Asa atao mikasika ny soratra masina fehezina
Fampidirana
Ity fizarana ity dia manome hevitra sasantsasany izay azonao ampiasaina hanampiana ireo mpianatra amin’ny fifehezana andinin-tsoratra masina manan-danja. Rehefa manampy sy mamporisika ireo mpianatra ianao hanolokolo ny fahaizan’izy ireo dia manampy azy ireo ho tonga mahaleo tena eo amin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina. Afaka mampiasa izany fahaizany mifehy izany ireo mpianatra mandritra ny androm-piainany mba hahitana, hahatakarana sy hampiharana ary hitadidiana tsara kokoa ireo andinin-tsoratra masina. Ireo hevitra enti-mampianatra ho an’ny lafiny tsirairay amin’ny fifehezana ny soratra masina dia voatanisa etsy ambany. Ny fampiasana ireto karazana asa atao ireto dia hanampy ireo mpianatra hahomby kokoa amin’ny fifehezana andinin-tsoratra masina.
Asa atao izay manampy ireo mpianatra hahita ny andinin-tsoratra masina fehezina
Fanisiana marika ireo andininy
Ny fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia afaka manampy ireo mpianatra hahatadidy ireo andinin-tsoratra masina ireo sy hahita haingana kokoa ny toerana misy azy ireo. Amporisiho ireo mpianatra handoko ireo andinin-tsoratra manan-danja ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo amin’ny fomba izay hampiavaka azy ireo amin’ireo andininy hafa izay asian’izy ireo marika.
Fahafantarana ireo boky
Ny fitadidiana ireo anaran’ireo boky sy ny filahatr’izy ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao dia hanampy ireo mpianatra hahita haingana kokoa ny soratra masina fehezina. Ireto manaraka ireto dia karazana asa atao izay afaka manampy ireo mpianatra hifankazatra amin’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao:
-
Tadiavo ny anarana sy filahatr’ireo boky—Ampio ny mpianatra ho lasa zatra amin’ny anarana sy filahatr’ireo boky ao amin’ny Baiboly mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny toerana misy ireo boky izay ahitana ireo andinin-tsoratra masina fehezina.
-
Mihirà hira iray—Soloy amin’ny anaran’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao ny tonon’ny fihirana na hiran’ny kilonga iray izay efa mahazatra. Ampianaro ny mpianatrao ilay hira (na ampiasao ny hira “The Books in the New Testament” [Children’s Songbook, amin’ny teny anglisy, 116–17]). Asaivo hirain’ireo mpianatra matetika io hira io mandritra ny taona mba hanampiana azy ireo hitadidy ny anarana sy ny filaharan’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao.
-
Ampiasao ireo litera voalohany —Soraty eny amin’ny solaitrabe ny litera voalohan’ireo boky (M, M, L, J, sy ny sisa). Asaivo mamerina miteny ny anaran’ireo boky izay mifanaraka amin’ny litera tsirairay ny mpianatra. Averimbereno io asa atao io mandra-pahaizan’izy ireo tsianjery ny anaran’ireo boky.
-
Haza boky—Manonona anankiray amin’ireo boky izay ahitana andinin-tsoratra masina fehezina, ary asaivo manokatra ny soratra masina ao amin’izany boky izany ireo mpianatra. Refeso ny halavan’ny fotoana lanin’ireo mpianatra rehetra ahitana ny boky tsirairay. Azo averimberina io asa atao io mba hahafahan’ireo mpianatra ho mailaka kokoa amin’ny fitadidiana sy fitadiavana ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao.
