Tahirim-pitaovana
Lesona 116: 2 Korintiana 8–9


Lesona 116

2 Korintiana 8–9

Fampidirana

Nanoratra ho an’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly ary nanazava fa ny mpikambana tao Makedonia dia nanome maimaimpoana ho an’ireo izay sahirana. Namporisika ireo Olomasina Korintiana izy ny hanaraka ihany koa ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanomezana ho an’ny mahantra. Nampianatra mikasika ireo fitahiana izay tonga eo amin’ireo izay manome amim-pifaliana ho an’ny mahantra i Paoly.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Korintiana 8

Nanoro hevitra ny Olomasina mba hikarakara ny mahantra i Paoly

Soraty ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity (nalaina tao amin’ny “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 40) ka ataovy eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana izany, kanefa avelao ho banga ny toeran’ilay teny hoe fahantrana. Atombohy amin’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ilay teny nambara ny lesona.

“Tao anatin’ny tantara rehetra hatrizay ka hatramin’izao dia ny fahantrana no anisan’ny olana lehibe sy mihanaka indrindra atrehin’ny olombelona. Ny olana aterany hita mazava dia mazàna ara-batana, kanefa mety handrendrika bebe kokoa aza ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetsehampo entiny.”

Asao ny mpianatra hamantatra ny teny tsy ampy ao amin’ilay teny nambara. Dia soraty eo amin’izany avy eo ilay teny hoe fahantrana.

  • Inona no atao hoe fahantrana? (Ny fananana kely na ny tsy fananana mihitsy vola, zavatra, na zavatra hoenti-manohana ny fiainana.)

  • Nahoana ny fahantrana no olana sarotra tokoa tahaka izany?

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ireo olona fantany izay mety mila fanampiana na toy ny ahoana izany na toy ny ahoana, anisan’izany ny fanampiana ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-piarahamonina, na ara-panahy. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 2 Korintiana 8–9 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hanatanteraka ny anjara asany amin’ny fanampiana ny hafa izay sahirana.

Fintino ny 2 Korintiana 8:1–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nilaza tamin’ireo Olomasina Korintiana fa nanome tamin-kalalahan-tanana ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Makedonia mba hanampiana ny mahantra tamin’ny zavatra nilain’izy ireo teo amin’ny ara-nofo. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady ny toerana misy an’i Korinto sy i Makedonia ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.”) Nanazava i Paoly fa nanao izany ireo mpikambana Makedoniana satria naniry ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy ireo. Namporisika ny Olomasina tao Korinto izy mba hanaraka io ohatra amin’ny fanomezana izay ilain’ny hafa io amin’ny fitiavana tena avy amin’ny hitsim-po.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe manan-karena sy ny hoe mahantra.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Korintiana 8:9 mba hitady izay nolazain’i Paoly fa nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasina. Rehefa ampy ny fotoana niasana dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny tena hoe manan-karena sy mahantra ny valintenin’ny mpianatra.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-mpanan-karena an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Mety ahitana izao manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra: I Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray ao amin’ny fanahy eny fa na dia talohan’ny nahaterahany teto amin’ny fiainana an-tany aza. I Jesoa Kristy dia Andriamanitra nipetraka teo akaikin’ny Ray any An-danitra tamin’ny fahefana, ny hery ary ny voninahitra ary nahary tontolo maro teo ambany fiahian’ny Ray.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety niheverana Azy ho mahantra nandritra ny fiainany teto an-tany? (Nilaozany ny toeram-boninahitra nananany mba ho teraka sy hiaina teo anivon’ny toe-javatra nilàna fanetrentena be teto an-tany.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mba hampanan-karena [antsika] ny alahelon[’ny Mpamonjy]” ao amin’ny andininy 9? (Noho i Jesoa niambany avy teo amin’ny seza fiandrianany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia tonga teto an-tany mba hanompo, haneho ohatra ho antsika, ary hanatanteraka ny Sorompanavotana, dia afaka mahazo ny haren’ny fiainana mandrakizay isika.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa teo amin’ny iray taona talohan’izay dia nanolo-tena ny hanangon-javatra ho an’ireo Olomasina mahantra tao Jodia ireo Olomasina Korintiana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 8:10–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra izay nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina tao Korinto.

  • Inona no nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina tao Korinto?

Hazavao fa ny teny sy ny andian-teny hoe “fanaovana” sy “hahatanterahanareo azy” dia midika fa i Paoly dia nampitandrina an’ireo Olomasina mba hanatontosa ny fanolorantena nataon’izy ireo teo aloha mba hanome izay azony omena rehetra an’ireo Olomasina mahantra, tahaka ny nanomezan’ny Mpamonjy ireo harena mandrakizay ho azy ireo.

