Tahirim-pitaovana
Lesona 31: Matio 26:31-75


Lesona 31

Matio 26:31-75

Fampidirana

Nanomboka mitondra teo Aminy ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane ho ampahany amin’ny Sorompanavotany. Namadika an’i Jesoa tamin’ireo mpitarika Jiosy i Jodasy. Dia notsaraina tsy ara-dalàna teo anoloan’i Kaifasy, ilay mpisoronabe i Jesoa ka nanoherana Azy tao ireo fiampangana diso. Nandà in-telo ho tsy nahafantatra ny Mpamonjy tamin’ireo izay nilaza azy ho iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy anefa i Petera nandritra izany fotoana izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 26:31–46

Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hieritreritra ity toe-javatra mety hiseho ity: Nampianarina hatramin’ny fahatanorany ny zatovolahy iray fa andraikiny ny manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Mahatsapa izy amin’ny maha-zatovo azy fa mbola tokony hanao asa fitoriana izy, fa manana olona amin’ny fanolorantena handeha anefa izy. Liana kokoa amin’ireo fahafahana hafa izy ary manahy fa hanakana azy tsy hahazo ireo traikefa ireo ny asa fitoriana.

  • Amin’ny toe-javatra miseho hafa inona no mety ho samy hafa amin’ny tian’ny zatovolahy sy ny zatovolahy ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Nahoana no sarotra indraindray ny manao izay fantatsika fa tian’ny Ray any An-danitra ataontsika?

Asao ireo mpianatra hitady fitsipika ao amin’ny Matio 26:31–46 izay afaka manampy azy ireo rehefa manana olana amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra izy ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 26:1-30dia nihinanan’ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny Apôstôliny ny Tompo ary nanorina ny fanasan’ny Tompo Izy.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 26:31–35. Asaivo manaraka izany ny iray kilasy ka hitady ny zavatra naminanian’i Jesoa fa hitranga amin’ny Apôstôliny.

  • Inona no nolazain’i Jesoa fa hitranga amin’ny Apôstôliny io alina io?

Hazavao fa ao amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe tafintohina dia midika hoe hitodika na hanadino.

  • Ahoana no nasetrin’i Petera sy ireo Apôstôly hafa ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:36–38 . Asaivo manaraka izany ny rehetra ka hikaroka ny toerana nalehan’i Jesoa sy ireo Apôstôly taorian’ny sakafon’ny Paska. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Angataho ny mpianatra hijery ny Sary momba ny Baiboly, lah. 11, “Tendrombohitra Oliva” ary ny lah. 12, “Saha Getsemane” ao amin’ny Baiboly King James an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hazavao fa ny Getsemane dia sahana hazo oliva izay teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, teo ivelan’ny rindrin’i Jerosalema ary ny anarana hoe Getsemane dia midika hoe “famihazana oliva.”

Tendrombohitra Oliva

Tendrombohitra Oliva

Sahan’i Getsemane

Sahan’i Getsemane

  • Andian-teny inona ao amin’ny andininy 36-38 no mamariparitra ny fahatsapan’i Jesoa rehefa niditra tao Getsemane Izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:39, ary asaivo karohan’ny mpianatra ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa avy “nandroso kelikely” tao amin’ilay saha Izy.

  • Andian-teny inona ao amin’ny andininy 37-39 no mamariparitra ny enta-mavesatra sarotra niainan’i Jesoa?

  • Inona no nangatahin’i Jesoa mba hesorin’ny Ray miala Aminy?

Hazony ambony ny kaopy iray. Hazavao fa ny kapoaka izay nolazain’ny Mpamonjy dia teny hilazana ny ngidin’ny fijaliana niainany ho ampahany amin’ny Sorompanavotana. Nanomboka nitondra teo Aminy ny fahotana sy ny fijalian’ny olona rehetra i Jesoa Kristy tao Getsemane ho ampahany amin’ny sorompanavotana lehibe nataony.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay nanazava ny zavatra nangatahin’i Jesoa tamin’ny Ray rehefa nangataka Izy mba hanaisotra Aminy ilay kapoaka:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Niteny marina ny Tompo hoe: ‘Raha misy lalana hafa dia aleoko kokoa mandeha amin’izany. Raha toa ka misy fomba hafa—na inona na inona fomba hafa—dia hifikitra amin’izany amin-kafaliana Aho.’ … Tsy noesorina anefa ilay kapoaka tamin’ny farany” (“Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 41).

Azonao atao ny manome sosokevitra ny mpianatra ny hanisiany marika ilay andian-teny hoe: “nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao” (andininy 39).

