Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano: Hebreo 5–Jakoba 1 (Fizarana 28)


Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Hebreo 5Jakoba 1 (Fizarana 28)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana an’ireo zava-nitranga, fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra manaraka ity tamin’izy ireo nandalina ny Hebreo 5Jakoba 1 (fizarana 28) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Hebreo 5–6)

Ny mpianatra dia nianatra avy amin’ny zavatra nosoratan’i Paoly mikasika ny fisoronana fa ireo izay notendrena ho amin’ny fisoronana dia tsy maintsy nantsoin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto koa ny mpianatra: Afaka mandova ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fahavitrihana hatramin’ny farany sy ny finoana an’i Jesoa Kristy ary ny faharetana. Vatofantsika ho an’ny fanahintsika ny fananantsika fanantenana amin’ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra.

Andro 2 (Hebreo 7-10)

Rehefa nandalina ny Hebreo 7–10 ny mpianatra, dia nianatra fa nanolotra ny ainy ho sorona noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy ary noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miditra ny fanjakana selestialy isika rehefa mihazona mafy ny finoantsika Azy.

Andro 3 (Hebreo 11)

Tao anatin’ny fandalinany ny toritenin’i Paoly momba ny finoana dia nianatra ny mpianatra fa ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Nianatra ity zavatra manaraka ity koa izy ireo: Raha te hahazo sitraka eo anatrehan’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mampihatra ny finoantsika amin’ny alalan’ny fanatonana Azy, sy finoana Azy ary finoana fa manome valisoa an’ireo izay mikatsaka Azy amim-pahavitrihana Izy. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka hiaritra fijaliana, hanatanteraka fahagagana, handray fampanantenana avy amin’ Andriamanitra, hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy, ary handroso mankany amin’ny fahatanterahana.

Andro 4 (Hebreo 12Jakoba 1)

Rehefa nandalina ny fiafaran’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo ny mpianatra dia nianatra fa rehefa mandinika ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo tanjaka hanilika ny fahotantsika ary hiaritra amim-paharetana ny fanoherana. Nianatra koa izy ireo fa rehefa manaiky ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra isika dia ho tonga bebe kokoa tahaka Azy ary hanana fiadanana izay azo avy amin’ny fahamarinan-toetra. Tao anatin’ny fandalinana ny Jakoba 1dia nianatra ny mpianatra fa manome an-tsitrapo fahendrena ho an’ireo izay mangataka izany amim-pinoana Andriamanitra.

Fampidirana

Nanoro hevitra an’ireo Isiraelita naely patrana i Jakoba Apôstôly mba ho mpankatò ny teny, hanompo ny hafa ary hitoetra ho madio ara-panahy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Ireo mpianatra dia nianatra soratra masina fehezina roa tao anatin’ity fizarana ity—Hebreo 12:9 sy Jakoba 1:5–6. Azonao atao ny hoe, miaraka mamaky na mitanisa ireo andinin-tsoratra masina ireo ny iray kilasy, dia manasa ny mpianatra mba hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Jakoba 1:22–27

Nanasa ny mpamaky ny epistiliny i Jakoba mba ho mpankatò ny teny sy hanompo ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Quentin L. Cook

“Vao haingana aho no nihaona tamin’ny zatovolahy bikàna iray. Ny tanjony dia ny handeha hanao asa fitoriana, ny hamita fianarana, ny hanambady any amin’ny tempoly ary ny hanana fianakaviana sambatra mahatoky. Tena faly tamin’ireo tanjony aho. Fa rehefa nitohy ny resaka dia lasa nazava tamiko fa tsy nifanaraka tamin’ireo tanjony ny fomba fiainany sy ny safidy nataony. Tsapako fa tena te handeha marina hanao asa fitoriana izy ary nisoroka ireo fandikan-dalàna goavana izay hanakana azy tsy hanao asa fitoriana, saingy tsy nanomana azy tamin’ireo fanamby ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy, ara-pahaizana, ary ara-panahy izay tsy maintsy hatrehany ireo zavatra fanaony isan’andro. Tsy nianatra niasa mafy izy. Tsy matotra izy tamin’ny fianarana na ny seminera. Nandeha nivavaka izy saingy tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nandany fotoana be dia be tamin’ny jeux vidéos sy ny tambazotra ifaneraserana izy. Toy ny hoe mieritreritra izy fa ho ampy ny fandehanany fotsiny manao asa fitoriana” (“Misafidiana amim-pahendrena,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 47).

