Tahirim-pitaovana
Lesona 3: Ny Anjara andraikitry ny mpianatra


Lesona 3

Ny Anjara andraikitry ny mpianatra

Fampidirana

Samy manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fianarana ny filazantsara ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny tsirairay amin’ireo andraikitra ireo ity lesona ity mba hampahomby ny ezaka ataony amin’ny fianarany. Mety ho ilainao ny mamerimberina ireo fitsipika ampianarina ato anatin’ity lesona ity mba hampahatsiahivana ny mpianatra ny andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ireo anjara andraikitry ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra amin’ny fianarana ny filazantsara

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity:

Misy zatovovavy iray izay entanim-panahy sy mahazo hery rehefa manatrika seminera. Mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ao an-dakilasy ary feno fankasitrahana noho ireo zavatra izay ianarany. Misy zatovovavy iray hafa ao amin’izany kilasin’ny seminera izany. Sorena matetika anefa izy ary mahatsapa fa tsy dia misy zavatra azony firy ao andakilasy.

  • Inona avy ny antony sasany azo heverina fa mety hahatonga ireo zatovovavy roa ireo hanana traikefa tsy mitovy tahaka izany nefa samy mamonjy kilasin’ny seminera mitovy ihany? (Ireto manaraka ireto ny valiny mety ho azo: mety mandray anjara mavitrika kokoa amin’ny lesona ilay zatovovavy voalohany; mety efa nanana traikefa ara-panahy amin’ny fianara ilay zatovovavy voalohany tany aloha izay afaka iorenan’ny fianarany amin’izao; ary ilay zatovovavy faharoa dia mety variana amin’ny zavatra hafa.)

Asao ireo mpianatra hitady fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny lesona anio izay afaka manampy azy ireo hanatanteraka ny andraikiny ao amin’ny seminera sy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hazavao fa misy olona telo izay manana andraikitra lehibe amin’ny fianarana ao amin’ny sehatra toy ny seminera: ny Fanahy Masina sy ny mpampianatra ary ny mpianatra.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 14:26 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Jaona 16:13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny sasany amin’ireo anjara andraikitry ny Fanahy Masina.

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny anjara andraikitry ny Fanahy Masina? (Mety hanome karazana valinteny samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitany ity fotopampianarana manaraka ity: Mampianatra fahamarinana ny Fanahy Masina.)

  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa mampianatra antsika fahamarinana ny Fanahy Masina? (Azonao atao ny mampamaky ireo mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny andraikitry ny mpampianatra ny filazantsara. Alohan’ny hamakin’ilay mpianatra dia hazavao fa nomena ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana izay natokana mba hampianatra ny filazantsara ireto andininy ireto.

  • Inona no anjara andraikitry ny mpampianatra ny filazantsara? (Jereo koa ny F&F 42:14.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 33:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra ataon’ny Fanahy Masina amintsika rehefa ampianarina amin’ny alalan’ny heriny ny fahamarinana.

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no ataon’ny Fanahy Masina amintsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanasana ny Fanahy Masina mba hitondra fahamarinana mankany am-pony dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fomba hikatsahantsika ny fianarana.

  • Ahoana no tokony hikatsahantsika ny fianarana? (Amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra mety hitranga amintsika rehefa mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana isika:

Loholona David A. Bednar

“Ny mpampianatra iray dia afaka manazava, mampiseho, mandresy lahatra ary mijoro ho vavolombelona ary manao izany miaraka amin’ny hery ara-panahy lehibe sy amim-pahombiazana. Kanefa, amin’ny farany, dia tsy tafiditra ao anatin’ny fo ny votoatin’ny hafatra iray sy ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina raha tsy hoe avelan’ilay mpandray hiditra izany. Manokatra ny lalana mankany amin’ny fo ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 61).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io fanambarana io momba ny zavatra mety hitranga amintsika rehefa mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana isika? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana isika dia manasa ny Fanahy Masina ao am-pontsika mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Hamafiso fa ny finoana dia mihoatra lavitra noho ny finoana tsy arahan’asa. Asehontsika amin’ny alalan’ny asa ny finoantsika.

  • Aminao dia inona no dikan’izany hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana izany?