  • Na dia nangataka fomba hafa mba hanatanterahana ny fikasan’ny Ray aza i Jesoa dia inona no nataony mba hanatanterahana ny Sorompanavotana? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Nanoa ny sitrapony tamin’ny sitrapon’ny Ray mba hanatanterahana ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy.)

  • Inona no azontsika ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ny fahavononany hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na dia nidika aza izany fa hiaritra fijaliana goavana sy fahatesana tsy ho ela Izy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa …

  • Ahoana no hamenoanao an’ity fehezan-teny banga ity raha miainga avy amin’ny zavatra nianarantsika avy tamin’ny Matio 26:39? (Ampiasao ny tenin’ny mpianatra mba hamenoana an’io fehezan-teny io mba hahafahan’izany mampita izao fahamarinana manaraka izao: Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa misafidy ny hanoa ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay toe-javatra mikasika ny zatovolahy izay nisalasala ny amin’ny tokony hanaovana fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno ary koa ireo toe-javatra hafa notanisaina teo amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no hahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manampy antsika ao anatin’ireo toe-javatra miseho ireo?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay naha-samy hafa ny faniriany tamin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra kanefa nisafidy ny hanaraka ny sitrapony izy ireo tamin’ny farany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny traikefany ary hanazava ny antony nanaovany izany safidy izany ary inona no fahatsapany mikasika izany.

Entano ny mpianatra hamantatra ny fomba miavaka iray izay hanarahany ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fanoavana ny sitrapony amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

Asao ireo mpianatra hamerina ny Matio 26:37-38, ka hitady ny toromarika nomen’ny Mpamonjy an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona tao Getsemane.

  • Inona no toromarika nomen’i Jesoa an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona?

  • Inona araka ny hevitrao no tiana nolazaina tamin’ny toromarika nanao hoe “miaraha miari-tory amiko”? (andininy 38).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony mety nilàn’ny mpianatra ny toromariky ny Mpamonjy mba hiaraka hiari-tory Aminy dia hazavao fa rehefa tonga teo amin’ny saha ireo mpianatra dia “nanomboka ho very hevitra izaitsizy sy ho nitebiteby fatratra ary nitaraina tao am-pony, velom-panontaniana raha ity no ilay Mesia” (Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Marka 14:36 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Tamin’ny alalan’ny fanomezana toromarika ny mpianany mba hiaraka hiari-tory Aminy i Jesoa no nampitandrina azy ireo mba ho mailo satria hosedraina ny finoan’izy ireo Azy.

  • Nahoana ireo mpianatra no velom-panontaniana raha i Jesoa tokoa no ilay Mesia? (Betsaka tamin’ireo Jiosy no tsy nahatakatra fa ny Mesia dia hijaly sy hofaty fa niandrandra kosa izy ireo fa ny Mesia dia hanafaka ny Jiosy amin’ny alalan’ny fanonganana ireo Romana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:40 , ary asaivo mitady ny zavatra hitan’i Jesoa fa nataon’ireo Apôstôly telo ireo nandritra ny fotoana nivavahany izy ireo. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Lioka 22:45 dia mampiseho fa natory izy ireo, “satria heniky ny alahelo izy ireo.”

  • Nahoana ireo Apôstôly no heniky ny alahelo?

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao raha tamin’ny toeran’izy ireo ianao ka nahita fa efa resi-tory ianao fa tsy niara-niambina tamin’ny Mpamonjy?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:41, ary asaivo mitady ny zavatra nasain’i Jesoa hataon’ny mpianany ny rehetra. Manasà mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny toromariky ny Mpamonjy ho an’ireo Apôstôly ireo? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Raha toa ka miambina sy mivavaka tsy tapaka isika dia hanana tanjaka handresena ny fakam-panahy.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe: “mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (andininy 41)? Inona no ifandraisan’izany amin’ny fanoherana fakam-panahy?

  • Tadidio fa ny hoe “miaraha miari-tory” dia midika hoe mifoha, na mailo. Amin’ny fomba ahoana ny fiambenana ara-panahy sy ny fivavahana no manampy antsika handresy ny fahalementsika ka haharitra ny fakam-panahy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka efa tratran’ny fakam-panahy satria tsy nivavaka sy tsy mailo, tahaka ireo Apôstôly tao Getsemane. Angataho izy ireo mba handinika ny fiantraikan’izany safidy izany teo amin’ny fiainany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fotoana izay nandreseny ny fakam-panahy tamin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fiambenana.

  • Inona no nanampy anao ho mailo ara-panahy sy hivavaka hatrany?

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mandresy fakam-panahy isika rehefa mivavaka sy miambina tsy tapaka. Asao ireo mpianatra hanoratra eo amin’ny taratasy iray ny zavatra anankiray izay ho ataony tsaratsara kokoa mba hiambenana sy hivavahana tsy tapaka. Entano izy ireo mba hitondra izany taratasy izany miaraka amin’izy ireo ho fampahatsiahivana ny tanjon’izy ireo.