  • Inona no mitranga amin’ny tsirairay amintsika rehefa lasa mahatakatra ny zavatra rehetra nomen’ny Mpamonjy antsika isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Rehefa lasa mahatakatra ny zavatra rehetra izay nomen’ny Mpamonjy antsika isika dia ho vonona kokoa ny hizara izay ananantsika ho an’ny hafa.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hamporisihan’ny fieritreretana ny zavatra nomen’ny Mpamonjy antsika antsika hiantra an’ireo sahirana?

  • Inona avy ireo fanomezana miavaka nomen’ny Mpamonjy anareo ka mety hitaona anareo hanome ho an’ny hafa?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky mafy ny 2 Korintiana 8:12–15. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra mba hitady fahamarinana iray fanampiny izay nampianarin’i Paoly ny olona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifanohanana eo amin’ny lafiny ara-nofo.

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 12–13? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Tian’ Andriamanitra hanana fahavononana ny hanome isika na dia rehefa tsy manana na inona na inona omena aza.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

Na manan-karena isika na mahantra dia tokony ‘hanao izay azontsika atao’ rehefa sahirana ny hafa.(“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” 41).

  • Inona no azontsika atao ho an’ny hafa raha tsy manana zavatra omena azy ireo mihitsy isika?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 14–15, dia iza no mahazo tombontsoa rehefa miantra hatrany hatrany an’ireo sahirana ny Olomasina? (Mety ho sahirana avokoa ny olona rehetra amin’ny fotoana iray.)

  • Toy ny ahoana avy ireo fomba hahazoan’ny rehetra tombony rehefa vonona ny hanome avokoa isika rehetra?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana sy fitsipika ireo sy hampihatra izany dia vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Holland.ity. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba azon’ny Tompo hanampiana antsika haneho fihetsika feno fangorahana amin’ireo mahantra.

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tsy fantatro mazava tsara hoe ahoana no fomba tokony hanatanterahan’ny tsirairay aminareo ny adidinareo amin’ireo izay tsy manampy na tsy afaka manampy ny tenany. Kanefa fantatro fa mahafantatra izany Andriamanitra, ary hanampy sy hitarika anareo Izy amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” 41).

video iconRaha mbola misy ny fotoana ary afaka manao izany ianao dia asehoy ho solon’izany ny ampahany amin’ilay horonantsary mirakitra ny lahateny nataon’ny Loholona Holland tamin’ny fihaonambe izay mitondra ny lohateny hoe “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” (0:00–7:04).

15:41
  • Inona no nolazain’ny Loholona Holland fa tokony hataontsika mba ho vonona ny hanampy ny mahantra sy ny sahirana?

  • Inona avy ireo fomba napetraky ny Fiangonana izay ahafahantsika manome izay ilain’ny mahantra? (Amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, ireo tetikasa fanompoana eo an-toerana, ary ireo fahafahana manao asa fanampiana olona.)

Amporisiho ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra iray izay azony hatao miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fanomezana ho an’ny mahantra sy ny sahirana.

Fintino ny 2 Korintiana 8:16–24 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia niresaka tamin’ireo Olomasina Korintiana ny momba an’i Titosy sy ny rahalahy anankiroa izay nirahina hanangona ireo anjara biriky fiantrana ho an’ireo Olomasina tao Jerosalema. Niresaka mikasika ny fahatokiany an’ireo Olomasina Korintiana i Paoly ary nanazava fa ny fanomezan’izy ireo amin-kalalahan-tanana dia ho porofon’ny fitiavan’izy ireo ny hafa.

2°Korintiana 9

Nampianatra momba ireo fitahiana noho ny maha-tena mpanome avy amin’ny fo i Paoly

Fintino ny 2 Korintiana 9:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanohy nidera ireo Olomasina Korintiana i Paoly. Nolazainy tamin’ireo Olomasina fa naniraka an’i Titosy sy ireo olona hafa izy mba hanamarina ny fahavononan’izy ireo hanome maimaim-poana.

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha efa nanome zavatra ny olona iray izy ireo na nanao asa fanompoana ho an’ny olona iray tamin’alahelo.

  • Nahoana indraindray no sarotra ny mifaly rehefa manome amin’ny fotoanantsika, na ny volantsika, na zavatra hafa isika mba hanampiana ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 9:6–7. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fampitahana nampiasain’i Paoly mba hampianarana ireo mpikambana tao Korinto mikasika ny fanomezana maimaim-poana.

  • Inona no dikan’ny hoe mamafy voa? (Mamboly voa.)

  • Nampitahain’i Paoly tamin’ny inona ny famafazana? (Manome ho an’ny hafa.)

Mihazona voankazo na voana legioma maromaro, na manehoa sary maneho ireo zavatra ireo.

Voa
  • Iza avy ireo mpamafy ato anatin’ity fampitahana ity? Ny Olomasina, na isika.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7 dia andrasan’ny Tompo hamafy, na hanome toy ny ahoana isika? (Amim-pifaliana fa tsy amin’alahelo. Jereo koa ny Môrônia 7:8.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Raha manome ho an’ireo sahirana amin’ny fo falifaly isika …

  • Inona no mampitovy ny fanomezana zavatra ho an’ny hafa amin’ny famafazana voa eny an-tsaha.

