Tahirim-pitaovana
Lesona 146: 2 Petera 1


Lesona 146

2 Petera 1

Fampidirana

Namporisihan’i Petera ny Olomasina mba hikatsaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy. Nanome toky i Petera fa io fivoarana ara-panahy io dia afaka manampy azy ireo “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10). Niresaka mikasika ny zavatra niainany tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera ary nanamafy fa ny soratra masina dia mifono aingam-panahy avy amin’ Andriamanitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

2 Petera 1:1–11

Nampianatra ny fomba ahafahantsika “ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra” izay nananan’i Jesoa Kristy i Petera.

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara manaraka ity (“The Will Within,” Ensign, mey 1987, 68):

“Ny andraikitsika dia ny ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika” (Filoha Thomas S. Monson).

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe sy hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto miaraka amin’ny namany miara-miasa aminy:

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Filoha Monson holazaina amin’ny hoe tonga “amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika”?

  • Nahoana araka ny hevitrareo no manan-danja ny “ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika”?

  • Inona no mety manakana antsika tsy ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 2 Petera 1 mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavany.

Fintino ny 2 Petera 1:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nanoratra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay efa nahazo finoana an’i Jesoa Kristy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:3–4 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampianarin’i Petera mba hanampiana ireo Olomasina hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no nampianarin’i Petera an’ireo Olomasina?

  • Inona no dikan’ny hoe “ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra”? (andininy 4).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Petera 1:5–7 ary hitady ireo toetran’i Jesoa Kristy izay nasain’i Petera nananan’ireo Olomasina. Asaivo tanisain’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe ireo toetra hitany. Asao ny mpianatra hitady ao amin’ny rakibolana iray ny famaritana an’izay toetra tian’izy ireo ho takatra bebe kokoa.

Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra mikasika ny fotoana nanehoan’ny Mpamonjy ny iray amin’ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo. Angataho ny mpianatra maromaro mba hitatitra amin’ny mpianatra rehetra ny heviny.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno manaraka ity: Rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika isika dia afaka …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:8–9 . Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahiana izay mety ho azontsika rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy isika.

  • Inona no fitahiana mety ho azontsika rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra isika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hivaky toy izao: Rehefa mampitombo ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika isika dia afaka ny hahafantatra an’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no afaka manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Petera 1:10–11 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady fitahiana iray hafa izay afaka ny ho tonga amin’ireo izay mazoto amin’ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra.

  • Inona no fitahiana afaka ho tonga amin’ireo izay mazoto amin’ny fampitomboana ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay ananan’i Jesoa Kristy? (Hazavao fa ilay andian-teny hoe “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo” [andininy 10] dia midika hoe mahazo ny fanomezan-tokin’ Andriamanitra eto amin’ity fiainana ity fa hahazo ny fiainana mandrakizay ianao. I Petera ihany koa dia nilaza azy io ho toy ny “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” [2 Petera 1:19. Jereo koa ny F&F 131:5].)

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny antony tokony hananantsika fahazotoana amin’ny fampitomboana ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mazoto amin’ny fampitomboana ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra isika raha mbola eto amin’ity fiainana ity dia afaka mahazo ny fanomezan-tokin’ Andriamanitra fa hahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny fikolokoloina ireo toetra araka an’ Andriamanitra dia manampy antsika hahalala an’i Jesoa Kristy ary manomana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay.

Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny iray amin’ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay tian’izy ireo hampitomboina be indrindra. Asao izy ireo hanoratra asa iray manokana izay azony atao mba hampitomboana izany toetra izany.

2 Petera 1:12–21

Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy i Petera ary nampianatra mikasika ny soratra masina

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny taonan’ny sasantsasany amin’ireo Apôstôly amin’izao fotoana izao izay zokiny indrindra. Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona M. Russell Ballard

“Misy olona sasany milaza fa antitra loatra izahay. Tena marina fa sivy amin’ireo Apôstôly no 80 taona mahery! 85 taona aho izao” (“Mitonia, ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 mey 2014], broadcasts.lds.org).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manakiana ny taonan’ireo mpaminany sy apôstôly ny olona sasany?

  • Ahoana no fomba hamalianao ilay fanakianana hoe, antitra loatra ny mpaminany sy apôstôly maoderina ka tsy antenaina hahomby?

Asao ireo mpianatra eo am-panohizany ny fandalinana ny 2 Petera 1 mba hikaroka fahamarinana iray mikasika ireo mpaminany sy apôstôly izay manan-danja bebe kokoa noho ny taonany.

