Tahirim-pitaovana
Lesona 123: Efesiana 5-6


Lesona 123

Efesiana 5-6

Fampidirana

Nampianatra ireo Olomasina ny fomba hanoherana ireo fitaoman-dratsy i Paoly. Nampianatra azy ireo ny fomba hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana ihany koa izy. Nofaranan’i Paoly ny taratasiny tamin’ny famporisihana ireo mpanaradia an’ Andriamanitra mba “hitafy ny fiadian’ Andriamanitra” (Efesiana 6:11) mba hanoherana ireo famitahan’i Satana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Efesiana 5:1–20

Nampianatra ireo Olomasina i Paoly mba hanohitra ireo fitaoman-dratsy

Raha azo atao dia ampisehoy zavatra iray izay ho fantatr’izy ireo fa vao namboarina na noviadiana ny mpianatra, dia manontania hoe:

  • Ahoana no handraisantsika ireo zavatra vaovao amin’ny ankapobeny?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Efesiana 4 dia ahitana ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana mba “hanala” ny “toetra taloha[,] … izay mihasimba” (andininy 22) ary mba “hitafy ny toetra vaovao” (andininy 24), na hanomboka fiainam-baovao amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy.

  • Amin’ny fomba ahoana no azo hiheverana ny fiainan’ny olona iray izay tapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ho toy ny vaovao?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Efesiana 5-6 mba hitady fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo “hitafy ny toetra vaovao” amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy azy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 5:1–7. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina mba ho atao na tsy ho ataon’izy ireo amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy azy ireo.

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly mba ho ataon’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy? Inona no torohevitra nomeny mba tsy ho ataon’izy ireo?

  • Inona no fahamarinana hitantsika avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy? (Mety hahita fahamarinana samihafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hanamafisana fa ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia tsy mandray anjara amin’ny faharatsian’izao tontolo izao.)

  • Araka ny andininy 5, dia inona no arian’ireo izay mandray anjara amin’ireo faharatsian’izao tontolo izao?

  • Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fiainana vaovaon’ny olona iray ao amin’i Kristy amin’ny fomba ahoana ny fandraisana anjara amin’ireo faharatsian’izao tontolo izao? Mety hisy fiantraikany eo amin’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny ohatra asehon’izany olona izany?

Fintino ny Efesiana 5:8–20 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia namporisika ireo Olomasina mba “handeha tahaka ny zanaky ny mazava” (andininy 8), mba ho hendry, sy hikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo amin’ny alalan’ny hoe “hofenoina ny Fanahy” (andininy 18).

Efesiana 5:21–6:9

Nanoro hevitra ny Efesiana i Paoly mikasika ny fifandraisan’izy ireo eo amin’ny fianakaviana.

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany nandritra ny 24 ora lasa, raha toa ka tsara na ratsy ireo fifandraisana ireo. (Ohatra, moa ve ireo fifandraisana ireo feno fitiavana sa mila ady? tsara fanahy sa mandratra? mankahery sa manambany?)

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny manana fifandraisana tsara eo amin’ny fianakaviana?

Asao ny mpianatra eo am-pandalinan’izy ireo ny Efesiana 5:21–6:9 mba hitady fitsipika maromaro izay afaka manampy azy ireo hampatanjaka ny fifandraisan’izy ireo eo amin’ny fianakaviana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 5:21 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nasain’i Paoly nataon’ny Olomasina.

  • Namporisihin’i Paoly hanao inona ireo Olomasina? (Hazavao fa ny “mifanaiky” dia midika hoe tokony hametraka ny hafa ho eo alohan’ny tenantsika isika ary ny “fahatahorana an’ Andriamanitra” dia entina hilazana ny fitiavantsika sy ny fanajantsika an’ Andriamanitra.)

  • Amin’ny fomba ahoana avy no ampisehoan’i Jesoa Kristy ohatra ny amin’ny toetran’ny fanoavana?

  • Afaka manampy hampatanjaka ny fifandraisan’ny fianakaviantsika amin’ny fomba ahoana ny fametrahana ny hafa ho manan-danja kokoa noho isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 5:22–29. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny mpivady mba hataon’izy ireo eo amin’ny fifandraisan’izy roa.

  • Fifandraisana inona no naroson’i Paoly ho an’ireo vehivavy mba halain’izy ireo tahaka amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny vadiny avy eo? (Hazavao fa i Paoly dia nampianatra fa ny vehivavy dia tokony “hanaiky” ny vadiny [andininy 22]. Izany dia azo adika hoe manohana, sy manaja ny vadiny tahaka ny ataony amin’ny Tompo. Ny anjara asa nanendren’ Andriamanitra ny lehilahy dia ny hiahy sy hiambina ny fianakaviana, tahaka ny niambenan’ny Mpamonjy sy nitarihany ny Fiangonany.)