Fitadidiana ny toko sy andininy ary ny votoatiny
Rehefa mianatra ny toerana ahitana ny andinin-tsoratra masina fehezina sy ny votoatin’izany ireo mpianatra, dia afaka manampy azy ireo ny Fanahy Masina hahatsiaro ny toko sy andininy amin’ny fotoana ilàna izany (jereo ny Jaona 14:26). Ireo teny na andian-teny manan-danja, tahaka ny hoe “ateraky ny rano sy ny Fanahy” (Jaona 3:5) sy ny hoe “ny vokatry ny Fanahy” (Galatiana 5:22–23), dia afaka manampy ny mpianatra hahatadidy ny votoatin-kevitra sy ny fampianarana ara-potopampianarana ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Ireto fomba manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpianatra hampifandray ireo toko sy andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny votoatin-kevitra sy ny teny manan-danja ao anatin’izany. (Azonao ajanona ho any amin’ny faramparan’ny taom-pianarana any ireo asa atao misy fifaninanana izay mahay na izay mahita aloha na mahita ara-potoana, rehefa nampiseho ireo mpianatra fa efa fantatr’izy ireo ny toerana misy ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Amin’izay fotoana izay dia hanampy azy ireo hanamafy ny zavatra izay efa nianaran’izy ireo ny asa nampanaovina toy izany.)
-
Toko sy andininy ary teny manan-danja—Amporisiho ireo mpianatra hitadidy ny toko sy andininy ary ny teny manan-danja ho an’ireo andinin-tsoratra masina fehezina tsirairay izay voatanisa ao amin’ny karatra misy ny soratra masina fehezina. (Ny Karatra misy ny soratra masina fehezina dia azo hafarana ao amin’ny store.lds.org. Azonao atao koa ny mangataka ireo mpianatra hamorona karatra misy ny soratra masina fehezina ho azy ireo manokana.) Omeo fotoana ireo mpianatra handalinana ny karatra miaraka amin’ny namana iray ary avy eo hifanadina. Amporisiho ireo mpianatra mba hahay hikarokaroka eo amin’ny fomba hiarahan’izy ireo mandalina sy mifanadina. Rehefa lasa zatra kokoa an’ireo andinin-tsoratra masina fehezina izy ireo, dia azonao atao ny manasa azy ireo hampiasa famantarana izay mahakasika ny zava-miseho na ny fampiharana ny fotopampianarana sy fitsipika avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Afaka mamaly am-bava na an-tsoratra ilay olona izay adinina.
-
Karatra misy ny soratra masina fehezina—Ity asa atao ity dia azo ampiasaina mba hampahafantarana na hamerenana andinin-tsoratra masina fehezina maromaro. Misafidiana karatra maromaro amin’ireo karatra misy soratra masina fehezina, ary miomana hizara izany amin’ireo mpianatrao. (Ataovy izay hananana tahadika maromaro amin’ny karatra tsirairay mba hisy mpianatra mihoatra ny iray no maharay andinin-tsoratra masina fehezina mitovy. Tokony hanana karatra ampy ianao mba hahafahan’ireo mpianatra tsirairay hanana andinin-tsoratra masina roa na telo samihafa.) Zarao amin’ireo mpianatra izany. Omeo fotoana ireo mpianatra handalinana ilay andinin-tsoratra masina fehezina, ny toko sy andininy, ireo teny manan-danja, ny filazana ny zava-miseho, ny fotopampianarana na fitsipika, ary ny hevitra enti-mampihatra ao amin’ny karatra tsirairay. Mitenena famantarana sasantsasany avy ao amin’ireo karatra (ohatra, teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fehezina na ireo teny manan-danja, na ny zava-miseho, na ny fotopampianarana na fitsipika, na ny fampiharana). Ireo mpianatra izay manana ilay karatra misy an’izany dia tokony hitsangana ary hiteny mafy ny toko sy andinin’ilay soratra masina fehezina.
