Tahirim-pitaovana
Lesona 144: 1 Petera 1–2


Lesona 144

1 Petera 1–2

Fampidirana

Nanoratra i Petera mba hanamafisana orina ny finoan’ireo Olomasina izay ianjadian’ny fanenjehana mafy nataon’ny Fanjakana Romana. Nanantitrantitra izy fa efa navotana tamin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy izy ireo ary nampahatsiahiviny azy ireo ny lovany mandrakizay amin’ny maha-olona voafidin’ Andriamanitra azy ireo. Nampianatra ireo Olomasina mba hidera an’ Andriamanitra eo anatrehan’ireo olona sy haharitra ireo fanenjehana tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy i Petera.

Fanamarihana: Jereo ny “Fiomanana mialoha” ao anaty mahitsizoro mba hiomanana amin’ny lesona 149.

Sosokevitra enti-mampianatra

1 Petera 1

Mampianatra ireo Olomasina ny mety ho lovany sy ny antony hisian’ny fitsapana i Petera

memy mandrotsaka metaly voaempo

Manehoa na manaova sarina memy iray ary hazavao fa ny memy dia fatana fandrendrehana metaly na akora hafa, izany hoe hafanaina sy empoina izany mba hanalana ny lotony sy hanamafisana ny zavatra vita aminy farany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona M. Russell Ballard

“Mandritra ny dia manerana ny Fiangonana ataoko dia mahita mpikambana mandalo ilay memin’ny fijaliana aho” (“Hyrum Smith: ‘Firm As the Pillars of Heaven,’” Ensign, nôv. 1995, 9).

  • Araka ny hevitrareo, inona no tian’ny Loholona Ballard holazaina amin’ny hoe “memin’ny fijaliana”? (Ireo fitsapana na fizahan-toetra andalovana eo amin’ny fiainana.)

Hazavao fa nanoratra ny Epistiliny Voalohany i Paoly mba hanamafisana orina sy hankaherezana ireo Olomasina izay niatrika memin’ny fijaliana. Hazavao fa hatramin’ny 64 taorian’i J.K.teo ho eo, tokony ho tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ity epistily ity, dia naneho fandeferana ny finoana Kristianina ny fanjakana Romana tamin’ny ankapobeny. Ny volana jolay tamin’io taona io dia noravaravain’ny afo ny ampahany lehibe tamin’i Roma. Nanendrikendrika ireo Kristianina ho nampirehitra izany afo izany ireo mpitarika malaza Romana. Izany no nitarika ny fanenjehana mafy an’ireo Kristianina nandritra ny Fanjakana Romana. Avy amin’ireo namany sy mpiara-monina taminy taloha ny sasantsasany tamin’ireo fampijaliana niainan’ireo Kristianina.

Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny 1 Petera 1–2 mba hikaroka fahamarinana izay afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky rehefa mandalo ao anatin’ny memin’ny fijaliantsika isika.

Fintino ny 1 Petera 1:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nihaona tamin’ireo Olomasina tany Asie Mineure (i Turquie ankehitriny), faritanin’i Roma i Petera ary nampahatsiahy azy ireo fa olom-boafidy izy ireo, izany hoe voafidy handray fitahiana manokana raha toa ka miaina amim-pahatokiana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 1:3–5 . Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny zavatra nampahatsiahivin’i Petera ireo Olomasina fa nataon’i Kristy sy ireo fitahiana nampanantenaina azy ireo fa ho avy.

  • Inona ireo fitahiana ho azon’ny Olomasina raha toa ka mijanona ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 1:6 ary asao ireo mpianatra mba hitady ny fomba nandraisan’ireo Olomasina ny fampanantenana an’ireo fitahiana ho avy ireo. Hazavao fa ilay teny hoe fakam-panahy ao amin’ny andininy 6 dia manambara ireo fitsapana sy fijaliana.