Hazavao fa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nahitany maso an’i Jesoa Kristy i Petera ao amin’ny 2 Petera 1:12–19 .

Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Petera 1:20–21 ary rehefa avy namaky izy ireo dia hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 2 Petera 1:20 dia mivaky hoe: “fa fantatrareo voalohany indrindra fa tsy misy famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny soratra masina omena araka izay sitrapon’ny olona manokana.” Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ny anjara asan’ireo “lehilahy masin’ Andriamanitra,” izay midika hoe ireo mpaminany eto.

  • Inona no nampianaran’i Petera mikasika ny anjara asan’ny mpaminany? (Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Mandray soratra masina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo mpaminany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny atao hoe soratra masina dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka ity:

“[Ny soratra masina] dia teny soratana na aloaky ny vavan’ireo lehilahy masin’ Andriamanitra rehefa eo ambany fitaoman’ny Fanahy Masina izy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Soratra Masina,” scriptures.lds.org; jereo koa ny F&F 68:2–4). Nankatoavina ny soratra masina sasany. Ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana dia “fitambaran’ireo boky masina ekena sy ankatoavin’ny Fiangonana. Ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ireo boky ekena sy ankatoavin’ny Fiangonana dia ahitana ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Bokin’i Môrmôna ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana,” scriptures.lds.org).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra hihaino ny fijoroany ho vavolombelona fa manohy mandray soratra masina ireo mpaminany amin’izao fotoana izao.

Loholona Dallin H. Oaks

“[Ireo mpaminany] no fantsona niresahan’ Andriamanitra tamin’ireo Zanany amin’ny alalan’ny soratra masina voaray tamin’ny andro fahiny. Ary amin’ny alalan’izany lalam-pifandraisana izany no iresahany amintsika ankehitriny amin’ny alalan’ireo fampianarana sy torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly velona ary ireo mpitarika nentanim-panahy hafa.” (“Ireo lalam-pifandraisana roa,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 84).

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa Andriamanitra dia mampiasa io lamina io mba hamokarana soratra masina ho an’ny zanany?

  • Manome anao fahatokiana bebe kokoa momba ny teny aloaky ny vava sy voasoratra avy amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana io lamina io?

Vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ka asao ny mpianatra hanoratra ny valin’izany ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona avy ireo soratra masina na avy amin’ireo mpaminany fahiny izany na avy amin’ireo mpaminany ankehitriny izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao? Inona no fitahiana azonao avy amin’ireo soratra masina ireo?

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy. Afaka mizara fitahiana iray azonao tamin’ny alalan’ny soratra masina koa ianao.

Avereno jerena ilay teny nambaran’ny Loholona Oaks tany aloha ary asao ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa araka izay itarihan’ny Fanahy mikasika ny fisian’ny mpaminany sy ny soratra masina.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

2 Petera 1:10. “Mazotoa kokoa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo”

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny “fampitoerana ny fiantsoana sy ny fifidianana ny tena dia midika hoe voafehy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Fahazoana tsy misy fepetra ny fisandratana any amin’ny lanitra ambony indrindran’ny tontolo selestialy … alohan’ilay andro izay hidiran’ny mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra ny tena marina mba hiaraka hipetraka amin’i Kristy eo amin’ny seza fiandrianany” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:330–31).

Nampianatra izao manaraka izao koa ny Loholona McConkie:

“Ny olona tsirairay ao amin’ny Fiangonana izay eo amin’ilay lalana ety sy tery, sy miezaka sy mitolona ary maniry ny hanao ny tsara na dia lavitry ny fahalavorariana aza eto amin’ity fiainana ity, dia hahazo ny valisoa mandrakizainy any amin’ny fanjakan’ny Rainy amin’ny farany rehefa mandao ity fiainana ity izy ka mijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery.

“… Raha toa ianao ka eo amin’izany lalana izany sy mibosesika mandroso ary maty, dia tsy hiala velively eo amin’ilay lalana. … Ny zavatra tokony hataonao dia ny mitoetra ho mahatoky ao amin’ny Fiangonana ary miaina fiainan’olona mahitsy sy mendri-kaja ao amin’ny Fiangonana—mitandrina ny didy, mandoa fahafolonkarena, manompo ao amin’ireo rafitry ny Fiangonana, mitia ny Tompo ary mijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery. Raha toa ianao ka eo amin’izany lalana izany rehefa tonga ny fahafatesana—satria izay no fotoana sy daty voatendry, ary io no fotoana fizahan-toetra—dia tsy ho tafala eo amin’izany velively ianao ary raha ny marina dia mitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anao. Tsy fanazavana ny famaritana an’io farany io anefa izany saingy hitovy ihany ny vokany farany” (“The Probationary Test of Mortality,” Salt Lake Institute of Religion devotional, 10 jan. 1982, 12–13).