-
Haza soratra masina—Ampiasao ny fanomezana famantarana mba hanampiana ireo mpianatra hizatra hitady haingana ny andininy iray ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Rehefa hanome famantarana, dia azonao ampiasaina ireo teny manan-danja, ny filazana ny zava-miseho, ny fotopampianarana sy fitsipika, ary ny hevitra enti-mampihatra avy ao amin’ny karatra misy ny soratra masina fehezina. Azonao atao ihany koa ny mamorona ny famantarana izay anao manokana. Ny asa atao amin’ny haza soratra masina izay hifaninanan’ireo mpianatra izay mahita aloha ireo andinin-tsoratra masina dia afaka manampy azy ireo hirotsaka amin’ny fomba mavitrika ao amin’ny fianarana andinin-tsoratra masina fehezina. Rehefa manao ny haza soratra masina hanampiana amin’ny fifehezana soratra masina dia ataovy amin’ny fomba tsy miteraka fahatsapana ho voaratra na mandroaka ny Fanahy izany. Ampio ireo mpianatra mba tsy handray ny soratra masin’izy ireo ho toy ny zavatra tsy manan-danja na ho tia mifaninana be loatra. Diniho ihany koa ny hampifaninanana ireo mpianatra amin’ny fenitra iray fa tsy amin’izy samy izy. Ohatra, afaka mifaninana amin’ny mpampianatra ireo mpianatra, na azonao asaina mifaninana izy ireo mba hijerena raha misy salan’isan’ireo mpianatra afaka mahita andinin-tsoratra masina iray manokana ao anatin’ny fe-potoana iray voafaritra mialoha.
-
Haza tantara—Manomeza famantarana amin’ny alalan’ny tantara kely izay maneho ny maha-zava-dehibe ireo andinin-tsoratra masina fehezina eo amin’ny fiainana andavanandro. Ohatra, ho famantarana ho an’ny Matio 28:19–20 na ny Filipiana 4:13 dia afaka milaza ianao hoe: “Afaka manao asa fitoriana i Daniel ary mahatsapa izy fa adidiny ao amin’ny fisoronana ny fanaovana izany, saingy matahotra izy fa tsy manana fahalalana ampy hampianarana tsara ny filazantsara. Matahotra koa izy fa ho sarotra aminy ny hiresaka amin’ny olon-tsy fantatra. Rehefa nangataka fanampiana tamin’ny alalan’ny vavaka izy dia nahatsiaro fa taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia naniraka ny Apôstôliny mba ‘Handeha … ka hanao mpianatra ny firenen-drehetra’ Izy ary ny Tompo hiaraka amin’izy ireo mandrakariva. Nieritreritra ny tenin’i Paoly koa i Daniel izay manao hoe: ‘Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy ilay mampahery ahy.’” Rehefa mihaino ilay tantara kely ireo mpianatra dia asaivo mitady andinin-tsoratra masina fehezina izay milaza izany izy ireo ao anatin’ny soratra masiny.
-
Ankamantatra sy fitsapam-pahaizana —Omeo fahafahana ireo mpianatra hitsapa ny fitadidian’izy ireo ireo soratra masina fehezina. Ny famantarana omena dia azo atao teny manan-danja na toko sy andinin-tsoratra masina, na ampahany avy amin’ny teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina, na tantara kely izay maneho ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina. Ireo ankamantatra sy fitsapam-pahaizana dia azo atao am-bava, na eny amin’ny solaitrabe na an-taratasy. Rehefa avy namaly fanontaniana na fitsapam-pahaizana ireo mpianatra dia ampiaraho amin’ireo mpianatra manana naoty ambony ireo izay manana naoty ambany kokoa. Ireo mpianatra manana naoty ambony kokoa dia afaka manao toy ny mpampianatra mba hanampiana ilay mpianatra izay ambany naoty kokoa mba handalina sy hivoatra. Ao anatin’izany ezaka izany, dia azon’ilay ekipa atao ny mametraka tanjona ny mba hahazoana naoty ambonimbony kokoa rehefa atambatra ny naotin’izy roa tonta amin’ny fitsapam-pahaizana manaraka. Mamoròna tabilao na solaitrabe firaketam-baovao mba hanehoana ny tanjon’ireo mpianatra ary hamantarana ny fivoaran’izy ireo.