  • Ahoana no fomba nandraisan’ireo Olomasina ny fampanantenana ireo fitahiana ho avy ireo? (Niravoravo izy ireo.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 3–6? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Na dia mandalo fitsapana aza isika dia afaka mifaly ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra antsika fa ho avy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika hifaly na dia mandalo fitsapana aza ny fahatsiarovana ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra fa homeny antsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 1:7–9 . Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’i Petera ireo Olomasina mikasika ny fizahan-toetra ny finoana.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Petera 1:7, dia nampitahain’i Petera tamin’ny inona ny finoan’ireo Olomasina izay voazaha toetra na voatsapa?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitovian’ny finoana voazaha toetra amin’ny volamena? (Ny finoana izay voazaha toetra dia sarobidy toy ny volamena. Na izany aza dia sarobidy kokoa mihoatra ny volamena ny finoana satria ny volamena dia “mety ho simba” [andininy 7] raha toa kosa ka mitondra amin’ny fanavotana, izay mandrakizay, ny finoana an’i Jesoa Kristy [jereo ny andininy 9]. Ankoatra izany, ny volamena dia rendrehana amin’ny afo. Dia toy izany koa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia voazaha toetra sy voarendrika rehefa mizaka amim-pahatokiana ireo fitsapana isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, izay manazava ny fomba ahafahantsika miorina mafy sady tsy miova rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoana:

Loholona Neil L. Andersen

Ahoana no ahafahanareo ‘[m]iorina mafy sady tsy miova’ [Almà 1:25] rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoana ianareo? Miroboka ao anatin’ ireo zavatra izay tena nanampy anareo hanorina ny fototry ny finoanareo ianareo: mampihatra finoana an’ i Kristy, mivavaka, mandalina ny soratra masina, mibebaka, mitandrina ny didy, ary manompo ny hafa.

“Rehefa miatrika ny fizahan-toetra ny finoana ianareo—na inona na inona ataonareo, dia aza manalavitra ny Fiangonana ianareo! Ny fihatahanareo amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mandritra ny fizahan-toetra ny finoana dia toy ny nandao ilay toerana azo antoka misy tafo mahatanty rivodoza rehefa injay iny tazana iny ilay rivodoza manatona” (“Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 40).

  • Inona no namporisihan’ny Loholona Andersen mba hataontsika rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoantsika isika?

  • Nahoana no zava-dehibe araka ny eritreritrao ny manao ireo zavatra ireo rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoantsika?

Hazavao fa mety ho voasarika hiala amin’ny finoany ireo Olomasina sasantsasany izay nanoratan’i Paoly rehefa nandalo fanenjehana noho ny fivavahana izy ireo. Asaivo mamaky amim-pahanginana ny 1 Petera 1:13–17 ireo mpianatra sady mitady ireo fananarana nataon’i Petera mba hanampiana ireo Olomasina hahazaka amim-pahatokiana ireo fizahan-toetrany. Asao ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no nasain’i Petera hataon’ireo Olomasina?

  • Ahoana no mety nanampian’ny torohevitr’i Petera azy ireo hahazaka amim-pahatokiana ireo fizahan-toetrany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 1:18–21 . Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra hitadiavana fahamarinana fanampiny nampianarin’i Petera ireo Olomasina mba hanampiana azy ireo hahazaka amim-pahatokiana ny fizahan-toetrany fa tsy handao ny finoany.

  • Inona no fahamarinana nampianarin’i Petera ireo Olomasina ao amin’ireo andininy ireo? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra saingy ataovy izay hahitan’izy ireo ny iray na mihoatra amin’ireto fahamarinana manaraka ireto: Voavotra amin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy isika. Satria niaina fiainana tsy nisy ota i Jesoa Kristy dia afaka nanolotra ny tenany Izy ho sorona tonga lafatra ho antsika. Efa voatendry mialoha i Jesoa Kristy mba ho Mpanavotra antsika.)

