Lesona 135
Hebreo 1–4
Fampidirana
Nampianatra ny Olomasina momba ny toetoetra marin’i Jesoa Kristy i Paoly. Nampianatra azy ireo mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana sasantsasany azo vokatry ny Sorompanavotana koa izy. Nizara ny zavatra niainan’ireo Isiraelita fahiny izay nirenireny tany an’efitra i Paoly mba hampianarana ireo Olomasina ny zavatra tokony hataon’izy ireo mba hahazoana fitsaharana ao amin’ny Tompo.
Sosokevitra enti-mampianatra
Hebreo 1
Nampianatra ny Olomasina momba ny toetoetra marin’i Jesoa Kristy i Paoly
Vakio mafy ireto trangan-javatra manaraka ireto:
-
Leo izany hoe “tovovavy mendrika” foana izany ny zatovovavy iray satria tsy mba mandray anjara amin’ireo zavatra sasantsasany ataon’ireo namany izy. Mieritreritra ny hanagoragora ny fenitra arahiny izy amin’izay eken’ny namany.
-
Mahatsapa ny zatovolahy iray mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno fa tena sarotra lavitra noho ny niheverany azy ny asa fitoriana ka maniry ny hody any an-trano izy.
-
Inona no itovian’ireo trangan-javatra ireo?
-
Inona ireo antony sasantsany mahatonga ny olona mety hieritreritra ny hilavo lefona mandritra ny fiezahany manao izay fantany fa marina?
Ampahafantaro fohifohy ny bokin’ny Hebreo amin’ny alalan’ny fanazavana fa noho ny fitambesaran’ny fahoriana maro dia nisy tamin’ireo Jiosy niova fo (nantsoina hoe Hebreo) no niala tamin’ireo fivoriam-piangonana ka niverina tamin’ny fomba fivavahana Jiosy nentim-paharazana tsy misy mpanenjika, izay tsy nahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 10:25, 38–39). Nanoratra ity epistily ity i Paoly mba hanentanana ireo mpikamban’ny Fiangonana hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy.
Eo am-pandalinany ny Hebreo dia asao ireo mpianatra hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hijanona ho mahatoky amin’i Kristy rehefa mahatsapa te hilavo lefona izy ireo.
Asao hamaky amim-pahanginana ny Hebreo 1:1–3, 10 ireo mpianatra hitadiavana ireo fotopampianarana momba an’i Jesoa Kristy izay nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Jiosy.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe mba hanoratra ireo fahamarinana hitany. Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra saingy alaivo antoka tsara fa fehezanteny mitovitovy amin’ireto fahamarinana manaraka ireto no voasoratra eny amin’ny solaitrabe:
Nahary ny lanitra sy ny tany i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:2, 10).
Niresaka ho an’ny Ray i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:2).
I Jesoa Kristy no mpandova ny Ray (jereo ny Hebreo 1:2).
I Jesoa Kristy dia endriky ny tenan’ny Ray (jereo ny Hebreo 1:3).
Mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:3).
Manadio ny fahotantsika i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:3).
Manjaka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Ray i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 1:3).
Mety hilainao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “endriky ny tenan’ny Ray” dia midika fa i Jesoa Kristy dia maneho ny endriky ny Ray any An-danitra ara-batana sy ara-panahy ary manana ireo toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Ary ilay andian-teny hoe “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” dia maneho fa i Jesoa Kristy no faran’izay mahery.
-
Amin’ny fomba ahoana, ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo no manampy ny olona iray izay manana fahasarotana eo amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe inona amin’ireo fahamarinana ireo no mety hanampy azy ireo raha toa ka alaim-panahy hivadika amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Tompo izy ireo.
Hazavao fa ny lohahevitra iray ao amin’ny bokin’ny Hebreo dia ny fahambonian’i Jesoa Kristy. Ohatra, ao amin’ny Hebreo 1:4–14 i Paoly dia nampiseho fa lehibe lavitra noho ny anjely i Jesoa Kristy. Nanohy nampiseho ny maha-lehibe sy ny fahambonian’i Kristy izy tao amin’ireo toko manaraka.
-
Manampy ny olona iray izay manana fahasarotana amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia lehibe noho ny zava-drehetra?
Amporisiho ireo mpianatra hanohy hikaroka io foto-kevitra io eo am-pandalinan’izy ireo ny ambin’ny Hebreo.
Hebreo 2
Nampianatra i Paoly fa i Jesoa Kristy no Kapitenin’ny famonjena antsika
Asaivo mieritreritra ny fomba fisafidianana kapiteny na mpitarika iray ho an’ny ekipa na vondrona samihafa izay mety andraisan’izy ireo anjara ireo mpianatra (ohatra: mpanao fanatanjahantena na adihevitra na mpilalao an-tsehatra na fikambanana any an-tsekoly).
-
Inona ireo toetra jerenao rehefa misafidy kapiteny na mpitarika iray?
