mpinamana iray ny mpianatra (na manorata hoe fianakaviana, ekipa mpanao fanatanjahantena, vondron’ny mpinamana eo amin’ny solaitrabe).

  • Inona no mety hiteraka fisaratsarahana sy fifampianadaniana ao anatin’ny tsirairay amin’ireo vondrona ireo?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fisaratsarahana sy ny fifampiandaniana toy izany eo amin’ny fianakaviana, na ny ekipa, na ny vondron’ny mpinamana iray?

  • Raha misy fisaratsarahana sy fifampiandaniana toy izany eo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 1 mba hitady fahamarinana iray momba ny fisaratsarahana sy ny fifampiandaniana izay nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina tao Korinto.

Asao ny mpianatra hijery ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, ka hitady ny misy an’i Korinto ao amin’ilay sarintany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andiam-pehezanteny ity:

Nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony dia nandeha tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Korinto i Paoly, dia nitory ny filazantsara tao izy. Maro ny olona natao batisa tamin’izany fotoana izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18). Taty aoriana, raha mbola nitory tao Efesosy i Paoly dia nahafantatra fa nisy olana nitranga teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto satria ny sasany tamin’ireo mpikambana niova fo dia niverina tamin’ireo zavatra ninoany tany aloha sy ny fanompoan-tsampy. Nanoratra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto i Paoly mba hampaherezana azy ireo sy hampahatsihivana azy ireo ny fanolorantenany hanompo ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 1:1–2. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba niresahan’i Paoly tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto.

  • Tamin’ny fomba ahoana no niresahan’i Paoly tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 1 dia inona ny andraikitra notanan’i Paoly tao amin’ny Fiangonana?

Fintino ny 1 Korintiana 1:3–9 amin’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa nisaotra an’ Andriamanitra ho azy ireo izy noho ny famindram-po izay azon’izy ireo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay nitahy azy ireo tamin’ny fomba rehetra. Hazavao fa rehefa niresaka tamin’ireo Olomasina i Paoly dia nampiasa fomba fiteny izy izay milaza fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia olona roa samy hafa (jereo ny andininy 3).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 1:10–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina Korintiana.

  • Araka ny voalazan’ny 1 Korintiana 1:10 dia inona no andrasan’ny Tompo mba hataontsika mpikamban’ny Fiangonana? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Miandry antsika Olomasina hiray hina sy hanafoana ny fisaratsarahana sy ny fifampiandaniana ny Tompo.)

  • Inona no azontsika mpikamban’ny Fiangonana atao mba hanafoanana ny fisaratsarahana sy ny fifampiandaniana ao amin’ny fianakaviantsika? Ao amin’ny paroasintsika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Inona ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny firaisankina sy ny fanafoanana ny fifampiandaniana?

  • Oviana ianareo no notahiana vokatry ny firaisankina tao an-dakilasy, na tao amin’ny kôlejy, na paroasy na sampana?

Resaho amin’ny mpianatra ireo valinteny voasoratra eo amin’ny solaitrabe dia amporisiho izy ireo hifidy fomba iray azon’izy ireo hanafoanana ny fizarazarana sy ny fifampiandaniana ary hametraka tanjona mba hanatontosana izany.

Fintino ny 1 Korintiana 1:12–16 amin’ny fanazavana fa ny Olomasina tao Korinto dia nizarazara ho vondrona maromaro nifototra tamin’ny hoe iza no nanao batisa azy ireo. Nitombo ny fifampiandaniana satria nino izy ireo fa ny lanjan’ilay olona nanao batisa azy ireo no namaritra ny voninahitr’izy ireo tao amin’ny Fiangonana.

1 Korintiana 1:17–31

Mampianatra i Paoly fa miantso ireo malemy hitory ny filazantsarany Andriamanitra

Hazavao fa nandritra ny andron’i Paoly dia maro ireo Grika nipetraka tao Korinto. Ireo Grika ireo dia nanome lanja lehibe ireo hevitra ara-filôzôfika sy ny fahendren’izao tontolo izao.

  • Nahoana ny olona izay manome lanja ireo filôzôfian’izao tontolo izao no mety hahita fa sarotra ny manaiky ny filazantsara? (Azonao vakina ny 2 Nefia 9:28.)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 1:17–31 mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny maha-mety diso ny fahendren’izao tontolo izao.

Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra. Ampandraiketo ny tsirairay amin’ireo vondrona ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto: 1 Korintiana 1:17–18; 1 Korintiana 1:19–20; 1 Korintiana 1:21–22; ary 1 Korintiana 1:23–24. Asao hamaky ireo andininy ireo ao amin’ny vondrona misy azy ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Paoly momba ny fahendren’izao tontolo izao raha mitaha amin’ny fahendren’ Andriamanitra. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa” ao amin’ny andininy 17 dia milaza fa tsy nirahina mba hanao izay hampalaza azy avy amin’ny isan’ny olona niova fo izay afaka ho azony i Paoly. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ilay andian-teny hoe “fahendren’ny hendry” ao amin’ny andininy 19 sy ny hoe “fahendren’izao tontolo izao” ao amin’ny andininy 20 dia miresaka ilay fomban-drazana ara-filôzôfika feno lesoka tamin’izany andro izany.

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hamintina ho an’ny mpianatra ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana mikasika ny fahendrena. Rehefa avy manao tatitra ny vondrona rehetra dia manontania hoe:

  • Araka ny eritreritrareo dia nahoana ireo tsy mpino no nihevitra fa hadalana ilay hafatra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 1:25. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fahendren’ny olona raha ampitahaina amin’ny fahendren’ Andriamanitra. Hazavao fa i Paoly dia nampiasa ilay andian-teny hoe “ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona” sy ny hoe “ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona” mba hampahafantatra ny fahendrena sy ny hery faratampony ananan’ Andriamanitra. Tsy adala Andriamanitra, ary tsy manana fahalemena koa Izy.

  • Inona ny fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fahendren’ny olona raha ampitahaina amin’ny fahendren’ Andriamanitra? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny fahendren’ny olona.)

  • Mety hisy fiantraikany amin’ny fomba hitadiavan’ny olona iray vahaolana ho an’ireo olany amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana io fahamarinana io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 1:26–27. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady izay olona nofidian’ Andriamanitra hitory ny filazantsarany.

  • Iza no nofidian’ Andriamanitra hitory ny filazantsarany?

  • Nahoana, araka ny eritreritrareo, no mifidy ireo izay heverin’izao tontolo izao fa adala sy malemy Andriamanitra mba hitory ny filazantsarany?

1 Korintiana 2

Manazava ny fomba ianarantsika ireo zavatr’ Andriamanitra i Paoly

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity izay notantarain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Tao anaty fiaramanidina aho dia nipetraka teo akaikin’ny olona iray izay nanambara ny tenany ho tsy mpino ary nisisika mafy nilaza haingana tokoa ny tsy finoany an’ Andriamanitra ka dia nijoro ho vavolombelona taminy aho. ‘Diso ianao,’ hoy aho ‘misy Andriamanitra. Fantatro fa velona Izy!’

“Nandà izy hoe, ‘Tsy mahafantatra ianao. Tsy misy olona mahafantatra izany! Tsy afaka mahafantatra izany ianao!’ Rehefa tsy nanaiky mihitsy aho dia nametraka ilay azo lazaina angamba fa fanontaniana mahakasika ny zavatra manan-danja indrindra amin’ny resaka fijoroana ho vavolombelona ilay tsy mpino, izay mpisolovava. ‘Eny ary,’ hoy izy sady nitsiky naneso no nanambany, ‘milaza ianao fa mahafantatra. Lazao amiko hoe amin’ny fomba ahoana no hahafantaranao izany.’

“Rehefa niezaka namaly aho, na dia nanana diplaoma ambony kokoa noho ny azy aza, dia tsy afaka niteny. …

“Rehefa nampiasa ny teny hoe Fanahy sy vavolombelona aho dia namaly ilay tsy mpino hoe: ‘Tsy fantatro izany zavatra resahinao izany.’ Ny teny hoe vavaka, fahaizana manavaka, ary finoana, dia tsy nisy dikany taminy ihany koa. ‘Hitanao!’ hoy izy, ‘tsy tena mahafantatra ianao. Raha nahafantatra ianao dia ho afaka nilaza tamiko hoe ahoana no hahafantaranao.

“Very hevitra aho ny amin’izay hatao” (“The Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 51).

  • Inona no mety ho nolazainao tamin’ilay tsy mpino?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 2 mba hitady fahamarinana iray izay hanampy azy ireo hahafantatra ny antony tsy nahafahan’io lehilahy io nahatakatra izay nolazain’ny Filoha Packer sy ny antony ahafahan’izy ireo mahatoky tena amin’ny fahalalana ananany momba ireo zavatra ara-panahy.