Fintino ny Matio 26:42-46 amin’ny fanazavana fa nivavaka in-telo i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Naneho ny fahavononany hankatò ny sitrapon’ny Rainy Izy isaky ny vavaka tsirairay.

Matio 26:47-75

Nosamborina sy notsaraina teo anoloan’i Kaifasy i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nataon’i Gerald N. Lund, izay lasa mpikambana tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana:

Loholona Gerald N. Lund

“Alaivo sary an-tsaina [i Jesoa Kristy] ilay Olona izay mampilamina ny tontolo ny heriny, ny fahazavany, ny voninahiny, ilay Olona izay miteny ka manjary misy ny système solaire; ny galaxies ary ny kintana—izay mijoro eo anoloan’ny olon-dratsy ka tsarain’izy ireo ho tsy misy lanjany!” (“Knowest Thou the Condescension of God?” ao amin’ny Doctrines of the Book of Mormon: The 1991 Sperry Symposium, ed. Bruce A. Van Orden sy Brent L. Top [1992], 86).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Matio 26:47–68. Asaivo mandinika ireo andininy ireo ny mpianatra ka hikaroka ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy ny fanoavana ny sitrapon’ny Rainy na dia rehefa notevatevaina sy notsarain’ireo olon-dratsy aza Izy. Miankina amin’ny filàn’ny mpianatrao dia azon’ny iray kilasy vakiana miaraka ireo andininy ireo, na azonao zaraina ho mpiara-miasa tsiroaroa izy ireo hamaky izany mafy na azonao omena toromarika ny mpianatra mba hamaky izany amim-pahanginana.

Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia apetraho izao fanontaniana izao:

  • Tamin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy no nanoa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na dia rehefa notevatevaina sy notsarain’ireo olon-dratsy aza Izy?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:53 . Asaivo manaraka izany ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa fa azony natao nandritra ireo toe-javatra ireo.

  • Inona no azon’ny Mpamonjy natao?

  • Ho solon’ny fanirahana ny tafika anjely na hery avy any an-danitra hafa mba hanavotra Azy dia inona no nataon’i Jesoa?

  • Inona no ampianarin’izany anao momba ny fahavononan’ny Mpamonjy hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na inona na inona zava-nitranga?

Na dia nanana ny fahefana handrava ny olona izay nikapoka sy nandrora Azy aza i Jesoa Kristy dia nijaly sy niaritra izany tamin-tsitrapo Izy (jereo ny 1 Nefia 19:9). Ny mpitarika sy ireo miaramila dia tsy tonga saina tamin’ny hery tsy misy fetra afaka nianteheran’i Jesoa raha toa sitrapon’ny Ray ny nanaovany izany.

Mariho fa araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 56dia tanteraka ilay faminanian’ny Mpamonjy fa handao Azy ny Apôstôliny. Tsy naharitra ela anefa izany fandaozana izany.

Fintino ny Matio 26:69–75 amin’ny fanazavana fa nandà ho tsy nahafantatra i Jesoa in-telo i Petera rehefa notsaraina Izy taorian’ny fisamborana Azy. (Fanamarihana: Hovoaboasana bebe kokoa ny fandavan’i Petera ao anatin’ny lesona momba ny Lioka 22.)

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nianarana tao anatin’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 26:39. “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao”

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Raha azonao atao ny mamporisika ny mpianatrao hanana fanolorantena iray monja izay tena manan-danja ho valin’ny fahafoizan-tena tsy manam-paharoa nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo sy ny nanefany ny fandikan-dalàn’izy ireo ary ny alahelony ho an’ny fahotan’izy ireo, dia amporisiho ny tsy maintsy hankatoavan’izy ireo —ny tsy maintsy haneken’izy ireo ‘ny sitrapon’ny Ray’ mandritra ny fotoan-tsarotry ny toe-javatra sy ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra [3 Ne. 11:11], n’inona n’inona takian’izany. Tsy hanao izany foana izy ireo, tahaka ny tsy nahafahan’ny tenako sy ny tenanao nanao izany foana, fa izany no tokony ho tanjon’izy ireo; izany no tokony ho tarigetran’izy ireo. Ny zavatra izay nisasaran’i Kristy indrindra ka notsindriany mafy tamin’ny hiraka nampanaovina Azy—mihoatra ireo hatsaran-toetrany sy mihoatra ireo toriteny mahatalanjona ary mihoatra ny fanasitranana mihitsy aza—dia ny fanoavany ny sitrapony tamin’ny sitrapon’ny Ray” (“Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 41).