Ireo asa atao izay manampy ireo mpianatra hahatakatra ny andinin-tsoratra masina fehezina
Famaritana teny sy andian-teny
Ny famaritana teny sy andian-teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina (na ny fanampiana ireo mpianatra hamaritra azy ireo) dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny hevitr’ilay andininy iray manontolo. Rehefa manan-danja tokoa ny famaritana toy izany mba hahafahana mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ny andinin-tsoratra iray, dia azonao atao ny manentana ireo mpianatra hanoratra ireo famaritana ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo. Avereno jerena ny hevitr’ireo teny sy andian-teny rehefa mamerina mijery ny andinin-tsoratra masina fehezina ianao.
Famantarana ny sahan-kevitra
Ny famantarana ny sahan-kevitra ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny hevitr’ilay andinin-tsoratra masina. Ny sahan-kevitra dia ahitana fampahalalana mikasika ny hoe iza no miteny amin’iza ary nahoana, ny toe-javatra misy ao anatin’ilay andinin-tsoratra masina (ara-tantara sy ara-kolontsaina ary ara-jeôgrafia), ary ny fanontaniana na toe-java-misy izay nipoiran’ny zavatra voarakitra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Jaona 3:5 dia ampahan’ny resaka nifanaovan’i Jesoa Kristy sy ny Fariseo mahafinaritra iray nantsoina hoe Nikodemosy izay nanatona ny Mpamonjy nandritra ny alina hanontany momba ny fotopampianarany. Nolazain’ny Tompo tamin’i Nikodemosy fa raha tsy “ateraka indray” isika dia “tsy afaka hahita ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3). Sahiran-tsaina i Nikodemosy ka nanontany ny fomba hahafahan’ny olon-dehibe iray ho ateraka indray. Ahitana ny valintenin’ny Tompo momba ny fanontanian’i Nikodemosy ny Jaona 3:5. Ny fahafantarana izany fampahalalana izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra mazava kokoa ny zavatra izay noresahin’ny Tompo rehefa nanambara Izy fa ‘raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.’ Rehefa mampianatra lesona izay misy ny andinin-tsoratra masina fehezina ianao dia antitrantero ny sahan-kevitra manodidina ireo andinin-tsoratra ireo. Ny asa atao fanampiny tahaka ity manaraka ity dia hanampy ihany koa ireo mpianatra hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina manan-danja ireo.
-
Mamantatra ny sahan-kevitra—Soraty eny amin’ny farany ambony amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: mpiteny, mpihaino, tanjona, ary hevitra hafa mety hanampy. Zarao ho vondrona maromaro ireo mpianatra, ary omeo andinin-tsoratra masina fehezina iray ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hijery ny sahan-kevitra manodidina ilay andinin-tsoratra masina nomena azy ireo amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo fampahalalana izay mifanaraka amin’ireo lohateny eny amin’ny solaitrabe. Asaivo manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany izy ireo. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hanazava ny sahan-kevitra manodidina ilay andinin-tsoratra masina nomena azy ireo sy ny fomba fiantraikan’izany fanampim-pahalalana izany eo amin’ny fahatakaran’izy ireo ireo fahamarinana ao amin’ny andininy tsirairay. Mba hanampiana lafiny sarotsarotra kokoa amin’io asa atao io dia azonao atao ny manome fanamby ireo mpianatra mba hamantatra ny toko sy andinin’ilay soratra masina fehezina raha miainga avy amin’ireo famariparitana eny amin’ny solaitrabe mialoha ny hanazavan’ny vondrona tsirairay ny zavatra izay nosoratan’izy ireo.