  • Inona no mitranga raha mamafy amim-pahihirana isika?

  • Inona no mitranga raha mamafy be isika?

Fenoy ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe mba hampitan’izany ity fahamarinana manaraka ity: Raha manome ho an’ireo sahirana amin’ny fo falifaly isika dia hitahy antsika amin-kalalahan-tanana Andriamanitra.

  • Afaka mitondra antsika marina ho amin’ny fahazoantsika betsaka kokoa noho izay nomentsika voalohany amin’ny fomba ahoana ny fiantrana ny hafa amin’ny toe-tsaina falifaly?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 9:8–10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fitahiana nolazain’i Paoly fa ho azon’ireo Olomasina raha manome amin’ny fo falifaly izy ireo.

  • Inona avy ireo andian-teny sasantsasany nampiasain’i Paoly mba hamaritana ireo fitahiana omen’ny Tompo an’ireo izay manome amin’ny fo falifaly? (Mety ho isan’ny valinteny ho azo ny hoe “ny fahasoavana rehetra aminareo” [andininy 8], “ny onony rehetra … amin’ny zavatra rehetra” [andininy 8], “ny fahamarinany maharitra mandrakizay” [andininy 9], ary “hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo” [andininy 10].)

Hazavao fa ireo andian-teny ireo dia milaza fa handray ny fahasoavan’ny Tompo isika, izay mety ahitana fitahiana ara-nofo, sahaza ny filàntsika.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 10 dia iza “[ilay] manome voa ho an’ny mpamafy”? (Ny Tompo. Asehoy indray ilay voa, dia hazavao fa ny antony ahafahantsika manome ho an’ny hafa dia satria efa nomen’ny Tompo zavatra aloha isika.)

  • Manampy antsika hanome amim-pifaliana amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana hoe avy aiza ny zavatra rehetra ananantsika?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 2 Korintiana 9:11–15. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina izay nanome sy nahazo tamim-pifaliana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11–15 dia mahatsapa inona ho an’ Andriamanitra ireo Olomasina izay mifampizara sy mahazo maimaim-poana ny fananany?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika izay mety ho andian-teny milaza fankasitrahana hita ao amin’ireo andininy ireo toy ny hoe “izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra” (andininy 11), “mahabe ny fisaoran’ny maro an’ Andriamanitra” (andininy 12), “izany no ankalazany an’ Andriamanitra ” (andininy 13), ary “isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina” (andininy 15).

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy11–15: Ny fahafantarana ny fahalalahan-tanan’ Andriamanitra amin’ny fitahiana antsika dia afaka manampy antsika hahatsapa fankasitrahana Azy.

  • Oviana ianareo no nahatsapa fankasitrahana an’ Andriamanitra rehefa avy nahafantatra ireo fitahiana nalefany ho anareo noho ny fanompoana sy ny fanomezana ho an’ny hafa tamim-pifaliana?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika sy fahamarinana izay hitan’ireo mpianatra tao amin’ny 2 Korintiana 8–9.

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fomba iray azon’izy ireo hanampiana olona iray sahirana amin’ity herinandro ity. Asao izy ireo hametraka tanjona mba hanampy izany olona izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

2 Korintiana 8:9. “Fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo”

Mba hahazoana fanazavana mikasika ilay fiambaniana mahatalanjona nataon’i Jesoa Kristy noho isika dia jereo ny “The Condescension of God and of Man” ([fampaherezam-panahy ho an’ny Krisimasy nataon’ny Fiadidiana Voalohany, 7 dec. 2014], lds.org/broadcasts), izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

2 Korintiana 8:14. “Mba hisy fitoviana”

Nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany dia nizara ity teny nambara manaraka ity ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, izay sady mety amin’ny lehilahy no mety amin’ny vehivavy:

“Amin’ izao fotoana izao dia maro ireo mpikamban’ ny Fiangonana no mijaly. Noana izy ireo, manana olana ara-bola, ary sahirana amin’ ny olana ara-nofo, sy ara-pietseham-po, ary ara-panahy. Mivavaka amin’ ny herim-po rehetra ananany izy ireo mba hahazo vonjy, sy fanampiana.

“Ry rahalahy, aza mihevitra ianareo fa andraikitr’ olon-kafa izany. Andraikitro izany ary andraikitrareo. Mandray anjara avokoa isika rehetra. Ny dikan’ ny hoe ‘Rehetra’ dia rehetra— ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka tsirairay, na manankarena na mahantra, any amin’ ny firenena rehetra. Ao amin’ny drafitry ny Tompo, dia misy zavatra izay hitondrany ny anjara birikiny” (“Manome araka ny fomban’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 54).