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly mba hataon’ireo lehilahy eo amin’ny fifandraisany amin’ny vadiny?

  • Ahoana no fomba hitondran’ny lehilahy iray ny vadiny izany tiany tahaka ny hitiavan’ny Mpamonjy ny Fiangonana? (“Hanolotra ny tenany” ho azy izy [andininy 25], na hametraka azy eo anoloany, dia “hitia” azy [andin’ny 29].)

  • Inona no fahamarinana hitantsika avy ao amin’ireo fampianaran’i Paoly momba ny zavatra mitranga ao amin’ny fianakaviantsika raha toa ka mampiasa ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ny Fiangonana ho tari-dalana ho antsika isika? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Rehefa mampiasa ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ny Fiangonana ho tari-dalana ho antsika isika dia afaka manamafy ny fifandraisan’ny fianakaviantsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 5:30–33. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hitady hoe lasa inona ny mpivady rehefa vita mariazy.

  • Araka ny andininy 31, dia lasa inona ny mpivady rehefa vita mariazy? (Lasa “nofo iray ihany,” na iray ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy izy ireo.)

  • Afaka manampy ny mpivady (sy ny fianakaviana) hampitombo ny fitiavana sy ny firaisankina eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 6:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra hifandraisan’ny fampiasana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ho torolalana amin’ny fifandraisan’ny zanaka iray amin’ny ray aman-dreniny. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Ahoana no hanarahan’ny zaza iray ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny ray aman-dreniny?

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly mba hataon’ireo ray mahakasika ny fanabeazana ny zanak’izy ireo?

Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hampatanjahana ny fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fianakaviana raha toa ka mampiasa ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy ho tari-dalana izy ireo. Asao izy ireo mba hisafidy fifandraisana iray izay tian’izy ireo hatsaraina ary hanoratra fomba vitsivitsy ahafahan’izy ireo manatsara izany fifandraisana izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nosoratany.

Fintino ny Efesiana 6:5-9 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra momba ny fifandraisana eo amin’ny mpanompo iray sy ny tompo iray. Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia nahazatra nanerana ny Fanjakana Romana ny fanandevozana, na dia teo anivon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana aza. Ny torohevitr’i Paoly dia tsy milaza fa nanaiky ny fisian’ny fanandevozana izy.

Efesiana 6:10–24

Nanoro hevitra ny Olomasina i Paoly hoe “tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson: (Ity teny natao ity dia hita ao amin’ny “The Power of the Word,” Ensign, mey 1986, 79.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara ity.

“Manangana ady amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manana fijoroana ho vavolombelona ary miezaka mitandrina ireo didy i Satana” (Filoha Ezra Taft Benson).

  • Amin’ny fomba ahoana no hananganan’i Satana ady amin’ireo tanoran’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 6:10–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nolazain’i Paoly fa notoherin’ny Olomasina tamin’ny androny. Hazavao fa ny fanangolena dia entina ilazana ireo fomba na paikady izay ampiasaina mba hamitahana.

  • Inona no nolazain’ i Paoly fa notoherin’ireo Olomasina tamin’ny androny?

  • Inona no mampitovy ny zavatra izay notanisain’i Paoly ao amin’ny andininy 12 amin’ny zavatra izay iadiantsika amin’izao androntsika izao?

  • Inona no nasain’i Paoly notafian’ireo Olomasina tamin’ny androny mba hahafahan’izy ireo manohitra ireo ratsy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mitafy ny fiadian’ Andriamanitra rehetra isika dia ho afaka ny hanohitra ny ratsy)

taratasy zaraina, fiadian’ Andriamanitra

Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra.

Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona 123

kisary, fiadian’ Andriamanitra

handout iconOmeo tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra tsirairay. Zarazarao ho vondrona dimy ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo fiarovan-tena voalaza ao amin’ny Efesiana 6:14–17 ny vondrona tsirairay. (Aza omena ilay hoe “sikino fahamarinana ny valahanareo” [andininy 14]. Raha vitsy ny mpianatrao dia azonao atao ny manome mihoatra noho ny zavatra iray ho an’ny vondrona sasany.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona no ampiasana ny fiadiana iray?