Famakafakana
Ny famakafakana dia ahitana ny fikarohana ny fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina . Izany dia ahitana koa ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-manan-danja an’ireo fahamarinana ireo ho azy ireo. Izany dia afaka mitondra azy ireo hankany amin’ny fampiharana amin’ny fomba lalindalina kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamakafaka ireo andinin-tsoratra masina fehezina:
-
Manoratra famantarana—Rehefa manomboka mifankazatra amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina ireo mpianatra dia asao izy ireo hamorona fanontaniana, na tantara na famantarana hafa izay maneho ny fotopampianarana sy fitsipika izay ampianarina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina. Azo ampiasaina ireo hanadinana ireo mpianatra.
Fanazavana
Ny fangatahana ireo mpianatra hanazava ny andinin-tsoratra masina dia manatevina ny fahatakaran’izy ireo sy manatsara ny fahaizany hampianatra ny fotopampianarana sy fitsipika avy ao amin’ny soratra masina. Ity manaraka ity dia fomba roa izay hanampy ireo mpianatra hianatra hanazava ny andinin-tsoratra masina fehezina:
-
Teny sy andian-teny manan-danja—Asao ireo mpianatra hamaky manokana andinin-tsoratra masina fehezina mitovy ary hitady teny na andian-teny iray izay eritreretin’izy ireo ho manan-danja manokana eo amin’ny hevitr’ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky ilay andininy ho an’ireo mpianatra rehetra sy hanamafy ilay teny na andian-teny izay nosafidiany. Asaivo hazavain’ilay mpianatra ny antony maha-manan-danja an’io teny na andian-teny io eo amin’ny fahatakarana ilay andininy. Manasà mpianatra vitsivitsy hafa hanao torak’izany koa. Mety hifidy teny na andian-teny samy hafa ireo mpianatra ho an’ny andinin-tsoratra masina mitovy. Rehefa maheno ireo fomba fijery samihafa ireo ny mpianatra dia afaka mahazo fahatakarana lalina kokoa mikasika an’io andinin-tsoratra masina io.
-
Manomana fampaherezam-panahy—Omeo fahafahana ireo mpianatra hampiasa ny andinin-tsoratra masina fehezina rehefa manomana sy manolotra fampaherezam-panahy mialoha ny fanombohan’ny fotoam-pianarana. Ampio izy ireo hiomana hamintina ny zava-miseho, hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipika, hizara ohatra na traikefa manan-danja, ary hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Azonao atao koa ny mandroso sosokevitra ny hampiasan’ny mpianatra zavatra azo tsapain-tanana mba hanazavana ireo hevitra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.
Mahatsapa ny lanjan’ireo fotopampianarana sy fitsipika
Ampio ireo mpianatra hahatakatra sy hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Nanazava ny Loholona Robert D Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny tena mpampianatra marina, rehefa avy nampianatra ny zava-miseho [ao amin’ny filazantsara] … , dia mitondra ireo mpianatra hiroso hanao dingana lavidavitra kokoa mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy sy fahatakarana ao am-pon’izy ireo izay miteraka andraikitra tokony ho raisina sy asa tokony hatao” (“Teaching by Faith” [lahateny natao ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 1 feb. 2002], 5, si.lds.org; jereo koa ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 92). Rehefa tsapan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fahamarinan’ny fotopampianarana na fitsipika iray sy ny maha-zava-dehibe ary ny maha-laharampahamehana izany, dia hitombo ny fanirian’izy ireo hampihatra izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra hanasa sy hikolokolo ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina ireo amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana azy ireo hizara ny traikefa izay nananany tamin’ny niainany ny fitsipiky ny filazantsara hita tao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina. Izany dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina ary hanome antoka fa voasoratra ao am-pon’ireo mpianatra ireo fahamarinana ireo. Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina:
-
Fihainoana andinin-tsoratra masina—Asao ireo mpianatra hihaino andinin-tsoratra masina fehezina ao anaty lahateny na lesona any am-piangonana, sy ao anatin’ireo lahatenin’ny fihaonambe, ary ao anatin’ireo fifampiresahana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Asao matetika ireo mpianatra hanao tatitra momba izay andinin-tsoratra masina efa henon’izy ireo, ny fomba nampiasana ilay andinin-tsoratra masina, ny fahamarinana nampianarina tao, ary ny zavatra niainan’izy ireo na ny hafa avy tamin’ireo fahamarinana izay nampianarina ireo. Mitadiava fahafahana hijoroana ho vavolombelona (sy hanasana ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona) mikasika ireo fahamarinana izay ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina.