Mba hanehoana ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana dia manasà mpianatra iray nanolo-tena izay mbola tsy nilalao baolina kitra mihitsy. (Azonao amboarina ity asa atao ity hampandraisana anjara ny mpianatra iray izay tsy mbola nilalao basket mihitsy, na nilalao zavamaneno, na nanao tanisa, na namatotra kravaty, sns.) Lazao ilay mpianatra nanolo-tena fa mikasa ny hampianatra azy hilalao baolina kitra tsara ianao mba hahafahany milalao ao anatina ekipa iray. Anontanio ilay mpianatra nanolo-tena raha mino izy fa manana fahaizana ny hampianatra ianao ary manana fahafafahana ny hianatra izy. Hazavao sy asehoy avy eo ny fomba fitondrana baolina kitra amin’ny tongotra, saingy aza avela hanandrana ilay mpianatra. Hazavao ny fomba fandakana baolina mankany amin’ny olona. Asehoy izany avy eo amin’ny fandakana ilay baolina mankany amin’ilay mpianatra, saingy alaivo ilay baolina fa aza avela hodakan’ilay mpianatra miverina mankany aminao. Ataovy toy izany koa ny fomba fanipazana baolina kitra miditra rehefa mivoaka ny faritra filalaovana izany. Avy eo dia anontanio ilay mpianatra hoe:

  • Ahoana no fahatsapanao ny fahavononanao hanandrana hiaraka amina ekipa mpilalao baolina iray? Nahoana?

  • Na dia mety hanampy aza ny mianatra sy ny mijery ny olona hafa milalao baolina kitra, raha te hampivoatra ny fahaiza-manao ilaina mba hahombiazana amin’ny baolina kitra ianao, dia inona no tsy maintsy ataonao?

  • Ahoana no mety hifandraisan’izany amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana? (Tsy ampy ny finoana sy ny fatokiana fotsiny fa afaka mampianatra antsika ny Fanahy. Mba hahazoana fahalalana momba ireo fahamarinan’Andriamanitra dia tsy maintsy manao ezaka ihany koa isika mba hianatra sy hampihatra izay zavatra nianarantsika.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Bednar ity: Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra nampianariny momba ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana (azonao atao ny manao tahadikan’ity fanambarana ity ho an’ny mpianatra ka hanasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany):

Loholona David A. Bednar

“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony manamafy. Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. Ao anatin’ny fahamarinana sy ny tsy fahatapahan’ny asa avy amin’ny fitaoman’ny finoana izay ataontsika no hanehoantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina. …

“… Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy afaka miampita avy any amin’ny mpampianatra iray mankany amin’ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny famakiana, na fanehoana amin’ny alalan’ny ohatra, na andrana ho fianaran-javatra; raha ny marina dia ny mpianatra no tsy maintsy mampihatra finoana sy manao asa mba hahazoany fahalalana ho an’ny tenany” (“Seek Learning by Faith,” 64).

  • Inona avy ireo ezaka sasany ara-panahy na ara-tsaina na ara-batana izay azontsika atao mba hanasana ny Fanahy hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amintsika momba ny fahamarinana?

Fanamarihana: Mety fotoana tsara izany hamakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122 sy hiresahana momba ny maha-zava-dehibe ny filaminana sy ny fanajana.

  • Inona avy ireo toetra na fitondran-tena sasany izay mety hanakana ny Fanahy tsy hampianatra antsika ny fahamarinana ao amin’ny kilasin’ny seminera iray?

  • Inona no mety tsy hampitovy ny traikefan’ny mpianatra iray izay mikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana amin’ny seminera sy ny mpianatra iray izay tsy manao izany?

Asao ny mpianatra mba hijery ny Matio 4. Hazavao fa ao amin’ilay zavatra niainan’ny Apôstôly Petera dia afaka mahita ohatra iray mikasika ny fomba ahafahan’ny fikatsahana ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana manasa ny Fanahy Masina mankao am-pontsika isika mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 4:18–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady ny fanasan’ny Mpamonjy ho an’i Petera sy i Andrea.

  • Inona no nasain’ny Mpamonjy ho ataon’i Petera sy i Andrea?

