Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily Faharoa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana


Fampahafantarana ny Epistily Faharoa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Epistily Faharoa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana dia fanta-daza noho ireo lohahevitra fonosiny momba ny fiononana ao anatin’ny fahoriana, ny tanjaka ao anatin’ny fahalemena (araka izay asehon’i Paoly mihitsy amin’ny alalan’ny ohatra), ary ny famantarana ireo mpampianatra marina sy ireo mpampianatra sandoka. Ny ohatra nasehon’i Paoly sy ny fampianarany izay voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana dia afaka manentana ny fanahin’ny mpianatra hijanona ho marina sy mahatoky amin’ireo fanekempihavanana mandrakizay nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, na toy ny ahona na toy ny ahoana ny toe-javatra iainana na ny vokatr’izany.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly no nanoratra ny Epistily Faharoa ho an’ny Koritiana (jereo ny 2°Korintiana 1:1).

Oviana ary taiza no fotoana nanoratana azy?

Fotoana fohy taorian’ny nanoratan’i Paoly ny 1 Korintiana dia nisy tabataba nihanahazo vahana tao Efesosy izay nanohitra ny fampianarany (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:23–41), ka dia nandeha nankany Makedonia izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:1; 2 Korintiana 2:13; 7:5). Hita taratra fa fony izy tao Makedonia no nanoratany ny 2 Korintiana, angamba teo ho eo amin’ny 55–57 taorian’i J.K. (Jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny Baibolin’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny teny anglisy “Pauline Epistles”; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?

Ny Bokin’ny 2 Korintiana dia nosoratana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto. Raha mbola tao Makedonia i Paoly nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony dia nitondra vaovao ho azy avy any Korinto i Titosy fa noraisin’ireo Olomasina tao tsara ny taratasy iray nalefany teo aloha (jereo ny 2 Korintiana 7:6–13). Nihanandroso ilay sampana Korintiana, saingy nahafantatra mikasika ny fisian’ireo mpampianatra sandoka tao izay nanimba ireo fotopampianarana madion’i Kristy ihany koa i Paoly. Fotoana vitsy taorian’ny fitsidihana voalohany nataon’i Paoly tao Korinto sy taorian’ny fitsidihana faharoa izay mety ho nataony (2 Korintiana 1:15–16), rehefa hita toa nanafay ny sasany tamin’ireo Olomasina i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 2:1; 12:21), dia tonga tao Korinto ireo mpitory avy ao amin’ny faritr’i Jerosalema dia nanomboka nampianatra ireo Olomasina fa tsy maintsy mankatò ireo fanaon’ny Jiosy izy ireo, izay mifanohitra amin’ny fampianaran’i Paoly. Betsaka amin’ny 2 Korintiana no miresaka ireo olana naterak’ireo mpampianatra sandoka ireo.

Ny taratasy nosoratan’i Paoly dia sady miresaka amin’ireo izay naniry ny handre bebe kokoa tamin’ny teniny (jereo ny 2 Korintiana 1–9) no miresaka amin’ireo izay tsy vonona ny hanaiky ny fampianarany (jereo ny 2 Korintiana 10–13). Amin’ny ankapobeny, ny lahatsoratra ao amin’ny 2 Korintiana dia mampahafantatra ny tanjona maro nanoratana io taratasy io:

  1. Mba hanehoana fankasitrahana sy hampaherezana ireo Olomasina izay nandray tsara ilay taratasiny teo aloha

  2. Mba hampitandremana ireo mpampianatra sandoka izay nanimba ny fotopampianarana madion’i Kristy

  3. Mba hiarovana ny toetoetrany manokana sy ny fahefany amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy (jereo ny 2 Korintiana 10–13)

  4. Mba hamporisihana ireo Olomasina Korintiana hanome fanatitra feno fahalalahan-tanana ho an’ireo Olomasina mahatra tao Jerosalema (jereo ny 2 Korintiana 8–9)

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Raha toa ka miompana amin’ny fotopampianarana ny maro amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly, ny betsaka indrindra amin’ity taratasy ity kosa dia manantitrantitra ny fifandraisan’i Paoly amin’ireo Olomasina Korintiana sy ny fitiavany sy ny fiahiany azy ireo. Na dia hentitra tamin’ny fanoherany ireo tsikera aza i Paoly, dia hitantsika izy ao amin’ny 2 Korintiana fa mpitarika feno fitiavana ao amin’ny fisoronana izay manome lanja ny fifaliana sy izay mahasoa ny Olomasina. Nizara zavatra maromaro momba ny tantaram-piainany koa i Paoly ary nanoratra momba ny “tsilo tamin’ny nofo” izay nahazo azy (2 Korintiana 12:7).

Tao anatin’ny zavatra masina niainana voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 12:2–4 dia nanoritsoritra ny tenany i Paoly hoe “olona anankiray ao amin’i Kristy” izay “nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo,” izay toerana nahitany sy nandrenesany zavatra tsy hay lazaina. Io fahitana io, miaraka amin’ny filazany fotopampianarana teo aloha mikasika ny fahasamihafan’ny voninahitr’ireo vatana efa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:35–44), dia azo raisina ho toy ny zavatra ao amin’ny Baiboly izay mitovy amin’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Topimaso

2 Korintiana 1–5 Mijoro ho vavolombelona i Paoly fa mampionona ny zanany ao anatin’ireo fahoriany rehetra Andriamanitra. Mampanao fanamby ny Olomasina hifankatia sy hifamela heloka izy. Ny filazantsara sy ny asan’ny Fanahy Masin’ny Tompo dia feno voninahitra kokoa noho ilay taratasy mirakitra ny lalàn’i Mosesy. Mampahery ireo mpamaky ny asasorany i Paoly ao anatin’ireo fotoam-pahorian’izy ireo ary mampahatsiahy azy ireo ny toetra mandrakizain’ny fitiavana sy ny voninahitr’ Andriamanitra. Manampy ireo mpamaky izy hahatakatra ny filan’izy ireo ny fampihavanana azy ireo amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

2 Korintiana 6–13 Raha mbola niatrika ireo tsikera sy fanoherana avy amin’ireo mpampianatra sandoka i Paoly dia niaro ny fahitsim-pony izy amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy ary nanasa ireo mpamaky ny asasorany mba hisaraka amin’izao tontolo izao. Mampianatra mikasika ny “alahelo araka an’ Andriamanitra” izy (jereo ny 2 Korintiana 7:10). Misaotra ireo Olomasina Korintiana i Paoly noho ny fanomezan’izy ireo ho an’ny mahantra tao Jerosalema ary mamporisika azy ireo hanohy hanome amim-pahalalahan-tanana. Miteny mafy tokoa manohitra ireo “apostoly sandoka” izy (2 Korintiana 11:13). Mirehareha ao amin’ny Tompo i Paoly ary mizara antsipiriany amin’ny tantaram-piainany momba ny fahoriany sy ny finoany an’i Jesoa Kristy. Manoratra momba ny fahitany ny lanitra fahatelo izy. Manasa ny Olomasina handini-tena sy hanaporofo ny fahatokian’izy ireo i Paoly.