2 Petera 1:19. “Teny faminaniana atao mafy orina kokoa”

Ny fanambarana maoderina dia manamafy sy manazava ny dikan’ny andian-teny hoe “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” (2 Petera 1:19). NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5 dia manambara hoe: “Ny tenin’ny faminaniana mafy orina kokoa dia ny fahalalan’ny olona iray fa izy dia fehezina ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny fanahin’ny faminaniana, amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronana Masina.”

Ny vehivavy sy ny lehilahy mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mahazo ilay fitahiana dia ny fitoeran’ny fiantsoana sy ny fifidianana an’ny tena izany, na ny fahazoana ny tenin’ny faminaniana mafy orina kokoa.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manolo-tena tanteraka amin’ny fahamarinana sy mivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra dia mampitoetra ny fiantsoana sy fifidianana azy ireo. Izany hoe: mahazo ny teny faminaniana azo antoka izy ireo, izay midika fa mamehy ny fisandratany eo aminy ny Tompo raha mbola eto amin’izao fiainana izao izy ireo. Nofintinin’i Petera ny lalan’ny fahamarinana izay tsy maintsy alehan’ireo Olomasina mba hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ireo, avy eo (rehefa niresaka momba ny traikefany teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy niaraka tamin’i Jakôba sy Jaona izy) dia nilaza fa nahazo an’io teny faminaniana azo antoka io ireo telo ireo. (2 Pet. 1.)” (Mormon Doctrine, Edisiôna faha-2 [1966], 109).

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Rehefa avy nanana finoana ny olona iray, mibebaka amin’ny fahotany, ary atao batisa ho famelana ny fahotany ka mandray ny Fanahy Masina, (amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana), izay ny Mpananatra voalohany, dia avelao izy hanohy hanetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra, ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana, ary mivelona amin’ny teny rehetra aloaky ny vavan’ Andriamanitra, dia hilaza aminy ny Tompo afaka fotoana fohy hoe hasandratra ianao. Rehefa avy nitsapa azy tanteraka ny Tompo ka nahita fa vonona ny hanompo Azy ilay olona na inona na inona mitranga, dia ho hitan’ilay olona fa hitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy, ary avy eo dia ho tombontsoany ny handray ilay Mpampionona iray hafa. …

“Iza ilay Mpampionona iray hafa? Tsy iza izany fa i Jesoa Kristy Tompo mihitsy; … rehefa misy olona mahazo io Mpampionona farany io dia hanampy azy na hiseho aminy ilay herin’i Jesoa Kristy” (ao amin’ny History of the Church, 3:380–81).

2 Petera 1:20–21. “Olona masin’ Andriamanitra”

Ny Loholona Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fanazavana mikasika ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana mpitarika matotra sy manan-traikefa ao amin’ny filankevitra mpiahy ao amin’ny Fiangonana:

“Kanefa dia misy zavatra mahakasika ny fahendren’ny tsirairay sy ny fahendrena iraisan’ireo Rahalahy izay tokony hahazoana toky. Efa niaina zavatra maro tokoa izahay, ao anatin’izany ny vokatry ny lalàna sy ny fitsipika eo anivon’ny fanjakana, ny fahadisoam-panantenana, ireo loza, ary ireo fahafatesana eo anivon’ny fianakavianay tsirairay avy. Takatray ny zava-miseho eo amin’ny fiainanareo.”

“Mamelà ahy ianareo hiteny hoe tsy misy na dia iray aza amin’ireo Roambinifololahy izay saro-kenatra. Manana ny maha-izy anay izahay tsirairay. Noho izany rehefa miray saina izahay amin’ny fanapahan-kevitra iray dia afaka matoky ianareo fa efa niara-nikaon-doha izahay ary tonga tamin’izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny vavaka maro sy fifanakalozan-kevitra natao tamim-pahamatorana. …

“Tanora izahay ao am-ponay ary tahin’ny Tompo izahay eo amin’ny fampandrosoana ny asany amin’ny fomba miavaka” (“Mitonia, ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 mey 2014], broadcasts.lds.org).