  • Nahoana no ohatra amin’ny fikatsahana ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana ny valintenin’izy ireo?

Hamafiso fa ny fanarahan’i Petera an’i Jesoa Kristy dia nanome fahafahana azy hiaraka amin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Rehefa nihaino ny antson’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy i Petera dia nanana fahafahana nihaino ny Mpamonjy nampianatra tsy tapaka sy nahita maso ireo fahagagana maro izy. Nandeha teo ambonin’ny rano mihitsy aza i Petera rehefa avy nanasa azy hanao izany ny Mpamonjy (jereo ny Matio 14:28–29).

Hazavao amin’ny mpianatra fa indray mandeha i Jesoa dia nametraka fanontaniana iray tamin’ny mpianany. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:13–14. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nanontanian’ny Mpamonjy.

  • Inona no nanontanian’ny Mpamonjy ny mpianany?

  • Inona no navalin’izy ireo izany?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:15–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba namalian’i Petera ny fanontanian’ny Mpamonjy manaraka.

  • Inona no navalin’i Petera ny fanontanian’ny Mpamonjy?

  • Inona no nohazavain’ny Mpamonjy mikasika ny fomba nahazoan’i Petera ny fahalalana nananany?

  • Nahoana ny zavatra niainan’i Petera no maneho ny fahamarinana izay hitantsika tato amin’ity lesona ity?

Asao ny mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina (azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo):

  • Oviana ianao no efa nikatsaka ny hianatra amin’ny alalan’ny finoana? Ahoana no nanatanterahan’ny Fanahy Masina ny andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara rehefa nanao izany ianao? (Azonao asaina ny mpianatra mba hisaintsaina ny traikefa nananan’izy ireo teo aloha tamin’ny fianarana rehefa nikatsaka ny hianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.)

Raha tsy mampaninona ny mpianatra ny mizara izany dia asao ny mpianatra maromaro mba hanoritsoritra ny traikefa izay nosoratany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay noresahina.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra zavatra iray na roa izay ho ataony mba hianatra amin’ny alalan’ny finoana sy hanasa ny Fanahy Masina ho ao am-pony mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana. Asao ny mpianatra mba hanoratra ny zavatra izay ho ataony.

Farano amin’ny fizarana ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson manaraka ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Ry tanora, miangavy anareo aho handray anjara amin’ny seminera. Halalino isan’andro ny soratra masina. Henoy tsara izay lazain’ny mpampianatra anareo. Ampiharo ombam-bavaka izay zavatra nianaranareo” (“Participate in Seminary,” 12 aog. 2011, seminary.lds.org).

Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho

Mitondra fanambarana ny fanajana

Ny fihetsika sy ny fitondran-tena feno fanajana dia afaka ny ho isan’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana ary afaka manasa ny Fanahy hampianatra sy hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana. Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fifandraisan’ny fanajana sy ny fanambarana:

“Tao anatin’ny taona maromaro dia nahita maodelin’ny fanajana fatratra sy ny tsy fanajana ao amin’ny Fiangonana isika. Raha toa ka olona maro no tokony hoderaina noho ny fanajana fatratra ananany, isika kosa dia mivily lalana amin’ny fanajana fatratra. Tena manana antony hitebitebena mafy isika.

“Mihamitabataba hatrany izao tontolo izao. …

“Ity fahazarana mitabataba loatra, mientanentana loatra, mifanditra loatra ity ary ny fihenan’ny fifehezan-tena sy ny fahamendrehana ary ny fanajana ity dia tsy hoe kisendrasendra na hoe tsy ananan-tsiny na hoe tsy mampidi-doza.

“Ny baiko voalohany avy amin’ny mpibaiko tafika, izay mitarika fanafihana miaramila dia ny fanembantsembanana ny tambazotram-pifandraisan’ireo izay kasainy hotafihina.

“Mety amin’ny tanjon’ny fahavalo ny tsy fanajana amin’ny alalan’ny fanembantsembanana ilay tambazotran’ny fanambarana ao amin’ny saina sy ny fanahy. …

“… Tokony hampianatra ny mpitarika fa mitondra fanambarana ny fanajana” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, nôv. 1991, 22).