Fintino ny 1 Korintiana 2:1–8 amin’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa tsy nampiasa ny fahendren’izao tontolo izao izy mba handresena lahatra azy ireo ny amin’ny filazantsara. Nampianatra azy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy izy mba hinoan’izy ireo an’ Andriamanitra. Nilaza tamin’izy ireo ihany koa i Paoly fa tsy afaka mahatakatra ireo zava-miafina izay an’ Andriamanitra izy ireo.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny 1 Korintiana 2:9–16. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny antony nilazan’i Paoly fa ny olona sasany dia afaka mahafantatra sy mahatakatra ny “saina lalina izay an’ Andriamanitra” (andininy 10), raha toa kosa ka tsy afaka ny sasany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9–10 dia nahoana i Paoly sy ireo olona mahatoky hafa no afaka nahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 14 dia nahoana ny olona sasany no tsy afaka nahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra?

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny antony ahafahantsika mahafantatra sy mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Fanahiny irery ihany no ahafahantsika mahalala sy mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra.)

Ivereno ilay tantara notantarain’ny Filoha Packer dia hazavao fa nahatsapa ho notaomim-panahy ny Filoha Packer mba hanontany ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny tao anaty fiaramanidina hoe toy ny ahoana ny tsiron’ny sira. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ilay tantara notantarain’ny Filoha Packer:

Filoha Boyd K. Packer

“Rehefa avy nanandrana im-betsaka izy, dia mazava ho azy fa tsy afaka nanao izany. Tsy afaka nilaza, tamin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany, ny traikefa efa tena mahazatra toy ny fanandramana ny tsiron’ny sira izy. Nijoro ho vavolombelona taminy indray aho dia niteny hoe: ‘Fantatro fa misy Andriamanitra. Nihomehezanao izany fijoroana ho vavolombelona izany ary nilaza ianao fa raha mahafantatra tokoa aho dia ho afaka ny hilaza aminao marina tokoa hoe amin’ny fomba ahoana no hahalalako izany. Ry namako, raha miresaka amin’ny fomba ara-panahy aho dia efa nanandrana sira. Tsy afaka milaza aminao amin’ny alalan’ny teny ny fomba nahatongavan’izany fahalalana izany mihoatra noho ny tsy nahafahanao nilaza tamiko ny tsiron’ny sira aho. Saingy lazaiko aminao indray fa misy Andriamanitra. Velona Izy! Ary aza miezaka milaza amiko, noho ianao tsy mahafantatra, fa tsy mahafantatra aho, satria mahafantatra aho!’

“Rehefa nandeha izahay dia reko nimonomonona izy hoe: ‘Tsy mila ny fivavahanao hitadiavana fanampiana aho! Tsy ilaiko izany.’

“Nanomboka tamin’izay zavatra niainana izay ka hatramin’izao dia tsy mbola sadaikatra na menatra aho fa tsy afaka nanazava tamin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany ny zavatra rehetra fantatro ara-panahy” (“The Candle of the Lord,” 52).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe Zavatr’ Andriamanitra dia anontanio ny mpianatra ny zavatra izay heverin’izy ireo fa zavatr’ Andriamanitra izay tsy azo fantarina sy takarina raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahiny ihany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mino fa amin’ny alalan’ny Fanahiny irery ihany no ahafahantsika mahalala sy mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra?

Resaho amin’ny mpianatra ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe dia asao izy ireo hizara zavatra niainana izay nahafantaran’izy ireo sy nahatakaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy ny iray amin’ireo zavatr’ Andriamanitra. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao manokana.

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra izay azony atao mba hikatsahana ny fanampian’ny Fanahy rehefa miezaka ny hahafantatra sy hahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra izy ireo.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Korintiana 1:17–2:13. Ny fahendren’izao tontolo izao

“Rehefa niteny nanohitra ‘ny fahendren’izao tontolo izao’ i Paoly (1 Korintiana 1:20) dia ilay fomban-drazana ara-filôzôfika feno lesoka tamin’ny androny no noresahiny fa tsy ilay fikatsahana fianarana sy fanabeazana mendrika ny ho atao izay namporisihin’ny Tompo mba hatao (jereo ny Matio 22:37; 2 Nefia 9:29; F&F 88:78–80). Namerimberina nampiasa ireo teny hoe hendry sy fahendrena tao amin’ny 1 Korintiana 1:17–2:13 i Paoly mba hiresahana ireo filôzôfian’izao tontolo izao sy ireo olona izay nanohana izany. Ireo foto-kevitra ara-filôzôfika no adihevitra nifanaovan’ny olona matetika. Nampitahain’i Paoly tamin’ny hafatra mafonja sy mandresy lahatra momba ny Zanak’ Andriamanitra voahombo ny fahendren’ny olona izay voafetra (jereo ny 1 Korintiana 1:17–25). Na dia teo aza ireo izay mihomehy ny filazantsara dia tsy tokony hiankina amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’ Andriamanitra ihany’ ny finoan’ny Olomasina (1 Korintiana 2:5).