Asa atao izay manampy ireo mpianatra hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina
Mampianatra
Ireo andinin-tsoratra masina fehezina sy ireo Fotopampianarana Fototra dia niaraka novelabelarina ary niniana natao hifanaraka mba ho tombontsoan’ireo mpianatra. (Ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia naseho manerana ilay boky manontolo izay miompana amin’ireo Fotopampianarana Fototra.) Rehefa mianatra sy maneho ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina ireo mpianatra dia hianatra sy haneho ihany koa ireo Fotopampianarana Fototra. Ary rehefa mianatra maneho ireo Fotopampianarana Fototra amin’ny fiteniny manokana izy ireo dia afaka hiantehitra amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina efa notadidiana mba hanampy azy. Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hampianatra fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fehezina dia afaka mampitombo ny fahatokian-tenan’izy ireo sy ny fahaizan’izy ireo ny soratra masina. Rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina ny mpianatra dia afaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ihany koa. Entano ireo mpianatra hampiasa ireo andinin-tsoratra masina fehezina mba hampianarana sy hanazavana ny filazantsara ao amin’ny kilasy sy amin’ny resaka ifanaovana amin’ny namana sy ny fianakaviana ary ny hafa.
-
Fanolorana hafatra iray—Manendre mpianatra hanomana lahateny maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra na lesona izay mifototra amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Asaivo manomana izany ao an-dakilasy izy ireo na any an-trano. Ankoatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina, dia azon’izy ireo atao ny mampiasa loharano hafa mba hanampiana azy ireo hanomana, toy ny karatra misy ny soratra masina fehezina, sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Miorim-paka ao amin’ny finoana: fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara. Ny lesona na ny lahateny tsirairay dia tokony hahitana fampidirana, sy ilay andinin-tsoratra masina fehezina, tantara na ohatra iray maneho ilay fitsipika izay ampianarina, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ilay mpianatra. Afaka manolo-tena ireo mpianatra hanolotra ny hafatr’izy ireo ao amin’ny kilasy, na mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na ho an’ny kôlejy na ny kilasy misy azy ho isan’ny ezaka ataon’izy ireo ao amin’ny Devoir envers Dieu na ny Mon Progrès Personnel. Raha toa ireo mpianatra ka manolotra ny lahateniny na ny lesona any ivelan’ny kilasy dia asao izy ireo mba hanao tatitra momba izay zavatra niainan’izy ireo.
-
Filalaovana an-tsehatra ny momba ny asa fitoriana—Manomàna karatra maromaro misy fanontaniana izay mety ho apetraky ny naman’ny fiangonana iray izay azo valina amin’ny fanampian’ny andinin-tsoratra masina fehezina (ohatra, “Inona no inoan’ny mpikambana ao amin’ny fiangonanareo mikasika an’i Jesoa Kristy?”). Manasà mpianatra tsiroaroa ho eny aloha mba hamaly ny fanontaniana iray izay voafidy avy tao amin’ireo karatra. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba azon’ny misiônera hamaliana ny fanontaniana toy izany, dia afaka manolotra sosokevitra vitsivitsy amin’ny fomba fampianarana mahomby ianao, toy ny (1) filazana ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina, (2) fanazavana fotopampianarana na fitsipika iray, (3) fametrahana fanontaniana mba hahitana raha toa ka mahatakatra na mino ny zavatra izay nampianarina ny olona ampianarin’izy ireo, (4) fizarana zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona, ary (5) fanasana ireo izay ampianariny mba hampihatra ny fahamarinana izay nampianarina. Asao ireo mpianatra hanome ny heviny momba izay zavatra tiany mikasika ny fomba namalian’ny ekipa tsirairay ny fanontanian’izy ireo.