  • Raha teo amin’ny toeran’ny Loholona Cook ianao, dia inona no mety ahiahinao mikasika ny tsy fahampiana fiomanana hanao asa fitoriana teo amin’ity zatovolahy ity?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:22 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nampianarin’i Jakoba izay afaka manampy ilay zatovolahy voalaza tao amin’ny tantaran’ny Loholona Cook.

  • Inona no zavatra nampianarin’i Jakoba izay afaka manampy io zatovolahy io?

Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 1:23–24, ny olona mpihaino fotsiny fa tsy mpankatò dia nampitahain’i Jakoba tamin’ny olona iray izay mahita ny tenany eo amin’ny fitaratra saingy avy eo manadino hoe manao ahoana ny tenany rehefa lasa izy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:25 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra mitranga amin’ireo izay misafidy ny handray andraikitra eo anatrehan’ireo fahamarinana izay henony.

  • Inona no zavatra mitranga amin’ireo izay tsy hoe mpihaino fotsiny fa mpankatò koa? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mihaino sy mandray andraikitra eo anatrehan’ny tenin’Adriamanitra isika dia hotahiany eo amin’ny asa ataontsika.)

Asao ny mpianatra mba hanombantombana ny tenan’izy ireo amin’ny maha-mpihaino sy mpankatò ny tenin’ Andriamanitra azy ireo amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mamaky mafy ireto fanontaniana ireto na manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe.

  • Hatraiza ny finoako tanteraka ireo fahamarinana izay ianarako ao amin’ny soratra masina, any an-trano sy ao am-piangonana ary any amin’ny seminera?

  • Isaky ny inona aho no mametraka tanjona ara-panahy mba handray andraikitra eo anatrehan’ireo fahamarinana izay ianarako? Impiry aho no mahatanteraka izany? Impiry aho no manadino izany?

  • Inona no azoko atao tsara kokoa mba ho mpankatò ny teny fa tsy hoe mpihaino fotsiny?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitahiana izay azo rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ianarantsika isika.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 1:26–27 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny torohevitra nomen’i Jakoba mikasika ny fomba ahafahantsika miaina ny fivavahantsika.

  • Araka ny nolazain’i Jakoba dia inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika miaina ny fivavahantsika na mampiseho ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra?

Hazavao fa ao amin’ny andininy 27 dia nampiasa ilay hevitra hoe “mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena” izay mila fanampiana i Jakoba ho toy ny ohatra iray hanehoana ny fikarakarana ny hafa ary ny “miaro [ny tena] tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao” dia midika hoe mitoetra ho madio ara-panahy, na dia ao anatin’ny tontolo iray mety hibahanan’ny faharatsiana aza.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Jakoba 1:27? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Maneho fivavahana madio isika rehefa mikarakara ny hafa sy miaro ny tena ho madio ara-panahy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Nahoana no mety ho fomba manan-danja hanehoana ny fanoloratenantsika amin’ Andriamanitra ny fikarakarana ny hafa sy ny fiarovana ny tenantsika ho madio ara-panahy?

  • Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara eo amin’ny fanehoana “fivavahana madio” eo amin’ny fiainany isan’andro? Inona no zavatra ataon’io olona io izay manentana ny fanahinao?

Asaivo soratan’ny mpianatra eo amin’ny tapa-taratasy iray ny zavatra iray na roa izay hataony mandritra ny herinandro manaraka mba hikarakarana olona sahirana na mba hiarovana ny tenan’izy ireo “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” Asao izy ireo mba ho mpankatò ny teny amin’ny alalan’ny fampiharana io fitsipika io eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fizarana manaraka (Jakoba 21 Petera 5)

Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Jakoba 21 Petera 5 izy ireo dia hahafantatra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no nasain’i Jakoba nataon’ny Olomasina rehefa mahita rahalahy na anabavy izay “tsy manan-kitafy sady tsy manan-ko hanina [isan’andro]”? (Jakoba 2:15). Inona no hitranga raha toa ka tsy manampy ny sahirana isika? Nahoana no nilaza i Jakoba fa “maty ny finoana raha tsy misy asa”? (Jakoba 2:26) Inona eo amin’ny faritry ny vatana no lazain’i Jakoba fa “afo” ary afaka “[mampipentimpentina] ny tena rehetra”? (Jakoba 3:6). Inona no fitahiana izay miandry ireo izay manampy amin’ny fampibebahana ny mpanota “hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany”? (Jakoba 5:20). Inona avy ireo antony hitoriana ny filazantsara amin’ny maty izay nomen’i Petera? Asao ny mpianatra hikaroka ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ireo andian-tsoratra masina manaraka izy ireo.