“Sarotra ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa ny nanaiky ny hafatra momba ny Mesia iray izay nohomboana. Tao amin’ny tontolon’ny Romana dia famaizana natokana ho an’ireo mpanao heloka bevava na andevo ny fanomboana ary maneho ny henatra na ny faharesena. Izany hoe olona iray mijaly sy maty ho an’ny hafa sady misolo tena ny hafa izany, dia velona indray avy eo aorian’izay, dia ‘fahadalana’ ho an’ireo Grika izay misaina araka ny filôzôfia (1 Korintiana 1:23). Ho an’ireo Jiosy, izay niandrandra mpanjaka sy hery ary fandresena avy amin’ny fiheveran’izy ireo ny atao hoe Mesia, dia ‘fahatafintohinana’ sy hevitra tsy azo ekena ho azy ireo ilay hafatra milaza hoe maty teo amin’ny hazo fijaliana iray ny Mesia (1 Korintiana 1:23)” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana anny Fiangonana, 2014], 364).

1 Korintiana 1:18–29. “Ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery”

“Raha toa ka maro ireo Jiosy sy Jentilisa nandà ny hafatry ny filazantsara ka nihevitra izany ho ‘fahadalana’ (1 Korintiana 1:18) dia nampianatra i Paoly fa ‘ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona’ (1 Korintiana 1:19–25). Matetika Andriamanitra no manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ireo olona izay mety heverin’izao tontolo izao fa ‘adala’ na ‘malemy’ (jereo ny F&F 35:13–14; 124:1). Ao amin’ny 1 Korintiana 1:28, ny ‘iva razana amin’izao tontolo izao’—ireo izay manetry tena—no ireo izay fidian’ Andriamanitra mba hanatanteraka ny asany” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 364).

1 Korintiana 2:6–16. Ny “[zavatr’] Andriamanitra” dia “araka ny Fanahy no amantarana izany”

Koa satria “izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra” dia “araka ny Fanahy [ihany] no amantarana izany” (1 Korintiana 2:14), dia tsy afaka ny hahatakatra ireo fahamarinana ara-panahy ireo olona misaina araka izao tontolo izao. Nanome fomba ho antsika mba hahazoana fahalalana ara-panahy Andriamanitra. Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

“Eo anivon’ireo mpahay siansa, ny fomba siantifika dia ampiasaina mba hianarana fahamarinana sy fahalalana vaovao. Tena nanampy tokoa tao anatin’ireo taona maro sy nanome fahalalana ara-tsiantifika maro dia maro ary mbola manohy mampihena ny tsy fahalalana mikasika ity tontolo iainantsika ity izany. Ny fianarana zavatra ara-panahy anefa dia mitaky fomba hafa ankoatra ny fianarana zavatra araka ny siansa. Ny fomba siantifika sy ny faharanitan-tsaina dia teny ilaina, saingy raha mandeha irery izy ireo dia tsy hitondra fahalalana ara-panahy na oviana na oviana.

“tafiditra ao anatin’ny fianarana zavatra ara-panahy ny faharanitan-tsaina, saingy tsy ampy izany. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ianarantsika ireo zavatra ara-panahy. …

“… Ny valin’ny fanontaniana ara-panahy dia omena an’ireo olona izay tsy manamafy ny fony, izay mangataka ombam-pinoana, mino fa hahazo valiny ary izay mitandrina ny didy amim-pahavitrihana. Na dia manaraka io lamina io aza isika dia tsy voafehintsika ny fotoana hahazoana valiny. Indraindray dia tonga haingana ny valiny andrasantsika, ary indraindray dia tsy maintsy manemotra ny fotoana hitadiavantsika ireo valinteny andrasantsika isika ka miantehitra amin’ny finoantsika izay nitombo avy tamin’ireo valinteny fantatsika” (“A Pattern for Learning Spiritual Things” [fampitana mivantana ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 7 aog. 2012], si.lds.org).

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny fomba hahazoana fahalalana masina izay nasain’ny Tompo nampiasaina dia tsy mitovy mihitsy amin’ireo fomba ampiasain’ireo izay mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana fotsiny ihany. Ohatra, fomba fampianarana iray fanao matetika any am-pianarana ny ady hevitra na fifanandrinan-kevitra, fomba izay efa nananako traikefa maro tokoa. Saingy ny Tompo dia nampianatra antsika ao amin’ireo soratra masina taloha sy maoderina fa tsy tokony hiady hevitra amin’ireo zavatra mahakasika ny fotopampianarany isika. (Jereo ny 3 Ne. 11:28–30; F&F 10:63.) … Ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona dia azo avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandalinana amim-panajana ataon’ny tena manokana sy ny fisaintsainana mangina” (“Alternate Voices,” Ensign, mey 1989, 29).