  • Nanampy ireo Olomasina hizaka amim-pahatokiana ny fizahan-toetrany tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana hitany tao amin’ny 1 Petera 1dia asao izy ireo hieritreritra ny fotoana iray izay nisafidianany na ny olona iray izay fantany hizaka fizahan-toetra iray amim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra hataony mba hijanonana ho mahatoky rehefa tsapaina ao anatin’ny memin’ny fahoriana izy ireo.

Fintino ny 1 Petera 1:22–25 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namporisika ireo Olomasina i Petera mba hifankatia sy hahatsiaro fa nateraka indray tamin’ny alalan’ny famihinana ny tenin’ Andriamanitra, izay maharitra mandrakizay izy ireo.

1 Petera 2:1–12

Nanantitrantitra ny andraikitr’ireo Olomasina i Petera

  • Inona ireo zavatra sasantsasany tsy mampitovy ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao tontolo izao?

  • Inona ireo olana sasantsasany izay mety atrehintsika vokatr’izay fahasamihafana izay?

Asao hikaroka fitsipika iray izay hanamafy ny fanirian’izy ireo hiavaka amin’izao tontolo izao ireo mpianatra eo am-pandalinany ny 1 Petera 2 amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo azy ireo.

Fintino ny 1 Petera 2:1–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nampianatra fa ny Olomasina dia toy ny vato velona ary i Jesoa Kristy kosa dia tahaka ny vato fehizoro na fototra ho an’ireo mahatoky. Kanefa ho an’ireo izay tsy mpankatò kosa dia toy ny “vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka” Izy (andininy 8), izay midika fa tafintohina Aminy izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 2:9–10 . Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra hitadiavana ny fomba namariparitan’i Petera ireo Olomasina mahatoky.

  • Ahoana no namariparitan’i Petera ireo Olomasina mahatoky?

Hazavao fa ilay andian-teny hoe nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany ao amin’ny andininy 9 dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe voavidy na voatsimbina ary mifandraika amin’ilay teny Hebreo ao amin’ny Eksodosy 19:5 izay maneho fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra dia fananana miavaka na harena sarobidy ho Azy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nanampian’ireo teny nampiasain’i Petera hamariparitana ireo Olomasina ao amin’ny andininy 9–10 mba hanana herimpo hiatrehana ny fanenjehana ara-pivavahana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 2:11–12 . Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra hitadiavana ny zavatra niangavian’i Petera mba hataon’ireo Olomasina amin’ny maha-olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany azy ireo. Hazavao fa mety efa nantsoin’i Petera hoe “vahiny” sy “mpivahiny” ireo Olomasina satria na izy ireo niaina teo anivon’ny olona hafa kolontsaina sy fivavahana tamin’ireo Olomasina na satria lavitry ny fonenan’izy ireo any an-danitra izy ireo, miaina amin’ny maha-olona mety maty azy mandritra ny fotoana tsy maharitra.

  • Araka ny andininy 11, inona no nolazain’i Petera fa tsy maintsy ataon’ireo Olomasina mba hisarahana amin’izao tontolo izao?

  • Araka ny andininy 12, inona no toetra nolazain’i Petera fa tokony hananan’ireo Olomasina manoloana ny hafa amin’ny maha-vahoaka voafidin’ Andriamanitra sy amin’ny maha-olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany azy ireo?

  • Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’i Petera mikasika ny zavatra iantsoan’ Andriamanitra mba hataon’ireo Olomasiny? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Miantso ireo Olomasiny Andriamanitra mba hisaraka sy hiavaka amin’izao tontolo izao mba hahafahan’ny hafa mahita ny ohatra asehon’izy ireo sy hiderany Azy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nolazain’ny Rahavavy Elaine S. Dalton, izay efa tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ity:

Elaine S. Dalton

“Raha maniry ny hanova an’ izao tontolo izao ianareo dia tsy maintsy miavaka eo anatrehan’ izao tontolo izao” (Izao no Fotoana Tokony Hitsanganana sy Hamirapiratana!” Ensign na Liahona, mey 2012, 124).