Hazavao fa manazava bebe kokoa mikasika ny toetoetra sy ny maha-Izy Azy an’i Jesoa Kristy amin’ireo Jiosy niova fo i Paoly ao amin’ny Hebreo 2 mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny antony tokony hanohizany hanaraka an’i Jesoa Kristy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 2:10. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hijery ny fomba namaritan’i Paoly an’i Jesoa Kristy.
-
Inona no maha-kapiteny an’i Jesoa Kristy? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: I Jesoa Kristy no Kapitenin’ny famonjena antsika.)
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-Kapitenin’ny famonjena antsika an’i Jesoa Kristy?
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra ary asao ny mpianatra iray isaky ny vondrona handalina ny Hebreo 2:8–13 ary ny mpianatra iray hafa handalina ny Hebreo 2:14–18. Asao ireo mpianatra hitady ireo andian-teny izay mamaritra ny antony mahatonga ny Mpamonjy hahafeno ny fepetra maha-Kapitenin’ny famonjena antsika. (Hazavao fa ilay andian-teny hoe “mba hanaovan[a] fanavotana noho ny [otan’ny] olona” ao amin’ny andininy 17 dia midika fa nanonitra ny otantsika i Kristy ka namela antsika hihavana indray, na hanana fifandraisana mahafinaritra, amin’ny Ray any An-danitra.)
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia angataho izy ireo hilaza ny zavatra hitany amin’ny mpianatra miara-miasa aminy. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Araka ny voalazan’ny andininy 9, inona no nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra?
-
Araka ny andininy 14, iza no resin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany?
Hazavao fa tsy niantso ny Mpamonjy ho ilay Kapitenin’ny famonjena antsika fotsiny i Paoly fa niantso Azy koa ho “[mpisorona avo] mamindra fo sy mahatoky” (andininy 17). Nampitahain’i Paoly tamin’ny mpisorona avo Jiosy i Jesoa Kristy satria ny mpisorona avo dia noraisina ho olona mpanalalana ny vahoaka amin’ Andriamanitra.
-
Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 17, inona no nahafahan’i Jesoa ho mpisorona avo mamindra fo sy mahatoky toy izany?
-
Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 18, nahoana no afaka mamonjy antsika ny Mpamonjy? (Jereo koa ny Almà 7:11–13.)
Hazavao fa ao amin’ny Hebreo 4:14–16 i Paoly dia nanampy hevi-baovao tamin’ny fampianarany mikasika ny maha-mpisorona avo mamindra fo sy mahatoky ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny antony maha-mpisorona avo lehibe an’i Jesoa Kristy toy izany. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Araka ny zavatra nianaranao avy tao amin’ny Hebreo 2:14–18 sy 4:14–16, nahoana i Jesoa Kristy no afaka mahatakatra tsara antsika sy manana fangorahana amin’ny fahalemena sy ny tsy fahalavorariantsika rehetra? (Ampio ireo mpianatra mba hahita izao fahamarinana manaraka izao: Satria nijaly sy nalaina fanahy tamin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy dia afaka mahatakatra tsara antsika Izy ary afaka manampy antsika amin’ny fotoana maha-sahirana antsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Araka ny Hebreo 4:16, dia afaka manampy antsika mba hanao inona ny fahatakarantsika ity fahamarinana ity?
-
Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amim-pahasahiana?
Asao ny mpianatra hizara ny fahatsapany mikasika ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ny Hebreo 2 manampy azy ireo hatoky tena eo amin’ny fanapahan-keviny hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpitarika azy ireo Azy.
Hebreo 3–4
Mampianatra ny fomba ahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo i Paoly
Asao ireo mpianatra mba hanoratra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie fandraisany an-tsoratra any an-dakilasy ny zavatra izay miteraka fitaintainana na fiahiahiana ara-nofo na ara-panahy eo amin’izy ireo.
-
Ahoana no ahafahantsika mahazo fiadanana sy fitsaharana avy amin’ireo sy avy amin’ireo loharanon-korontana sy ahiahy hafa?
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa niaina fanenjehana noho ny fiainana ny filazantsara ireo Olomasina Jiosy. Hazavao fa ao amin’ny Hebreo 3 sy 4 dia nizara zava-nitranga avy tao amin’ny Testamenta Taloha i Paoly mba hampianarana ireo Olomasina ny fomba ahazoana fitsaharana eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy.
Hazavao fa rehefa avy nafahana avy tao Egypta ireo vahoakan’i Isiraely fahiny dia nanao izay hampitroatra ny fahatezeran’ny Tompo izy ireo ka noho izany dia tsy nahazo niditra tao amin’ny fitsaharan’ny Tompo (jereo ny Nomery 14; Jakoba 1:7–8; Almà 12:33–37; 13:6, 12–13, 28–29). Asaivo asian’ireo mpianatra marika ilay andian-teny hoe “ny fitsaharako” ao amin’ny Hebreo 3:11.
Hazavao fa ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’izany hoe miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo izany. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona McConkie ity, ary asaivo mamantatra ny dikan’ny hoe miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ireo mpianatra.