-
Mijoro ho vavolombelona—Asao ireo mpianatra hijery ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina sy hifidy anankiray izay ahitana fotopampianarana na fitsipika iray izay azon’izy ireo hijoroana ho vavolombelona. Asao izy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay nosafidian’izy ireo ka hizara zavatra niainana izay nitarika azy ireo ho afaka hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Rehefa mizara ny fijoroany ho vavolombelona ireo mpianatra, dia ny Fanahy Masina no hanamafy ny fahamarinan’ny fotopampianarana na ny fitsipika izay nijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Mety handrisika ny hafa hampiasa finoana ihany koa ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.
Fanamarihana: Tokony an-tsitrapo no hizaran’ireo mpianatra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Tsy tokony ho terena mihitsy ireo mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona na hatao mahatsapa ho tsy maintsy milaza ny fahalalana izay tsy tsapany ho ananany akory. Ankoatra izany, dia tsy mazoto hizara ny fijoroany ho vavolombelona ny mpianatra sasany noho izy ireo diso fihevitra fa hoe mila manomboka ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny hoe “Te hijoro ho vavolombelona aho fa …” na koa hoe tsy maintsy ampiarahana amin’ny fanehoana fihetsehampo ny fanambaran’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa rehefa mijoro ho vavolombelona izy ireo dia afaka mizara tsotra fotsiny fotopampianarana na fitsipika izay fantatr’izy ireo fa marina. Ny fizarana fijoroana ho vavolombelona dia azo atao tsotra tahaka ny filazana hoe “Inoako fa marina izany” na “Fantatro fa marina izany” na “Inoako amin’ny foko manontolo izany.”
Miaina
Ny fanolorana fomba izay ahafahan’ireo mpianatra mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina (na ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra fomba hanaovana izany) dia manome fahafahana azy ireo hianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny finoana.
Hoy ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony manamafy. Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. Ao anatin’ny fahamarinana sy ny tsy fiovaovan’ny asantsika entanin’ny finoana no hanehoantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina.” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 64).
Omeo fahafahana ireo mpianatra hizara sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny traikefa izay azon’izy ireo tamin’ny fampiharana ny fotopampianarana sy fitsipika. Ity manaraka ity dia fomba iray hamporisihana ireo mpianatra hampihatra ny andinin-tsoratra masina fehezina eo amin’ny fiainan’izy ireo:
-
Mametraka tanjona—Asao ireo mpianatra hametraka tanjona voafaritra tsara, miainga avy amin’ilay fizarana hoe fampiharana ao amin’ny karatra misy ny soratra masina fehezina, mba hahafahan’izy ireo miaina tsaratsara kokoa ireo fitsipika hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina. Asaivo soratan’izy ireo amin’ny taratasy ny tanjony mba hotehiriziny ho toy ny mpampahatsiahy ho azy. Raha mety dia asao ireo mpianatra hanao tatitra mikasika ny fahombiazan’izy ireo.
Asa atao izay manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fehezina
Fanaovana tsianjery
Ny fanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina dia afaka manamafy ny fahatakarana sy ny maha-manan-danja ny fahaizan’ireo mpianatra mampianatra ny filazantsara. Rehefa mitadidy ny soratra masina ireo mpianatra dia afaka mitondra teny na hevitra miverina ao an-tsain’izy ireo ny Fanahy Masina amin’ny fotoana ilàny izany (jereo ny Jaona 14:26; F&F 11:21). Tsarovy ny mampifanaraka ny asa atao eo amin’ny fanaovana tsianjery amin’ny fahaizan’ireo mpianatrao.