  2. Inona no niantsoan’i Paoly ilay fiadiana?

  3. Mety haneho inona eo amin’ny lafiny ara-panahy ilay ampahan’ny vatana izay voaro?

  4. Ahoana no ahafahan’ny fanaovana izany fiadiana ara-panahy izany manampy anao hanohitra ny ratsy?

Mba hanehoana amin’ny mpianatra ny fomba famenoana ilay taratasy zaraina dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Efesiana 6:14. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ireo valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe sady mampihatra ny hoe “sikino fahamarinana ny valahanareo” ary hanoratra ireo valinteny ao amin’ny taratasy zaraina.

Hazavao fa ny fiadiana “[sikinina]” eo amin’ny valahana dia fehinkibo iray afatotra eo amin’ny faritra mampisasaka ny vatana ambony sy ambany. Mety handroso valim-panontaniana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: (1) Mandrakotra ny valahana izany (ireo taova manan-danja mifandray amin’ny fananan-janaka). (2) Fahamarinana. (3) Maneho ny fahadiovam-pitondrantenantsika izany. (4) Ny fahafantarana ny fahamarinan’ny drafitry ny famonjena dia afaka mamporisika antsika hijanona ho madio ara-pitondrantena.

Asao ny mpianatra mba hanaraka izany lamina izany eo am-pamakian’izy ireo ny Efesiana 6:14–18 miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo ary hamita ilay ampahany amin’ny taratasy zaraina izay mifandray amin’ireo fiadiana nomena azy ireo. (Hazavao fa ny hoe “kiraroy” [andininy 15] dia midika hoe manao kiraro na fiarovan-tongotra hafa.)

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà solontena avy amin’ny vondrona tsirairay mba hilaza izay nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy. Rehefa manao tatitra ny vondrona tsirairay dia asao ireo mpianatra mba hanoratra ny zavatra hitan’ireo vondrona eo amin’ny taratasy nozaraina ho azy ireo.

  • Nahoana no manan-danja ny miaro ny tenantsika amin’ny fiadian’ Andriamanitra rehetra ?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asaivo mihaino ny fomba hitafiantsika sy hampatanjahantsika ny fiadian’ Andriamanitra ny mpianatra.

Loholona M. Russell Ballard

“Tiako ny mieritreritra an’io fiarovan-tena ara-panahy io, tsy tahaka ilay fiarovan-tena vita amin’ny takela-by mafy izay notefena mba ho azo ampidirina amin’ny vatana fa tahaka ny akanjovy misy masomasony. Ny akanjovy misy masomasony dia vita amin’ny vy kely marobe izay nampifamatorana mba hahafahan’ilay mpampiasa azy mihetsika tsara kanefa voaro ihany koa. Milaza izany aho satria araka ny traikefa azoko dia tsy misy zavatra tokana goavana sy lehibe azontsika atao mba hiarovana ny tenantsika ara-panahy. Ny hery tena izy ara-panahy dia hita ao amin’ireo asa kely marobe izay voarary ao anatin’ny lamban’ny fampatanjahana ara-panahy izay miaro antsika amin’ny ratsy rehetra” (“Be Strong in the Lord,” Ensign, jolay 2004, 8).

  • Inona no ataonao mba hitafiana sy hampatanjahana ny fiadian’ Andriamanitra isan’andro? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izany anao mba hanohitra ny ratsy sy ny fakam-panahy ary ny famitahana?

Soraty eny amin’ny solaitrabeireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra mba hanoratra ny valintenin’izy ireo:

Inona amin’ireo fiadiana ara-panahy no heverinao fa matanjaka?

Inona no fiadianao malemy indrindra?

Inona no azonao atao mba hampatanjaka ireo fiadiana ara-panahy tsirairay ireo eo amin’ny fiainanao?

Fintino ny Efesiana 6:19–24 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia namarana ny taratasiny tamin’ny fangatahana ny Olomasina mba hivavaka mba hanomezana azy “fahasahiana”(andininy 19) sy hahafahany hitory ny filazantsara amin’ny fomba hentitra raha tao am-ponja izy.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra tao amin’ny Efesiana 5-6. Amporisiho ny mpianatra mba hanao zavatra araka ireo fitaomam-panahy mety azon’izy ireo nandritra ny lesona androany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Efesiana 5:25–28; 6:4. “Tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana”

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia niresaka ny ohatra nataon’ny Mpamonjy rehefa nanoro hevitra ny lehilahy manambady ny amin’ny fomba hitarihana ny fianakavian’izy ireo:

“Tsy mahita ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonana amin’ny fomba lozabe sy feno haratsiana isika. Tsy mahita ny Mpamonjy manamavo na manamaivana ny fitondrany ny Fiangonany isika. Tsy mahita ny Mpamonjy mampiasa hery famoretana mba hanatanterahana ireo tanjony isika. Na aiza na aiza isika dia tsy mahita ny Mpamonjy manao zavatra ankoatra izay mankahery, mampatanjaka, mampionona sy manandratra ny Fiangonana” (“To the Fathers in Israel,” Ensign, nôv. 1987, 50).