“Ireo tena olomasina dia miditra ao amin’ilay fitsaharan’ny Tompo dieny mbola eto amin’ity fiainana ity, ary amin’ny alalan’ny fitoerany ao amin’ny fahamarinana no hitohizan’izy ireo ao amin’izany toetra voatahy izany mandra-pialan’izy ireo sasatra miaraka amin’ny Tompo any an-danitra. … Ny fitsaharan’ny Tompo, ho an’ireo olona mety maty, dia ny mahazo ny fahatakarana lavorary ny fahamasinan’ny asa lehibe atao amin’ny andro farany. … Ny fitsaharan’ny Tompo, any amin’ny mandrakizay, dia ny handovana ny fiainana mandrakizay, ny hahazoana ny fahafenoan’ny voninahitry ny Tompo. (F. & F. 84:24.)” (Mormon Doctrine, edisiôna faha-2 [1966], 633).
-
Midika inona ho antsika ny miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity? Aorian’ny fahafatesana?
Vakio mafy ny Hebreo 4:1 ary asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra hitadiavana ny zavatra nampiahiahy an’i Paoly fa tsy ho vitan’ireo mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany.
-
Inona no ahiahin’i Paoly? (Tsy hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana.)
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto soratra masina manaraka ireto: Hebreo 3:7–8, 12–15, 18–19; 4:2–3, 6–7, 11. Asaivo vakin’ireo mpianatra amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina ireo hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny fomba hidirantsika ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. (Amporisiho hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Hebreo 4:3 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo mpianatra.) Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao izy ireo hilaza ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany” (Hebreo 3:14)?
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “aza manamafy ny fonareo”? (Hebreo 3:15; 4:7). (Mamela ny fonao hisokatra sy ho vonona ary ho feno fankatoavana ho an’ Andriamanitra sy ny didiny.)
-
Inona no nampianarin’i Paoly mikasika ny fomba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo? (Avy amin’ny valintenin’ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka mijanona ho mahatoky ao amin’ny Mpamonjy isika sy tsy manamafy ny fontsika dia hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo isika.)
-
Manomana antsika hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny famelana ny fontsika hisokatra amin’ny tanjona sy ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika?
-
Ahoana no mety hitahiana antsika eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo?
Asaivo saintsainin’ireo mpianatra ny hoe nanampy azy ireo hahita fitsaharana tamin’ny fomba ahoana ny fijanonana ho mahatoky amin’ny Mpamonjy sy ny famelana ny fon’izy ireo hisokatra Aminy na dia eo aza ireo olana sy ahiahy mety nananan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny rehetra.
Asaivo soratan’ireo mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra hataony mba hijanonana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy hamelana ny fony hisokatra Aminy.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Hebreo 1:3. I Jesoa Kristy dia “endriky ny tenan”’ny Rainy
Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny endrik’i Jesoa Kristy:
“I Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra no ‘endriky ny tena’[n’ny Rainy] indrindra (Hebreo 1:3). Nandia ny tany toy ny olombelona Izy, lehilahy tanteraka, ary namaly toy izao, tamin’ny fanontaniana napetraka Taminy: ‘Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray’ (Jaona 14:9). Io ihany dia tokony hamaha ilay olana ka hanome fahafahampo ireo olona izay misaintsaina tsara amim-panajana. Ny lesona tsoahina avy amin’izany dia azo antoka, fa raha endriky ny tenan’ny Rainy (eo amin’ny fitovian’endrika ara-batana) ny Zanak’ Andriamanitra, dia manana endrik’olona izany ny Rainy; satria izay no endriky ny Zanak’ Andriamanitra, tsy nandritra ny fiainany an-tany ihany, fa talohan’ny nahaterahany teto an-tany, sy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty koa. Tamin’io endrika io no nisehoan’ny Ray sy ny Zanaka, izay olona roa samy hafa, tamin’i Joseph Smith, rehefa nahazo ny fahitany voalohany izy fony izy zazalahy efatra ambin’ny folo taona” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 334).
Hebreo 4:4, 10. Marika sy sariohatry ny fitsaharan’ny Tompo ny andro Sabata
Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Marika sy sariohatry ny fitsaharan’ny Tompo ny andro Sabata. Ireo izay miditra ao amin’ny fitsaharana araka ny filazantsara dia mihazona ny Andro Sabata ho masina ho anisan’ny fitondrantena mahitsy sy fitsaohana marina fanaon’izy ireo. Mitsahatra amin’ny fanaovana ireo asa arak’izao tontolo izao izy ireo amin’izany andro izany, tahaka ny nataon’ Andriamanitra nandritra ny fotoam-pahariana, ho marika sy vavolombelona fa efa niditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo izy ireo eto amin’ity fiainana ity sy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ary miandrandra izany fitsaharan’ny Tompo izany ‘dia fitsaharana izay fahafenoan’ny voninahiny’ aorian’izao fiainana izao. (F. & F. 84:24.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:151).