  • Nisy fiantraikany tsara tamin’ny hafa na nitarika azy ireo ho any amin’ Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny safidinao hisaraka sy hiavaka eo anatrehan’izao tontolo izao?

Amporisiho ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo hatsaraina mba hisarahana sy hiavahana amin’izao tontolo izao ka hahatonga azy ireo ho ohatra. Asao izy ireo hanao zavatra araka izay fahatsapana mety ho azon’izy ireo.

1 Petera 2:13–25

Nanoro hevitra ireo Olomasina mba hiaritra fijaliana tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy i Petera

Fintino ny 1 Petera 2:13–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nampianatra ireo Olomasina mba hanaiky ireo lalàna sy manampahefana ara-panjakana izay mifehy azy ireo (tafiditra ao anatin’izany ny amperora Romana izay namporisika ny fanenjehana azy ireo; jereo koa ny F&F 58:21–22). Namporisika ireo izay ianjadian’ny fahoriana izy mba hizaka ny fijalian’izy ireo amim-paharetana sy hahatsiaro fa fantatr’ Andriamanitra ny amin’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 2:19–20 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny torohevitra nomen’i Petera ireo Olomasina momba ny fomba fizakana fijaliana.

  • Inona no torohevitra nomen’i Petera momba ny fomba hataon’ny Olomasina hizakana ny fahorian’izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky amim-pahanginana ny 1 Petera 2:21–25 hitadiavana ny namariparitan’i Petera ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy nanoloana ny fanenjehana.

  • Inona no nataon’i Jesoa Kristy nanoloana ny fanenjehana?

  • Araka ny andininy 21dia inona ny antony iray izay nahatonga ny Mpamonjy hijaly ho antsika?

  • Inona no fahamarinana azontsika tsoahina avy amin’ny andininy 21–25 mikasika ny fizakana fitsapana? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny fizakana amim-paharetana ireo fitsapana.)

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy ary asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo hatsaraina mba hanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ny fizakana ireo fitsapana amim-paharetana.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Petera 1:6–8 “Ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo”

Nampianatra ny zavatra mety ho tonga avy amin’ireo fitsapana mampijaly antsika amin’ity fiainana ity ny Loholona Orson F. Whitney tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Tsy misy very ny fijaliana izay mianjady amintsika sy ny fitsapana izay iainantsika. Mampianatra antsika izany mba hampitomboantsika ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetrentena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra zakaintsika, indrindra fa rehefa mizaka izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitiavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina ho zanak’ Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ilay fianarana izay nahatongavantsika ety mba ho rantovina sy hahatonga antsika bebe kokoa ho tahaka ny Raintsika sy ny Renintsika any an-danitra” (ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98).

1 Petera 2:18–25. Naneho ohatra ny amin’ny fomba tokony hizakantsika ny fahoriana i Jesoa Kristy

Nampianatra ny Loholona Alexander B. Morrison ao amin’ny Fitopololahy hoe:

“I Petera, ilay apôstôly lehibe, izay maty maritiora (jereo ny Jaona 21:18–19), dia nahafantatra fa misy fankasitrahana avy any an-danitra ho an’izay maharitra amin’ny fahoriana noho ny amin’i Kristy fa voninahitra kely kosa no homena antsika raha mijaly [noho ny] fahotantsika manokana isika. Nanoratra izy hoe: ‘Izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’ Andriamanitra. Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin’ izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’ Andriamanitra.’ (1 Petera 2:19–20.) Rehefa mizaka fahoriana izay mihatra amintsika tsy ara-drariny isika dia mitombo toetra tahaka ny an’i Kristy izay maha-tonga lafatra ny fanahintsika sy mitondra antsika ho eo akaikiny bebe kokoa” (Feed My Sheep: Leadership Ideas for Latter-day Shepherds [1992], 166).