Nampianatra momba ny fanajana mandritra ny fivoriana ao am-piangonana ny rahavavy Margaret S. Lifferth tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany:

“Ao anatin’ny fihetsika feno fanomezam-boninahitra ihany no ahafahan’ny Fanahy manamafy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsarana amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, ny mozika, ny fijoroana ho vavolombelona ary ny fivvavaka. …

“… Ny fanoratana na famakiana sms na e-mail mandritra ny fivoriam-piangonana dia tsy hoe tsy manaja fotsiny ihany, fa mandrebireby ary mariky ny tsy fisian’ny fanajana an’ireo izay manodidina antsika. Koa maneho ny ohatry ny fanomezam-boninahitra isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana sy ny fihainoana ireo izay mandray fitenenana ary ny fiarahana mihira ny hiran’ny Ziona” (“Fanajana sy fanomezam-boninahitra,” Ensignna Liahona, mey 2009, 13).

Antson’ny mpaminany mba handray anjara amin’ ny seminera

Nanome izao hafatra manaraka izao ny Filoha Thomas S. Monson momba fandraisana anjara amin’ny seminera:

“Nitahy ny fiainan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany an’etsiny ny seminera. Tsaroako ny zavatra niainako manokana tao amin’ny seminera. Ny seminera ho ahy dia natao vao maraimbe tao amin’ny trano kely teo am-pitan’ny sekoly ambaratonga faharoa nianarako. Nieritreritra aho hoe raha afaka mifoha maraina be toy izany ny mpampianatra ahy dia afaka mifoha maraina be koa izany aho.

“Hanampy anareo hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny seminera. Hahatsapa ny Fanahin’ny Tompo ianareo eo am-pianarana mitia ny soratra masina. Hiomana ho any amin’ny tempoly sy y hanao asa fitoriana ny filazantsara ianareo.

“Ry tanora, miangavy anareo aho handray anjara amin’ny seminera. Halalino isan’andro ny soratra masina. Henoy tsara izay lazain’ny mpampianatra anareo. Ampiharo ombam-bavaka izay zavatra nianaranareo” (“Participate in Seminary,” 12 aog. 2011, seminary.lds.org).

Fandraisana anjara ao am-pianarana

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fandraisana anjara amin’ny fianarana filazantsara:

“Ny fanapahan-kevitr’[ireo mpianatra] handray anjara dia fampiasana ny fahafahana misafidy izay mamela ny Fanahy Masina hampita hafatra mivantana ho an’ny tena manokana izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny tenan’izy ireo tsirairay. Ny famoronana tontolo ahafahana mandray anjara dia mampitombo ny fahafahan’ny Fanahy hampianatra ireo lesona manan-danja kokoa izay azon[’ny mpampianatra] ampitaina.

“Izany fandraisana anjara izany dia hitondra ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mamporisika ireo mpianatra hanangana ny tanany ianao mba hamaly fanontaniana iray, na dia tsy tsapany aza izany, dia mampiseho amin’ny Fanahy Masina ny fahavononany hianatra izy ireo. Izany fampiasana ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena izany dia hampisy io Fanahy io mba handrisika ny mpianatra sy hanome fitarihana matanjaka kokoa ho azy ireo mandritra ny fotoana iarahanao aminy. Manome fahafahana ny tsirairay handray traikefa amin’ny fitarihan’ny Fanahy ny fandraisana anjara. Mianatra mahafantatra sy mahatsapa ny atao hoe fitarihan’ny Fanahy izy ireo” (“To Learn and Teach More Effectively” [Herinandro fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, 21 aog 2007], 4–5, speeches.byu.edu).

Fomba fanampiny hanampiana ny mpianatra hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara

Raha hianatra ny fomba hanampiana ny mpianatra hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara dia jereo ireto lohahevitra ireto ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012]:

  • “Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.” (fizarana 1.3.3, pejy 8–9).

  • “Manantena ny mpianatra hahatontosa ny anjara asany amin’ny mahampandranto fahalalana azy” (fizarana 2.2.2, pejy 18).

  • “Ifanakalozy hevitra ireo fitsipiky ny fandalinana ara-panahy” (fizarana 2.2.3, pejy 21).

  • “Mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny” (fizarana 4.3.4, pejy 70).