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra ny fitaomana ananan’ny lehilahy manambady iray rehefa tia ny fianakaviany tahaka ny itiavan’ny Mpamonjy ny Fiangonana:

“Tena tian’i Kristy tokoa ny fiangonana sy ny olona ao anatin’izany hany ka dia niaritra fanenjehana an-tsitrampo Izy ho azy ireo, nijaly noho ny fanimbazimbana mampihetry Izy ho azy ireo, nizaka fanaintainana sy fampijaliana ara-batana tamim-pitoniana Izy ho azy ireo, ary farany dia nanome ny ainy sarobidy Izy ho azy ireo.

“Rehefa vonona ny hitondra ny ao an-tokantranony amin’ny fomba takaha izany ny lehilahy manambady iray, dia tsy ny vadiny ihany fa ny fianakaviany manontolo no hanaraka ny fitarihany”(“Home: The Place to Save Society,” Ensign, jan. 1975, 5).

Efesiana 6:1. “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo”

“Niteny i Paoly hoe: ‘Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo: fa marina izany’ (Efesiana 6:1; nampiana soramandry), dia nampiany avy hatrany hoe: ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (and. 2). Teto anefa dia tsy nanampy teny fanatsarana izy fa namariparitra izany ho ‘didy voalohany misy teny fikasana’ fotsiny ihany (Efesiana 6:2). Ny hoe mankatò ny ray sy ny reny ao amin’ny Tompo dia midika hoe mankatò azy ireo ao amin’ny fahamarinana (jereo ny McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 2:521). Isaky ny miaina araka ny fahamarinana ny zanaka iray dia mitondra voninahitra ho an’ny ray aman-dreniny izy, na olo-marina na olon-dratsy ireo ray aman-dreny ireo. Marina koa ny mifanohitra amin’izay. Isaky ny miaina araka ny faharatsiana ny zanaka iray dia mitondra henatra ho an’ny ray aman-dreniny izy, na olo-marina na tsia ireo ray aman-dreny ireo. Koa, ny fanajana ny ray aman-dreny dia tsy voatery ho ny fankatoavana azy ireo foana. Eo amin’ireo tranjan-javatra vitsivitsy ireo, izay mety hangatahan’ireo ray aman-dreny na hamporisihan’izy ireo ny zanany haneho fitondrantena tsy marina, dia mitondra fahafaham-baraka ho an’ny ray aman-dreniny ilay olona raha toa ka mankatò azy ireo” (Old Testament Student Manual: Genesis–2 Samuel [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 131).

Efesiana 6:11. “Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”

Nanazava ny maha-zava-dehibe ny fitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra ny Filoha Harold B. Lee:

“Manana ireo singa efatry ny vatana izay nolazain’ny Apôstôly Paoly fa mora tratran’ny herin’ny maizina avokoa isika. Ny valahana, izay tadindon’ny hasina, ny fahadiovam-pitondrantena. Ny fo izay tandindon’ny fitondrantsika ny tenantsika. Ny tongotsika, izay maneho ireo tanjontsika eo amin’ny fiainana ary ny lohantsika izay maneho ny eritreritsika” (Feet Shod with the Preparation of the Gospel of Peace, Brigham Young University Speeches of the Year [Nov. 9, 1954], 2).

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izay tsy maintsy ataontsika voalohany mialoha ny hahafahantsika mitafy ny fiadian’ Andriamanitra:

“Ny fanesorana ny olona araka ny nofo dia ahafahana mitafy ny fiadian’ Andriamanitra rehetra, izay mety tsy ho antonona tanteraka teo aloha! (jereo ny Ef. 6:11, 13)” (“Plow in Hope,” Ensign, mey 2001, 60).

Ny Filoha N. Eldon Tanner tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny zavatra azontsika atao mba hitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra.

“Diniho ny fiadianao. Misy toerana tsy voambina na tsy voaro ve? Manapaha hevitra izao ny hanampy izay ampahany banga na inona izany na inona. …

“Amin’ny alalan’ny fitsipika lehiben’ny fibebahana no hahafahanao manova ny fiainanao sy manomboka dieny izao ny mampitafy ny tenanao amin’ny fiadian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandalinana, sy ny vavaka ary ny fahavononana hanompo an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny” (“Put on the Whole Armor of God,” Ensign, mey 1979, 46).