Ny Loholona Richard G. Scott avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika ny fitadidiana ny soratra masina raha niteny hoe:
“Misy hery lehibe mety ho azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny famantarana olona iray vaovao izany, izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana, afaka manentana ny fanahy sy mampionona, ary afaka ho loharano ahazoana risim-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (“Ny Herin’ny Soratra Masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 6).
Ny tsirairay amin’ireto asa atao manaraka ireto dia azo averina mandritra ny andro maromaro misesy any amin’ny fiantombohana na fiafaran’ny fotoam-pianarana mba hanampiana ireo mpianatra hahay hitadidy amin’ny fomba maharitra:
-
Hazakazaka ilazana teny iray isan’olona—Omeo fanamby ireo mpianatra hitanisa andinin-tsoratra masina fehezina iray amin’ny alalan’ny fitanisana teny iray monja isaky ny mpianatra. Ohatra, raha hanampy ireo mpianatra hitadidy ny Matio 5:14–16, ny mpianatra voalohany dia hanonona ny teny hoe ianareo, ny mpianatra faharoa dia hiteny hoe no, ny mpianatra fahatelo hiteny hoe fahazavana, ary toy izany hatrany mandra-pahavita ilay andininy manontolo. Refeso ny fotoana lanin’ny kilasy, ary asaivo manandrana im-betsaka izy ireo mba hanatratrarana fe-potoana iray voafaritra. Rehefa mamerimberina ity asa atao ity ianao, dia ampifamadibadiho ny filaharan’ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo miteny teny hafa.
-
Tarehintsoratra voalohany—Soraty eny amin’ny solaitrabe ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray. Tondroy ireo litera rehefa mamerina ny andininy miaraka aminao ireo mpianatra, sady mampiasa ny soratra masina raha ilaina. Avereno hatrany ity asa atao ity mandra-pahatonga ireo mpianatra ho mahatoky tena eo amin’ny fahafahan’izy ireo mitanisa andinin-tsoratra iray amin’ny alalan’ny tarehintsoratra voalohany fotsiny. Azonao atao ny mamafa ny litera vitsivitsy isaky ny mamerina manonona ilay andininy ireo mpianatra. Hampitombo tsikelikely ny fanamby izany mandra-pahafahan’ireo mpianatra mamerina ilay andininy tsy mila mampiasa an’ireo litera voalohany intsony.
-
Taratasy atambatambatra—Soraty, na asaivo soratan’ireo mpianatra eo amin’ny taratasy iray misy tsipitsipika ireo teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina iray. Hetezo lavalava mitsivalana maromaro ilay taratasy ka tsy tapahana ireo andalana ao amin’ilay soratra masina. Hetezo ho fohifohy kokoa ny tapa-taratasy sasany mba ho teny vitsy avy ao amin’ilay andininy ihany no ao anatin’ny tapa-taratasy tsirairay. Afangaroy ny tapa-taratasy kely voahety avy eo ary omeo olona roa na vondrona mpianatra vitsivitsy izany. Omeo fanamby ireo mpianatra mba hamerina ireo tapa-taratasy voahety amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masin’izy ireo ho fanoroana. Asaivo mamerimberina izany izy ireo mandra-pahatonga azy ireo ho tsy mila mampiasa ny soratra masina intsony. Rehefa vitan’izy ireo izany dia iangavio izy hamerina hanonona mafy ilay andinin-teny. Azonao refesina koa ny fotoana lanin’ireo mpianatra mba hahitana izay vondrona mahavita mandahatra haingana indrindra ireo tapa-taratasy. Na azonao refesina ny fotoana lanin’ny kilasy iray manontolo hijerena hoe hafiriana ny fotoana lanin’ireo vondrona rehetra hamitana ilay fanatambaran-teny (rehefa mahavita ny vondrona voalohany dia avelao izy ireo hanampy ireo vondrona mbola tsy nahavita).